Ny lohateny hatrany no mety ho teny vahiny fa ny lahatsoratra dia amin’ny teny malagasy mandrakariva. Tsy dia havanana loatra miteny na manoratra teny vahiny manko ny tena na dia mety ho mahazo izay lazainy ihany. Io ve no nandaniana ny androm-pianarana dia tsy hisy tavela na dia kely monja aza ? Ny tsikaritra amin’ny fitetezam-paritra ataon’ny mpitondra moa no tena votoatin’ity lahatsoratra ity. Tsy voatery ho zavatra vao haingana fa izao vao angaha ny fotoana amoahana azy amin’izay.
Tanaraid
Zavatra roa no hotantaraiko amin’ity fitetezana an’Iarivo ity. Tsy hoe mitety tanàna mba te-hitsangatsangana ry zareo araka ny fahalalako azy nefa mba nahavariana ihany ny lalana nodiavin’ity fiara misy mialoha sy manaraka ity (cortege). Andro nanambarana ny valin’ny fitsapa-kevi-bahoaka indrindra tamin’izay fotoana izay. Ataoko fa tamin’ny ora niravan’ny fotoam-pitsarana manetriketrika.
Teo Ambohijatovo ambony akaiky indrindra ilay toerana ofisialy nolazaina fa namoanoana ny filoham-panjakana ny Kolonely Ratsimandrava tamin’izay fotoana izay no nosongonan’ity fiara misy mpialoha sy manaraka ity. Amin’ny ankapobeny moa dia matroka ny fitaratra ka tsy ahalalana hoe iza moa no ao anatin’iny fiara iny. Azo ambara kosa fa olona ambony ao amin’ny fitondram-panajakana matoa manan-jo hanana mpiambina sy mpitari-dalana. Avy any Ambatonakanga any izy iny no mihazo toy ny ho any Anjohy. Ny olona mahalala tsara ny eto Antananarivo dia afaka mahavinavina tsara fa tena ao amin’ny tsangambatom-pahatsiarovana ny namonoana ny kolonely voalaza teo aho.
Avy eo raha mbola nidina tamin’iny lalan-kely ambonin’ny lozoka mankany ambanidia iny aho no nahatazana indray ilay fiara sy ny miaraka aminy toa avy any Ankazotokana -Ambanidia any no hihazo an’i Mascotte amin’iny lalana mankany amin’ny Epp Antsahabe sy Epp Ampasanisadoda iny. Izany hoe nandalo ny minimarket sy ny alliance française Antsahabe iny indrindra ireo fiara ireo. Inona no azo tsoahina : azo vinavinaina ho tsy te-handalo ao ambanin’ny lozoka mihazo an’Ambanidia ry zareo. Raha heverina hoe avy any Ambohidahy ny fiara dia mety ho niakatra namonjy ny ambadiky ny Hotel Colbert izy no hitako voalohany. Tsy handalo ny lozoka’Ambohidahy sy ny lozok’Ambanidia izany no tena tanjona sa dia tsy tao an-tsaina izany ?
Tanaraid
Mbola tanaraid ihany ary vao tamin’iny herinandro lasa iny. Teny Mahamasina manoloana ny kianjaben’ny Kaominina indrindra aho no nandalo ny mpisava lalana ho an’ny filoham-pirenena. Soavaly vy roa izy ireo no narahina soavaly vy miisa folo teo ho eo. Avy eo dia fiaran’ny prezidansa (4 x 4 mercedes) tokony ho dimy ratsy filahatra be (filahatra minifi-tsofa) no nanaraka dia narahina mpamaran-dalana avy eo. Fiara amina fitaratra matroka avokoa izy dimy ireo. Dia anjaran’ny mpanatrika no maminavina hoe aiza amin’ireo fiara dimy ireo no nandehanan’ny filoham-pirenena.
Madaraid
Io indray dia ny vaovao fanarahantsika no ahalalantsika ny madaraid ataon’ny mpitondra ankehitriny indray. Fony nosokafana sy nampahafantarina ny Madagasikara Am-Perinasa dia nitety ny faritra 22 ry zareo. Nalaza tokoa moa tamin’izany fotoana izany ny tatitra isaky ny avy mandalo faritra iray ny ao amin’ny fitondrana. Nalaza tokoa ny fanentanana tamin’io fotoana io ka tonga avokoa na ny tsy nasaina aza. Hay moa ka nisy fanasana ho an’ireo manana andraikitra any amin’ny faritra any. Nanjary nampalahelo indray ireo tonga avy lavitra nefa karazan’ny nitanin’andro tany ivelan’ny trano malalaka.
Saiky notohizana isaky ny distrika ilay izy fa maty ho azy teo…na tsy nahenoana tohiny intsony. Efa reraka koa angaha ny minisitra tompon’andrikitra ka nanao hoe aoka izay ?
Amin’izao fotoana izao indray dia avy indray ny filankevitry ny governemanta atao isam-paritra. Dia faritra telo aloha no re. Izany hoe raha heverina dia karazandrazany manao ny fihodinana faharoa mitety ny faritra 22 indray ny mpikambana amin’ny governemanta ankehitriny. Filankevitra kely fa tsy toy ny fanao eto Antananarivo loatra. Minisitra vitsivitsy fa tsy voatery ho izy rehetra no mivory any. Fitiavana te-hanome vahana ny faritra tiana hisolo ny fari-piadidiana niantsoana ny faritany taloha.
Ary tsaroanareo moa ilay hoe hisy minisitra isaky ny faritra nolazain’ny filoham-pirenena iny ? Hay ve ka ny minisitra amin’izao fotoana izao ihany no misahana faritra tsirairay avy ! izay no ao Antsainy. Ohatra fantatro izao dia ny minisitry ny asa vaventy Roland Randriamampionona no miandraikitra ny faritra atsimo andrefana. Izany hoe manana andraikitra toy ny hoe minisitry ny asa vaventy sy misahana ny faritra atsimo andrefana ilay minisitra fa tsy misoratra ao amin’ny asany ofisialy io misahana faritra manokana io. Aza manontany ny an’ny hafa fa tsy ho fantatro ny valiny. Hay ve ilay olona tsy voatery ho avy any amin’ny faritra no ao an-tsain’ny filoham-pirenena. Voa mafy indray izay nieritreritra ny « olona avy aty aminay ».
Worldraid
Ity raharaha manga farany ity indray dia an’ny filoham-pirenena manokana aloha no tena fantatra. Nolazaina fa nentina nitety firenena vitsivitsy (Alemaina sy Shina ohatra) ny Madagasikara Am-Perinasa. Mitady fiaraha-miasa amin’ireo firenena afaka miara-miasa amin’ny firenena malagasy. Tany indray vao niteny ny lesoka nananan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena milaza fa tsy miantraika mivantana amin’ny fampandrosoana akory ny fanampiana ataon’izy ireo. Tsy maintsy mitady ny tombotsoantsika Malagasy rahateo isika na mitady izay ho tombotsoany aza ireo mpandraharaha sy firenena vahiny tiana hiara-miasa amintsika ireo.
Na izany na tsy izany dia lasa ihany ny saiko sao dia tonga amin’ity tononkira ao amin’ny fihirana FFPM ity ny tonombavaka avoakan’ireo mpitondra antsika hoe :
Nivezivezy aho nikaro-java-tsoa,
Izay rehetra hita nandramako avokoa,
Nandany taona maro nanara-tsitra-po,
Kanefa tsy nahazo izay mahafapo ;
Ry raiko feno antra inty ny zanakao,
Ny foko dia mahantra raha lavitra aminao.
Miaina ny atao hoe fanatontoloana tokoa isika amin’izao fotoana izao. Na tiana na tsy tiana, rehefa tsy manana fanapaha-kevitra hanakana ny entana avy any ivelany ny fitondrana dia mitobaka eto hatrany ny vokatra avy any ivelany. Mahita anefa aho fa tsy mitarai-tana-miepaka amin’izany loatra ny mpanao asa-tanana na dia ny asany aza no idiran-doza indrindra amin’ny fahabetsahan’ny entana avy any ivelany tonga eto Madagasikara io.
Fonosana vita taretra (na ahitra voatokana), nataon-tanana, nolokoina lokon-taretra ihany koa araka ny fahalalako azy. Fonosana asiana vatomamy vitsivitsy amin’ny andro fanasana amin’ny mariazy indrindra indrindra. Fonosana kely tsy dia manao ahoana no amidy Ar50 na Ar100 isanisany. Mariho tsara fa tsy vokatra orinasa no resahiko eto fa asa-tanana manontolo. Tsy vokatra miranty amin’ny trano mihaja fa mitalapetraka eny amin’ny toerana ankalamanjana natokana ho an’ny mpanao asa-tanana. Dia lasa ny saina : mahavelona ve io amin’izao vidiny izao ?
Izao manko : marina fa ny gazety amin’ny teny malagasy dia misanda Ar100 na Ar200 ihany koa, izany hoe tsy mifanalavitra amin’ny vidin’ireo fonosana itoeram-batomamy ireo. Saingy ny an’ny gazety dia mivarotra isan’andro izy ary an’arivony ihany koa ny vokatra amidy fa tsy mba zara raha hahatratra anjatony toy ny an’ireo mpanao asa tanana ireo. Ny an’ny mpanao asa-tanana dia izay manan-draharaha hifaliana no tena andrasana. Tia mifety ny Malagasy fa impiry no manao vatomamy anaty fonosana ifanomezana ? Tsy maintsy mahafaninana amin’ny vidin’ireo noafaran’ny sasany anefa ny vokatrao.
Dia hoy aho hoe : Andeha tadiavina hatrany ny hampandroso ny varotr’ireto miezaka amin’ny hery sy fahalalan’ny tena no sady tsy te-hiakin-doha ireto e ! Fihetsika tsotra ihany koa sady tsy lafo loatra nefa mety hahafaly ny rehetra na dia ny firenena mihitsy aza. Ohatra : Na dia fivoriam-pianakaviana tsotra aza no atao dia tolotra anatin’ireny haronkely ireny no hanolorana vatomamy ho azy. Raha misy mamangy ihany koa, na mandeha mamangy ka misy ankizy ao dia tolorana anaty vatomamy hatrany no atao.
Angaha moa vatomamy ihany fa mba mikaro-kevitra amin’ny fanolorana zavatra hafa ho an’ny ankizy ihany. Efa hitako tia poketra vita tsotra sahala amin’ireny aloha ny vehivavy (tanora mitovy taona amin’ny tena na somary zandry ihany koa). Miezaka avokoa ny rehetra dia ho lasa tarazo eo amin’ny ankizy efa zajatra mahita ny karazam-panomezana anatina vokatra vita amin’ny asa-tanana ihany koa ny mampita ny fanao amin’ny taranany. Andeha atao hoe nofinofy ihany angaha ny soratako etoana nefa toa azo tanterahina tsara ihany araka ny fahitako azy. Sa ahoana ?
Izay maharaka ny vaovaom-piarahamonina eto Madagasikara indrindra fa ny eto Antananarivo dia mahalala fa nihaona ny faran’ny herinandro tao amin’ny kianjan’ny Mahamasina ny ekipa iraisan’ny vehivavy mpanao gazety sympanakanto sy ny ekipan’ny sarimbavy tena izy.
Mampihomehy ihany moa fa sariny ve moa dia mbola ho tena izy ihany. Raha izaho sy ny sariko dia samihafa mihitsy. Ny sariko natao ho karazana rakim-pahatsiarovana ihany amin’ny fotoana iray tiana hotadidiana sy homarihana amin’ny fotoana ho avy. Marina fa betsaka ny mihevitra ny tenany ho efa nahita ahy raha efa nahita ny sariko saingy tsy izaho no hitany amin’io fotoana io fa ny sariko ihany. Izaho indray dia amin’izao fotoana ahavelomako eto izao azo iresahana sy anontaniana ary ifandraisana amin’ny mahaizaho ahy, ny zavatra tiako ary ny zavatra ataoko.
Ao anatin’izao fotoanan’ny fandrosoana izao ihany koa anefa dia azo lalaovina araka izay tiana atao ihany koa ny sary. Ny lalao an-tsary (jeux video) malaza amin’izao fotoan’ny sary sy ny fifandraisana izao no ilazako izany. Samihafa tanteraka na izany na tsy izany ny milalao amin’ny sariko sy milalao amiko. Mbola karazan-dalao anaty nofinofy ihany manko ny lalao an-tsary sy ny lalao ahafantarana ny faharerahana sy ny kitra vokatr’io lalao io. Ao anatin’ny lalao an-tsary dia karazan’ny moana ihany ianao fa amin’ny fiainana atrehinao kosa dia afaka miresaka sady maheno izay iresahanao ny afaka mamaly ahy tsara ihany koa ianao. Dia tahaka izay ihany koa ny amin’ireto sarimbavy ireto amiko. Na oviana na oviana tsy ahasolo ny tena vehivavy ireo sarimbavy milaza ny tenany ho tena izy (vehivavy ?) ireo amiko.
Marihiko dieny eto fa ny lohahevitra resahiko dia amin’ny mahasarimbavy ilay olona aloha. Tsy miditra amin’ny lohahevitra hoe lehilahy mitady lehilahy hotiaviny toy ny vady aho eto na vehivavy mitady vehivavy ho vadiny fa ilay lehilahy te-hitondra tena sy hihevitra ny tenany ho vehivavy ka miakanjo sy manao ny fombam-pihetsika ahafantarana ny vehivavy. Ekeko fa mety hifamatotra akaiky amin’ny fironam-pitiavana no mety ahatonga ny safidim-pitafiana saingy iniako aloha ny mametra azy ho amin’ny fihetsika sy fiakanjoana ihany.
Ny famoaboasana soratako dia ny mety ho antony nahatonga ilay olona ho sarimbavy. Ny valiteny fandreko naverimberin’i Francis Turbo moa dia ny hoe tsy ninian’ny ankamaroandry zareo mihitsy ny ho sarimbavy fa toy ny efa voajanahary ao anatin-dry zareo hatrany ambohoka mihitsy. Tao ankibo, hoy ny nolazainy, dia efa nirona tsikelikely ho amin’ny mahavavy azy ny toe-tsainy sy ny fizikany manontolo afa-tsy ny fitaovam-pananahana ihany no nahalahy azy. Taloha moa dia noheverina ho aretina ny mahatonga ilay olona hanana izay fironana izay fa efa niova izay fomba fiheverana izay ankehitriny.
Raha amin’ny fihevitry Francis dia tsy safidy ilay nahasarimbavy azy. Eo izany no toheriko voalohany. Amiko dia vokatry ny safidy tokoa no nanaovany sarimbavy fa tsy « voajanahary » araka ny nolazainy. Mety ho marina ny hoe « voajanahary » tao anatin’ilay olona ny nahatonga azy ho sarimbavy nefa nisy safidy ihany koa ao ambadik’izay. Mety tsy ho izy no nametraka ny safidy fa ny reniny nitondra azy folo volana, moa io safidy io dia vokatry ny tontolo manodidina ihany koa ary mety ho avy amin’ny fahadisoan-kevitra.
Eo amin’ny fitaizana ny zaza dia nomarihin’ny manampahaizana sasany fa eo amin’ny fahaterahany ka hatramin’ny fahatelo taonany no tena manorina ny mahaizy azy ny olombelona tsirairay. Efa nisy aza moa fandaharana nametraka fa raha tiana hanana ny mahaizy azy sy ho tsara fototra amin’ny hoavim-piainany ny olona iray dia tezaina amin’ny alalan’ny mozika sahady aza dieny mbola any ankibo. Eo koa moa ny hoe raha mbola liana tamin’ny fianarana ny reniny no nitondra vohoka azy dia matsilo saina kokoa izy. Tsy mbola haiko moa na tena marina izany na tsia saingy hoy aho hoe azo heverina tsara kosa ny fahamarinany na dia mety tsy ho tonga hatrany amin’ny fahamaotiana aza izany fahatsilovana mialohan’ny fotoana eo amin’ny zaza izany.
Dia manao fampitahana eo amin’ireo fomba fihevitra roa ireo aho ary efa manana izay maharesy lahatra ahy bebe kokoa. Avy amin’ity fomba fihevitra faharoa ity no isintonako ny hevitro. Ny fiforonana sy ny fitomboana ao ambohoka dia miankina be dia be amin’ny reny nitondra azy. Impiry impiry moa isika no naheno hoe naniry lahy na naniry vavy ireo ray aman-dreny sasany. Matetika moa dia zanaka lahy no tadiavina fa misy ihany koa ny mitady zanaka vavy rehefa be zanaka lahy izy ireo.
Nisy moa ny traikefa nataon’ny olona avy amin’ny endriky ny vohoka eo ampitondrana zaza ka manao hoe ity lahy na ity vavy. Ary eo ihany koa ny « akombohoka » (asa raha mety andikana ny echographie io na tsia fa dia toy ny foromporonina fotsiny ihany) izay itarafana ny mombamomba ny zaza rehetra ka tarafina avy amin’iny ny mahalahy ilay zaza. Rehefa tsy hita iny dia tsoahina ny hevitra fa vavy izany io zaza io. Kanjo indraindray dia nahay nanafina ny azy ny zaza fony tao ambohoka dia mety ho nandray anaram-bavy tsy fidiny ny zaza rehefa avy eo.
Eo amin’ny famalian'ny zanaka tadiavin-dreniny izany amiko no mifototra ny safidin’ny zaza ho lasa lahy na ho lasa vavy. Na dia lahy avy amin’ny chromosomes XY aza no nitorotoroana azy tamin’ny voalohany nefa be tao an-tsain’ny reny ny hahavavy azy dia mametraka safidy efa mitongilana be amin’ny zanaka sahady izy. Hamaly eny ny reniny ny hahavavy azy eo amin’ny fitondran-tena ve ny zaza sa hanohitra kosa ary haneho fa lahy no namoronana azy ka hitoetra amin’izay mahalahy azy izay izy ?
Fitarainana mafy sy azo atao hoe ara-drariny ihany matoa efa mahare ny akony ny fitondram-panjakana amin’ny zavamisy miseho any Taolagnaro na Faradofay izay karazandrazan’ny tendro atsimo atsinanan’i Madagasikara.
Raharaha efa ela nikonokononana moa ny resaka fasimainty any amin’ity faritra ity. Adihevitra tamin’izany ny fiantraikan’ny fitrandrahana amin’ny tontolo iainana sy ny manodidina. Ity fitondram-panjakana ity no tena nanafaingana araka izay azony natao ny fifanarahana tamin’ny vahiny amin’ny hitrandrahana azy. Io fahamehana io no antony iray mety ho tsy nahatsinjovana izay lesoka hiarovana ny mponina amin’ireny faritra ireny.
Niakatra izay tsy izy ny vidim-piainana any amin’iny faritra iny. Izany teny izany no malaza ankehitriny. Voasongony vetivety teo I Nosy-Be tamin’ny fahalafosam-piainana. Toy ny tanàna tsy natao ho an’ny malagasy intsony ilay tanàna. Inona angaha ny antony ? Heveriko fa maika ny hampandroso nanadino ny olona tao aminy ireo izay nifanaraka tamin’ny Qit Minerals Madagascar.
Marina fa niezaka ny hanao lalana sy hikarakara foto-drafitr’asa toy ny fanorenana sekoly ny toeram-pitsaboana ny orinasa izay hisahana ny fitrandrahana fasimainty nefa tsy ampy izany ho an’ny mponina ary tsy misy tombotsoa ho azy mihitsy aza. Saiky adinoko koa moa ny fanorenana seranana nolazaina fa ho lehibe indrindra eto Afrika saingy tsy dia ninoan’ny olona loatra moa izay filaza ho lehibe indrindra manerana an’i Afrika izay. Voalohany tiako lazaina amin’ny tombotsoa tsy miantraika sarambambe, ireo mponina ao dia ho ambin’olona amin’ny fitrandrahana mivantana.
Toa mpiasa avy any ivelany (Ivelan’i Madagasikara aza fa tsy mba hoe ivelan’ny faritra Anosy) no maro an’isa alaina. Heverina ho tsy manana ny fari-pahaizana hitrandraka hiasa ao aminy ireo Malagasy mponina any. Izay dia efa olana goavana tsy nojinery. Tsara raha nametraka fetr’isa farafahakeliny amin’ny mpiasa Malagasy ny fitondram-panjakana. Farafaharatsiny mba ny atsasany ahay no kely indrindra amin’ny avy eto an-toerana fa tsy ho vahiny 100% no hiasa ao. Tokony ho ny ampahaefany raha tena kely dia kely indrindra no Malagasy ao an-tanàna avokoa. Izany aza efa tsy misy dikany mihitsy. Manana adidy hanofana ireo mpiasa Malagasy ny orinasa fa tsy ho faly hitango vola mety hahatezitra ny tompontany fotsiny.
Manaraka izany, malaza amin’izao fotoana izao fa miakatra dia miakatra tokoa ny hofantrano any an-toerana na dia trano hazo tsizarizary aza no ampanofaina. Antony, mazava loatra fa mihabetsaka ny olona tonga any nefa tsy dia ampy loatra ny fanorenana misy any amin’izao fotoana izao. Voalaza fa ny 75%n’ny efitra fiantranoana ao Taolagnaro dia efa karazany onenan’ireo mpiasa efa tonga hikarakara amin’ny fitrandrahana fasimainty. Ny 25% ambiny izany dia ifandroritan’ireo mpiasa mamita iraka any avy amin’ny orinasa hafa sy ireo mpizahatany te-hitsidika iny faritra iny. Tsy mahagaga raha miakatra be ny hofantrano.
Izao anefa, mbola tsy ampy ampahafolon’ireo mpiasa hiasa any Taolagnaro no ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Aiza daholo no ametrahana ireo mpiasa hafa ? Eo no tokony hanery ny orinasa ny fanjakana malagasy amin’ny hanorenany trano be dia be hipetrahan’ireo mpiasany farafahakeliny fa tsy hameno hotely fotsiny. Trano manara-penitra fa tsy ho tsizarizary sanatria. Tokony ho hentitra ny fitondram-panjakana amin’io lafiny iray io.
Ankoatra izay moa ny olana amin’ny famatsiana sakafo sy ny zavatra hafa. Eo moa ilay filazana hoe ifaninanan’ny ankizivavy indrindra indrindra ny mividy finday hiaka farany aderadera any ampianarana. Fihetsika manosika ny ankamaroan’ireo mbola zazabodo hivarotena amin’ny vahiny sahady. Aiza moa no hahazoany vola aman’hetsiny vetivety eo ? Dia adino ny fianarana fa ny ravoravo natentina no tena zava-dehibe aminy. Tsy hisy dikany avy hatrany ny sekoly lazaina fa haorina na havaozina. Eriteritra ihany ny ahy na dia izany aza ka raha mihaino (na mamaky) ny ao amin’ny fitondram-panjakana vao maika tsara.
Tsy hoe lasa nanoratra amin’ny teny anglisy indray aho fa anarana trano iray eo ampanamboarana amin’izao fotoana izao ao ambadiky ny lapam-panjakana ao Iavoloha ihany. Tetikasa iray heverina ho vita afaka 15 andro mba hialoha ny fankalazana ny faha-47 taona niverenen’ny fahaleovantena amin’ny 26 jona 2007 ho avy izao.
Nitsidika ny asam-panamboarana manko omaly ny filoham-pirenena miaraka amin’ireo orinasa manatontosa ny famitana io asa io. Ny filoha izay nanao ilay satroka sy fitafy ankapobeny mampiseho ny revy amerikana ao anatiny ao indray. Ilay anaran’ny trano koa moa tamin’ny teny anglisy rahateo izay fiteny fampiasa voalohany any Etazonia amin’izao fotoana izao aloha. Ny orinasa manatontosa ny famitana ny asa moa dia roa no fantatro dia ny Magrama sy ny Colas (hevero fa hatramin’izao aloha dia ny Colas no mahazo asa be indrindra tamin’ity fitondrana ity…raha ny Alma kosa no any an-tsain’ny hafa).
Ny nandraisana ny orinasa Magrama ho anisan’ny mamita ny asa dia ahatsinjovana ny rafitry ny trano aorina ihany koa. Azo heverina fa trano horavahan’ny endri-bato ananan’i Madagasikara ity trano ity. Zavatra mahafinaritra izany satria matetika dia ny trano any ivelany no tena hita ho jenitra amin’ny vaton’i Gasikara. Ny orinasa Colas indray moa dia azo heverina fa ny fahamatoran’ny asa sy ny fe-potoana famitany azy no nahazoany ity tolotra iray ity. Ireo orinasa roa ireo ihany no reko na dia telo aza no nambara fa miara-mamita ny asa. Dia ankamantatra ho antsika rehetra izany hoe iza no fahatelo ?
Eo ankilan’izay dia misy fiteny mahazatra ny olona eto Antananarivo amin’ny fananganana trano avo hita eo amin’ny anarana nefa ny trano aoriana amin’izao fotoana izao dia tsy misy rihana. Dia nanontany tena tany anaty tany izay nahita ny sary hoe hay ve ka azo atao tsy misy rihana ny trano dia efa azo lazaina hoe « building » e ! Na izany aza tsy kely akory ny fanamboarana fa trano mahazaka olona arivo no kendrena ho tafiditra ao anatiny. Tsy ho fipetrahana atao vonjimaika ho amin’ny fotoana manokana intsony no mijoro eo fa fanorenana maharitra sy ho tsara endrika ihany koa.
Dia tena mihamaro tokoa anie izany fanorenana hamoriana olona maromaro eny amin’ny lapam-panjakana eny Iavoloha izany. Ao no misy ny foibe fampianarana Leadership. Efa misy efitra lasa fiangonana ihany koa. Dia avy koa ity trano vao naorina ity. Fa tsy nataon’ny filoha ankehitriny aloha ny nanangana ny foiben’ny rnm sy ny tvm tany amin’ity lapa ity araka ny fikasan’ny teo alohany e ! mba fikasana tsara avy aminy aloha iny. Azo tarafina amin’izany manko raha amin’ny fijery ivelany fa tsy mieritreritra ny hanidy ny vaovao ampitain’ny sary sy feo ho eo ambany fahefany velively ny filoha. Dia io hita eo anilan’ny rnm ankehitriny sy ampitan’ny Hilton Madagascar io ny foiben’ny tvm vaovao.