Akon'ny 1 mey

2007-05-01 @ 16:14 in Ankapobeny

Raha ny tokony ho izy dia tsy iasana nefa andraisan-karama ity andro voalohany volana mey ity. Izay no fihevitra voalohany saingy azo atao hoe fanomezana malalaka ny mpiasa hanao ny fitakiany koa ity andro ity. Lasa ihany anefa ny saina mahita ny zava-miseho amin’izao fotoana izao indrindra fa ny eto Madagasikara.

 Miala sasatra any an-trano amin’ny fikarakarana na mitsangatsangana no tena ataon’ny maro amin’ny mpiasa eto Antananarivo fa tsy hihevitra ny momba ny fari-piainany velively. Efa leo nosoavalian’ny mpanao politika ( fa tsy nosoavalian’ny mpamosavy !) amin’ny fitakiana tokoa angaha ka aleo mionona amin’izao. Ny eto Madagasikara rahateo moa tsy maintsy maka alalana amin’ny Prefet (inona tokoa re izao no teny malagasy mahalaza azy ity ? Mpiadidy ?) raha hilahatra an-dalam-be na dia amin’ity andro natokana ho amin’ny fitakiana ity aza. Tsy afaka nanao ny azy manokana noho izany ny Sekrima saiky hanao ny azy teny Behoririka. Ny an’ny Sendika hafa moa dia voalaza fa niainga tao amin’ny tranombokim-pirenena Ampefiloha dia nizotra ho eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Io ihany no filaharana nahazo alalana fa ny ankoatra izay teto Antananarivo dia tsy azo nekena. Fa vitsy dia vitsy ny olona nanatrika izany fotoana izany. Midika ve izany fa tsy manana zavatra hotakiana ny mpiasa malagasy ? Fijeriko fotsiny no manao hoe toy ny manaiky ny toe-java-misy amin’izao izy satria hisy hijapy hatrany izay rehetra mety ho tsara raha fantany fa hahazoany seza iny fitakiana iny. Indrisy ry politika, potikao ny hetahetan’ny mpiasa.

 Fa nifanindry tamin’ny fetin’ny mpiasa koa ny fanomboan’ny fotoam-piasan’ny antenimieram-pirenena sy ny antenimieran-doholona. Talata voalohany amin’ny volana mey manko ny fotoam-piasana voalohany isan-taona. Mitontona anio indrindra izany amin’ity taona ity 2007 ity. Tsy nahita izay tany amin’ny antenimieram-pirenena aho aloha fa ny tao amin’ny antenimieran-doholona no nisy tsipalotro. Tsy toy ny mahazatra manko fa nisy nihira tao amin’ilay lanonam-panokafana ka ny filohan’ny antenimiera Rajemison Rakotomaharo no nanolotra ireo mpihira ireo. Ny hitako moa dia ny antoko mpihiran’ny antenimieran-doholona sy tarika iray avy any amin’ny faritra Boeny any. Mba niova filamatra koa ry zareo izany, hoy aho. Iza koa ary no nanana ity hevitra ity ?

Mendrika hohelohina

2007-04-30 @ 16:38 in Politika

Mpanara-baovao aho indrindra fa ny vaovao mitranga eto Madagasikara. Efa tsy vaovao intsony ny nitranga tany Toliary fa efa maresaka indray aloha. Rehefa tafiditra amin’ny lalina tahaka izao indray ny firenena indrindra fa amin’ny fihetsika tsy dia mahomby loatra dia mijery izay ataon’ny ankolafin-kery rehetra ihany koa aho ary manana ny tiako ambara manoloana izany.

 Voalohany, niandry fanambarana avy amin’ny fikambanana na antoko na vondrona na zavatra hafa aho hihaino izay heviny manoloana iny raharaha Toliary iny ka saiky tena ketraka tanteraka. Toa mbola hitsofoka amin’ny tsy mety kokoa ny andaniny sy ny ankilany ary toa tsy misy loatra mandray andraikitra mitsangana hitsabo ny fery mianjady amin’ny maro amin’izao fotoana izao. Fifanilahana andraikitra sy teny tsy hentitra loatra hampitsahatra ny lonilony no hany hita aloha hatramin’izao. Tsy naheno fanambarana loatra tamin’ny haino aman-jery aho ary tsy nahita fanambarana tamin’ny gazety ihany koa na dia iray aza.

 Ny radio nasionaly malagasy no nahenoana fotsiny miserana fa tsy voarakitra tamina taratasy ho hitan’ny be sy ny maro fa tsy mankasitraka iny zava-nitranga tany Toliary iny ny Olobe ahitana ny foko 18 misy any Toliary. Milaza tsy fankasitrahana ihany koa ny avy amin’ny fiangonana enina dia ny Ekar, ny Fjkm, Ny Flm, ny Advantista, ny Anglikana ary ny Ortodoksa. Raha ny tokony ho izy dia tsara novakiana manontolo ny fanambarana nataon’ireo vondrona tsirairay ireo raha nisy izany. Nisento ihany aho rehefa nahita fa anisan’ny nitsangana ny fiangonana satria mpitaiza vahoaka izy ireny saingy mbola tsy ampy ilay izy amiko fa tokony hivondrona manokana mihitsy ary mijoro hampitony ny raharaha. Moa tsy ny zava-mitranga toy izao no tena ahalalana ny fiangonana kristiana eto Madagasikara ? 

 Fa ny eo amin’ny mpanao politika no tena tsy naharenesana na inona na inona afa-tsy hevitra mahavalalanina ihany. Ny filoham-pirenena moa dia manameloka ny mpanao politika (indrindra ny mpanohitra) amin’ny fanaovana ny tanora ho fitaovana politika hitadiavan-tseza indray. Nefa raha tena misaina izy dia tokony hihevitra izay fototry ny olana nahatonga izao fihetsika mamohehatra eo amin’ny samy mpiray tanindrazana izao. Efa tsy sasatra aho nanambara tany aloha tany fa ity delestazy ity no ho fositra hahavoa azy. Miendrika tsy firaharahiana manko ny tsy mba nitadiavana vahaolana hatry ny ela fa aina sy fototry ny fampandrosoana ny angovo. Toa propagandy politika fotsiny no nataony fa tsy hita izay tena mivaingana hatramin’izao. Nandefa gropy handefasana jiro tany Toliary ny fitondrana dia Antananarivo indray no tapatapa-jiro indrindra fa tamin’ny andron’ny omaly alahady aloha. Famonoana afo ihany izany no nataony.

 Ny tena meloka kosa dia ny avy amin’ny mpanohitra nanome vahaolana tsotsotra tamin’ny alalan’ny fankahalana. Izaho manokana kosa tsy mihevitra ilay izy ho vahaolana na oviana na oviana fa mametraka ny nataony ho fitaizana ny tanora hankahala merina foko iray hatrany. Olona iray ve no tsy tiana dia antokon’olona manontolo no hohelohina ? manaraka izany dia tezaina hatrany fa mpiavy izay olona tsy avy ao an-toerana na dia samy Malagasy izao ihany aza. Izany hoe mbola manjaka soa aman-tsara ny politikan’ny foko nampiharin’ny Jeneraly Gala zato taona lasa izay na dia efa nahaleo tena aza ny firenena. Izay fomba fihevitra manao ny sasany amin’ny Malagasy mbola ho mpiavy izay dia manaporofo fa mbola ho lavitra ny fandrosoana raha ny toe-tsaina iainana amin’izao fotoana izao. Iza no ho sahy hanameloka izay filazana hoe « mpiavy » eo amin’ny samy Malagasy eto Madagasikara izay ? Ny firenenkafa aza efa izao tontolo izao no sehatra iainany !

 Be dia be ny teny tian-kambara fa aleo aloha hatsahatra kely handinihana azy tsara. Ny hamintinana ny resaka dia izao : tsy misy sahy manameloka ny toe-javatra ny rehetra fa mifanome tsiny fotsiny. Rehefa tsy melohina ny tsy firaharahiana ny vahoaka amin’ny ankapobeny hampiaiky ny eo amin’ny fitondrana ny tsi-fetezany hamaha amin’ny fomba hentitra ity delestazy ity dia tena mpanohitra tsy izy no misy eto Madagasikara. Meloka avokoa ny vondrona sy ny fikambanana rehetra tsy sahy miteny fa tena tsy nety ary fady ny fanenjehana vondron’olona noho ny volo-kodiny na noho ny mahangita mahaolioly na mahatso-bolo. Fahadisoan’ny fitondrana ihany koa ny nampiasana ny miaramila avy hatrany nefa tsy natao hitandro filaminana ny raharahan’izy ireny fa hiaro firenena ka izay mifanandrina aminy dia antsoina hoe fahavalo avokoa fa tsy hoe vahoaka. Mbola mila ofanina manokana ny miaramila hitandro ny filaminana fa lasa manapoaka basy amin’ny tsy antony.

Toliary: tohin'ny raharaha

2007-04-27 @ 16:29 in Politika

Nalaza moa ny andron’ny alakamisy ny fisian’ny rotaka tany Toliary. Fihetsiketsehana nataon’ny mpianatra noho ny tsy fisian’ny jiro no antony voalohany. Nitokona ry zareo tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Nanao fampiraharahana ny solotenan’ny mpianatra sy ny solontenam-panjakana. Ny vokatra avy tao dia mahazo jiro ny Oniversite ny maraina amin’ny 6 – 8 ora, ny atoandro amin’ny 12 – 2 ora mba ahafahana mikarakara sakafo ary ny hariva amin’ny 6 – 11 ahafahana mianatra alina ihany koa. Nahafa-po ny mpianatra izay marimaritra iraisana izay.

  Dia niteny indray ary ny tompon’andraikitra nifampiraharaha fa tsy tokony hisy intsony ny fidinana an-dalam-be. Tsy namaly teo noho eo ny mpianatra fa rehefa nanao tatitra no nilaza fa tsy maintsy asiana foana ny filaharana (hitakiana inona moa ?). Ren’ny tompon’andraikitra izay teny izay ka nomarihiny fa tsy maintsy aparitany raha mbola misy mitady hihetsiketsika tsy amin’ny antony eo. Tsy niraharaha ny mpianatra ary efa nivonona ihany koa ny tompon’andraikitra ao amin’ny farintany.

 Tonga tokoa ny andron’ny alakamisy, niantsoantso namory ny mpianatra indray ny mpitarika. Teo indrindra no nakan’ny miaramila ireo mpitarika ny tolona efatra ren’ny mpanara-baovao voalohany. Tezitra noho ireo fihetsika ireo ny mpianatra sy ny tsy mpianatra ka nirohotra nankeny amin’ny sampan-draharaha misahana ny fonja. Tena fanafihana ara-bakinteny no natao fa tsy fitokonana teo anoloan’ny trano. Izany no nahazoan-dry zareo ho babo ny lehiben’ny fonja sy ireo mpiasan’ny fonja anankiroa. Atao hoe voafehin-dry zareo ny sampan-draharahan’ny fonja hitakiana ny famoahana ireo namany heveriny avy hatrany fa ao am-ponja ( fa angaha moa tsy any amin’ny kaomisaria aloha ?).

 Nandray andraikitra noho ny zava-miseho ny tompon’andraikitry ny fandriampahalemana. Velona tao anatin’izany ny fifandonana. Ny « mpianatra » dia vato no fitaovam-piadiana ary ny miaramila kosa dia kobay sy ny entona mandatsa-dranomaso (miisa 20 hoy ny ankamaroan’ny fampahalalam-baovao). Nodoran’ny mpianatra ny trano fiasana sy ny fiaran’ny lehiben’ny fonja ary nentiny ho any amin’ny cité-n’ny Oniversite ireo babony tao amin’ny sampandraharahan’ny fonja. Tamin’io fifandonana io no namparatra ireo mpifanandrina sy nahasamborana olona sivily 8 ( izany hoe tsy mpianatra araka ny fahazoan’ny mpihaino azy fa olona ivelan’ny oniversite mihitsy nefa dia tao anatin’ny tolon’ny mpianatra).

 Noesorina ny fahafahan’ny oniversite satria miafina ao ny « mpaka an-keriny ». Karohina ao ny lehiben’ny fonja izay nalain’ny mpianatra araka ny fitantarana teo ambony. Azo hevitreverina avy hatrany ny « antsojay » tsy maintsy ho misy any anatiny any. Samy tadiavin’ny tompon’andraikitra manko na ny natao takalon’aina na ny tena atidohan’ny mpanao ankeriny. Marihina fa ny any Toliary hatramin’izao no tena mahasahy manafika biraom-panjakana tahaka izao teto Madagasikara hatramin’ny nahaary saina ahy. Tamin’ny taona 1971 manko ny fitokonana notarihin’Atoa Monja Jaona dia nifototra tamin’ny fanafihana ny tobin’ny Zandary rehetra hitany tamin’ny alalan’ny pilotra sy ny lefona fa tsy toy ny filaharana fanaon’ny olona amin’ny ankapobeny. Dia karazandrazany ihany koa izao tantaraina amintsika izao.

Ahoana ary ny tohiny ?

 Araka ny vaovao faramparany re ary dia navotsotra ihany ireo babon’ny mpianatra tamin’ny 4 ora maraina teo. Tsy nolazaina kosa raha navotsotra tahaka izany na tsia ireo lehiben’ny fitokonan’ny mpianatra. Ny Senatera Robert Razaka sy ny Depiote Limby Benaria indray no nitarika ny filaharambe nataon’ny « vahoaka » androany maraina ary mifototra hatrany amin’ny fanoherana ny delestazy sy ny fiakaran’ny vidim-piainana indrindra ny tsy fisian’ny arina izany filaharana izany. Nentanina tamin’ny alalan’ny trakitra tsy nisy sonia moa izany ary namporisihina ny vahoaka hitondra sotro sy vilia hampanenoana.

  Vetivety teo dia nivadika fandrobana ny entan’ny mpivarotra nandalovan’ny zareo izany filaharana izany ary nisy ihany koa ny fanafihana tsena handrobana ny entan’ny mpivarotra rehetra tao an-tsena ( dia tena tsy tadidiko ry zareo ny anaran’ilay tsena !). Efa tsy fitokonana intsony indray izany fihetsehana izany fa efa fandrobana ka niditra an-tsehatra indray ny mpitandro ny filaminana nandrava, nanenjika ary nanao tifi-danitra mihitsy aza araka ny heno ( ka tsy misy mahita tsinona fa araka ny tatitra avy amin’ny vaovao ihany no tantaraina eto). Efa rava tanteraka ny fitokonana tamin’ny 12 sy sasany atoandro fa ny taorian’izay kosa dia tsy mbola fantatra ny tohiny.

 Fanamarihana :

 Mavitrika dia mavitrika Atoa Tarcisius Raherinandrasana solontenan’ny Radio Nasionaly Malagasy any Toliary ka voalohan-daharana avy hatrany amin’ny radiom-panjakana sy ny televizionam-panajakana ity raharaha ity. Ny tsy miankina aza dia tsy mahraka ny vaovao avoakany amin’ny ankapobeny. Tsy tahaka ny taloha hoe afenimpenina ity raharaha ity fa tena tantarainy hatramin’ny antsipiriany sy hitondrany ny feon’ny tompon’andrikitra mihitsy aza. Ny an’ny mpanohitra kosa aloha tsy entiny e ! iny indray dia any amin’ny Radio Don Bosco no ahafahana mihaino izay lazainy.

Hatsikana: Mahafinaritra ny maka sary!

2007-04-26 @ 17:20 in Ankapobeny

Tena raiso amin'ny lafiny mampihomehy fotsiny ity sary ity ry zareo fa aza raisina amin'ny zavatra hafa mihitsy e! Koa dia miala tsiny mialoha raha misy ny tohina nefa tsy laitrako fa tiako aseho foana e!

ary mitsikia moa e!

Voin-kava-mahatratra, hono, e!

2007-04-26 @ 07:09 in Kolontsaina

Dia rahampitso hariva moa izany no hanatontosana ilay fampisehoana heverina hanampiana ny mpiray tanindrazana tamin’ireo rivo-doza farany teo. Zava-panaon’ny Malagasy rahateo izany ho fifampitsimbinana eo amin’ny mpiara-belona. Malaza ho olon’ny fo rahateo isika ka izay manjo ny havana dia tahaka ny manjo ny tena ihany (moa tsy izany rahateo no dikan’ny lohateny ?). Tiako izany ny manamarika dieny mialoha fa ankasitrahako ilay fihevitra hanampiana ireo tratran’ny voina eto amin’ny firenena na dia efa tokony hisy ihany koa ny tetibola natokana ho amin’ireny voina ireny araka ny fahalalako azy.

 Fa manahy dia manahy aho ny amin’izay mety ho vola voangona amin’io andron’ny rahampitso io. Artista maro moa no hanentana sy hifandimby eo an-tsehatra mandritra io fotoana io. Heverina sahady izany fa sarotra ny haka ny any ampaosin’ny olona amin’izao ka dia asiana famalifaliana izay olona tsara sitrapo aloha. Toy ireny hoe tsy maintsy misy takalo daholo ny zava-drehetra. Ambara isan’andro sy manana fotoana manokana indrindra amin’ny radio sy ny televizionam-panjakana moa ity fampisehoana heverina ho entina hanampiana ny rahalahy sy anabavy ity. Fa ilay fikarakarana mihitsy no misy olana amiko.

 Voalohany, maro loatra ny artista handray anjara nefa ny sehatra tokana ihany. Tsy tian’ny mpijery loatra anefa, indrindra fa amoahany vola, ny hiandrasana mpisehatra iray ankafizina mihira hira roa raha be indrindra dia izay no izy, tsy azoazony loatra ny hafa ohatra. Efa fantatra manko fa hira iray ihany no tena iraisana fa ny ankoatra izay dia mifandimby. Ny tamin’ireny fetim-pirenena ireny anie ka fialam-boly tsy ialam-bola ka dia mijanona ny olona fa ny handaniam-bola no hifandimby tahaka izany dia manahy ny tsy fahombiazana aho.

 Faharoa, eo amin’izay fifandimbiasana izay indrindra dia samy manana ny fahaizany mitendry ny mpitendry ny zavamaneno. Samy manana ny hanaovany  ny lakilen’ny hirany. Eny, mety ho samy manana ny zavamaneno manavanana azy ihany koa aza. Izany hoe na dia ilay  fifandimbiasana aza izany dia efa mety ho fandaniam-potoana tsy amin’ny antony. Eo no tena miasa ny mpanentana amin’ny famenoana ny banga. Raha 16 ny isan’ny artista hifandimby dia tokony hieritreritra ny resaka rehetra atao ao anatin’ny fifandimbiasana in’16 izany ny mpanentana. Izaho anefa efa nandre ihany ny Foy hehy manentana fa tsy ankafiziko loatra ny fanaovan-dry zalahy azy. Misy ihany ny tsara ataony fa be loatra no tsy azoazon’ny aiko izany ny mihaino azy, izaho izay malala-kevitra be ity !

 Tsy mety ny mitsikera fotsiny fa ny soso-kevitra (efa tara be !) no atolotro. Misy gadona samihafa ihany ny hira ary raha azo natao ihany koa aza dia misy ny fahiny sy ny ankehitriny. Raha olona malala-tanana no tena tadiavina dia olona efa lehibe no tena andrasana amin’izany, manana ny karazan-kira tiany ireny olona ireny ary amin’ny ankapobeny dia tsy mahazaka loatra ny tabataban-kira ankehitriny sy ny mozikany ry zareo. Tokony hanana efitra manokana ho an’ny tia azy ny kalon’ny fahiny. Misy ihany koa ireo tia ny hira mafana fotsiny ka mandihy no tena tiany, tsara mba manana ny efitra ho azy koa ireny karazan’olona ireny. Tsy azo adinoina ihany koa fa manana ny mpankafy manokana anie ny gadonkira rock maro isan-karazany, amin’ny ankapobeny aza dia tsy tian’ny hafa loatra ity gadonkira io nefa azo omena ny anjara masoandrony ry zareo amin’ny fandraisana anjara.

 Ary farany eo koa ireo tia hira somary mandangolango ary hira henoina tonony no tena ankafiziny tsara mba omena ny sahaza azy. Efa nisy ny nanao toy izany tao amin’io Lapan’ny kolontsaina io matoa aho nanoratra etoana. Tsy voatery hijanona amin’ny efitra iray anefa ny mpijery fa afaka mivezivezy amin’ireo efitra telo ireo araka izay tiany rehefa tafiditra tao anatin’ny tamboho fotsiny izy.

 Soso-kevitra hafa azo atao ihany koa na dia mety hiteraka adi-hevitra hafa aza dia ny fanaovana ny fampisehoana andro samihafa mihitsy. Fanaon’ny mpanakanto ny manao fampisehoana andro mitohy ka eo ny Zoma alina. Fampisehoana hafa ny Asabotsy tolakandro nefa amin’ity indray mitoraka ity tsy miverina intsony ilay mpihira nihira ny omaly. Ary fampisehoana hafa amin’ny gadona mitovitovy ihany koa ny alahady tolakandro. Amin’izay fotoana izay indray dia afa-po kokoa ny mpijery ary afaka manao hira maromaro kokoa ny artista iray fa tsy ho zara raha mihira roa dia samy miala tahaka ny ala safay sy fomba fotsiny. Eritreritra iray hafa koa ny amin’iny nefa efa tsy fotoanany intsony angamba na mikarakara fampisehoana hafa mihitsy e !  Na izany na tsy izany dia mirary fahombiazana hatrany amin’ny fikarakarana ny fampisehoana rahampitso hariva ny tenako.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2017 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox