Aoka aloha, aoka aloha...toa mampivadika ati-doha

2008-09-30 @ 20:58 in Kolontsaina

Aoka aloha! karatra mena omena izay mitady hikiry hahazo fahafinaretana safononoka...(safononoka hono! hehehe!) amin'ny fotoana tsy mampazoto ny iray sa aloha loatra ny fotoana? Aoka aloha! Fiteny tian'ny mpanentana amin'ny ady amin'ny SIDA hataon'ny tanora amin'ny namany raha misy ny fandrisihana hiroboka sahady amin'ny fihirahirana ilay hiran'i Mahaleo manao hoe "Veloma ry fahazazana" Ka miarahaba ny hatanorana...atao daholo na ny fifohana na ny fisotroana na ny FIJANGAJANGANA. Sao voambolana diso toerana amin'ny hira aloha io hoe mijanganjanga io? Nefa matoa ny mpanoratra nametraka azy dia ao raha...

Adihevitra vao mafana tany ampiasana mihitsy manko izany hoe tsy misy intsony izany vehivavy miditra amin'ny fanambadiana mbola virijiny izany. Raha 14 taona (lalàna taloha izany babako!) no misy zazavavy akarina tokantrano no mety ahitana isanjato kelikely ihany izany hoe vehivavy virijiny no hiditra tokantrano... Fijerin'ny tambonivohitra izany fa asa manao ahoana tokoa re ny any ambanivohitra?

Fa aiza ihany ary no tena tian'ny mpanoratra holazaina amin'ny lohateny fa tsy azoko mihitsy? Raha natao ary mbola atao dokambarotra mafotaka aoka izany ny famiasana fimailo sy ny fandrindram-piterahana dia manaraka tsimoramora eny ihany ilay karatra mena misy soratra hoe "aoka aloha!". Indraindray aho mihomehy mahita ilay soratra amin'ny karatra mena ka tsy naharitra intsony aho fa nosoratako ihany androany ny antony. Lasa tsy fidiny ny vavako tany amin'ny "bord" Mahajanga indray alina nanao hoe: "f'angaha tsy misy aoka aoriana?". Notampenako haingana fa miteniteny foana... nefa sao mifono hevitra filozofika?

Ekeko tokoa fa ny hevitra tiana ampitaina amin'ny karatra mena dia hoe tsy izao no fotoana saingy raha azo atao naninona raha ialana mihitsy ny hevitra mety mivilana? Mahazo karatra mena amin'ny aloha ve fa mahazo ny karatra maitson'ny beantitra aoriana. Dia manome sosokevitra ihany aho na izany aza toy ny hoe "aoka mihitsy!" na ny hoe "Aoka izay!" ho fanapahana ny resaka mandrobo ataon'ny anankiray. Sa dia lasa lavitra loatra mihitsy izany hevitra izany? Tsy manao hatsikana tandrefana aho an!

Tolona, ady, rĂ  mandriaka

2008-09-26 @ 10:13 in Andavanandro


Iza no tsy mihoron-koditra rehefa mandre ireny famonoan'olona re isan'andro vaky ireny. Na dia mitatitra isan'andro ireny aza ny gazety eto an-toerana mbola tsy ampahafirin'izay mitranga andavanandro izany. Tsy vaovao rahateo raha tsy zavatra tantaraina. Omaly ny omaly isika mpanara-baovao no nandre fa tao anatin'ny alina iray monja (zoma 19 septambra 2008) dia olona efa 12 no novonoin'ny mpanendaka tamin'iny faritra manodidina an'Andravoahangy iny. Mampihorohoro tanteraka ny mandre azy izany. Eto Antananarivo anefa ireny ka heno ihany fa ny any ambanivohitra rehetra any dia ady sy tolona isan'andro no iainana.

Inona no tena mahaloza azy? efa mivondrona ny fokonolona amin'ireny toerana somary mihataka ny tanandehibe ireny fa miara-dia ihany koa ny jiolahy sy ny dahalo ary ny mpamono olona. Nanafika tanàna antsoina hoe Ambohidravaka tamin'iny faritry Vakinankaratra iny ny andian-jiolahy volana vitsivitsy lasa izay. Izany no toy ny tantara tamin'ny andro fahiny nisy ireny tanàna nifanafika ireny satria tsy nisy nifampitsitsy ny roa tonta, na ny fokonolona na ny andian-jiolahy dia tena nifanandrina tahaka ireny western very sheriff miampy kungfu shaolin ninja ireny; izany hoe mifangaro ao avokoa ny lahatsary gidragidra fantatra rehetra ankoatra an'i Terminator sy Rambô. Hipoka tanteraka ny Hopitaliben'Antsirabe renivohitra nanditra izany alina izany nitaterana ny maratra sy ny tapaka ary ny very rà be dia be avy amin'ny fokonolona fa ny jiolahy ihany koa nitondra ny maratra tao aminy fa tsy hitondra azy any amin'ny hopitaly aloha (manana ny hopitaliny ve izany ry zalahy?). Ny any amin'ny firenena miady an-trano sisa no tsy fantatra raha tahaka izay niseho tamin'ity alina ity. Zairina manta tsotra izao ny ratra rehetra, dradradradra izao, tomany izao... efa tsy nifandrenensana intsony. Raha nisy ny sarin'izany dia ho gaga ianao ary hieritreritra hoe any Iràka ary ve izaho izany sa any Palestina? Soa ihany fa tany amin'ny toerana mbola mafy ny firaisankinan'ny fokonolona aza izany! Fa nahoana izany no nitranga teto Madagasikara? Tsy matoky ny mpitandro ny filaminana intsony ny mponina!

Vao maika koa hampihemotra ny fitokisan'ny mponina ny mpitandro ny filaminana ny fahatrarana ny sasany amin'izy ireny nandroba, nanendaka, nangalatra ary saiky hanao an-keriny ihany koa aza, vaovao tao anatin'ny herinandro izany raha ela indrindra. Efa mihamivantana amin'izay, ho'aho, ny fitangosan'ny mpitandro ny filaminana sasany vola tamin'ny alalan'ny kolikoly teo aloha. Sa mbola tohizan-dry zalahy aty an-drenivohitra ny fananon-dry zalahy tany ambanivohitra tany? Mihamasiaka ny jiolahy ka mamono olona ihany koa satria fantany fa raha tratran'ny fokonolona izy dia efa ny ainy izay no manefa. Inona no tena fototry ny olana? Iray amin'ireny angamba ny fanafahan'ny mpitsara, na mpanao famotorana ny olona efa fanta-daza amin'ny fanaovan-dratsy, ka mampisy Tsimatimanota eo amin'ny lalàna. Ho aiza na hanao inona ary ny fokonolona manoloana ny tsy rariny mihatra aminy? Hisafidy ny hanao inona ny fokonolona raha mbola mitaky ny fanajana ny fiarovana ny zon'ny mpanao ratsy efa mivandravandra fa tsy misalasala ny mandatsaka ain'olona nefa tsy nijery ny nanjò ny olo-tsotra ihany ny mpiaro ny zon'olombelona amin'ny ankapobeny? Efa voarara rahateo moa ny didy famonoana ho faty! Efa mirediredy mihitsy koa izaho izany!

Didim-pitsarana: sao mba tsy rariny ihany?

2008-09-24 @ 09:27 in Andavanandro

Nisy vaovao nahoraka izay teto amin'ny tanàna fa lehilahy Frantsay efa antitra no tratra nitondra sarin-jaza naboridana (tsy ampy taona) miaraka amin'ny sary nametavetana ireo zaza gasy ireo. Tsy te-hitantara betsaka ny amin'iny aho fa ny tena ifantohako sy arahiko maso dia ny sazy mihatra amin'ny olona manao ireny hadalana ireny hijerena ny fampiharan'ny fitsarana fa atao ho anatry ny hafa ihany koa ny sazy azon'ireny olona manaonao foana ireny.

Vetivety moa dia natao ny fitsarana ity raharaha ity ary toy izany ihany koa ny fivoahan'ny didim-pitsarana. Tena ontsa sy tezitra aho nandre ny valiny, araka ny filazam-baovao iray. Ny fandre matetika manko raha misy ny tranga tahaka itony dia asa anterivozona dimy taona ny tena kely indrindra azon'ireny olona ireny. Ny asa anterivozona moa noho ny "zon'olombelona" dia tsy azo atao intsony na dia gadra aza ireny olona ireny. Ny fitazonana amponja ihany izany sisa no azo atao. Fa manakory kosa ilay sazy nomena ilay lahiantitra nanampatra ny hagegeny tamin'ny zaza gasy?

Vao nandre fotsiny aho hoe sazy mihantona ilay azony dia niontana indray mandeha ny ambavafoko. Na tsy te-hieritreritra fanavakavahana aza tsy maintsy taitra ihany, farafahatsarany kolikoly... tena fanimbazimbana sy fanaovana tsinontsinona ny Malagasy mihitsy amiko izao didim-pitsarana izany satria tsy hoe torotorok'olona hanaovana ramatahora olona voafandrika izy ity mba hisintonana volabe fa porofo mitohoka amin'ny tendany ny sary nentiny fa tsy hoe nentin'olo-kafa. Lasa ny saiko manao hoe tena tiana ho fanaovana fizahantany mamoafady mihitsy eto Madagasikara handrisihana ny vahiny hanimbazimba ny malagasy satria sazy mihantona fotsiny no omena anao raha manimba zaza ianao. Roahina fotsiny izany izay vahiny tratra fa tsy mahazo manasazy azy ireny isika Malagasy? Eritrereto ihany lahy!

Ny lalana malalaka ihany no amboarina

2008-09-22 @ 11:03 in Politika

Nalaza tao aho ao ny fanamboaran-dalana hampitohy an'Ivato amin'i Talatamaty. Lalana mirefy tokony ho 5km izany lalana izany ary handaniana 7 miliara ariary eo ho eo. Ny orinasa Sogea Satom ao anatin'ny vondrona mpanamboatra lalana malaza VINCI Construction no hanatontosa izany fanamboaran-dalana izany. Ny tena tian'ny gazety ny Vaovaontsika navoitra androany manko dia hoe tsy hisy fandravana trano mihitsy amin'izany fanitaran-dalana izany fa ny takelaby fanaovana dokambarotra ihany no miala. Hay ve fanitaran-dalana ity handaniana vola be ity fa tsy famakiana lalana vaovao e!

Ankona ihany ny tena rehefa namaky ilay vaovao satria tsy vahiny amin'iny lalana iny manko ny tenako. Nihevitra izahay fa hisy lalana vaovao somary mahitsy avy eny Ivato tonga dia mamantana Ambohibao, fa tsy mandalo izany Talatamaty izany ity karakarain'ny fitondrana ity hay tena mivandravandra fa ny fandraisana ny filoham-pirenena ho avy amin'ny fihaonam-ben'ny filoham-pirenena sy mpitondra fanjakana Afrikana no laharam-pahamehana. Tsy hanala olana velively izany ity lalana ahitatra ity.

Inona ilay olana tsy voavaha? Ny tena miteraka fitohanan'ny fiarakodia amin'iny lalana mankany Ivato iny manko dia ny mandalo an'Ambohimanarina iray sy ny mampitohy an'Ambohibao vao miakatra iny ka mankany Talatamaty iny ny faharoa. Noho ny fahateren'ny lalana amin'iny faritra iny dia mikatso avokoa ny fiara rehetra mandrapahatongan'ny fizarandalana eo Talatamaty ka mankany andrefana Ambohidratrimo sy Mahajangà ny iray ary mianavaratra mamonjy an'Ivato seranana kosa ny iray. Mivandravandra eto fa tsy ny fahasahiran'ny olona tokoa no mahamaika ny fitondrana fa ny hirehareha amin'ny lalana efa malalaka dia malalaka ihany. Toy ilay lalana etsy amin'ny lalambaovao mampitohy an'Ankorondrano amin'Amboditsiry ihany ity e! eo amin'ny fanombohan'ny olana mamonjy an'Analamahitsy tanana indrindra no vita ny lalana fa tsy nisy ny lalana vaovao hamahana ny olan'ny fitohanan'Analamahitsy mankany Anjozorobe velively. Oviana re vao tena laniana amim-pahamendrehana ny vola be tahaka itony e?

Rado mpanoratra: Ny zavatra hafa mety mbola tsy fantatrao.

2008-09-18 @ 13:55 in Kolontsaina

Mbola eo ampanongotsongoana faramparany ilay andrarezin'ny teny sy ny haisoratra malagasy lavo
isika amin'izao fotoana izao. Mbola mahatsiahy tsara sy mampitamberina ny soa sy ny ezaka vitany
izay rehetra mahatsapa fa nisy vongana masirasira (leviora) avy tamin'i Rado namolavola ny nankamamiany ny haisoratra lovan-kolontsaina malagasy na farafaharatsiny ny teny malagasy, dia izay ihany, tahaka ahy izay manoratra aminao etoana na dia tsy nisy aza fifaneraserana mivantana aminy. Tsy tena mpankafy ny asa-sorany aho, eo amin'ny lafiny fitadidiana tsianjery izay nosoratany, fa mahatsapa kosa ny halalin'ny zavatra soratany rehefa mahafantatra zavatra bebe koa momba azy. Hoy Simeon Rajaona fony nanatrika ny fanamarihana ny faha-80 taonan'i Rado notontosaina tao amin'ny fiangonana tranovato Faravohitra tamin'ny taona 2003 ary atao tamberina saky ny vita vaovao alina ao amin'ny TVM amin'izao fotoana izao:

Anisan'ny alahelo entiko mandramaty mihitsy ny tsy mba nampidirako tao anaty "takelaka notsongaina voalohany sy faharoa" ny asasoratry Rado na dia iray aza satria tsy hisy intsony ny fampidirana lahatsoratra vaovao. Nanomboka tamin'ny taona 1955 manko ny fanangonana ny lahatsoratra rehetra nefa dia tsy nahafantatra an'i Rado sy ny asa sorany mihitsy aho. (Teo anatrehan'i Rado sy ny mpanatrika rehetra no nitenenany izany ho karazana fifonana eo anatrehan'i Rado).

Nataoko ho karazana zavadehibe nampitodika ahy hijery fahitalavitra indray ny manaraka fandaharana manokana momba an'i Rado, hany ka tsy nampaninona ahy velively na tratra aoriana aza ao nalefa nivantana (teny antenatenan'ny lalao vao nalefa mivantana) ny lalao baolina fandaka ifanandrinan'ny Manchester United sy Villareal. Izaho mpankafy baolina fandaka lozantany ity no tsy nisy alahelo na fahatezerana akory noho ny tsy fahitana mivantana lalaon'ny goavana sahala min'izany? Na izaho aza gaga tamin'ny tenako.

Ataoko fa tsy manavahiny ny mpamaky ny asa-soratry Rado ny fampahatsiahivana nataon'i Zo-Maminirina an-tonokalo ny sombin-teny manamarika ny soratr'ity Ngezalahin'ny literatiora Malagasy ity:


Hovitra

Ho any ianao kanefa
ny lalana mankany tsy misy dia miverina
tsisy ankamerimbotsotra,
lalan-tsy mif(am)etra hatreo am-parafara fara-fatoriana
ka mampifararemotra ny manam-pofonaina

Dia lasa ianao...
kanefa ny dian-drantsanao natosiky ny SEDRAn'
ny fizarana mamy
ny DINITRy ny tolona
niady ho an'ny ZO
sy ny maro hafa
no ANDO hampamololona
indray ilay finoana
noheveriko ho tarangana.
Mbola indreo mitsangana
ny zana-dRavahoaka
tsy resin-dazon'ady
mbola sahy mitady
ny tena fahafahana

Dia lasa ianao...
ry Dada
Nianjaika fandresena
feno fanetre-tena
anatrehan'ny Tsitoha!

Etsy kely aloha...
iriko ho tsikitsiky no ifandaozantsika
na fo mangorangorana
sy mangorangorana aza ny ato anatiko ato.

Aza misahirana, azafady indrindra f'aleo hakatoko ihany
io varavarana io...
...dia hitomany aho.

Zo-Maminirina 16 septambra 2008

Tononkalo avy tamina mpankasitraka ny asa sorany izany fa nampisaina lalina nahafantarana zavatra hafa momba ny tenany ihany koa ilay tononkalo nosoratan'Andriamanantena Celestin (efa nodimandry ihany koa) ho an'ny zandriny tamin'ny andro nitsingerenan'ny faha-70 taona nahaterahany, ny zoma 1993, ary hita tao amin'ny gazety taratra n°1386 nivoaka ny Alarobia 17 septambra 2008 pejy fahaefatra:

Faly aho, ry zandry, ka ho tsiny ve
ny mitanisa fohy ny araben'ise?

...Ny arabe iray dia lalam-pitsapana,
feno vatokely sy hady mangotana.
Vao sivy taona ise dia maty i Mamantsika,
fotoana kely monja ilay volana baliaka
dia lasa tsy nipody. Ny fitiavan-dreny,
minitra dia nandalo; ny iray tampo indreny
nandeha tsikelikely, namela antsika lahy
izay tendrony ankiroa matoa sy faralahy.
Tapaka ny tady, banga ny elanelana
nefa mba niriana ny vony ampy felana!...

...Fa nitohy ihany ny tsilo an-dalambe:
Fotoana maromaro no tsy salama ise;
nanao tampody fohy ny antsy fandidiana
ka niverimberina nitondra hakiviana.
Alin-tsy voaisa no nisehoan'izany,
na teto anivonay, na tany ampita tany.
Nivesatra ahiahy ny zanaka sy vady,
ny havana rehetra lalovan-dazon'ady.
Ho resy ihany va 'ty loza izay misakana,
sa anio mihitsy no ho rendrika ny lakana?

...Fa nitohy ihany ny tsilo teny an-dalana,
naranitra ny antsy ka nahatratra akalana.
Ny fitiavan-janaka nataon'ise filamatra,
indraindray nikiky sady koa nandramatra
ny alina sy ny andro nandalo tamin'ise,
nitera-panahina sy ny teny toyny hoe:
"Hanao ahoana re ny hoavin'ny taranako,
fa tiako, tena tiako ary mamiko ny zanako?"

...Fa mbola niha-maizina ny arabe nizorana,
ny lohalika osaosa vao mainka koa nangorana;
ny volo efa fotsy mba niandry taona zina
nolalovan'afo ka mainka niha-kina.
Tsy ela fa vao omaly, sombinaina efatra
no niara-maty teto. Alina mavesatra
ny alina rehetra fa lasa ny malala,
natelina ny sento ka mila ho vakivaky
ny loha adaladala!...

Ireny no antsoiko hoe arabe iray,
nisy fitsapana sy ady mahamay,
nodiavin-tongotra sy taolana mihanjaka,
ary nandrefesana ny hery sy ny tanjaka!...

...Fa misy ny arabe izay hafa noho izany,
mivoly voninkazo sy kalokalo mamy,
dia ny arabe sy soratra nitondran'ise
ny hetaheta maro nanindry ny mpandeha!
Mpamaky firy moa no sempotra sy toro,
mpamaky firy moa no sendra horohoro,
no rehefa mahavaky ny tonokalo mamy,
no tsy toy ny olonanandresy ny tomany,
ka nahazo hery sy sitrana tsy miody:
"DINITRA" sy "ZO" nanjary fanafody?
Ary raha nanjaka ny olom-panjanahana,
ka nanjavozavo ny tanjona hiatorahana,
ise no nitaiza sy nampahazo vahana,
nampianatra ny ankizy hiantso Fahafahana!...

Mihoatra noho izany ny araben'ny Hira
namonjen'ise ny fo voaviravira,
Nahatonga ny olona hiandrandra lanitra,
Hiantso sy hidera ny anaran'Andriamanitra!
Fa na aiza fiangonana, na aiza fivoriana,
Na tilikambo avo na tilikambo iva,
njao mamelovelo raha tonga ny hariva
Ny hiran'ise, mandona ny ati-fo,
Ka vetivety monja, miharina ny loha!
Arabe'ny hira, araben'ise,
Ka babo izay mandalo, babo izay mandre!...

...Tsy adino koa ny Làlanan'ny kabary,
Nanehoan'ise fa soa miharihary
Ny tenin-drazantsika. Teny manankasina,
Afa-mampikambana sy mampifankatia
Zatovo marobe, ka falifaly ery
Ireo izay mandre ny ohabolana, hainteny
Milaza ny fitia, manombo izay nekeny.
Moa tsy faly ery raha mifanena ise
Amin'ny zatovo ka ilazana hoe:
"Moa tadidinao, fa ianao ange no iray
Nitondra ny kabary tamin'ny andronay?...

...Fa ato an-tsaiko koa ny araben'ny kanto,
Ny araben'ny sary tsara sy milanto,
Fomba nanehoana ny tsy takatry ny penina,
Nanalana sarona ny nofy izay nafenina.
Hain'ise izany ka fomba tsy fahita
Nateraky ny karoka no tonga zava-bita.
Na tsihy nasiana sary, na hazo iray nodorana,
Na jiafotsy tsotra, na hoditra nohosorana.
Ireny no akora sy zary fiasana,
nasain'ise niteny ka tonga nigagana.
Dia jejojejo ary ny rindrina miravaka,
Ny sary vitan-dRado tamim-pomba miavaka...

...Fa anampiako izany ny araben'ny hehy,
Ny vazivazy maro nanondraka tarehy.
hain'ise manokana ny nampiasa izany,
Na andro maha-ory na andron'ny tomany.
Vazivazy ireny nefa nanafana
Ny tokantranontsika,
Ny taranatsika,
Ny sakaizantsika.
Fa na ny tolona aza ho an'ny firenena,
Ny vazivazy ihany no fomba nanefena,
Nanefen'ise ireo ratsy tarigetra,
Hanaiky tsongotsongo sy hanova toetra!...

3 - 10 - 1993 Amboditsiry
Andriamanantena Célestin

Hay ve izany Rado izany ka toa fijaliana hatrany ny fiainany rehetra. Hatramin'ny fahazazany
nandaozan'ny reny sy ny iray tampo azy telo mianaka ka hatramin'ny andro nahafatesany saingy tsy nataony hampiondrika azy izany fa nitraka hatrany izy hampamirapiratra ny teny nolalainy. Hay efa impiry impiry ny lehilahy fa nandalo fandidiana nampanahy indrindra ny fianakaviana fa tratrany
ihany ny fahanterana. Aiza ho aiza amin'izany isika betaraina itony? Tsy nampiala vehana azy ny
sakatsakana mety ho nitranga. Nampitamberina indray ny halalin'ilay tononkalo manao hoe:

Raha mbola misy tsiky
azonao asetra ny ronjon'ny ankaso
Nahoana indrindra, iky
no dia laniana foana ny vongan-dranomaso!

Raha mbola misy ihany
kintana mamiratra azonao banjinina,
nahoana no tomany
no andanianao ny alin'ny ririnina?

Raha mbola misy kalo
azonao hiraina anaty fahavaratra
nahoana no himalo
mahita vodilanitra mosarena taratra?

24 - 02 - 70
(Dinitra tak.122)

Tranga iray hafa avy amin'ny resaka fohy nataon'i Bessa indray ny fiarovana nataon'i Rado fony
mpanao hira mibarareoka i Bessa, nihira ilay "Ny hirako izao Ray be fitia"(fihirana FFPM lah.478)
Toa maneso manko ny mandre ilay feo ka nisy nitsikera tao amin'ny gazety "Fanasina", gazety
protestanta nivoaka isan-kerinandro nandritra ny repobilika voalohany (efa namaky ny sasantsasany tamin'izany aho fahakely). Ny protestanta manko miaro fatratra ny fomba fihira araka ny sol-fa (tandrefana aza) ka nanohina ny fony ilay zanaka mpitandrina toa naniratsira ny hiram-pivavahana. Avy tamin'ny fomba fitendrin'i Bessa ny harimÔnia no tena nahatonga azy hiaro ilay fomba fihira (samy zanaka mpitandrina koa moa ry zalahy). Tsy fantatro loatra satria tsy ampelatanako intsony io raharaha iray io, ka tsy haiko ny fomba niarovan'i Rado an'i Bessa. Ny tsapako avy hatrany fotsiny dia avy amin'ny fomba fihira zafindraony, saiky nofadiana am-piangonana (mbola tsy nanaiky loatra ny fifohazana manana ny hira mifanahatahaka amin'ireny ihany koa tamin'izany fotoana izany ireo fiangonana nipoiran'ny FJKM) manko ny hira maintimolaly fa izay tsy afaka ambavan'ny maro tamin'izany (toy ny Sambasamba Zanahary hira FFPM lah.79) ihany no tsy maintsy nampidirina fandrao mampalahelo ny maro an'isa. Ity resaka notsongaina tamin'ny resaky Bessa ity no tena ahazoana mitaratra ilay mahamalagasy azy satria nifanakaiky tamin'ny am-pon'ny maro an'isa, ambany ravinahitra, izay fiheviny izay.

Hitondra ny fanilo izahay ry Rado, Hasandratray ho avo ny hasoan'ilay teny maminao. Hokoloinay
tsy ho lefy mba tsy ho verivery foana ny hasasaranao.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Septambra 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30        
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox