sarintavako

2008-07-22 @ 14:38 in Ankapobeny

Fa atao inona tokoa moa ilay sarintava raha tsy amoahana ny sarin'ny tava? Tsy mety mahazatra ny Malagasy loatra ny mampiseho ny sariny. Tia miafina ve sa fantatra ny tsininy sy ny lesoka aminy rehefa miseho endrika izy? Aleo rangahy avoakoako ny sarintavako a! Izay alehany alehany!

Naka sary aho dia natongilako ilay sary dia nalaiko sary indray ilay sary efa nalaina teo. Inona koa izao no dikan'izany? manala azy e! fa manala azy amim-pahamatorana. Nahoana moa no ry hery sy ry Tokinao ihany no hita endrika? aleo izahay mba hanaraka azy ireo e! mba misy zavatra tiana apetraka ihany koa. Tsy hiteniteny foana rehefa manoratra fa mandray andraikitra amin'izay soratana. Izay efa nahita ahy tamin'ny fiainana andavanandro dia hanaiky fa izaho tokoa io.Tsia! tsy izaho io fa ny sariko ihany. Heveriko fa mariky ny fahamatorana kokoa amin'izay soratana no antony namoahako ny sarintavako. Tsy hiteniteny foana rehefa mamoaka vaovao fa hamakafaka tsara.

Mety ho fiheverana manjaka amin'ny Malagasy ny mamoaka hevitra amin'itony serasera itony amim-piafenana, nefa rehefa tena zohin'ny mpitsikilo ny misy anao hitany foana. Koa raha ho fantatra ihany aleo fantatry ny rehetra toy izay fantatry ny vitsy mikaroka ny momba anao ka raha sanatria misy ny manjò anao tsy fantany akory hoe ianao anie ilay be tabataba any amin'ny serasera any. Fa izaho kosa aloha tsy mampirisika anao hamoaka ny sarintavanao e! safidinao ihany izany fa sao dia lazaina fa i jentilisa indray no nampijabaka, aza fady!

Vavaka manova zavatra (Misy hatsikana)

2008-07-20 @ 13:06 in Finoana

Alahady indray ny andro. Androm-pivavahana ho an'ny kristiana mahatsiaro ny andro alahady nitsanganan'i Jesoa Kristy avy amin'ny fahafatesana. Nandreseny ny fasana araka ny fiteny kristiana. Mba hitantara zavatra mifandraika amin'ny fivavahana aho amin'ity andro ity.

Tapa-bolana katroka izay dia izaho irery no tao an-trano. Lasa any amin'ny farintany avokoa ny fianakaviana rehetra. Izaho sisa karazany niambin-trano noho ny asa - miasa na dia alahady aza - miandry ny tolakandro. Raikitra indray ny hira tsinjatsinjaky ny trano somary ampitanay izay. Izaho amin'io mba te-hihaino hiram-panahy sy hiram-bavaka. Mazava loatra fa sorena aho. Isan'andro izao ny azy tsy mitsahatra mihitsy. Tahaka ny hoe izy irery no manana maneno. Izao amin'izay, hoy aho ny fotoana fanararaotra hanaovana izay nokasaiko hatry ny ela. Nalaiko ny radiô. Nataoko teo an-tokontany dia nokarohiko amin'izay ny maridrefy mandefa hiram-pivavahana fotsiny. MRE (Les Messagers Radio Evangelique) no nisy nifampitohy sady tsy nisy resaka firy. Nalefako mafy amin'izay. Izany hoe samy mitatatata izany ny anay roa tonta. Efa ela no niandrasako fotoana tahaka izao ka faly aho nanatontosa azy.

Nahagaga tamin'io fotoana io fa tena araka ny karazany tokoa ny hiram-pivavahana nandeha ary izay hira nandeha tery ampita toa vasoka hatrany raha miohatra noho izay nalefako. Nivoaka ireo ankizy tery ampita dia toa nivezivezy teo anoloan'ny trano teo. Te-hihaino ny hira nalefako ve? Nandeha amin'izay ilay hiram-pifohazana avy any Manolotrony mitondra ny lohateny hoe "Vavaka manova zavatra" iny. Ny ngadon'ny hiram-pifohazana sy ny hira zafindraony moa somary be itovizana izay nefa nahafinaritra io karazan-kira io. Atsasak'adiny na adiny iray latsaka fahefany teo ho eo no nifaninana hira izahay fa nahenany tsimoramora ny feo. Araka ny nampihenany ny azy no nampihenako ny feon'ny radioko ihany koa. Farany, tonga eo amin'ny tsy manorisory intsony ilay feo avy any. Nampidiriko ny radioko dia nalefako araka ny tokony ho izy ihany koa. Nanomboka tamin'io fotoana io (tapabolana izay) dia tsy nitabataba loatra intsony ny radion'io trano fivarotana nampiaiky ny manodidina io ny tabataban-kirany efa telo taona teo ho eo izao.

Hafa indray, matetika moa no mifanenjika ny mpiasan'ny kaominina Antananarivo sy ny mpivarotra amoron-dalana. Ny mahatsikaiky dia mandraoka tokoa ry zalahy rehefa mandraoka entana izay, any anaty fiarabe avy hatrany avokoa fa ny an'ny mpivarotra baiboly ihany no tsy misy mikitika mihitsy. Manaja fivavahana angaha ry zalahy ka tsy sahy mikitika ireny mpivarotra baiboly ireny.

Farany, malaza dia malaza moa ny hiran'i Tsiliva mitondra ny lohateny hoe "oui, oui" iny. Misy ilay Jesoa manao karate amin'ny devoly iny. Tao amin'ny sekolim-pinoana iray teto Antananarivo no nisy boaikely roalahy nanao sarin'ady ka nampitangorina ny ankizy sy nampitabataba azy. Taitra ny surveillant ka lasa nankeny amin'ny ankizy hanasaraka sy haka azy ireo ho any amin'ny birao. Vantany vao tonga teny amin'ny ankizy anefa izy dia niala haingana izy roalahy nanao sarin'ady teo dia nitangorona nanodidina ilay surveillant dia nihorakorahan'ny ankizy sy nitehafany hoe "Jesosy, Jesosy" toy ilay amin'ny lahatsarin'i Tsiliva iny indrindra. Be volombava manko ranamana ka ataon'ny ankizy fa Rajesosy. Nampanantsoin'ny surveillant daholo ny ray aman-drenin'ny mpianatra rehetra...

Madagasikara: Vola sandoka manantsanda (be valera)

2008-07-19 @ 08:10 in Toekarena

Asa ianareo raha mahatsikaritra fa mbola manan-tsanda ihany (izany hoe misy valerany e!) ihany ny vola sandoka eto Madagasikara ary mino aho fa mbola betsaka noho ny dôlara tena izy Zimbaboeana ny sandan'ny vola sandoka ariary Malagasy.

Izao manko, any ambanivohitra lavitra any no tena fanakalozan-dry zalahy vola ariary sandoka amin'ny vola tena izy, mahazo ny atsasaky ny tena sanda ny vola sandoka rehefa voatakalo any ary indraindray mahatratra ny sanda mitovy mihitsy rehefa amin'ilay harivariva mahafitaka ny tsy mitandrina iny, na amin'ny fotoana mampikoropaka ny mpivarotra iny.

Fa ny tena manome sanda ambony ny vola sandoka malagasy dia ny mpanao gazety malagasy ihany. Miala tsiny raha mamely fantsy ny mpanao gazety amin'ity indray mitoraka ity satria fanitsiana fahazaran-dratsy ihany ity. Rehefa tratra manko ireny mitondra sy mampiasa vola sandoka ireny ka mitatitra ny mpanao gazety malagasy dia ilay sanda sandoka (tsy izy akory) no tena abaribary, vola sandoka 1.000.000 ariary no tratra tany amin-dranona... Vola sandoka ve dia hanana sanda sady amin'izay 1.000.000 ariary be izao? Azo ividianana inona io vola sandoka lazaina fa 1.000.000 ariary io? Fahitalavitra sa solosaina? Mba eritrereto ihany.Efa nahagaga ahy hatry ny ela manko io fanomezana sanda vola sandoka eto Madagasikara io ary efa tiako ahitsy fa tsy tadidy hahatery ahy hanoratra raha tsy nahatsikaritra ny fitateran'ny vahiny ny vaovao rehefa nisy nahatrarana vola sandoka. Ilay noeritreretiko mihitsy manko no nilazany azy: Ravi-taratasy 1000 natao vola sandoka no tratra tany amin-dranona... ary tsy nilaza sanda mihitsy izy satria taratasy tsotra nanaovana hosoka ihany no sandany. Marina fa tsy mandeha ny tsena raha tsy misy ny fanaitairana kely nefa anisan'ny filazana lainga ihany amiko raha omena sanda tsy azy akory ny vola sandoka. Sa tsy mety ny eritreritro?

Resaka vola ihany isika eto ka manararaotra kely hilaza ny amin'ity resaka lazaina fa fananganana ny sampan-draharaha miady amin'ny famotsiambola notokanana omaly ity aho (Samifin). Ny rehetra kosa hatramin'ny fitondram-panjakana no toroako eto. Araka ny hita moa dia ny tranon'i Sophie Ratsiraka, na nipetrahan'ny fianakaviana Ratsiraka, tao Faravohitra no misy ity sampan-draharaha vaovao ity. Filazana tsotra ny ahy fa tsy fantatro manko io na an'ny fanjakana na efa novidian'ny fianakaviana Ratsiraka. Aleo an'ny mpanadihady katraka no manao izay hamantarana ny tena tompon'ny trano.

Araka ny fahalalako manko dia eto Madagasikara no be vola maloto indrindra manerantany ka mila diovina maika ary beazina hanaja ny vola tsy ho simba sy haloto ny Malagasy. Tokony hisy lalàna mipetraka manafay izay tratra mandoto sy manimba ny vola malagasy mihitsy aza. Tsy io resaka vola simba sy maloto io tsy akory no tsy tian-dRavalomanana Marc, Filoham-pirenena Malagasy, iadiana ny famotsiana azy fa vola tsara tarehy sy madio nefa lazaina ho maloto noho ny teny frantsay manambara azy ho "argent sale" ka ilaina atao "blanchiment". Hita kosa eto ny fahasamihafan'ny kolontsaina frantsay lasa tahafin'ny teny malagasy nefa tsy mifanaraka fisaina sy fitenenana ary mahazatra malagasy.

Raha ny fomba fiteny mahazatra ny manampahaizana sy ny manampahefana Malagasy manko heverina dia toa vao maika hampirisika sarambambe malagasy hanimba sy handoto ny vola malagasy ny fomba filazana azy amin'ny teny Malagasy. Raha ny tokony ho fiteny sy izarana ny Malagasy rehetra dia ny fitenenana azy ho toy ny hoe fampiverenana ny vola azo tamin'ny tsy rariny sy tsy ara-dalàna (rongony, fanerena olona hivarotena, fivarotana olona,fitaovam-piadiana...) ho amin'ny tsenam-bola manara-penitra amin'ny fomba hafa. Lava tena lava izany filazana izany, azo atao fifaninanana ny itadiavana ny teny sy fomba filaza fohy, nefa tsy maintsy atao mba tsy hampifandiso ny fisainan'ny be sy ny maro mety tsy hahatakatra ity fomba vaovao manerantany ity. Fa angaha ity vola malagasy ity tadiavina hitoetra eny an-tsena mandrakariva e!

Valala mpiandry fasana

2008-07-17 @ 21:01 in Ankapobeny

Ataoko fa mazavazava avy hatrany izay tian-kambara raha izany teny izany no atsidika. Ilazana ireo olona mbola monina eny ambanivohitra, hitanao mandrakariva rehefa misy ny fotoan-dehibe na fotoana tsy azo ihodivirana. Tsy maintsy nankany ambanivohitra ny tena noho ny fodiamandrin'i Bebe ny alarobia teo.

Ny talata maraina izy no maty tany Antsirabe. Ny alarobia dia nentina avy hatrany taty "Imerina" hoy ny fitenin'itpkl dadabe izay rehefa manondro ny any Ambanivohitra izy mba hasitrika. Efa 90 taona latsaka i Dadabe no nody taona maromaro lasa izay ary 92 taona kosa i bebe izao nody izao. Olona efa voky andro avokoa.

Noho ny fihavanana mafy dia mafy teo amin'ny Ntaolo, na dia lavitra kokoa noho i Soamonina aza i Ambohitsararay Zafimbazaha Dilambato raha avy eo amin'ny tanindrazana misy anay dia niaraka tamin'Ambohitsararay izahay. Noho ny tsy fifankahazoana sady fitadiavan'ny sasany hibodo sy haka na farafaharatsiny tadiaviny hizara ny taninay kosa, nefa ny azy tsy tiany hokitiana raha tena hizara ny tany tokoa, dia lasa nisintaka tamin'io tanàna io izahay, noho ny fanapahan-kevitry dada araka ny fahalalako azy, ka any amin'ny fokontanin'i Soamonina indray no maka ny hetrantany. Tsy fantatro intsony raha mbola Zafimbazaha izahay amin'izany na tsy izy intsony. Ambohitsararay manko no atsinanana indrindra amin'ny faritry Zafimbazaha Dilambato araka ny fahalalako azy. Ny taratasy fampandrenesana anefa tsy mametraka intsony ny fokontanin'Ambohitsararay fa fokontanin'i Soamonina ho ao anaty lisitra.

Fa izany eo ihany, ny resaka Valala mpiandry fasana no tena tiako ambara. Ireo mamoha sy manidy ny fasana amin'ny fotoana tahaka itony. Na mino ny fombany ianao na tsy mino ny fombany rehefa mila azy dia arahina iny aloha. Ilay fomba na tsy ankasitrahana aza dia atao ihany noho ry zalahy. Tsy mahavita na inona na inona izy rehefa tsy misy ilay gasilahy... rehefa tsy hangady sy hamoha ilay varavarambato telo sosona ianao...ividiano izy. Alina foana eo ny andro na hanaraina akory aza fa tsy nisy zavabanona eo raha tsy misy io.

Ho sarotra anefa ny fihavanana raha toa mandingana ireo olona ireo fotsiny amin'izao ianao. Izay no mahatsara kokoa ho an'ny fiangonana tsy te-hanaraka izay fombafomba, mbola matanjaka dia matanjaka eo amin'ny Malagasy izay rehefa raharaham-paty no resahina, aleo manao fasana hafa mitokana mihitsy sady tsy maka ireo valala mpiandry fasana ireo. Adalanao raha toa ka mila ireo valala mpiandry fasana ireo ianao nefa tsy hanaiky hanome azy ny gasilahiny. Izay no mampamerina ahy mandrakariva izay kasaiko handorana ahy raha toa ka tonga koa ny andro hodiana. Tsy mila loatra ireo zavatra raiki-tapisaka amin'ny Malagasy ireo sady mandrava ihany koa ny mety hamadihana ny vovoko. Hajaiko ny azy nefa manana ny ahy koa aho.

Ny mety ho antom-pandroahana ny masoivoho frantsay eto Madagasikara

2008-07-14 @ 20:05 in Politika

Nanaitra tokoa ny nahita sy nandre ny kabarin'ny masoivoho frantsay nandritra ny lanonam-pankalazana ny fetim-pirenena frantsay androany. Tsy avelan'ny filohan'ny Repobilikan'i Madagasikara hanohy ny asa ananendren'ny filoha Frantsay ahy intsony aho. Raha ny fahafantarako azy tsy ho tonga hatrany amin'ny fanafohezana ny fotoam-piasan'ny masoivoho ny fanapahan-kevitry ny filoha raha tsy nisy zavatra goavana manahirana any ambadika any (zavatra mpitranga ihany izany indraindray). Eo amin'ny resaka dipilaomatika anefa dia azo atao tsara ny tsy milaza izay antony amin'ny sarambabem-bahoaka. Dimy volana monja izany no niasany teto Madagasikara raha roa taona mahery kosa ny an'ny teo alohany! telo taona anefa amin'ny ankapobeny ny fotoam-piasana manara-penitra araka ny fahalalako kely ity.

Lazaina amin'ny ankapobeny fa tsy olana eo amin'ny firenena sy firenena izao toe-javatra izao fa olana eo amina olona. Raha indroa misesy kosa (ny fahatelo tadidiko dia ilay masoivoho vavy fa teo alohan'ny teo aloha moa izy iny?) mampieritreritra ihany.Efa nanana ny lazany ihany izany filoha malagasy tsy mahazoazo loatra ny Frantsay izany ka manao fanahy iniana mirona kokoa amin'ny Rainiboto. Saina te-hiseho ve fa tsy mifampitambitamby amina firenena nanjanaka teo aloha?

Zavatra iray tsara marihina aloha, nihaino ny fampielezam-peo frantsay re manerana izao tontolo izao aho, ary milaza fa mpihaino azy saiky isan'andro mihitsy, fantatra fa nomen'ny filoha frantsay baiko ny masoivohony rehetra fa atao araka izay azo atao ny fitsitsiana. Maro noho izany ny zavatra fanao tany amin'ny faritra hafa tany no nofoanana fotsiny izao. Ny antsika eto Madagasikara anefa dia ireny hitantsika amin'ny gazety ireny fa asiana fandihizam-bahoaka ity fety ity... tahaka ireny hoe fetim-bahoaka mihitsy ilay fetim-pirenena frantsay (sao dia izay no nahaletra ny filoham-pirenena malagasy). Manaraka izany tsy nisy filazana ity fandehanan'ny masoivoho frantsay ity io radio frantsay efa diso fantatra io. Tsy fahasahiana hiteny ve sa efa mahalala ny antony ka aleo mangina sa miandry ny fotoanany ny zava-drehetra?

Kisendrasendra ihany koa ve? Vao nandika lahatsoratra tao amin'ny Globalvoices Online mihitsy aho androany ka zava-nisy teto madagasikara no nolazainy. Fitakiam-pamotsorankeloka any amin'ny filoham-pirenena sy ny Minisitry ny fitsarana ary fikambanana frantsay milaza ho sakaizan'ny vahoaka afrikana no nitondra izany tany. Mety ho antony iray nahatezitra ny filoha ihany koa ve? Tombatombana tsy voatery ho marina saingy raha amin'ny fomba fihevitra dia toy ny fametrahan-toerana ho mpitondra maoraly amin'ny mpitondra afrikana... ny filazana hoe sakaizan'ny vahoaka afrikana manko dia nampitamberina ny tamin'ny taona 2002 sy 2003. Raha nanao fiarahabana ny fetim-pirenena malagasy ny mpitondra frantsay tamin'izany fotoana izany dia tsy nivantana tamin'ny mpitondra solontenan'ny firenena malagasy mihitsy ny arahaba fa tany amin'ny vahoaka malagasy. Toy ny natao hifandona na hifanandrina ny vahoaka sy ny mpitondra amin'izany hafatra izany. Tantara niainana izany ka tsaroana tsara mihitsy. Koa raha manonontena ho sakaizan'ny vahoaka afrikana...noho ny tantara efa niainana...dia lasa mieritreritra koa etsy ankilany hoe fa mpanohitra ny mpitondra afrikana ve? tsy hiteny mihitsy aho hoe jadona sa tsia ilay mpitondra resahina fa lasa ahafa ihany ny eritreritra.

Tombatombana izany fa mahagaga ho'aho fa rehefa mieritreritra hamoaka lahatsoratra heveriko ho matotra aho (resaka fanagasiana ohatra) dia tsy mety tafavoako ilay izy noho ny fanahiana tsy hanam-potoana ho amin'izany ka izay no nahatonga ahy tsy nanoratra fotoana elaela izay. Ankehitriny nanery tena fotsiny hamoaka ity lahatsoratra ity fa raha hiandry izay tian-kosoratana rehetra toa lany andro am-pisainana fotsiny.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jolay 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox