Nisy mpitondra fiarakodia niresaka fa dia tahaka ny manao mizana tsindrian’ila ihany ny mpitandro ny filaminana indrindra fa ireo misahana ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Raha manao fahadisoana ny malagasy dia mihazakazaka aoka izany ry zalahy amin’ny fanatonana ny mpamily ary mitaky ny taratasy sy ny manome sazy. Fa raha vahiny (ny hatsatra mazava loatra) na eo imasony eo aza no manao fahadisoana dia tsy sakanan-dry zalahy mihitsy fa tazaniny tahaka ny flaorà jeren’ny omby fotsiny.
Misy ny fitaratra ijerena any aoriana no faohin’ilay fiara, ilay mpamily miresaka amin’ny finday ao anatin’izany ary tsy mahalala ny hijanona mihitsy na dia hitany izao aza ny nifaohany ny fitaratry ny olona. Fantany manko fa tsy sahy hanakana azy ireo polisy ireo. Tezitra ny Malagasy mahita izany dia mivazavaza amin-dry zalahy hoe jereo ny zavatra nataony dia nojerenareo fotsiny. Amin’io dia ry zalahy indray no manangam-bovona amin’ny tsy fanajana manam-pahefana. Rehefa tsy manaiky hanome ny taratasy mihitsy ilay saofera Malagasy dia miezaka ny mandamina amin’ny hoe efa hitantsika iny ny fiara dia efa hitantsika ny nomeraony dia tsy hitako intsony izay olana fa azo antsoina hatrany ireny. Tsy manaiky izany valinteny izany ilay mpamily Malagasy ka niteny izy fa hakariny ho amin’ny sehatra ambonimbony kokoa ity raharaha ity.
Inona no azo tsoahina amin’izany ? Azo heverina fa mihevitra ny tenany ho manan-danja afaka manao izay tiany hatao aloha ilay vahiny. Manana andraikitra ambonimbony any amin’izay misy azy angaha ka heveriny ho antsojay ataon’ny malagasy aminy mampihemotra mpandraharaha raha vao miseho hanembatsembana azy. Mety ho manana olona ambony fantany hanavotra azy ihany koa amin’ny raharaha « tsy dia misy dikany » sahala amin’izay notantaraiko teo. Tombatombana azo disoina ihany ireo noheveriko voalohany ireo fa mety ho zavatra hafa no tena antony. Io zavatra hafa io dia manakana ny fifandraisana eo amin’ny vahiny sy ny teratany. Ny olana dia tsy ny vahiny eto no miezaka hahay ny tenin’ny teratany fa ny mifamadika amin’izay no mpiseho. Ny antony dia efa nisy fotoana nanjanahan’ny vahiny antsika Malagasy. Ry zalahy manampahefana misolo tena ny malagasy anefa mety ho tsy havanana loatra amin’ilay teny vahiny ka tsy te-hanala-bara-tena amin’ny fibadabadana eny. Dia aleony manao izay tiany atao eny ireny vahiny ireny. Ireo mahay teny vahiny ihany no hahasahy hanakana an-dry zalahy fa vitsy ihany izany araka ny fahitako azy aloha. Mihevi-tena ho toy ny ambany manko raha tsy mahay ilay teny vahiny (afa-tsy oui m’sé).
Dia lasa ny eritreritro manao hoe f’angaha dia tsy maintsy ny teniny no iresahana eto amin’ity tanàna ity ? angaha koa ianao any amin’ny biraony ka matahotra ny hiresaka na hibetroka azy mihitsy aza ? Raha menatra ny hiteny vahiny aminy (izany hoe haja ve izany ny miteny vahiny aminy sa tsy mahatonga azy ho kamo hianatra ny teny malagasy ?) maninona raha mibetroka azy amin’ny teny gasy fotsiny amin’izao. Izay ilay hoe omena teny gasy izy. Aleo izy indray no hihanahana fa raha mitaky permis aminy dia ny teny hoe permis ihany no atao teny vahiny fa ny ambiny rehetra atao amin’ny teny malagasy. Dia mety hiteny isika hoe ka teny ofisialy eto anie ny teny frantsay sy teny anglisy e ! dia valiako hoe marina izany fa tsy manakana ny malagasy hiteny malagasy izany. Avelao hisy mandika teny ho avy e ! f’angaha dia ny hamalifaly azy izao foana no hatao ? Ianao angaha raha any aminy ekeny izay teny malagasinao fa ny teniny ihany no iresahany aminao dia mba toy izany ihany koa e ! Toa isika indray no hisahirana aminy nefa izy ary mandika lalàna…
Mbola resaka pentekosta ihany na dia zavatra hafa indray aza. Efa fantatry ny mpanara-baovao tsara fa namoaka ny hafatry ny pentekosta ny filohan’ny fiangonana efatra mandrafitra ny ffkm. Tamin’ny alarobia (heriny) na alakamisy dia efa nambaran’ny gazety ambangovangony izany. Saingy iza moa no tena nahita na nahare ny votoatiny manontolo ?
Raha vao nahatonga izany any amin’ny tonian’ny fanoratana any amin’ny fampahalalam-baovao isan-karazany ny gazety dia misintona izay azony tsoahina avy ao amin’ny hafatra. Tsy namoaka manontolo ny hafatra kosa ry zareo satria tsy nividy pejy manokana ho amin’izany i Vohipiraisana (ny foiben’ny ffpm natao ho foiben’ny ffkm vonjimaika ihany koa aloha). Izay no nampahafantarana ny vaovao fa tsy namakiana na nametrahana azy manontolo. Manaraka izany indray dia tsy novakiana tao am-piangonana nandehanako tamin’iny alahady ihany koa ilay hafatra avy amin’ny filoham-piangonana efatra mirahalahy. Tena nandrasana mihitsy tamin’ny filazan-draharahan’ny fiangonana fa niandry vasoka fotsiny. Eto Antananarivo ve dia mbola tsy naharay ny hafatra ihany koa ? gaga ihany ny tena amin’izany.
Nanontaniana ny olom-pantatra raha naheno fa na tsy tandriny na tsy nalefa ihany koa ny tany aminy. Ny tao amin’ny fjkm Ambavahadimitafo ihany no reko fa namaky ilay hafatra. Vaka ny saina manoloana izany toe-javatra izany. Inona ny antony tsy namakiana ilay hafatra tany amin’ny fiangonana sasany ary namakiana azy kosa tany amin’ny fiangonana sasany. Nizara ve ny hevitra manoloana ilay fanambarana ? Fampiraisana no tena tanjona ka toa fisarahana no hita !
Efa rere tao ho ao ny momba ity teny hoe androm-bavaka manerantany ity(Global Day of prayer). Lazaina ombieny ombieny fa niainga tany Capetown ity fihetsiketsehana ity. Izany moa no lazainy ao amin’ny transformation africa ao. Raha ny marina anefa araka ny testamenta kristiana dia tany amin’ny andron’ny Apostoly mihitsy no efa nisy izany vavaka isan’andro nialoha ny tamin’ny alahady iny.
Folo andro no niomanan’ireo mpikarakara tany amin’ny toerana samihafa (ary anisan’izany ny fiangonana loterana malagasy ao Ambatovinaky) teto an-tanàna. Nisy ny fotoam-bavaka maraina (tena maraina tokoa satria mbola mazavaratsy mihitsy) ary nisy ihany koa ny fotoana hariva samy adiny roa avy. Folo andro no nanatanterahana ny fikarakarana isam-paritra. Ny lohahevitra nobanjinina nandritra izany fotoana izany dia ny ao amin’ny 2 tantara 7 andininy faha-14 ao izay manomboka amin’ny teny hoe raha ny olona izay antsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka…
Rehefa amin’ny filazana fa fiangonana maro no miara-misalahy amin’ity raharaha ity dia tsy miditra loatra ny fiangonana katolika. Ny somary mahagaga ahy aza noheveriko fa ny fiangonana pentekotista no tena lohalaharana amin’ity fihetsiketsehana ity. Mifanandrify amin’ny anarana pentekosta ihany manko ny anaram-piangonana. Ny teto Madagasikara anefa dia ny sasatsasany tamin’ireo lohandohan’ny fiangonana loterana ny fjkm (ary mavitrika ao amin’ny ffkm eto Antananarivo ihany koa) no tena nafana fo tamin’ny fikarakarana azy sy tamin’ny fanentanana ny mpiangona tao aminy. Azo heverina avy hatrany fa noho ny fifandraisana eo amin’ireo lohandohan’ny mpisorona sy ny mpitarika eo anivon’ny fikambanana mpiara-mamaky ny baiboly sy ny fikambanana mampiely baiboly Malagasy no singa iray niteraka izany. Ireo fikambanana roa ireo tokoa manko no mpikarakara voalohany ity hetsika ity eto Madagasikara.
Ireo fikambanana roa ireo ihany koa no tetezana ifandraisan’ny fiangonana ara-tantara sy ny fikambanam-pivavahana kristiana vaovao tsy manava-tena. Efa nanana fahazarana amin’ny fanaon’ny mpiara-mamaky ny baiboly ihany aho ka fantatro fahatsoran’ny fomba araka izay azo atao. Mora ho an’ireo fikambanana roa tsy hain’ny maro avahana ireo ny manatona ny andaniny sy ny ankilany avy.
Ny andron’ny pentekosta tolakandro ary dia tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no nanatanterahana ilay androm-bavaka maneratany anjaran’Antananarivo. Toerana tsy antonona intsony ny habetsaky ny olona tonga tao saingy tsy nahazo ny toerana lehibebe kokoa manko. Nefa toerana sahala amin’ireny ihany no eken’ny rehetra fa tsy fiangonana lehibe izay manavahiny izay tsy mpiangona ao. Amin’izany maha androm-bavaka maneratany azy izany dia tena ny vavaka tokoa no nibahan-toerana.
Tsy ny toriteny na ny filazan-draharaha no betsaka, ary tsy ny hira ihany koa aza fa dia ny fanandratana an’Andriamanitra sy ny fiantorahana taminy tamin’ny endrim-pivavahana rehetra. Koa taorian’ny toriteny fohifohy nalaina avy tao amin’ny Romana 14 :1 – 14 izay manambara amin’ny ankapobeny ny tsy tokony hifampihafahafana na dia samihafa fomba aza ary tsy ifampitsaratsarana foana dia nanomboka ny endrim-bavaka mety ho fantatra rehetra.
Voalohany tamin’izany ny vavaka ifamaliana izay heveriko fa mitovy avokoa amin’ireo firenena mahatratra 200 lazaina ho miara-manatontosa ity Global Day of Prayer ity fa ny teny no natao tamin’ny teny malagasy. Ny vavaka ifamaliana moa dia vavaka tononon’ny mpitarika sy valian’ny mpanatrika rehetra. Ny any amin’ny Katolika sy ny loterana ary ny anglikana no tena mahazo azy ity fa raha any amin’ny hafa dia mitovitovy karazana amin’ny famakiana ny salamo ifandimbiasan’ny mpitarika sy ny vahoaka ihany izany. Azoko lazaina fa tsy tsara dika ilay vavaka na tsy tafiditra loatra ilay fanandratana amin’ny mahagasy fa azo tsara ny tian-kambara ao anatiny. Nifandimby nitarika moa teto ny ankamaroan’ireo mpitari-pivavahana nanana solontena tonga tao.
Efa izay dia lasa indray ny vavaka ho an’ireo sokajin-taona rehetra ka samy nomena ny anjarany ny ankizy, ny tanora ny vehivavy ary ny lehilahy. Samy manana ny solontenany ireo sokajintaona ireo. Amin’ny ankapobeny moa rehefa tahaka ireny dia vavaka fifonana hatrany no manjaka. Ireo solontena moa dia misy ireo nanao vavaka novakiana ary misy kosa ny nivavaka tora-po. Asa fa noho ny mpanentana saiky lehilahy avokoa angaha ka mba naka toerana lavalava ny mpitarika nanana anjara ho an’ny vehivavy (Pst Rebeka izay ananana rohim-pihavanana ihany), nanao fanazavana aloha ny anao alohan’ny anaovana ny vavaka ary indroa miantoana ny nanaovany ny vavaka.
Ary nenti-namaranana azy dia samy nivavaka avokoa ny rehetra nanatrika ka nanao faribolana kely nifamory isaky ny olona telo ka hatramin’ny olona enina teo ho eo. Efa nisy rahateo ny antom-bavaka napetraka dia ny hampazoto ny malagasy hivavaka sy hitodika amin’Andriamanitra, ny vavaka hanalana ny herin’i Satana tsy hanjaka amin’ny fon’ny olona ary ny mba handrosoan’i Madagasikara ara-toe-karena. Io lohahevitra farany io dia be ihany no tsy nankasitraka azy. Nibahana tao an-tsain’ny maro angaha ny teny hoe ny fivavahana tsy natao ho filan-karena ka tsy nisy loatra ny nivavaka ho amin’izany, ny ananan’ny malagasy fiadanana sy fahasambarana tsy voatery ho amin’ny alalan’ny vola no nihoraran’ny olona kokoa. Tsapa manko izany firoanan’ny nanatrika izany rehefa nomena ny fitenenana ny solombavam-bahoaka tonga teo niteny hoe tsy ilaina loatra fandrosoana tsy misy fanahy sy anjakan’ny faharatsiana ka nitehaka avokoa izy ireo (talohan’izay anefa dia tsy nisy tehaka loatra).
Fehiny, tena ireo olona vontom-pinoana tokoa no nanatrika tao raha vavaka no nanjaka nefa dia roa ora sy sasany no nanaovana azy. Tsy nisy vidim-pidirana tahaka ny hitako tany amin’ny firenena sasany ny teto Madagasikara sady tsy hanisy vidim-pidirana mihitsy. Lesoka ihany koa ny nanadinoana mba hisian’ny solontenan’ny vahiny tsy mahazo loatra ny teny malagasy izay maromaro ihany ny nanatrika tao hanana anajara vavaka ihany koa. Eny fa na teny anglisy aza no nanaovany izany inona moa no tokony ho olana ? Nisy Japoney tonga koa anie tao e ! Amin'ny 11 mey 2008 indray izany ny androm-bavaka manerantany manaraka.
Nanonona ny anarany sy nanonona ny laharan’ny finday mihitsy aza araka an’i Taratra ireo nilaza ho nanaparitaka ny taratasy kely nandranitra adim-poko teto Antananarivo. Ny anarana notononiny moa dia Rasolojaona Arthur ary ny namany dia Andrianjafy. Afaka ho hitanareo rahateo ao amin’ny Madagate mikasika ny fifanenjanana eo amin’ny mpitondra katolika sy ny mpitondra ny firenena moa ny sarin’ilay taratasy fihantsiana sy ny votoatiny efa tsy tiako nadika teto mihitsy.
Tsy vitan’izany fa mbola niantso tamin’ny fandaharana karajia ihany koa izy, izany hoe henon’ny mpihaino rehetra ny teniny sy ny fomba fiteniny. Mahavariana ilay izy. Manahy mafy aho nefa sarotra ny mitsaratsara olona avy hatrany. Ny fomba fiteny sy ny angola dia manamarika fa tsy zatra ny fiteny eto Antananarivo izy. Ny nahavariana ahy manko dia ny fomba fanompana ny merina hatramin’izay no nanompana ireo hafa indray. Nahagaga ahy io. Lasa ny eritreritro nanao hoe fihaikana io sa fanaingana amin’ny fomba ankolaka hanairana ny maro an’isa avy amin’ireny faritra tena ifampiseraseran’ny samy Malagasy ireny.
Ny teniny moa dia manamafy ny voasoratra amin’ny fandroahana hatrany sady notononiny avokoa ny teny 67ha, Ambohipo, Ankatso, Ambolokandrina ary mandroseza. Nahatezitra ny maro avy hatrany moa ny taratasy fa tsy nisy namaly loatra ny teniny tao amin'ny mpikarajia isan’andro. Efa resaka fandranaitana eo amin’ny fivavahana indray moa izao no misy mivoy mafy dia mafy.
Etsy ankilan’izay dia mivory hatrany ny vondron’ny mpanao tsia fa tsy mety milaza hatrany izay votoatim-pivoriana. Ao anatin’ny tetik’ady indrindra angamba izy ireo amin’izao fotoana izao.
Ao anatin’ny fotoana mampihenjakenjana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena izao dia tsara angaha raha mba asiana fihomehezana kely indray na dia tsy mahay mampihomehy aza ny tenako.
Nisy olona mpiray ombon’antoka amin’ny orinasa iasan’ny tena ka mba misy mifanolo ihany avy amin-dry zareo any. Indray mandeha dia tahaka ny feno fofona famonoa-moka atifitifitra tampoka izany ny trano. Gaga aho ka saiky hitabataba hanontany hoe iza koa no nitifitra famonoa-moka amin’ny fotoana tsy misy moka ato ? Kanjo tadidiko tampoka fa ilay ramatoa hanatontosa ny adidiny tamin’io andro io no nahenoako ilay fofona. Andraso aloha rofiko akaiky fandrao manala baraka olona, hoy aho. Inona tokoa ! tena ny ranomanitr’ilay olona mihitsy angamba no…sa dia diso fiheverana ve izy hoe fomonoa-moka anie ity ataony famonoana fofona ity ?
Tany Antsirabe indray, teo amin’ny manodidina io tsena lehibe mbola tsy vita io (ny tsenan’Asabotsy) dia nampipipy ny zafikeliny poritra ity ramatoa iray. Hitan’ilay mpangarom-paosy toa mibananaka angaha ny paosiny ka dia noharoniny tsy amim-pisalasalana. Henon-dramatoa tsara izany ary tadidiny fa mosoara maloto ihany no tao amin’io paosy noharonina io. Tsy taitra akory ramatoa na dia reny aza ilay tanana nangarona. Vao lasa teo amin’ny roa metatra ranamana dia niantso amin’izay ramatoa hoe : ento any fa tsy maninona dia sasao rehefa tonga any an-trano e ! Hitan-dranamana fa tsy nisy vola tao anaty mosoara (fanaon’ny any tokoa moa ny mampirina vola anaty mosoara ?) dia nariany ilay mosoara.