Araka ny efa malaza amin'ny fampahalalam-baovao sy ny fitarainan'ireo izay efa niharany dia nisondrotra avo dia avo ny sazy aloa amin'ny tsy fanarahan-dalàna amin'ny fifamoivoizana. Tafiditra amin'izany tsy fanarahan-dalàna izany ny tsy fahampian'ny antontan-taratasy na ny fanadinoana azy any an-trano raha tratran'ny fisavana tampoka.
Ny hany mampisalasala dia hoe 100 000Ar (vola indroan'ny karama ambany indrindra ara-dalàna) ilay sazy kely indrindra tsy maintsy aloa sa 100 000Iraimbilanja (vola saiky atsasaky ny karama ambany indrindra eken'ny lalàna sosialy)? Nisy manko ny gazety milaza ilay ery ambony nefa ny fitarainana heno dia toa manondro kosa ny faharoa. Ambony ampanga ny vola faritan'ny Kaominina nitrangan'ny sazy izay samy manana ny azy.
Mazava loatra fa ity gasy tsy tia hisahirana ity dia midify araka izay azo atao izany handoa any amin'ny ara-dalàna izany fa aleo "manome kely" ilay tratra nisava raha mbola azo atao ihany koa izany. Eo indrindra ny resaka: raha vitan'ny 1500Ar manko ny raharaha teo aloha teo dia mety hisondrotra na hihoatra ny 5000Ar izany vola fandoa eny anivon'ny fanaovana kolikoly izany raha tratra amin'ny atoandro fa mety hihoatra ny 10 000Ar kosa izany raha tratra amin'ny hariva.
Ny mahagaga rehefa mamaky ny gazety dia misy ny manambara fa misy karazana fisavana ara-teknika ny fiara koa eny an-dalambe eny. Nahahendratra ahy io satria toa mampiharihary ny tsy fetezan'ny fanaovana vizity eny Alarobia (na eny Betongolo raha eto Antananarivo) nefa dia toa iniana odiana fanina. Malaza dia malaza koa manko ny fanaovana kolikoly eny nefa toa tsy mety taitra amin'izany mihitsy ny tompon'andraikitra raha tsy hoe izy mihitsy koa no mbola tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanaovana kolikoly eny.
Ny mahatsikaiky indray dia mety ho efa rentsika ny 'operation coup de poing' ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'izao fotoana izao amin'ny fanerena ny mpitondra sy ny mpitaingina soavalivy tsy maintsy manao aroloha ary ny mpitondra fiara mametraka indray ny fehikibo aroaina. Ny mahavariana dia ity, ny saofera no terena tsy maintsy mametaka ny fehikibo aroaina fa ilay olona eo anilany kosa toa tsy maninona na tsy mametaka io fehikibo aroaina io. Inona ary ity?
fanamarihana: Mety hivoaka atsy ho atsy ny lahatsoratro mahasosotra dia mahasosotra momba ny baolina fandaka malagasy izay nefa hevitro manokana io. Mampiomana ny rehetra aho amin'io nefa miangavy ny rehetra handinika tokoa izay tokony ho izy. Mety hisy koa lahatsoratra momba ny baolina fandaka ihany izay heveriko fa tokony hahafinaritra kosa saingy boky kosa no holazaiko amin'io.
Gaga dia gaga aho nahita ny karapanondroko rehefa avy nijery fandaharana iray tamin'ny fahitalavitra aho. Izay nanamboatra kara-panondro folo taona eo ho eo izay dia tratra avokoa. Inona hoy ianao? tsy misy fitomboka ho'aho ny sary amin'ny kara-panondro e! satria manko karatra sarotra alaina tahaka izy ity dia tsy maninona ve raha tsy nasiana fitomboka ny sary? Inona ny manakana ahy tsy hanova ny sarin'ny olona eo raha te-hanao hosoka aho? saingy tsy hanao izany aho aloha noho ny fitandroako ny fahamarinana.
Izao aho manontany anao: Jereo koa hoe ny kara-panondronao? Tsy voalazan'ny lalàna hono hoe tsy maintsy asiana fitomboka io. Dia lasa ny saiko manao hoe lalàna dia mamporisika hosoka koa izany lalàna malagasy izany. Ovay avy hatrany fa mampidi-doza... Etsy ankilan'izany dia nampanaovina sonia fanindroany hatrany aho rehefa maka vola any amin'ny banky kahoy aho hoe sao tsy matoky ny kara-panondro intsony koa ary ity banky misy ahy ity?
Tsy misy izay tsy niaiky fa nitohana tokoa ny fifamoivoizana nandritra iny herinandro nivalona iny teto Antananarivo. Feno olona nifamoivoy ihany koa ny tsena sy ny sisindalana indrindra fa ny tany afovoan-tanàna. Manamarika izany amin'ny ankapobeny fa manomana zavatra any an-tokatranony tsirairay any ny olona na dia mikaikaika noho ny fahasahiranana aza. Raha atao aza ny fampitahana dia io araka ny lohateny nolazaiko io fa nalaza noho ny pentekositra ny fetin'ny reny tamin'ity indray mitoraka ity, marihina anefa fa fetim-pivavahana ny iray amin'izany fety izany ary fety nateraky ny fiaraha-monina ara-barotra kosa ny iray.
Be dia be ary ny marika ahatsinjovana fa resin'ny fetin'ny reny ny pentekositra. Voalohany amin'izany raha jerena ao am-piangonana mihitsy. Vitsy kokoa noho ny tamin'ny pentekositra aloha ny olona tonga tamin'ny fetin'ny reny ka ny tena antony nahatonga izany dia noho ny fahavitsian'ny reny nankany araka ny fijeriko azy. Maromaro tamin'izy ireo ihany manko no nikarakara ny tao an-trano toy izay nandeha nankany am-piangonana. Izany hoe zavadehibe kokoa ilay nijanonana an-trano noho ny nandehanana am-piangonana. Marihiko etoana aloha fa ny tany amin'ny fiangonana protestanta no tena hitako fa tsy fantatro kosa ny tany amin'ny fiangonana katolika.
Faharoa manarakaraka izany, mbola ao am-piangonana ihany, efa zary fanao ny miarahaba ny reny ka ny lohalaharana amin'izany dia "ramatoa" (fiantso ny vadin'ny pastora ho an'izay mbola tsy mahalala). Omena fotoana ao anaty fandaharam-piangonana mihitsy izany fotoana natokana ho an'ny reny izany sy ny fanolorana fanomezana ho azy. Anjaranao indray ny maminavina hoe manana anjara fotoana any an-tokatrano ve ny fitarihan'ny Fanahy Masina tsarovana manokana ny fidinany tamin'ny Apostoly sy ny mpanaraka azy nandritra izany pentekositra izany?
Fahatelo, ny fikarakarana azy, maro kokoa ny karazan'olona mikarakara ny fetin'ny reny noho ny pentekositra indrindra fa ny fametrahana azy ho laharam-pahamehana na ny lanjany no tombanana. "Hafa ihany i Mama" hoy ny hira malagasy malaza, misiki-ponitra avokoa ny rehetra, eny fa na dia i Neny aza amin'ny fanomanana atao. Na hendry manko na maditra ny zanany, miahy ny naloaky ny kibony hatrany ilay nifonosany amin'ny ankapobeny.
Mbola azo atao ny manohy ny resaka, ankoatra ny fahitana fa ny alatsinain'ny fety Paska na Pentekositra aza no malaza kokoa noho ilay fetim-pivavahana, saingy sao dia mivoaka amin'ny lohahevitra banjiniko aho. Na izany aza mampanontany tena ihany hoe efa mihamitotongana ve ny fivavahana kristiana eto madagasikara raha jerena amin'izao lafy izao?
Tamin'ny fanendrena ny DGn'ny Moov ho lasa DGn'ny Telma no nahitako fa mihoatra ny 500 000 ankehitriny ny mpanjifan'ny Moov. Raha nahita ny tarehimarika aho dia lasa tany amin'ny olan'ny orange tany alohaloha tany ny saiko. Raha nahatratra ny 1 000 000 araka ny nolazainy manko ny mpanjifa tamin'izany fotoana izany dia sarotra tokoa vao nahazo izay nantsoina ny olona iray. Matetika aza moa dia lasa toy ny messagerie vocale hatrany ny antso tamin'izany fotoana.
Ankehitriny dia mitovy amin'izany ny manjò ny mpanjifa moov izay misy ahy amin'izao fotoana. Marihina fa tsy ilay plug & surf 3G+ no ampiasaiko fa amin'ny alalan'ny antso an-tariby(telma) ihany. Nandritra ny ora telo farany niseranako manko dia tsy tafiditra na tsy nahazo izay takelaka nozahako mihitsy aho ankoatra ny takelaka fandraisana nataoko google ny 53 miniotra amin'ireo raha atambatra. Ankoatra ny mahalafo azy kokoa noho ny any amin'ny cybercafé izany dia mbola hasosorana no azo amin'ny atsasaky ny niseranako (tsy ho ampahatelon'ny niseranako kosa aloha fa mihoatra e!). Heveriko ho fatiantoka lehibe ho ahy manko ny tsy mahazo fahafaham-po akory amin'ny fandaniana tsy fanaon'ny sarambambem-bahoaka loatra. Ny mankeny amin'ny cybercafé tsinona no fanaon'ny maro fa noho ny itiavako azy miserana amin'ny alina no nampidirako azy an-trano.
Na izany aza dia misy fika ataoko hampihenako ny fahasosorako, fa tsy hoe ahafahako miserana ampisosasosana na tsy mandoa vola tsy akory. Azo fantarina ihany manko amin'ny alalan'ny telefôna ny mahalala na mety ny miserana amin'io fotoana io na tsia; raha mety dia manararaotra eo amin'ny telo minitra eo aloha fa raha tsia dia aleo miala avy hatrany (mi-deconnecter). Rehefa vita ny solon'anarana sy ny tenimiafina dia mitady fidirana aterineto ny telefôna.Amin'iny izy mikaroka fifandraisana iny dia mandefa chrono io telefona io. Faharetam-potoana hitanao tsara eo amin'ny efijerin'ny telefôna (ecran) io. Amin'iny izy mivadika ora iny raha toa ka latsaky ny roa segondra dia mipetaka amin'ny amin'ny efijerin'ny solosaina kosa fa ilay soratra hoe 'moov est maintenant connecté' dia araraoty ny andro hitsidihanao izay tiana jerena rehetra.
Raha azo atao ary dia tsy mamaky izay tianao vakiana aloha fa isaky ny voasoratra ny 'done' na 'terminé' dia mamadika pejy indray ianao. Toy izany ihany koa amin'ny mailaka (yahoo ohatra) fa tsy akatonao fotsiny izy amin'ny farany fandrao tsy mety. Rehefa hitanao fa manomboka mihisatra ny fiseranana na afa-po amin'izay takelaka rehetra tianao jerena ianao dia mi-déconnecte amin'ny aterineto (moov) avy hatrany aorian'ny fanindrian'ny X menamena ery ambony somary ankavia iny. Raha efa izay dia ny bokotra mialoha (precedent) hatrany no tsindrianao hamakiana azy tsikelikely sy ampilaminana satria tsy manenjika fotoana intsony ianao. Raha tsy izany kosa dia mionòna mionòna amin'ny manaraka indray. Na dia hoe eo ampigadonan'ny faharoa segondra monja aza ny fivoahan'ilay soratra hoe 'moov est maintenant connecté' dia efa sarotra ny raharaha.Fa rehefa miala tsy maintsy mi-deconnecte fa tsy hoe mijanona eo tsy akory. Amin'izao fotoana izao dia tsy misy intsony ny fotoana fanararaotra manokana iseranana izany fa efa nifohazako ny tamin'ny telo maraina, dimy maraina na misasakalina fa tsapa mihitsy ny fahabetsahan'ny olona miserana noho ny fihisaran'ny connexion. Raha mahita fika hafa ianareo dia ilazao ihany aho fa izaho aloha mizara izay niainako nampihena ny fahasosorako. Marihina fa na saiky hividy ilay 3G+ aza aho dia misalasala hatrany amin'izay mety ho fisosa na fihisatry ny fiseranana.
Loharanombaovao iray no nandrenesana fa telo volana izay ny Banky Foiben'i Madagasikara no tsy namoaka vola dimanjato ariary intsony. Na dia hoe faraparany aza voa nampiasaina izy dia hita ihany ny ilaàna azy amin'ny fifanakalozana sy ny varotra. Ao amin'ny fiangonana falehako matetika dia misy olona mpanolotena manakalo vola ratsy avy amin'ny olona soloina vaovao hahatsara endrika ny vola atao rakitra angaha fa tsy nahita dimanjato ariary teo ihany koa aho. Lasa ho azy ny saina eo anatrehan'io toe-javatra io. Izany hoe azo heverina fa ho ratsy endrika avokoa ny ravimbola dimanjato ariary afaka kelikely monja noho ny tsy fahaizan-dRamalagasy mikojakoja vola.
Ny ahiahy dia miantefa tamin'ny nanovana ny franc ho ariary. Mody narona tany amin'ny hoe anaram-bola malagasy ny sain'ny olona, hay izy ity hihena be dia be ny sandam-bola.Ilay sanda tamin'ny franc taloha iny no toy ny soloina ariary fotsiny eny amin'ny farany dia mitovy anie izany e! Izao indray manahy aho fandrao mampiakatra ankolaka ny vidin-javatra ity toe-javatra ity. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ny jirama sisa no mampiasa na manaiky ny ariary sy ariary roa ary ny ariary dimy fa ny ankamaroan'ny mpivaotra enta-madinika saiky mandà azy avokoa. Mbola miasa soa amna-tsara anefa izy ireny.