Hiezaka mandrakariva

2007-06-06 @ 08:52 in Toekarena

Miaina ny atao hoe fanatontoloana tokoa isika amin’izao fotoana izao. Na tiana na tsy tiana, rehefa tsy manana fanapaha-kevitra hanakana ny entana avy any ivelany ny fitondrana dia mitobaka eto hatrany ny vokatra avy any ivelany. Mahita anefa aho fa tsy mitarai-tana-miepaka amin’izany loatra ny mpanao asa-tanana na dia ny asany aza no idiran-doza indrindra amin’ny fahabetsahan’ny entana avy any ivelany tonga eto Madagasikara io.

 Fonosana vita taretra (na ahitra voatokana), nataon-tanana, nolokoina lokon-taretra ihany koa araka ny fahalalako azy. Fonosana asiana vatomamy vitsivitsy amin’ny andro fanasana amin’ny mariazy indrindra indrindra. Fonosana kely tsy dia manao ahoana no amidy Ar50 na Ar100 isanisany. Mariho tsara fa tsy vokatra orinasa no resahiko eto fa asa-tanana manontolo. Tsy vokatra miranty amin’ny trano mihaja fa mitalapetraka eny amin’ny toerana ankalamanjana natokana ho an’ny mpanao asa-tanana. Dia lasa ny saina : mahavelona ve io amin’izao vidiny izao ?

 Izao manko : marina fa ny gazety amin’ny teny malagasy dia misanda Ar100 na Ar200 ihany koa, izany hoe tsy mifanalavitra amin’ny vidin’ireo fonosana itoeram-batomamy ireo. Saingy ny an’ny gazety dia mivarotra isan’andro izy ary an’arivony ihany koa ny vokatra amidy fa tsy mba zara raha hahatratra anjatony toy ny an’ireo mpanao asa tanana ireo. Ny an’ny mpanao asa-tanana dia izay manan-draharaha hifaliana no tena andrasana. Tia mifety ny Malagasy fa impiry no manao vatomamy anaty fonosana ifanomezana ? Tsy maintsy mahafaninana amin’ny vidin’ireo noafaran’ny sasany anefa ny vokatrao.

 Dia hoy aho hoe : Andeha tadiavina hatrany ny hampandroso ny varotr’ireto miezaka amin’ny hery sy fahalalan’ny tena no sady tsy te-hiakin-doha ireto e ! Fihetsika tsotra ihany koa sady tsy lafo loatra nefa mety hahafaly ny rehetra na dia ny firenena mihitsy aza. Ohatra : Na dia fivoriam-pianakaviana tsotra aza no atao dia tolotra anatin’ireny haronkely ireny no hanolorana vatomamy ho azy. Raha misy mamangy ihany koa, na mandeha mamangy ka misy ankizy ao dia tolorana anaty vatomamy hatrany no atao.

 Angaha moa vatomamy ihany fa mba mikaro-kevitra amin’ny fanolorana zavatra hafa ho an’ny ankizy ihany. Efa hitako tia poketra vita tsotra sahala amin’ireny aloha ny vehivavy (tanora mitovy taona amin’ny tena na somary zandry ihany koa). Miezaka avokoa ny rehetra dia ho lasa tarazo eo amin’ny ankizy efa zajatra mahita ny karazam-panomezana anatina vokatra vita amin’ny asa-tanana ihany koa ny mampita ny fanao amin’ny taranany. Andeha atao hoe nofinofy ihany angaha ny soratako etoana nefa toa azo tanterahina tsara ihany araka ny fahitako azy. Sa ahoana ?

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2007 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox