Araka ny tsikaritra dia tsy misy mihitsy ny fahamehana avy amin'ny mpitondra fanjakana ara-dalàna amin'izao fotoana izao hisambotra ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Raha ny fandehan'ny raharaha amin'izao fotoana izao dia mihena am-pitoerana toa fen'antitra ankehitriny ny manaraka azy manatrika eny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Nandrasana fatratra ny ho fihetsiky ny mpitandro ny filaminana sy ny mpiasan'ny minisitera omaly alatsinainy ahafantarana hoe manaraka ny "baikon'iza" moa izy ireo. Velona amin'izay ny teny tamina radio anankiroa fa "tsy afa-nivoaka" ny mpiasa tany amin'ny minisitera satria "nambenan'ny" miaramila. Tsy naheno zavatra mampihomehy tahaka izany indray aho raha tamin'ny fotoana nahenoako izany fitenenana izany. Hay ve dia tena gadra tahaka izany indray ireto mpiasan'ny minisitera ireto nefa nalalaka mihitsy tsy hiditra ny birao akory. Hay ve izany dia tsy nanaraka ny baikon'ny mpitarika ny fitondrana tetezamita akory ireto mpitandro filaminana ireto. Hay ve mandritra izany fotoana izany dia mbola manana ny fahefany sy ny heriny soa aman-tsara ny governemantan-dRabemananjara Charles.
Maro ny olona no mitaky ny hisamborana ny Ben'ny tanànan'Antananarivo amin'izao fotoana izao eto Antananarivo, fa izay miresaka amiko kosa no anazaako fa tsy tombotsoan'ny fanjakana velively ny hisamborana azy amin'izao fotoana izao. Io moa dia araka ny efa nosoratako rahateo ao amin'ny hoe "Antso avo ho an'ny mpitondra, arovy i Andry Rajoelina" ary ifaliako indrindra fa teto amin'ny Maharesaka VETO no namoaka izany hevitra izany hovakian'ny hafa voalohany indrindra. Hanome hery ny TGV sy ny mpanaraka azy amin'ny fony manontolo indray izany... hita kosa fa misy fiantraikany ihany ny fahandrasana tantana ataon'ny mpitondra. Raha eny amin'ny toerana mbola ahafahana miresaka sy mivorivory amin'izao fotoana izao aloha dia tsy mahazo ny fon'ny mpankasitraka azy teo aloha nefa tsy "fanatika" intsony ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Ny mbola mahavariana izany amin'izao fotoana izao raha tsy maika ny hisambotra ny Ben'ny tanàna ny eny amin'ny Fitsarana sy ny any amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana, dia ny tsy faneken'i Andry TGV velively fa "resy" izy na "andalam-paharesena". Vinaniana noho izany fa manana tanjona hafa hokendrena mihitsy izy.
Malaza hatry ny ela moa fa resaka fifanolanana teo amin'ny fianakaviana niitatra ho tonga eo amin'ny sehatry ny firenena firenena izy ity nefa andeha ajanona ho tsahotsaho hatrany izany. Hotazonina hatrany eto ny hoe manana tanjona tratrarina izy, efa nolazaina izany tany alohaloha tany fa mitady ho adinodino amin'izao fotoana izao. Mbola misalasala anefa aho hoe ny inona amin'ireto tanjona roa samihafa ato an-tsaiko ireto no tena izy sa izy roa miaraka mihitsy ve? Raha niteny ary i Andry omaly hariva tao amin'ny fitaovan-tseraserany fa efa miala any ny hanoloana ny Ben'ny tanàna ho delegasiona manokana dia gaga ihany ny tena. Raha ny fijeriko ny paikan'ny mpitondra amin'izao fotoana izao dia tsy maika amin'ny fanoloana ny Ben'ny tanàna izany ry zareo ary tsy tokony hiraparapa amin'izany mihitsy. Tetika avoakan'i Andry indray io filazana tsaho io, noho izany, hanintonana ny olona hiandany aminy indray... tsy nohamarinin'ny fitaovan-tserasera hafa mihitsy anefa io filazan'ny Ben'ny tanàna io. Miezaka ny mandrehatra afo hatrany i Andry saingy ho hita eo ihany ny tohiny. Lazain'ny radio don bosco manko amin'ny fotoana anoratako (12:12) fa mbola nihena (noho ny omaly) ihany ny olona tonga (noho ny faneriterena mahazo ny mpiasa!). Tanjona iray izany ny hanakorontanana hatrany ny toe-draharaha rehefa tsy hosamborina izy. Tsy hijanona amin'io mihitsy izy raha mbola misy mpanaraka etsy amin'ny 13 mey hatrany (ary ataoko fa tsy ho foana velively izany mpanaraka ny TGV izany).
Ny tanjona faharoa, na ny tena kendrena ao anatin'ny fanakorontanana araka izay tratra ny toe-draharaha politika amin'izao fotoana izao dia ny handiso ny fampilaharana an'i Madagasikara ho ao anatin'ny toerana 40 tsara tsidihan'ny mpizaha tany indrindra. Atao izay hialan'ny mpandraharaha vahiny (tsy frantsay?) rehetra eto Madagasikara, ary tsy hidiran'ny mpandraharaha hafa ho eto Madagasikara... mbola lesoka koa etsy andaniny ny angovo hampandehanana izay mety ho fandraharahana hatao eto Madagasikara. Fa ny tena mahamaika indrindra dia ny hanafoanana ny fivoriana faratampony (vovonana) roa izay kasaina hotontosaina eto Madagasikara amin'ity taona ity sy amin'ny taona ho avy. Raha izao kiry izao no jerena dia tsy ny hitantana ny firenena velively no kendreny (diso hevitra ny mpanao politika raha mino an'i Andry amin'izay foto-kevitra tetezamita izay) fa ny hampiatoana ny asa sy ny foto-drafitr'asa mifandraika amin'ny fandraisana ireo vovonana roa ireo, sy izay mety ho fampandrosoana ny firenena rehetra mandritra ny fe-potoana itondran-dRavalomanana. Nisy mpitantana foto-drafitrasa lehibe iray izay nahazo fandrahonana an-telefonina, tamin'ny sabotsy alina, hampiato avy hatrany ny asa ataony fa ny mpitondra tetezamita izao no mitantana ny firenena... Hatramin'izao fotoana izao izany aloha dia mbola tsy tratran'i Andry ny "hanasaziana" an'i Madagasikara tsy handray ireo vovonana (Afrikana sy mpiteny frantsay) roa ireo ka izany no hikirizany hatrany amin'ny diany ankehitriny. Mampanahy ihany anefa ny toe-draharaha fa efa misy mikitikitika mihitsy amin'izao fotoana izao ny hamindrana toerana ny vovonana hiala an'i Madagasikara... fa raha tontosa io famindran-toerana io dia "Nahazo ny fandreseny i Andry Rajoelina". Asa kosa aloha izay hevitrareo fa hevitro manokana io.
fanampiny: Mazava loatra fa tsy maintsy misy ny hevitra hafa mivoaka araka ny toe-draharaha. Efa naheno ity fanapahan-kevitra ny hanalana azy tsy ho Ben'ny tanàna intsony ity i Andry Rajoelina raha efa niresaka izany tamin'ny fitaovan-tseraserany. Eny , azo ekena hitsapana ny halalin'ny rano amin'izay ho fihetsehan'ny mpanohana ny TGV io fanapahan-kevitra noraisina io. Avy eo ho hita indray izay ho fandehan'ny raharaha. Ny manam-bava moa na inona na inona mitranga tsy maintsy mahita holazaina foana hamelezana ny mpitondra. Fa dia hafa tokoa ny nolazain'i Andry nandritra ny kabariny: "Ataovy raha sahy!" hoy ny teniny... mitovitovy amin'ilay fahadisoam-pitenenana nataon'ny filoham-pirenena ihany ka nampihetsika ny hambom-pon'ny TGV tamin'izany fotoana izany. Efa hanangana ny governemantany koa anie ny TGV sy ny tariny ka aleo hosahaniny aloha izany fa tsy mety ny ho sady Ben'ny tanàna no Prezidà e! sady tsy mifanaraka amin'ny lalàna misy rahateo koa izany toe-javatra idiran-dRajoelina izany. Dia tsy maintsy hitabataba ihany koa izy rehefa avy "nitety faritra" fa be tokoa ny olona mpanaraka azy.
Etsy ankilany, mbola namoaka "joker" hafa ihany koa ny TGV ary eto dia heveriko fa misy fifanarahana na tsirin-kevitra avy amin'ny mpialokaloka any Frantsa mihitsy handefasana an'i Rossy hanetsiketsika sy hanentana ny eny amin'ny 13 mey amin'ny Sabotsy 07 febroary 2009 ho avy izao, fotoana hametrahana ny governemanta tetezamita izay hatsangan'i Andry... Efa ela tsy nihira teto an-tanindrazana tokoa ny lehilahy ka tsy maintsy ho maro ny sokajin'olona ho voatarika amin'izany ka hahatsapa indray ny "ambiance" anaty fety fananganana governemanta mirazotra. Antsy roa lela ho an'i Andry sy ny tariny ihany anefa ny fakana an'i Rossy hihira izay. Efa nambarako teto amin'ny bolongana ihany fa efa mpandeha sy mpiverimberina tao amin'ny Radio Viva ihany izany hiran'i Rossy izany... ary hihamivaingana eo anatrehan'ny olona (araka ny eritreritry ny olona) fa tena Ratsiraka sy ny tariny mihitsy no ao ambadik'ilay zalahy ity. Ary ny fikarohana "joker" tahaka izao no mety nahatara lava an-dranamana tao ho ao ka efa dify hatrany ny mitataovovonana vao indro ny lehilahy miditra eny an-kianja. Fitsapana ho an'ny mpanohana an'i Andry mahita tsikelikely izay mipoitra any ambadika any koa ity fotoana ity... ary nolazainy moa fa ho avy miaraka amin'ny fanamiana ihany koa ny miaramila miara-dia aminy. Enga anie ho miaramila am-perinasa no ho tonga eo fa tsy miaramila misotro ronono toy izay tsikaritra tamin'ny 1991 (vao 18 taona ialahy amin'ity taona ity raha teraka tamin'izany taona izany).
Raha izay no tarafina dia samy tsy maika hamita ny raharaha haingana indray ny roa tonta fa samy miandry hoe izay leo voalohany eo fotsiny. Manontany tena ihany aho hoe dia tsy hihetsika mihitsy ve ny mpanohana ny filoham-pirenena amin'izao fotoana izao. Mieritreritra aho fa fotoana ihany koa io amin'ny Sabotsy 7 febroary io hanehoany ny hamaroany sy ny tanjany satria tsy maintsy ho roboka amin'i Rossy ihany ireo mpanohana ny TGV fa tsy hitetateta hanakorontana toy ny tamin'ny alahady 25 janoary 2009 iny. Fotoana mifanindry ihany no tena mety amin'io fotoana io fa tsy hoe alahady indray izay hananan'ny TGV fotoana hanakorontanana ny tanàna sy ny firenena.
Fa mahavariana dia mahavariana ny tenin'i Andry nandritra ny valandresaka nilaza ny masoivoho vahiny rehetra eto Madagasikara :"tsy hivoaboaka intsony fandrao misy loza manjo azy ireo (?)". Loza...
jentilisa 03 febroary 2009
Efa miomana avokoa ny rehetra mandra-pahatongan'ny rahampitso. Samy manana ny fiomanany. Raha nody aho ny zoma alina teo dia maromaro ihany ny toera-mpivarotana somary ngezangeza ao afovoan-tanàna tahaka an'i Behoririka sy Antanimena iny no manao varavarana maro sosona, na ny marina kokoa mamono tanteraka ny varavarany. Ahoana moa izany?
Efa nahita ny hakingan'ny mpitarika ny fandrobana avokoa izay somary naharaka fa toy ny tsinontsinona na dia ireny varavarana vy, na misokatra amin'ny tolana ankavia sy ankavanana izany na ireny vita vahiny akatona avy any ambony hidina mankany ambany ireny. Efa katrokatroka tokoa angaha moa no atao ka tsy miraharaha sao misy mandre. Ankehitriny efa miomana ny tsy hivarotra mandritra ny fotoana maharitra ny ankamaroan'izy ireny mahita ny toe-draharaha eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. "Souder"-na fefy vy mihitsy ireo varavarana ka rehefa milamina mihitsy ny tanàna (oviana moa izany? rehefa mifampihazohazo tsy mifanantona ny roa tonta tokony hamita azy haingana izay mahavita, nefa indrisy fa tsy maintsy hisy aina afoy ve amin'izany?) vao esorina ireny fefy vy ireny.
Etsy ankilan'izany dia maromaro ihany ireo olona lazaina hoe sahirana no mivorivory na mipetrapetraka na matoritory ampitan'ireny toeram-pivarotana mbola tsy vaky tamin'ny herinandro ireny... Manantena an-dry zalahy "mpamoha trano" nefa tsy haka na inona na inona akory fa mandoro izay fivarotana avy norobain'ireo madinika ireo fotsiny avy eo, ireny no toa andrasany toy ny Mesia... indrisy... tena potika tanteraka ny toe-tsain'ny maro amin'izy ireny. Tena tafiditra lalina tamin'ny maro amin'izy ireo, araka ny tombana nataoko, ny zo hangalatra sy hamaky trano fivarotana satria noana sy ratsy na tsy misy trano ipetrahana. Ohatra iray ny tabataba miaraka amin'ny teny ratsy sy ompa tsy tafala anaty resaka, teo akaikin'ny toeram-piasako nataona lehilahy iray nanao hoe: "Ordinateur" ve no nangalarina dia tadiavin-dry zalahy hogadraina? Nefa "ordinateur" tsy misy dikany iny! Ankona avokoa ireo hafa niady hevitra taminy... matetika moa ny avo vava sy mampiseho hatezerana hatrany no manana ny rariny rehefa amin'ny fotoana tahaka ireny.
Noho ny fandranitana sy ny fandragitana iainana isan'andro avy amin'ny fampielezam-peo ve fa efa mora taitran'ny vava tsy ambina ny olona amin'izao fotoana izao. Tany amin'ny fiara fitarerana iray (119 mazda hiala an'i 67ha) dia nisy lehilahy iray nipetraka eo amin'ny seza azo atsangana manakaiky ny varavarambe fandalovan'ny olona hipetraka any aoriana satria toerana akaiky hoe no itodiany (Andavamamba). Misy ary olona iray te-hitsofoka any aoriana any, niteny azy ilay mpampandroso hoe mba mitsangàna aza fady ramose hidiran'ny olona raha tsy hifindra any aoriana ianao... fa tsy nety ny anao lahy sady tsy namaly akory izy. Namerina niteny ilay mpampandroso olona fa novaliany boraingona amin'izay maninona raha eo aloha eo amin'ny seza volamena... nefa ny seza any aoriana amin'io mbola malalaka be. Mba tsy mety kosa izany, hoy ilay mpampandroso; tonga dia avo vava sy nanompaompa amin'izay ranamana nitsangana niala ny fiara ary nahateny hoe "dorako eo io fiara io!". Taitra ny saofera teo akaiky teo ka nanao hoe: "avereno hoe ny vavanao?", naveriny mafimafy kokoa hoe "dorako eo io fiara io!". Tsitapitapitr'izay fa feno olona nanodidina an-dranamana (tsy maintsy hoe ny mpanera no maro amin'ireo) ka niteny ny iray nanao hoe: "Ingahy izany no atao sorona!" Nahita ny zaa-niseho ranamana fa nitsorika nitsoaka tany anaty olona haingana...
Mahavariana ihany koa tamin'ny zoma ilay nodiako efa notantaraiko tery ambony iny ohatra fa lasa misy manao azy ho matanjaka izany ny sasany. Nitondra elo moa izaho nody tamin'io fotoana io satria fahavaratra rahateo ny andro. Indreo misy tokony ho enin-dahy eo ho eo manery ny lalana (elakela-trano) mitabataba toy ny azy ireo irery ny lalana amin'io fotoana io. Bokobokony mihitsy ny roa amin'izy ireo. Hifanena amin-dry zalahy aho amin'io ary sendra nentiko toy ny filanjana basy an-tsoroka iny indrindra ny elobeko. Somary maizina ihany moa ny andro fa hita ho tsy handefitra hanome lalana ry zalahy fa toa manery ny mifanena aminy hitampify manara-drindrina. Tsy nampidiriko tao an-tsaiko mihitsy ny hoe "mpanendaka" ry zalahy ireto fa sady tsy nihemotra aho no tsy nanao amboletra nefa nisisika teo afovoan-dry zalahy rehefa nifandona tamin-dry zalahy bokony roa teo aloha... tena hitako nisy niherika mihitsy ry zalahy nanaraka avy eo no tsy nahateny afa-tsy hoe "Oay le...!" Ny ahy ny lalako no notohizako sady tsy niherika akory aho, efa mpody alina rahateo aho. Indraindray ilaina ihany ilay fahasahiana kely fa mety ho azavatra hafa kokoa no nahazo raha nihemotra teo, ka heveriny fa "voatsindry" ianao.
Resaka fahasahiana ihany, hitako tena sahy mihitsy ry zalahy "kômandô" nandroaka ny "sono" sy ny seza sasantsasany teny amin'ny 13 mey tamin'ny Asabotsy teo iny. Tsipalotro tamin'ny fahitalavitra mihitsy ny fitsoahan'ny olona efa tonga teo rehefa tonga ry zalahy ka anisany ny "securité civile" maro efa teny an-toerana. Tena tratran'ny tampoka tokoa angaha ny olona fa noporofoin'ny Commando tamin'io fotoana io fa azony noravana tanteraka ny fivoriana teny raha tiany izany. Manao ramatahora fotsiny ireny, hoy ny mpanao gazety nanentana sy avo vava, satria "tsy hitifitra mihitsy" (hay fantany izany?) ka toy ny mandrisika ny olona hivory aza 'tena marina tokoa aloah izay fomba fihevitra izay eo amin'ny Malagasy olon'ny fo). Hitako tena "malemy" kosa ireo tena avy amin'ny "Emmo nat" ka nanaiky hiverin-dalana noho ny rodorodon-dry zalahy "mbola vitsy" tamin'ny nahatongavany tokony ho tamin'ny folo ora teo ho eo.
Fahadisoana lehibe kosa araka ny fijeriko manokana ny antso nataon'ny minisitry ny fampianarana milaza fa mianatra avokoa ny mpianatra amin'ny sekolim-panjakana rahampitso alatsinainy, afa-tsy hoe efa misy miaramila mahambina azy tsara angaha, nefa mbola tsy hitombina mihitsy ny sain'ny mpianatra sy ny mpampianatra raha tamy manatona azy amin'ny kiririoka ny "mpandrava". Mety ihany koa ho teti-panorona hamiliana ny mety ho "fanafihana" ny minisitera rahampitso... nefa hay moa mbola tsy tafatsangana ny minisitera tetezamita fa mety mbola ny hanonona izany no hataony rahampitso fa andro manaraka ny "fanafihana". Efa nanome baiko moa ny "mpitondra tetezamita" fa mikatona avokoa ny minisitera rehetra rahampitso alatsinainy, ka omeny taratasy na didy fampisamborana izay mpiasa mbola mitonatonana any amin'ny minisitera any (aza mikaroka fa tsy ho hitanao ao amin'ny kabarin'i Andry Rajoelina napetrak'i Jeannot Ramambazafy ao amin'i Iarivo-town izany fa henonay tsara kosa). Tena nanaitra ahy mihitsy io teny io satria ny tao an-tsaiko voalohany dia hoe: "mampigadra hay ny miasa ry zalahy!"... angamba teny nibolisatra iny ka izay no tsy nampidiran'ny mpanao gazety azy.
Mandeha antsisitsisiny eny ihany moa ny resaka izay mety ho fanaovana ramatahora hatrany. Any Toamasina, dia notetezin'ny miaramila avokoa ny trano hazo manodidina ny seranan-tsambo nanoroany hevitra ireo olona ireo hitady fialofana hafa satria tsy haharo amin'ny bala mihitsy ny rindrina hazo, trano manana rindrina vato na beton izany no hisitrihana. Malazalaza manko fa mety hisy ny fanafihana ny seranana rahampitso ka efa nahazo baiko ny mpitandro ny filaminana rehetra fa tsy misy sangy intsony ity, tsy maintsy arovana amin'ny fomba rehetra ny seranana na iza ho avy eo na iza.
Farany nefa dia ao anaty lohateny mazava tsara, nisy fotoam-bavaka ho an'ny firenena notontosain'ny FFKM tao amin'ny FJKM Isotry Fitiavana androany alahady 1 febroary 2009 nanomboka tamin'ny 3 ora tolakandro. Feno tokoa ny Fiangonana saingy voamarika mazava tsara ny tsy fisian'ny mpitondra fivavahana katolika tery amin'ny polipitra. Marina fa nanokana Eveka tany Toamasina ny Katolika androany nefa mahasanganehana ihany ny tsy nahitana na dia iray aza avy amin'ny katolika amin'ny raharaha toy itony. Manomboka miala amin'ny fampiraisan'ny FFKM ve ny EKAR izay andry iray lehibe tokoa amin'ity fiombonana ity? Mbola azo lazaina hoe FFKM ve ny FFKM raha tsy eo intsony ny EKAR... Naninona raha natao fotsiny hoe FFPM raha tsy teo ny Katolika? sa lasa voailika ho azy ve ny Anglikana? Raha mitohy izao fahabangan'ny EKAR izao ao amin'ny FFKM dia tsy ho ela intsony ny hitovian'endriky ny FFKM amin'ny COE manerantany (Fiombonam-ben'ny fiangonana rehetra manerantany ankoatra ny ECAR sy ny Orthodox sasantsasany raha tsy diso aho... ka mandrafitra ny atao hoe protestanta amin'ny ankapobeny izay misy ny Pentekotista sy ny Adantista ihany koa). Saiky nanatrika io fotoana io moa ny ankamaroan'ny mpitondra ara-dalàna amin'izao fotoana izao fa tsy hita na tsy nasehon'ny manao gazety nojerena kosa ny avy amin'ny "tetezamita"... na izaho mihitsy no tsy mahalala an-dry zalahy.
jentilisa, 01 febroary 2009