Vovonana UA 2009: Vita sahady ny toeram-pivoriana faratampony eny Ivato

2008-06-19 @ 10:08 in Ankapobeny

Fantatsika fa handray ny fivoriana faratampon'ny Firaisambe Afrikana i Madagasikara amin'ny taona 2009 ho avy io. Efa niahiahy ihany ny be sy ny maro hoe ho vita ara-potoana avokoa ve ny fotodrafitrasa handraisana izany Vovonana izany, sao dia zara fa vita ara-potoana toy ny tamin'ny lalaon'ny Nosy tamin'ny herintaona indray. Etsy ankilan'izany te-hifanala hazakazaka amin'ny TGV koa ve ny filoham-pirenena sa hanome toky ny rehetra fa vitantsika ny mandray io fivoriana io. Mety ho nahatezitra ny filoha Ravalomanana mihitsy koa angamba ilay teny hoe sao dia tokony ahemotra na foanana io fivoriana io ka porofoiny fa azo vitaina mialoha tsara ny fotoana ny zava-drehetra. Indro ary fa notokanana androany maraina ilay toeram-pandraisana ny fivoriana midadasika dia midadasika eny Ivato. Ny filoham-pirenena mihitsy no tonga nitokana izany trano lehibe manana ny anarana amin'ny teny ofisialin'ny Repobilikan'i Madagasikara hoe CENTRE DE CONFERENCES INTERNATIONALES DE MADAGASCAR ary ialana tsiny raha misy diso tsipelina noho ny tsy fifehezako tsara io teny ofisialy iray io.

Ankoatra ity trano lehibe fandraisana ny fivoriana notokanana androany 19 jona 2008 ity moa dia efa andalam-pamitana azy ihany koa ilay trano fandraisam-bahiny raitra dia raitra manana ny laharana kintana dimy eo akaiky eo ary haorina ihany koa ny villa s miisa 49 handraisana ny filoham-pirenena sy filoham-panjakana hanatrika izany fivoriana faratampony izany. Manome toky ny Shinoa fa ho vita ara-potoana avokoa ireo fotodrafitrasa rehetra ireo. Na ahoana tokoa na ahoana dia nahavita nanangana fotodrafitrasa maro ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny mandritra ny fotoana itondrany sady efa mahafinaritra sahady ny mijery indray ny lapan'i Manjakamiadana tarafin-jiro amin'ny alina tahaka ireny hoe efa vita sahady ireny koa ilay izy. Na dia azo sokajiana ho tery eo amin'ny fahalalaham-pitenenana sy fanehoan-kevitra aza izao fotoana itondrany izao ary mampitsangana vondrona mpandraharaha hanohitra fihoaram-pahefana ny fisamborana ny vadin'i Jeannot Le Quartz dia efa nahapetraka zavatra holovain'ny taranaka izy.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox