Tranga niainana tao anatin'ny andro vitsivitsy

2009-02-18 @ 22:18 in Politika

Filazana voalohany, ity bolongana ity dia tena mitongilana tokoa sady efa fantatrao ihany ny firehany koa mba tsy hankarary ny fonao izay tsy mitovy firehan-kevitra aminy dia tsaratsara kokoa tsy mamaky izay voasoratra ato ho fitaizana ny fonao tsy harary. Fantatro ny zavatra niainako manokana ka mahatonga ahy tsy hipetrapetra-potsiny, raha nitady ny hanginako ireo nigafigafy niantsoantso finday tsy miteny amin'ny alina dia diso hevitra izy ireo; soa ihany aloha fa efa nitsahatra izany amin'izao fotoana izao.

Filazana faharoa: Raha miteny pro-TGV sy pro-TIM aho eto dia tsy mampiditra ny mpitarika ao amin'ireo vondrona roa ireo fa milaza kosa ny ataon'ny sasany amin'ny mpanohana ny andaniny sy ny ankilany sy izay mety ho toe-tsaina tsirairay avy ao anatiny ao. NOho izany azo lazaina ho diso ny fieritreretana fa baiko avy amin'ny mpitarikany tsirairay avy ny mety ho hadalana ataon'ny avy amin'ny andaniny sy ny ankilany amin'ireo mafana fo.

Ary fahatelo: na dia misimisy ihany aza ny sary dia tsy afa-manome fahafaham-po anareo aho satria mihamaisatra noho ny fitomboan'ny olona eto Madagasikara mijery aterineto angamba ny serasera ka mandany vola sy fotoana tokoa ny mametraka azy, indrindra fa bebe ihany ny adidy atrehina. Manaraka izany dia mahafinaritra tokoa ny fitantaran'i Avylavitra ny toe-javatra mety mahaliana antsika ka jereo etsy amin'ny rohy etsy anila ny hoe "Gazety Avy Lavitra", tsoriko fa mendri-piderana tokoa ny fitantarany indrindra fa ilay tamin'ny alatsinainy 16 febroary 2009 iny.


Asabotsy 14 febroary 2009

Hanomboka kely ny tamin'ny asabotsy ary aho, Asabotsy samy namory olona ny roa tonta. Tsy teny amin'ny kianjan'ny 13 mey aho ny maraina ary tsy nieritreritra ny ho eny velively. Efa fantatrareo ho'aho ny fironan-kevitro! Tsia... na dia niomana ny handeha maraina aza aho hijery ny manodidina rehetra sy hanatrarana ireo mpizara vola efa malaza tao ho ao dia kamo ihany hiala ny trano fa dia niandry ny sakafo atoandro ho vita mihitsy. Lany ny hanina vao iny namonjy fiara fitaterana! Nandray ny fiara 119 (e! ela indray aho tsy nandeha 119 ry ireto a!)... Tonga teo Mahamasina fa tsy niala, iza koa no hiala eo? Nojerena ny manodidina (ny manoloana ny kianjaben'ny Mahamasina no marina kokoa) fa tsy nisy fiara mitandahatra loatra. Gaga ihany aho, ndry! matahotra ny ho voaroba fiara ve sa vitsy olona ao amin'ny kianja ao? Tany Ambohijatovo aho vao niala. Ny sofina amin'io misy fihainoana radio avy amin'ny finday Nokia kely mba ela niainana taty amiko taty... Mihaino VIVA.

Niakatra ho any Andohalo ka nananika an'Ambatovinaky, Tonga teo amin'ilay toerana fijerena baolina an'i Mahamasina fahakely. Efa andro mitataovovonana fa tsy nahafapo ahy ny hamaroan'ny olona nanatrika tao Mahamasina. Maro ihany fa tsy araka izay noeritreretiko. Toa tsy niova noho ny fitarafana azy tamin'ny alarobia izay nirotsaka orana aza. Dia lasa indray niakatra ho eny amin'ny lalan'andohalo manakaiky ny tranon'ny fanjakana nalaza taloha ho fitoeran'ny filohan'ny Antenimiera saingy tsy fantatro izy io na mbola izany izy io amin'izao fotoana na iza indray no monina ao. Tena tsy betsaka noho ny taloha raha ny hamaroan'ny olona e! angamba betsaka ny nieritreritra ny tsy handeha tamin'ny mpanohana azy, na ny mpanohana azy mihitsy no efa nihena. Mitaratra ny manodidina an'i Mahamasina aho fa tena tsy betsaka olona mivezivezy mihitsy manodidina e! Fa ny nahavariana ahy dia ity... Misimisy ihany ireo olona mijery hatrety an-tanàna ambony ety ary fantatra fa eny mihitsy no tiany andehanana. Hevitra ny ahy hoe tsy te-hiditra savorovoro anaty kianja ry zareo fandrao misy ny fifanafihana izay tena nahiana mihitsy tamin'io fotoana io.

Dia lasa aho aloha avy teo naka sary ny kianjan'Andohalo, sambany aho manko vao tafakatra teny hatramin'izay nahavitan'ny kianja nanaovana fanavaozana azy izay. Nijery izao malaza ho mariky ny "666" manodidina ny tsangambato izao: Hitako tokoa ireo tsanganam-by enina manoloana ny tsangambato nanambarana ny Repoblika Malagasy, dia hitako tsara koa ireo seza enina amin'ny ankavia sy ankavanan'ny tsangambato. Dia ireo enina intelo miverina voalaza ireo no nanome ilay isa 666 araka ny fomba fijery azy. Nampitahaiko tamin'ny sarin'ny kianjan'Andohalo teo aloha amin'izay dia hitako fa tokony ho tsy niova ny rafitry ny seza teo ankavia sy ankavanan'ny tsangambato fa naverina tamin'ny toetrany teo aloha fotsiny ny seza izay niendaka tamin'ireo sezavato ireo amin'ny lafiny mifanatrika amin'ny Lisean'Andohalo. Tsy mitombina amiko noho izany ny fanaratsiana sy ny filazana ilay "666", nefa samy manana ny fijeriny moa ny tsirairay. Nahavariana ihany manko ny nanaovana ny tsangamby manoloana ny tsangambato ho 6, nefa ny faritany 6 efa tsy tokony ho rafitra mihatra amin'izao fotoana izao intsony... nefa asa moa raha izay no takian'ny fanandroana... nefa dia ho tonga hatrany ve? Ireo tsangamby ireo ihany manko no tena ao napetraka tamin'ny fitantanan'i Andry Rajoelina an'Antananarivo.

Lafiny iray ihany koa, tsy tokony hitombina mihitsy raha araka ny fomban'ny fanatsarana endrika ny toerana ny nametrahana ny seza ho enina amin'ny ankavanana sy enina amin'ny ankavia, tokony ho dimy ihany ireo seza ireo fa ny iray (amin'ny ankavanana sy ny ankavia) dia tena isan-tseza mihoatra mihitsy ary tsy tokony ho amin'ny toerany velively. Tena hafahafa mihitsy ny fipetrany ka nahasarika ny saina sy mahatonga ny sasany ho velon'eritreritra hieritreritra fanandroana, sady fanampin'izany tsy noesorin'ny mpitantana ireo isan-tseza mihoatra ireo fa navelany na nohavaoziny soa aman-tsara.

Na dia azo lazaina ho tsara ihany aza anefa ny toerana amin'ny ankapobeny dia hitako ihany, fa na tsy mbola voafehy na natao kitoatoa ny rarivato tao amin'ity kianja ity satria maro sahady ny mitady hiandeka nefa ny nosoloina teo tena "beton" be mihitsy. Heveriko ho fahadisoana (ankoatra ilay tafo labasy izay fahadisoan-kevitra tanteraka ka nampianjera ny tafon'ny sehatra saiky natao ho an'ny mpihira gasy efa nolazaiko taloha ihany) ihany koa ny tsy fakana hevitra araka ny tokony ho izy tsara ny mpahay tantara. Raha mahatadidy isika dia nisy somary dongona avoavo izay teo amin'io kianjan'Andohalo io. Araka ny fiheverako azy matoa io tsy noesorina dia noho ny fiheverana fa teo no nipetrahan'ny tranoheva kely fikabarian'ny mpanjaka tamin'ny androny. Notrongisin'ny mpitantana tanteraka iny dongona iny ka rehefa nojereko tsara izay tokony ho toerany amin'izao fotoana izao dia lasa lalambe tsotra ilay izy fa tsy nasiana marika ahafantarana azy na ny toerana misy azy intsony... sa izay angamba no mariky ny fandrosoana? nefa toa manosihosy ny tantara lahy raha izany.

Vita indray izay fakana ny sarin'Andohalo izay dia lasa aho nidina nanaraka ny tohatoha-bato avy teo amin'ny Katediraly Andohalo iny. Mihaino mandrakariva ny radio viva hatrany aho mandritra izany fotoana izany satria nandeha manko ny kabary sy ny fanentanana samihafa nandritra izany fotoana izany. Tsy mbola tafidina tsara ny tohatoha-bato akory aho no vita ny kabarin'i Andry Rajoelina ka nampirisihina ny olona hody avy hatrany fa tsy hivilivily lalana, araka ny fahazoako ny tenin'ny mpanentana. Vao vita kely io kabarin'i Andry io no nanomboka kosa ny an'ny filoham-pirenena (ataoko hoe roa minitra teo ho eo izay elanelana izay) ka nihevitra mihitsy aho hoe nohenoin-dry zareo andaniny mihitsy angamba ny nolazain'ny ankilany vao hiteny izy. Ny Kabary tany amin'ny 13 mey rahateo famelezana ankitsirano ny Tiko sy ny 'halatra' mahatratra 1 200 miliara de francs (tena taraiky mihitsy ry zalahy izany fa tsy mahay ny sanda ariary... indrindra moa ny tena notendrena ho minisitry ny toe-karena). Toa mihodikodina teo amin'ny hoe hotazoniko ny fahefana sy hotandremako araka ny andriamaso ny fanajana ny Lalampanorenana fotsiny koa ny kabarin'ny Filoha... izaho amin'io fotoana io miezaka ny maka sary satria fantatro fa amin'ny fotoana ahavitan'ny filoha ny kabariny no hialan'ireto olona ireto ny kianja. Hita sy miandravandra kosa aloha fa mitafy madio sy milamina tsara ny 80%n'ny mpanatrika teto e!

Tsy dia ela loatra araka ny fiheverako azy ny kabarin'ny filoha nefa mba nisy minitra ampolony azo isaina ihany. Heveriko fa nikendry mihitsy i Mahamasina mba tsy hiara-mirava amin'i 13 mey, ary toy izany koa ny tany amin'ny kianjan'ny 13 mey niezaka ny hirava alohaloha kokoa rehefa nanentana mafana ny hakana ny minisitera ny alatsinainy ho avy io. Fijeriko izany dia niezaka ihany ny roa tonta hanao izay tsy hifanenan'ny mpanohana azy amin'ny andaniny avy. Saingy toa tsy izany loatra ny ao an-tsain'ny mpanohana sasany. Vao vita tokoa ny kabarin'ny filoha dia nody avy hatrany ny ankamaroan'ny mpanatrika, nefa izay vao tena hanomboka ny mpihira nantsoina hanentana araka ny fiheverako azy... nefa moa filazan'ny olona tratra aoriana ihany izany. Rehefa lasalasa ny olona dia hamonjy ny asa amin'izay aho. Ny mahafantatra ahy tsara dia mahalala tsara fa tsy maintsy handalo an'Analakely ihany izany hamonjy izany asako izany. Ho anao izay mahalala aoka tsy hiteny ary ianao izay tsy mahalala koa aza manontany fa tsy hamaly mihitsy aho. Mazava loatra fa hay mbola nisy mpanohana ny TGV handalo an'Anosy ihany koa, nifampiavaka avy hatrany ny roa tonta... samy naka ny ankavanan-dalany avy... nefa dia nifandrabiraby tamin'iny manamorona ny tambohon'ny sekoly St Michel iny. Ny etsy manangana ny ratsantanana roa moa ny ety manangana ny rantsan-tanana valo... dia nisy indray nanangan-drantsatanana roa ihany koa fa aondrika toy ny mitolefika iny raha ao manangana ny rantsan-tanany roa ny andaniny. Na ny nandeha an-tongotra na ny anaty fiara fitaterana samy manao izany daholo. Orahan'ny mpomba an-dRavalomanana ny fiara fitaterana avy any Analakely nefa vitsy olona (sy mpomba ny TGV ao anatiny) satria hipoka olona avokoa ny fiara fitaterana avy tany Mahamasina. Toy izany hatrany manaraka ny lalana hiakatra an'Ambohidahy.

Nahatsipalotra ny fifandrangitana angaha ireto mpanao gazety vahiny nandeha fiarakaretsaka fa nivoaka ny fiara avy hatrany raha vao nahita ny fihetsiky ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany. Misy ny tsy mahatanty (na araka ny fomba fiaina andavanandro ihany io) fa dia velona ny ompa an-tanana teo amin'ny sasany. Iny fa somary nitohatohana ny fandehan'ny fiara hiakatra an'Analakely na Ambohijatovo (mbola manoloana ny minisiteran'ny fahasalamana izahay amin'io fotoana io) ary rehefa somary akaikikaiky ny tonelina dia nolazain'ny mpitandro ny filaminana teo izahay handeha amin'ny sisiny tsara amin'ny fandehanan'ny mpandeha an-tongotra. Nisy mpitandro ny filaminana efatra nirongo basy avy tany amin'ny lalan'ny ivon-toeran-kolontsaina Amerikana taloha tany somary niteny ny mpanohana ny fitondrana ara-dalàna hangina kokoa fa mitabataba loatra... ireo misy mitady hanakorontana, hoy ny mpanohana an-dRavalomanana, hay saiky hobahanan'ny mpanohana ny TGV ny lalana tao amin'ny tonelina ka izay no nampikatso kely ny fifamoivoizana teo. Nosakanan'izy ireo hay ny fiara fitaterana iray, feno ny mpanohana ny fitondrana hiditra ny tonelina, Izaho tsy nijanona mihitsy sy tafara-dalana tsara tamin'ireto mpitandro ny filaminana mirongo basy ireto.

Vao nahatazana miaramila mirongo basy ny mpanohana ny TGV (nanao fehintanana lamba loko laoranjy avokoa izy ireo na lahy na vavy) dia nirifatra lavidavitra kokoa. Somary niato teo anoloan'ny tonelina ireo mpanohana ny TIM nefa hita ho nihamaro avy hatrany. Izaho kosa niara-dalana tamin'ny mpitandro ny filaminana ihany. Somary niafina tambadiky ny fiara tafajanona (tena saiky nisy gidraka hay izany teo!) avy any Ambohijatovo hay ny pro-TGV ka rehefa nahita ny miaramila (4) tsy niato tamin'ny diany mihitsy dia rifatra niala lavitra namonjy nankany Andohan'Analakely any... hay niantso namana tany amin'ny 13 mey tany. Ny pro-TIM kosa nanao akoralava ny "Marc Ravalomanana" vao nandroso tsikelikely... tsy maintsy handeha amin'ny lalany mody ry zareo fa tsy hoe hifampihantsy hanafika mpanao fihetsiketsehana etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey. Indreny nisy mpanohana ny TGV vitsivitsy nankeo amin'ny miaramila efatra tafaraka tamiko teo, iretsy miaramila ny tena marina haka namana ao amin'ny toby miaramila 1°RM1 hanampy azy amin'ny fitandroana ny fandriampahalemana. Mazava loatra fa tsy nahita ny fivoahan'ny miaramila sy ny fanasarahana ny roa tonta saiky hifandona aho, fa tranga hafa mihitsy no hitako.

Rehefa tokony ho manoloana ny tahala Rarihasina indrindra aho (rené depui ho an'izay tsy mahalala afa-tsy ny anarany vazaha) no nisy nihoraka teo. Teny amin'ny arabe ny nandehanako ka nihazakazaka aho hijery izay zava-nitranga... tahaka ny hoe misy mpanakorotana sa inona tratran-dry zalahy ve? Hay mpanohana an-dRavalomanana iray nitondra sainam-pirenena fantatry ry zalahy avy hatrany (satria efa re tamin'ny radio nentanina hitondra sainam-pirenena izay mankeny Mahamasina). Nosintonin-dry zalahy, ka lasa nifampisintonana io sainam-pirenena io. Ny vehivavy maro manodidina teo nihorakoraka hoe "dory! dory!" (ny sainam-pirenena io). Fa namaly ilay mpanohana an-dRavalomanana hoe: "Sainam-pirenena ve no odoranareo? tsy an-dRavalomanana irery io fa antsika rehetra!". "Ento ho anay raha izany fa tokony ho anay ireny!",(mety ho avy amin'ilay horakoraka hoe "avereno ny volanay!" natao nandritra ny filazalazana fa tokony ananan'ny fanjakana vola mahatratra 240 miliara ariary ny vondrona tiko) sendra ny be noho ny vitsy aty amin'ny sisintanin'ny TGV ranamana ka tsy afa-manohitra firy. Nendahin'ny zalahy ny saina dia tsy haiko na navelany ho an'ilay mpanohana an-dRavalomanana ihany ilay saina na nalainy fa toa ny hazo hay no tena nalain'ilay besandry! tsy te-hanaraka ny tohiny intsony aho fa nanohy ny diako nandalo ny kianjan'ny 13 mey ihany.

Ny nivandravandra, ankoatra ny mety hoe fanohanana teo amin'ny andaniny sy ny ankilany, dia ny fahasamihafan-tsaranga teo amin'ny roa tonta. Ny avy amin'ny ambany tanàna no tena maro tamin'ireto mpanohana ny TGV mafana fo ireto, ka tsy manana foto-pisainana toy ny hafa mihitsy ry zareo mafana fo ireo, noho ny tsy fandalovana nianatra tany an-tsekoly ihany koa. Ireto angamba, hoy aho an'eritreritra, no nahazo tombony indrindra tamin'ilay tigetran-dRavalomanana hoe "hampanana izay tsy manana" tontosan'i Andry Rajoelina ny alatsinainy 26 sy talata 27 janoary 2009 iny. Tsy ny harenan'ny olona ihany manko no nahazo takaitra tamin'iny toe-draharaha mampalahelo iny fa ny toe-tsaina afa-manao bodongerona ny zavatr'olona mihitsy. Rehefa tena dinihina indray, ireto no tsy mivonona hofehezin'ny lalam-piaraha-monina velively fa irony mpanorisory ny vazaha sy izay tsaratsara fitafiana mandeha amin'iny Anosy Analakely Antaninarenina iny amin'ny fangatahana fa tsy hivonona ny hiasa velively, ary izany no hiheverany fa tokotaniny Analakely, ka raha azony natao ihany koa tsy misy fiara avelany miditra an'Analakely mihitsy. Fomba fijery ivelany ihany ny ahy na dia izany aza!

Rehefa teny amin'ny kianjan'ny 13 mey dia mahavariana ny hamaroan'ny olona mipetrapetraka sy mijorojoro eny. Efa ela ihany anefa ny naharavan'ny fotoana teny. Olona tsy mahalala hody ve sa tsy misy atao any an-trano sa efa nieritreritra fandrao dia tongavan'ny mpanohana ny TIM ny kianja ka aleo ambenana ihany aloha? Maro loatra raha tsy manao na inona na inona no antony ijanonana eny nefa ianao tsy hoe manao 'sit-in' tsy akory. Ny fivarotana rehetra rahateo efa tsy nivoha mihitsy nandritra ny andro ankoatra ny mpivarotra pizza    efa fanta-daza. Efa finiavana hanakatso ny fampandehanan-draharaha amin'ny ankapobeny mihitsy araka ny fijeriko azy na dia be ihany koa aza ny olona tsy resy lahatra amin'izany hoe hitokona izany. Azoko heverina fa nilamindamina ihany izany ity andro ity amin'ny ankapobeny. Ny hariva moa aho no nandre tamin'ny onjam-peo sy namaky tan-tserasera fa hay saiky nisy fifandonana teo Andohan'Analakely. Teo ampamakiana ny vaovao aho no nieritreritra avy hatrany fa azo sakanana eo amin'ny manoloana ny toby miaramila 1°RM1 Analakely io mazava tsara ny mpitokona amin'ny Alatsinainy satria azo heverina ihany fa eo no lala-tokana tsy maintsy andehanana ho any Anosy. Gaga amin'ny mpanohana ny TIM ihany aho hoe tsy azo natao ve izany ny karazana fibahanana hatreo amin'izay tsy ho afa-mandroso hankany Ambohidahy ny mpanao fihetsiketsehana, nefa mety ho nitsinjo ny tsy hisian'ny fifanandrinana mazava loatra ny mpitarika. Ny andro alahady indray moa no andro fialantsasatra amin'ny ankapobeny eo amin'ny fihetsiketsehana politika ka tsy misy na inona na inona hotantaraina ihany koa.


Alatsinainy 16 febroary 2009

Tonga ny andro malaza hanaovana ny fakana ny minisitera ary nieritreritra ny olona fa ho any Anosy izany ny dia. Miandry avokoa ny rehetra na ny andaniny na ny ankilany amin'izay toe-javatra hitranga. Rehefa amin'ny fotoana tahaka itony no tokony ho betsaka indrindra ny mpanao fihetsiketsehana satria maro amin'ny mpitolona ny tsy hanatrika fotoana hihaino kabary fa mba manana zavatra hatao ihany koa fa rehefa avy ny fotoan-dehibe dia indreny ry zareo mba tonga ihany koa. Vao nandeha ny kabary dia efa taratra avy hatrany fa misalasala indray ny mpitari-tolona amin'ny fitondrana ny vahoaka.Efa nisy niteny angamba ry zareo fa efa misimisy ihany ny mpanakorontana vonona ny hanao ny ataony anaty filaharana rehefa mandeha amin'izay handehanana ry zareo. Mety ho nisy ihany koa ny fizarazaran-kevitra tao anatiny tao tamin'ny teti-panorona hakana ny Minisitera. Taratra sy nahatezitra ny nanatrika, araka ny nihainoako azy tamin'ny radio ny fiovaovan-kevitra teo amin'ny mpanentana isan-karazany. Nampihorakora-pahatezerana ny olona izany fihetsika izany.

Nandray ny fanamafisam-peo ny Jeneraly Organès, hametraka ny fandaminana rehefa nikiry ny hiara-dalana amin'ny delegasiona ihany ny olony (efa tsy natokitoky izay hataon'ireto delegasiona ireto ve ny olona sa inona no antony?). Nolazaina amin'izay fa ny fiara mitondra ny 'sono' no mandeha voalohany indrindra, dia ny mpiandry avy eo ary ny vahoaka kosa milahatra tsifolofolo, tsy misy mahazo manao dia maika fa dia milamina. Nampitandremana fatratra ny olona fa efa misy ny olona hanakorontana. Tsy mahazo mihazakazaka fa manjary manome vahana ny mpanararaotra. Tsy tokony hisy olona ihany koa mialoha ny 'sono' sy ny mpiandry. Lasa nandeha miadana amin'izay ny rehetra. Be no tsy nanaraka ny fitsipika fa mbola nialoha sy fiara hatrany. Mahavariana ihany satria atao hoe mpijery izy ireo nefa dia mialoha sahady ny mpilahatra. Tonga teo amin'ny sakana voalohany amin'izay. Araka ilay noeritreretiko tsara amin'ny teti-panorona ny zava-nitranga satria teo anoloan'ny vavahadin'ny toby miaramila 1°RM1 Analakely. Fa teto dia efa nisy ihany koa ny nanana eritreritra hafa mihitsy. Marihina fa azo heverina ho ny antsasaky ny mpitokona ihany no nandeha fa ny ambiny kosa mbola nijanona teo amin'ny kianjan'ny 13 mey ihany nanao tazan-davitra tsy te-hiditra gidragidra na dia mpitolona ihany aza.

Nasaina nijanona nipetraka tokotokony ho manoloana ny fiangonana protestanta Analakely ny olona fa ny delegasiona no mandeha mitety ny tranon'ny Minisitera roa dia ilay trano misy ny "efitrano Rado" etsy Andohan'Analakely sy ny tranon'ny minisiteran'ny mponina eo Ambohijatovo izay mikantona avokoa. Teo no tonga tao an'eritreritra fa toa tsy niomana handray ireo tranona minisitera ireo akory ny governemanta an-dalambe fa fialana bala amin'ny mpanao fihetsiketsehana ilazana fa tsy misy ny vadintany hanokatra ny trano araka izay mifanaraka amin'ny lalàna. Manaraka izany toa tsy naheno minisitra an-dalambe ho amin'ireo sampan-draharaha roa ireo akory aho. Teo dia toa tapi-dalan-kaleha sahady ny mpitarika ny delegasiona. Dia hoy aho hoe maninona raha tonga dia mankany Anosy ary? Nefa rehefa dinihina sao dia miandry ela loatra ny olona... tsy dia mahandry loatra manko ny mpitolona tamin'ny ankapobeny ka sao manaonao foana eo.

Lasa ny fanaovana tatitra tany amin'ny mpanao fihetsiketsehana. Tsy nahafaly an-dry zalahy lohalaharana ny voalaza ka naharomotra azy ireo. Nentanina ny olona hiverina eny amin'ny kianjan'ny 13 mey aloha. Nisy ny tsy nanaiky na nanozongozona ny fiara. Voatery niala teo an-toerana ny mpitarika rehetra. Maromaro tamin'ny olona no niverin-dalana nankeny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Tsy dia vitsy ihany koa ny mbola nijanona teny amin'ny manoloana ny "esplanade". Raikitra ny kitoratoraka miaramila. Vao nahita izany aho dia niverin-dalana avy hatrany satria fantatra avy hatrany fa tsy maintsy hamaly ihany ny miaramila nefa ny tena aty amin'ny lafiny misy ny mpitoratoraka indrindra. Inona tokoa fa teo amin'ny manoloana ny "Le Glacier" indrindra aho no nandeha ny baomba mandatsa-dranomaso voalohany. Hazakazaka ny an'ny olona niverina nankeny Analakely. Toa fotoana fohy fotsiny no nitatatatan'ny fiara nitondra ny 'sono' teo dia tsy re feo intsony avy eo.

Ny mpivarotra amoron-dalana kosa mitaintaina lava fandrao misy mihazakazaka avy any ka handrobaka ny enta-keliny. Ny maso any amin'ny misy ny mpanao fihetsiketsehana hatrany. Rehefa afaka fotoana fohy moa dia naleo niala mihitsy satria tsy misy olona hieritreritra hividy zavatra izany intsony. Nadio ho azy tsy nisy noroahina ny olona noho izany. Lasa indray aho nanketsy amin'iretsy mpitolona nijanona teny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Hita ho misy mihazakazaka tampoka hatrany eo amin'ny manoloana ny foibe FLM sy foibe FJKM iny. Tarataratra avy hatrany fa mpanakorontana te-handroba avy hatrany izy ireo. Ny fijery an-dry zalahy koa moa mampiahiahy avy hatrany. Indreny ary fa misy ny mihazakazaka hakany amin'ny SICAM iny. Niolomay aho hijery izay hataon-dry zalahy ary efa niomana ny fakantsary. Io misy fiara 4X4 tondroin'ny anankiray havadika sy hodorana, saingy raha vao nisy boay iray nandà ity fihetsika mitady hatao tamin'ny "ô!ô!" fantatsika Malagasy dia lasa ry zalahy hifindra lasy nihazakazaka ho any Tsaralalàna any. Mitady toerana horobana izany ry zalahy ka izay tsy mahahetsika tsy mahavita fandavana dia mety ho lasany ny fananana. Izaho kosa nizotra moramora toy ny ho eny amin'ny "Francia" na ny tohatoha-baton'Antaninarenina.

Teo amin'ny fiolahana aho no nahita olona mivorivory tery ampita mifanila tamin'ny tahala rarihasina iny. Toa mikonokonona zavatra ry zalahy ka iny aho no nanatona teo. Hay io tokoa fa mikonokonona ny hamadika fiara (tsy ilay hita ao amin'ny gazety Avy lavitra fa eo akaiky eo mihitsy somary manakaiky rindrina kosa). Efa nisy anankiray niakatra teo amin'ny "capot" indrindra no natsangako avo ny fakantsariko sady nanao: "ô!ô!" ihany koa aho, fa tonga dia nisy nibaiko ahy hoe: "aza maka sary!". Naidiko ny sandriko sady nakatoko ny fakantsary, dia niteny aho hoe :" fa tsy mety ny manaiky hisian'ny fanimbana zavatr'olona kosa! ajanony fa tsy mety izao!". Efa misimisy ihany ny manodidina ahy, nefa aho toa sahy loatra, nivonona hiatrika sy hifanazava amin-dry zalahy ihany aho na dia izany aza. Kanjo nisy fifanosehana tampoka indray teo akaiky teo izay heveriko fa fihetsika hanalana ahy tsy ho voaodidin'ireto antokon'olona ireto. Tafahataka avy hatrany aho ary zarako aza izany. Lasa aho nandroso hanakaiky ny ery amin'ny lohalaharana indray! efa niditra tany anaty toby ny miaramila. Niantso ny hafa handeha hankeny anoloan'ny toby ry zalahy saingy tsy nisy nety nankeny ny ambiny, satria efa re ihany fa hikabary eny amin'ny kianjan'ny 13 indray i Andry Rajoelina ka hetsika hafa mihitsy ny an-dry zalahy ireto.

Lasa indray aho nidina nankeny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Niandry ny tohin'ny raharaha. Tonga tokoa ingahy Ben'ny tanàna voaongana Andry Rajoelina miaraka amin'ireo mpiara-miasa aminy maromaro. Ora iray talohan'io anefa no nesorina teo ny tranoheva fikabariana. Roa izany ny antony mety ho nampiverina azy teny amin'ny kianjan'ny 13 mey tamin'ity andron'ny alatsinainy ity. Voalohany, mety ho tsapany tsara ny fahadisoam-panantenan'ny olona tamin'ny tsy nahavakisana ny barazy voalohany. Raha hitsakotsako ny fandehan'ny raharaha sy ny fifamaliana teo amin'ny mpitarika sy ny tarihina mandritra ny alina manko ny tsirairay amin'ny mpitolona ho be ny hahatsiaro ho voafitaka tanteraka ka hihemotra tsy hitolona intsony. Noho izany, tsara kokoa ny miresaka amin'ireto olona ireto dieny mialoha sy mampahery azy amin'ny fampahatsiahivana fa ny fanalana an-dRavalomanana no tena tanjona. Io no banjinina, ary andro sisa no isaina dia hiala io araka ny fitenenany ny filoham-pirenena. Etsy ankilan'izay, mety niantso ny mpitarika ny TGV ny mpifehy ny Emmonat tao amin'ny 1°RM1 hanala ireo olony izay manao fahirano sy mitoratoraka ny toby ary mitady ny handoro azy amin'ny alalan'ny etona fandrehitra ihany koa aza. Tsapa ihany manko fa tena mihoatra ny loha ny ataon'ireto mpitoratoraka ireto, tahaka ny dia efa tsy misy dikany intsony ny tafi-bahoaka. Fanararaotran'i Andry ny fotoana ilazana fa tsy olony fa vondron'olona mpanakorontana ireny mitoratoraka eny ananonanona ireny. Nolazainy amin'izay ny mpitolona madio fo hody avy hatrany fa tsy hijanonjanona na hitaredretra intsony. Dia nisy tokoa ny nody fa nisy kosa ny mbola nihazohazo teo.

Tokony ho dimy minitra avy eo dia indreny ny miaramila (efa manakaiky ny amin'ny enina ora hariva), nivoaka niaraka amin'ny basy sy bala fotsy hitifitifitra izay mitady handroba sy manadrohadro sy manambany ireto mpitandro ny filaminana ireto. Niainga hatrany amin'ny toby miaramila ry zareo. Nanala ireo olona rehetra mbola nivorivory teo tamin'ny kianjan'ny 13 mey rehetra, nanala ihany koa ireo niafinafina nanerana an'Ambodifilao sy Tsaralalàna. Tsy nisy tafavoaka ny birao izay rehetra mbola tany amin'ny biraony tany. Nandeha hatrany Antanimena sy Andraharo nifanenjika tamin'ny mpandroba sy ny tsy misy atao tsy fantatra anton'asa ny mpitandro ny filaminana. Nisy maromaro aza ireo nitsofoka tany amin'ny tsenan'ny Pochard, nefa raha vao nahita ny vavahady nivoha ny mpitandro ny filaminana dia nibaiko hoe : "Hidio io!" Nivoaka tsimoramora daholo ireo niafina tao fa tsy te-ho voahidy. Feom-basy no tena nakotrokotroka nanerana ny tanàna, nangina tampoka teo ny tabataba kelin'ny olona an-dalana. Ny mpiasa tsy tafody kosa, miantso ny any an-tranony avy milaza fa tsy misy maninona nefa tsy afa-mivoaka ny birao aloha, ireo izay lany fahana moa mindrana na manofa amin'ny namana mpiara-miasa aminy... Tsy maintsy hisy ihany manko ny fotoana hivoahana ny birao fa manantena ny tsy hatory any kosa. Tamin'ny fito ora latsaka fahefany alina izany vao tontosa.

Indreny nivoaka tsikelikely amin'izay ny mpiasa tratran'ny alina tany am-birao tao aminay sy teo amin'ny manodidina anay. Indreny fa mivoaka ny fiara, mifanesisesy hivoaka ny fiantsonana ary mamonjy ny fodiany avy. Izahay indray moa roa no miara-dalana tamin'ity indray mandeha ity. Notadiavina ny fiarakaretsaka raha mbola azo atao fa sarotra ihany ny hahita izany amin'izao alina izao. Izaho saiky hanatitra ity namana mpiara-miasa amiko ity saingy toa hafahafa ihany ny teny alohaloha teny, nanaraka iny petite vitesse izany tranga mampanahinahy izany, nisy lehilahy iray aza niverin-dalana fotsiny hikaroka lalan-kafa satria toa voabahana tanteraka ny lalana. Niditra an'i Tsaralalàna hatreo amin'ny paositra izahay ary nanaraka iny Bourdon Voyage iny ary hamonjy ny pharmacie, hitady fiarakaretsaka fotsiny izany ary dia nahavariana fa tena nisy iray tokoa teo ampitan'ny pharmacie. Mbola misy ihany, ho'aho ny mahasahy miasa amin'ny vanim-potoana sahala amin'izao. Telo izany izahay no tafara-dalana niara-nandray fiarakaretsaka dia izahay mianadahy ilay namana iray niverin-dalana noho ny 'fahatapahan'ny lalana saiky odiany'. Niakatra an'Ampasamadinika ny lalana dia hidina an'Anosy... samy tonga soa aman-tsara tany amin'ny trano misy anay avy ihany izahay fa tsy nisy naninona. Nahavariana tokoa, ary efa nisy nahatsikaritra fa toy ny milamina ery ny fiainana vao manomboka eny Ampefiloha sy Andavamamba ary 67ha sy Ambodin'isotry ary Antsalovana nandalovana. 1 noho ny 0 aloha izany ny baolina.


Talata 17 febroary 2009

Tsy maintsy novana indray ny tetika, satria moa tsy vaky ny barazy tetsy andohan'Analakely dia novaina indray ny lalana. Hita fa nihena koa ny olona mpanaraka ny TGV tetsy amin'ny kianjan'ny 13 mey ka aleo any amin'ny lalana be olona indray ny dia. Nieritreritra ihany aho hoe sarotra izany dia izany satria any amin'ny lalana be mpivarotra no aleha. Ny tena mampanahy anefa dia ny vakitrano mety hitranga tampoka teny an-dalana teny, nampirin'entana tsy niala teny an-toerana ny mpivarotra nandalovana rehetra. Nieritreritra ny hifaoka ny jiolahim-boto mpijorojoro teny an-dalana koa angamba ry zalahy ka tsy fantatra na nahomby ny tetika na tsia. Niadana dia niadana ny famindra hialana amin'ny mety ho fanararaotana tampoka mitranga eny ho eny. Ela ny ela tonga teo anoloan'ny Cnaps sy anilan'ny Fiaro ihany ny mpilahatra ary teo no voasakan'ny barazy voalohany (kianja Ho Chi Minh) . Mandeha hatrany ny fifampidinihana teo amin'ny solontenan'ny mpitondra an-dalambe sy ny mpitandro ny filaminana izay tsy mandefitra manana ny marina mihitsy. Nisy aza ny fotoana tezitra mihitsy ry zalahy mpitarika an-dalambe, ary teo no niala avy any Minisitry ny fiarovana avy amin'ny governemanta ara-dalàna. Nandeha ny resaka sy fifanazavana fa ny tena asongadiko dia ny tenin'ny minisitry ny fiarovana amin'ny tokony hanaovana ny fifanarahana tahaka ny tamin'ny 31 oktobra 1991 saingy toa tsy nasian'ny avy eny an-dalambe resaka mihitsy.

Nisara-maina indray ny roa tonta tamin'ity indray mitoraka ity, na raha amin'ny fomba fijeriko dia nandresy indray ny mpitandro ny filaminana  satria tsy vaky ihany ny sakana. Lasa iretsy mpitari-tolona nampita ny resaka tamin'ireo mpanaraka azy ka nilazany fa efa manakaiky ny fandresena. Ka hotohizana eo amin'ny kianja Ho Chi Minh ihany ny tolona ny ampitso manomboka amin'ny sivy ora maraina. Fomba ialana amin'ny sakana dia nataony hifamotoana eo amin'ny toerana tsy mahazatra loatra ny mpitolona eo aminy. Toa fahasahisahiam-poana izany satria tsy fantatra loatra hoe aiza no hipetraka ary ny mpitolona? aiza no tena iandrasana azy ireo? Toa niniana ilay izy fandrao mba manakorontana ireo mpivarotra manodidina ihany ny fahatongavan'ny jiolahim-boto mety ho avy indray. Izay toe-javatra izay moa vao maika mandresy lahatra ny tsy tia ity fihetsiketsehana ity satria tahaka ny hoe fanakorontanana ny lalana fotsiny no tena tadiaviny fa na ny olona entiny aza efa mihena am-pitoerana ihany. Na dia efa niala aza moa ny mpitarika dia indreo indray fa tsy mety miala indray ny olona tarihiny. Tsy maintsy noroahina tamin'ny alalan'ny fandrahonana indray ry zalahy ka tonga hatrany amin'ny rond-point Isotry mihitsy nandroahana azy ireo. Nadiodio tampoka ny tsenan'Isotry rehetra iny. 2 noho ny 0 indray ny baolina.


Alarobia 18 febroary 2009

Tonga ihany ny mpanaraka an'i Andry Rajoelina fa izy sy ny "praiminisitrany" kosa tsy hita fa niala sasatra angamba. Ny namany kosa navelany hitanin'andro nandritra ny ora maromaro teo amin'ny kianja Ho Chi Minh ihany. Ny fantatra moa dia tapaka tanteraka ny fifamoivoizana. Io dia mahavariana ahy. Raha manao ny toy itony ny any ivelany any araka ny fahalalako azy dia mba misy fetrany ihany ny fanaovana izany fa mety hampigadra kosa ny fihoarana tahaka izao. Ny fijeriko dia tokony ho azon'ny mpitandro ny filaminana ary ao anatin'ny zony ny manaisotra ireo mibahana ny arabe ireo, indrindra fa tsy dia misy lalana hafa azo iodinana loatra eo amin'ny manodidina eo. Fatra-pandefitra eo anatrehan'ny mpanao bodongerona matetika loatra koa moa ny mpanara-dalàna amin'ny ankapobeny. Manaraka izany, hita potika tanteraka ihany koa ny hakanton'ny zaridaina teto amin'ity faritra ity sy ny halenodenoky ny ahitra mahafinaritra teto. Tena famotehina mivantana no ataon'ireto olona ireto ka manahy aho fa mety ho avy indray koa ny fandoroana ny tsenan'Anosibe izay tena reharehan-dRavalomanana amin'ny ambany tanàna raha izao fandehan-javatra izao no mitohy sanatriavina.

Ny nanaitra ihany koa, ary naverimberin'ny mpanao gazetin'ny Antsiva izany, dia tsy tian'ny avy ao amin'ny governemanta an-dalambe loatra intsony ny hanaovana ny resaka sy ny fifampiraharahana eo anatrehan'ny mpanao gazety. Niakatrakatra mihitsy moa ny maro amin'ny mpanao gazety tratran'izao fanilikilihana izao. Manahy ve ry zareo fa ho tratra amin'ny lainga hafafiny amin'ny mpanaraka azy? Mazava loatra fa tsy nandresy lahatra loatra ny maro ilay filazana nataon'ny mpiara-nanorina ny madagate lasa minisitra an-dalambe manao hoe hiaraka hitolona amin'ny "vahoaka" ihany koa ny vadi-miaramila sy vadi-zandary ary ny vadi-polisy rahampitso ka ireo no hitarika ny laharana (izany hoe "bouclier humain" raha misy ny fitifirana) ary ny tenan'i Andry Rajoelina mihitsy no hitarika ny rahampitso Alakamisy. Nentanina ny maro hitondra zavamaneno avy any an-tranony any fa "hifety" ny rehetra. Mampanahy avy hatrany ny toe-javatra hitranga fa toa mivonona ny "hamono tena" indray izany ry zareo. Hatraiza ny fetran'ny fanasana ati-doha?

Mbola noroahina niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana indray ry zalahy fa mandrangindrangitra ny mpitandro ny filaminana hatrany na dia efa lasa nody aza ny mpitari-tolona (vita aloha androany ny 'sit in' satria tamin'ny roa sy sasany dia efa vita sahady... tsy nahomby hatrany ny tetika e!). Velona indray ny fandrobana, niainga avy amin'iny petite vitesse iny ry zalahy dia nandravarava an'Ankazomanga sy Andraharo efa nananontanona an'Ambohimanarina mihitsy. Dia eny amin'ny kianjan'ny 13 mey indray izany no ifamotoana ry zalahy rahampitso alakamisy 19 febroary 2009. Dia hoy aho mamaraparana fa nahatsiaro tampoka ilay fomba fitenin'ny frantsay raha nahazo ny amboara erantany tamin'ny baolina fandaka ry zalahy hoe: " et un! et deux! et trois zé-ro! et un! et deux! et trois zé-ro!". Raha hametraka hevitra ianao satria lava dia lava ihany ny lahatsoratra dia soraty amin'ny vakiraoka (brouillon) aloha izay hosoratanao, ka rehefa vita izany dia ankotrio (actualiser_o) ny takelaka na lahatsoratra araka izay ahazoanao azy vao adika sy apetaka ny nosoratanao tamin'ny vakiraoka. Apetaho ny anarana tiana apetaka dia avereno ny marika hita eo amin'ny authimage vao alefaso ny lahatsoratra. Marihiko hatrany fa ho ahy no tena anoratako ity takelaka ity fa mba ifampizarako aminareo fotsiny. Noho izany tsy azo atao ny mandika sy mamoaka ny lahatsoratra eto am-boky amidy tsy nahazo alalana! misaotra amin'ny fiaraha-miasa.



jentilisa, 19 febroary 2009
 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Febroary 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox