Ambohitsorohitra 07 febroary 2009: Fizotry ny tantara

2009-02-08 @ 00:09 in Politika

Tonga tamin'ny tanjona iray notratrariny i Andry Rajoelina sy ny ekipany androany 07 febroary 2009. Tanjona izay tsy nahomby tamin'ny fanafihana ny TVM sy ny RNM ary ny MBS mbamin'ireo Magro sy toeram-pivarotana maro manerana an'i Madagasikara tamin'ny 26 janoary 2009. Na dia potika daholo aza ireo fitaovana sy fananana rehetra ireo dia vitsy tsy araka ny nantenain-dry zareo ny maty, olona maty noho ny fandrobana toeram-pivarotana nodorana sy fifanosihosen'ny samy mpandroba indray ary no betsaka, hany ka ilay iray voalaza fa tsy ampy taona nanafika ny foiben'ny MBS teny Anosipatrana iny ihany no natsangana ho maritioran'ny 13 mey.

Fa inona avy aloha ny toe-javatra nitranga hita tamin'ity herinandro ity nahatongavana tamin'izao dingana izao? Tamin'ny heriny, raha "nandray ny fahefana" i Andry Rajoelina dia nibaiko ny mpiasam-panjakana rehetra tsy hiasa fa akatona avokoa ny minisitera mandra-panangana ny governemanta tetezamita ary nisy aza ny fandrahonana ny mpiasan'ny minisitera fa omena ny didy fampisamborana izay mpiasam-panjakana mbola miditra any amin'ny toeram-piasany. Tetsy ankilan'izany kosa niantso ny mpiasa hiasa sy ny mpianatra hianatra ny avy amin'ny fitondram-panjakana ara-dalàna, ny Emmo Nat rahateo efa nanome toky fa hiantoka ny fiarovana azy ireo amin'izay. Izaho izay nanoratra aza dia gaga ny amin'izay hianaran'ny mpianatra sahady, kanjo nizotra am-pilaminana avokoa ny rehetra. Nandamoka i Andry sy ny tariny teto satria niasa sy nianatra avokoa ny rehetra... ny tena fitokonana anefa dia izay mahakatso ny fampandehanana ny raharaham-panjakana rehetra mihitsy. Eo amin'ny lafiny ilany, tsy voatery ho mpiasam-panjakana ihany ny olona hitokona fa ireo mpiasan'ny tsy miankina sy very asa ihany koa.

Nihavitsy ary ny olona tonga teo amin'ny kianjan'ny 13 mey ny andro talata 03 febroary 20009, nampanantena fety ho an'ny rehetra indray i Andry Rajoelina ka navoaka ny anarana artista hoe "Rossy", izay tsy tody teto an-tanindrazana mihitsy tamin'ity herinandro ity. Nanasa ny mpanaraka azy izy mba hitondra ny fianakaviana rehetra amin'io andron'ny Asabotsy io na ny ankizy na ny efa antitra samy tafiditra amin'izany antso izany avokoa,fa eo koa no haseho ny miaramila manamboninahitra manaraka azy sy hananganana ny governemanta. Nilaza ny Ben'ny tanàna fa hatsahatra kely ny fihaonana etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey fa hitety faritany kosa ny tenany ka any Antsiranana ho hanombohany izany fitetezam-paritany izany. Teo no tsapa fa mihareraka ve ny olona sa tsy hahita "evenement" loatra ka aleo hiandry faran'ny herinandro indray? Mba hita ihany manko fa betsabetsaka ihany ny olona tonga manatrika rehefa Asabotsy ny andro. Andaniny ihany koa anefa dia mety noho ny fitadiavam-bola eo amin'ny olona ihany koa no mahatonga izany fihenan'ny mpitolona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey izany.

Hitan'ny eo amin'ny fitondrana ny fihenan'ny olona teny an-kianja koa dia nametraka teti-panorona izy hahitany tsara ny isan'ireo mpanaraka ilay mpitolona. Nanendry ny delegasiona hisoloana ny mpitantana rehetra eto Antananarivo Ambonivohitra ny tao amin'ny minisiteran'ny atitany (fa tsy ny Ben'ny tanàna ihany); ary dia nankeo amin'ny birao fiasan'ny Ben'ny tanàna etsy amin'ny kianjan'i Mahamasina mihitsy moa ry zareo ho amin'izany fametrahana delegasiona manokana tantanan'olona telo izany. Akory ny hafalian'ny TGV nandre ity fanendrena avy amin'ny fitondrana ity. Toa toe-javatra ahazoany hery indray manko no hitany ka naato indray ny fikasana ho any Antsiranana fa hanendry ny PDSny ihany koa izy. Niantso ny mpanohana azy ho eny Mahamasina sy Tsimbazaza ny lehilahy hanao "sit-in" eny sy hametraka an-dRatoa Ratsivalaka Michelle ho Présidente délégation spéciale ny andron'ny Alarobia 04 febroary 2009. Nampitandreman'ny Ben'ny tanàna avokoa ny vahiny rehetra monina eto Antananarivo tsy hivoaboaka ny trano ity andron'ny alarobia ity fandrao misy loza mahazo azy ireo tampoka. Efa nampanantena sahady ihany koa ny lehilahy ho an'izay te-hahita fampihesoan-kery (izany hoe herisetra ve no tiany lazaina?) fa amin'ny Asabotsy ny endriny. Nakatona avokoa ny boriborintany (enina) teto Antananarivo Renivohitra. Nisokatra avokoa indray ny biraom-pokontany rehetra satria ny Prefecture no nanendry ny sefom-pokontany sy ny mpitahiry vola tamin'ny toerany.

Nandritra ny kabary nataon'ny mpitarika ny TGV teo anoloan'ny kianjan'i Mahamasina no nidradradradrana fa misy zatovolahy nokaramaina hamotika ny tolona sy handraa tsena izao, nanonona anaran'olona mihitsy moa ry zareo nandritra io fotoana io ka ireo Lehiben'ny tsena rehetra teo aloha no voatondro ho hitady mpikarama an'ady ary dia voatonona anarana ihany koa i Jacquot ao amin'ny tarika Green. Raikitra ny tsaho fa misy mandroba ny any amin'ny birao any Tsimbazaza (tany Mahamasina daholo ihany manko ny mpanaraka azy mba ho betsabetsaka kokoa ny olona hita hanaraka azy) dia lasa ny matanjaka rehetra nidodododo nananika an'Ankadilalana. Miambina soa aman-tsara ny biraon'ny Kaominina anefa ny mpitandro ny filaminana. Tsy nanaiky ireo olona ireo raha tsy nisy solontena hitsidika ny isam-birao mihitsy hanamarina fa tsy nisy niditra an-keriny ny toerana. Teo dia fantatra fa tsaho ihany kay ny resaka heno tany Mahamasina. Nidina namonjy an'i Mahamasina daholo indray ny matanjaka rehetra. Tafapetraka teo imason'ny mpanara-dia azy ary ny PDS notendren'i Andry Rajoelina, ary teo imason'ny haino aman-jery maro dia ity Ramatoa ity no tena PDS, nitongilana ve ny mpanao gazety? Ny tsikaritra tamin'ny fitsapana hevitra tamin'ny aterineto anefa dia 60% mahery no mihevitra kokoa ny Delegasiona (tsy misy hoe Prezidà izy io) notendren'ny minisiteran'ny atitany ho ara-dalàna.

Noho ny hery azon'i Andry teo anatrehan'ny mpanaraka azy angaha dia nampirisika ny rehetra indray izy ny ampitso alakamisy 5 febroary 2009 hametraka ny sefom-pokontany rehetra manerana an'Antananarivo. Hevitra efa voahevitra tsara ve hoe hizarazara avokoa indray ny herin'ny mpanara-dia azy amin'izany fotoana izany fa dia voatery nanaraka izany baiko izany tsy fidiny indray Ramatoa Ratsivalaka Michelle. Naka feo sy sary tamin'ireny biraom-pokontany ireny ary ny mpanao gazety ka nambaran'izay nahasahy namaly fa ho eo amin'ny birao izy ireo ka tsy hiala amin'ny toerany raha tsy misy taratasy avy amin'ny préfecture izay nametraka azy ireo. Tonga tokoa ny andron'ny Alakamisy, tsy sefom-pokontany indray no hapetraka fa ny mpitahiry vola (resaka vola indray ve no mahamaika?) fa ny lehiben'ny fokontany kosa dia hofidian'ny fokonolona, ka apetraka any amin'ny boriborintany ny filatsahan-kofidiana ary izay tena tia tanindrazana (hevitra ambadiky ny hoe TGV) ihany no tokony hirotsaka. Diso paika ny TGV saiky hanomboka ny raharaha teny amin'ny cité Ampefiloha, efa nanana fokonolona niaraka nijoro hiaro ny fananany. Niaro ny biraom-pokontany izy ireo ka nanambara mazava fa ny ara-dalàna ihany no ankatoavin'izy ireo. Saiky toy izany hatrany no nahazo azy ireo na dia niova fokontany aza ry zareo. Nihena indray ny herin'ny TGV teo.

Nandritra izany fotoana izany, nanendry ny komandy voalohan'ny zandarimaria eto amin'ny faritra Analamanga ny filankevitry ny Minisitra ka ny komandy tany Toamasina izay nalazalaza ny zavatra nataony nahasahy nisambotra mpanao fihetsiketsehana andaniny sy ny mpandroba andaniny nandritra ny fotoana nampamaivay ny toe-draharaha tany no notendreny ho aty. Araka ny tatitra manko dia saiky tsy vakin'ny mpandroba mihitsy tany Toamasina ny Magro noho ny fiarovana mafy nataon'ny mpitandro ny filaminana tany. Ny nahavaky ny tranombarotry ny filoha dia noho ny fifindran'ireto mpiambina ireto hiaro ny fananan'olo-tsotra tany Ambolomadinika izay notadiavin'ny mpandroba hobakoavana. Naleon'ny mpitandro ny filaminana manko niaro ny fananan'ny sarambambem-bahoaka. Noho izay safidin'ny miamila izay no nahavaky ny magro iray tany Toamasina. Teo ihany koa ny fisamborana an-kafetsena ireo nihaika ny olona hilahatra an-dalambe. Manaraka izany, mpiara-miasa akaiky ny mpitarika ny Emmo nat ihany koa ity notendrena ho komandy voalohan'ny zandarimariam-pirenena ity.

Manaraka izany ihany koa dia nantsoina hanao iraka manokana (hiambina ny lapan'Ambohitsorohitra raha ny fijeriko azy) aty Antananarivo ihany koa ny 2°RFI (Régiment de forces d'intervention) avy any Antsiranana sady efa maro rahateo ny nahare ity vaovao ity. Ireo tranga roa ireo dia efa ahatarafana mazava fa hisy zavatra hitranga mihitsy mandritra ny andron'ny Asabotsy 07 febroary 2009. Tsy mahagaga raha maro indray ny mpivarotra anaty trano no nitaona ny entany mankamin'ny toerana azo antoka kokoa nandritra ny tontolo andron'ny Zoma. Efa nanahinahy ihany koa aho fa hisy zava-dehibe hitranga indray ao anatin'ny 48 ora raha be indrindra ka tsy hitonantonana haka sary eny amin'ny kianjan'ny 13 mey mihitsy aho indrindra moa izany hiakatra an'Ambohitsorohitra izany. Nisinisy ihany ireo nanontany ahy raha ho eny amin'ny 13 mey aho na tsia fa tsotra ny navaliko azy ireo: Tsy hanao ny sorona ny tenako eny mihitsy aho! Efa miharihary sahady amin'ny ataon'ny andaniny sy ny ankilany fa hisy fifanandrinana eo.

Naka ny toerana mpanao tetikady miaramila aho ny zoma hariva, ka hitako mazava tsara fa tsy misy na inona na inona azo atao mandritra ny kabary sy ny fanononana ny mpikambana ao amin'ny Governemanta tetezamita efa nampanantenaina ny olona fa ny ora manaraka izany kosa ny fotoana mety indrindra hanatanterahana ny "iraka". Tonga ny Asabotsy fa nampitonantonana tany Ambohitsorohitra mihitsy ireo olona mpanaraka azy. Tranga roa no tsy maintsy hitranga nanomboka ny tolakandro ka efa tafakatra teny Antaninarenina amin'izay ireo olona (miala tsiny mivantambantana miteny hoe ny avy any ambany tanàna no tena maro an'isa tamin'ny fitarihana sy fialohavana teny ampilaharana tonga teny Antaninarenina): Na mitifitra ny mpitandro ny filaminana na may Ambohitsorohitra, ireo ihany, tsy misy hafa. Raha nanaiky ny hidiran'ny vahoaka ny lapan'Ambohitsorohitra ny miaramila tao anatiny dia mivandravandra fa tsy mifehy ny tafika intsony ny filoha Ravalomanana ka tsara ho azy ny miala ny toerany avy hatrany. Ny olona koa etsy andaniny efa mihorakoraka ny "ela loatra" ary tsy maintsy handroso ("jusqu'à la mort" hoy ny tarigetran'ny mpanohana ny TGV izay). Ny zavatra nahavariana dia tsy niakatra nankeny Antaninarenina mihitsy i Andry fa ny lalana mody ny azy no nasiany olona, noho izany dia ny Jly Dolin Rasolosoa no tena nandrindra ny fihetsiketsehana rehetra sy ny fifampiresahana tamin'ny mpitandro ny filaminana. Ny "Praiminisitra" vao notendrena Monja Roindefo Zafitsimivalo kosa moa dia karazana kofehy manara-panjaitra ihany.

Fa tahatahaka ny ahoana tokoa moa no nitranga teny raha ny vaovao an-tsary narahina no itarafana azy? Nifampidinika, araka ny efa nosoratako, ny Jly Dolin sy ny kolonely iray avy eo amin'ny zandarimaria, samy manana ny mpanotrona azy ny roa tonta ary eo anatrehan'ny mpanao gazety sy ny mpaka sary rahateo moa izy ireo no miresaka (toa amin'ny teny frantsay ny ankamaroan'ny resaka e?). Nitady ny hitafa amin'ny lehiben'ny mpiambina ny lapa ny Jly ka nomarihin'ny Kolonely nitafa taminy fa tsy azony atao ny mitondra ny vahoaka hiditra amin'izany lapa izany. Solontena ary no nentina hiresahana amin'ny mpiambina ny lapa ka parlemantera ny maro amin'izy ireo. Nandritra izany fotoana izany dia efa nofeperana ny mpaka sary sy ny mpanao gazety fa any amin'ny lafiny misy ny Hotel Colbert no tokony hisy azy ireo fa tafiditra anaty faritra mampidi-doza ry zareo. Nilaza tamin'ny mpanao gazety ny Jly Dolin fa tsy azon-dry zareo ihoarana ihany koa ny ruban mena sy fotsy naravaka teo afovoan'ny arabe manatrika ny lapa io raha tsy te-hidiran-doza. Ny mpanao gazety ihany no nandre izany teny izany fa tsy ny vahoaka feno horakoraka ery amin'ny zaridainan'Antaninarenina.

Nifampiresaka tamin'ny solontenan'ny mpiambina (izay Malagasy fa tsy ny anganon'ny mpikarama an'ady araka ny tsaho ofisialy dradradradraina isan'andro tsy akory) ireo parlemantera sy ny Jly Dolin... tsy nisy fantatra moa izay resaka tao satria tsy nahazo nanatrika teny ny mpanao gazety rehetra. Mazava fa nandamoka ny resaka, niverina ny solontena ka raha nanontany ny mpanao gazety hoe nanao ahoana dia novalian'ny Jly Dolin ny hihemorana fa hitifitra hoe ry zareo. Nandritra izany fotoana izany anefa dia efa nandroso tsy azo nofefena intsony ny matanjaka rehetra tao amin'ny fitolomana. Vaky ny sakana nataon'ny mpitandro ny filaminana teo anoloan'ny Shoprite teo aloha sy ny ONE (araka izay efa nosoratan'i Avylavitra). Samy nihazakazaka toy ny tafara-dalana ny zandarimaria sy ny matanjaka saingy ny lalana no samihafa. Ny zandarimaria dia samy namonjy ny ankavanana ho toy ny hankany amin'ny banky foiben'i Madagasikara iny, fa ny matanjaka kosa nihazakazaka (averiko indray ny soratra hoe mihazakazaka) hanitsy indrindra ny lapa. Vao nandingana ilay ruban fotsy sy mena nolazain'ny Jly Dolin tsy azo ihoarana iny indrindra ny lohalaharana tamin'ireo matanjaka hanitsy ho eny an-dapa dia velona ny tifitra variraraka voalohany. Niverina nanavotr'aina avokoa ny rehetra, ireo tsy tafaverina kosa dia tsy maintsy nitsirara sy nanao diam-boay (marche crocodile) raha tsy te-ho faty.

Ny nahavariana, teny Soarano indrindra aho no nandre ny tifitra voalohany, fa nikoropaka avokoa na dia ny olona tany aza. Samy nandositra avokoa na ny mandeha an-tongotra na ny mpitondra fiarakodia ka nisy ny tsy nahatandri-tena intsony ka nodonin'ny fiara izay nanavotr'aina ihany koa. Mafy dia mafy ny nahazo ilay ramatoa voadona... Tsitapitapitr'izay fa nikatona avokoa ny toeram-pivarotana rehetra. Maro tamin'ny mpivarotra amoron-dalana no nanangona ny entany. Tsy niala tamin'ny toerany kosa anefa ny atsasaky ny mpivarotra teny Isotry (tsena ny andro Asabotsy) izay mihevitra fa tsy hanenjika olona hatreny kosa ny mpitandro ny filaminana. Nahare poa-basy koa ny teny Besarety, nahavariana ihany io raha ny halavitry ny toerana no heverina, hay saiky hisy hamaky avy hatrany indray ny shoprite teo Ambodivona izay tsy vaky nandritra ny andron'ny talata 27 janoary 2009. Maro ny toerana toy izany no saiky hanararaotan'ny mpandroba fa saiky voafehy daholo izy ireny tamin'ny ankapobeny. Asa, inona ihany koa angaha no mbola azo tantaraina fa dia miara-ory amin'ireo izay mana-manjò ny tena, na dia eo aza ny hevitra mety tsy itovizana.

Ny tsikaritra aloha dia tena nisara-kevitra ny maro teto Antananarivo tamin'ity toe-draharaha ity. Nitantara mivantana avokoa manko ny ankamaroan'ny fampielezam-peo tamin'ity vanim-potoana "lehibe" ity... ka maro tamin'ireo tsy mankasitraka ny tolona no efa mitaintaina nahatonona mihitsy hoe "tifiro! tifiro amin'izay!" ary mba nahatonona koa izy ireo hoe "ela loatra koa izy izany!". Malahelo aho milaza aminareo fa maro tamin'ireo izay tsy niomana ho eny, no nahasahy nilaza mihitsy hoe "nahazo izay notadiaviny izy izany!" ka toa tsy antra fo tamin'izay niharam-pahavoazana mihitsy aza. Ny mpankasitraka ny tolona sy izay nankeny Ambohitsorohitra kosa (ny teny Isotry no tena nohenoiko) dia mamerimberina hatrany fa "ny mpikarama an'ady" (ilay laingalainga nafafy hatry ny ela) no nitifitra fa tsy nisy Malagasy nitifitra izany. Maro tamin'izy ireo no nanozona ny filoha Ravalomanana sy nilaza azy ho mpamono olona. Inona koa? ny filoha Ravalomanana sy ny Praiminisitra no naneho voalohany ny fiaraha-miory sahady... fa i Andry Rajoelina kosa tamin'ny 18:30 vao nanao izany sady "nitomany" nanameloka an-dRavalomanana ho tompon'andraikitra amin'izao vono-olona izao.

Marihiko fa anisan'ireo nitonantonana tany Iavoloha aho tamin'ny 10 aogositra 1991 ka efa nahatsinjotsinjo ihany fa hisy ra mandriaka any saingy nihevitra ny tena fa famadihana ny tolona ny tsy nandehanana tany, na dia fantatra izao aza ny zavatra niandry. Efa natao ihany ny hafetsena tsy handehanana any aloha any amin'ny filaharana ka mbola teny Andoharanofotsy izahay no nandatsaka ny "mananasiny" ny miaramila tao amin'ny angidim-by. Taty aoriana aho no nahatsapa fa nataon'ny mpanao politika tohatra fiakarana fotsiny izahay tamin'iny fotoana iny. Saingy izao, niaraka tamin'ny mpitolona hatrany ireo mpanao politika nitolona tamin'izany fotoana izany fa tsy nitsoa-pahana tahaka an'i Andry Rajoelina izay "nitso-drano" ny vahoaka fotsiny. Dia niseho androany tokoa ny fampisehoan-kery, araka ny efa nampanantenain'i Andry Rajoelina.



Jentilisa 8 febroary 2009 amin'ny 02:07 maraina

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Febroary 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox