Hatezerana sy ompa izany azoko androany izany an!

2009-03-19 @ 21:40 in Politika

Aza taitra amin'ny lohateny ianao, na dia misy fahamarinany ihany aza izany nanjo ahy izany. Nanomboka androany alakamisy 19 marsa 2009 no tena nanaovako ity fitsapana ny hevitry ny olona amin'ny ankapobeny amin'ny toe-javatra ankehitriny. Tsy afaka miteny ny any ivelan'Antananarivo aho fa izay azoko nanaovana izany no nanaovana izany, ireo mpifanena sy mifankafantatra tarehy fotsiny fa tsy voatery ho mpifanerasera. Sarotra fantarina amin'izay tena ao am-pony ny olona fa tsy maintsy itadiavana hevitra tsy ampoizina. Tsy miresaka amin'izay efa tena fantatro hevitra intsony aho fa ireo tena baraingo amiko ny safidiny no nanaovako ity andrana ity. Ahoana ary hoy ianao? Etsy ary fa zavatra tsotra ilay izy!

Rehefa hitako mitady hila resaka ilay olona dia vetivety dia fantatra ny heviny. "Ahoana e? Dia arahabaina fa nahazo filoha vaovao isika e!" na "arahabaina fa nahazo filoham-pirenena vaovao isika e!" na "arahabaina fa nendresy ny tolona e!" sady mitady ny tanany hoharabaina ianao. Eo noho eo ihany dia azonao ny valiny. "Filohanareo izany fa tsy anay!" na "izahay tsy nifidy azy" na "Filoha amin'ny ahoana koa e?", ireo no atao hoe valinteny mihaja indrindra fa betsaka ny nanompa tamin'ny valin'arahaba... Fa ahoana kosa? hoy aho nanatsafa, ary dia ambarany tsy miahotra ny heviny. Tena variana aho fa maro dia maro tokoa no tsy mankasitraka izao fitondrana tetezamita izao. Tsoriko kosa fa misy dia misy tokoa ny faly sy ny mamaly tsy sazoka fa vitsy dia vitsy ry zareo mitaha amin'izay tezitra. Tsy haiko aloha fa mety ho nisafidy loatra izay nanontaniako angaha aho.

Zavatra iray azoko notsoahina avy amin'io dia ny mety ho fahatsapan'izay miresaka amiko fa ny tsy mankasitraka no maro kokoa noho izay mankasitraka sy faly. Lazain'ny gazety sy haino aman-jery vahiny diso fantatra moa fa maro ny nifety tamin'ny fotoana nahazoan'i Andry Rajoelina ny PHAT (Présidence de la Haute Autorité de la Transition), saingy raha notarafina tety amin'ny nisy anay aloha, isy dia nisy tokoa ny nitabatabam-pifaliana fa ny hafa kosa nangina toa tsy niraharaha izany. Mety hisy ihany koa anie ny fahamenarana noho ny zava-mitranga e!

Izany eo ihany, fa tezitra toa nanao fandrahonana ambadika mihitsy ingahy Komandà nitondra ny filohan'ny FJKM hogadraina tany amin'ny tobin'ny Capsat, ary ny heloky ny pasitera tamin'izany moa dia mbola naveriny tamin'ny mpanao gazety ihany fa "mpamadika" izy, henjana koa izany antom-panenjehana izany! Tsy mendrika ny maha-pasitera anao, hoy ranamana ny ataonao, mamorona fotsiny fa "tsy nisy nampisotro amany azy izany". Nanao fanambarana manko ny foibe FJKM ka niteny izany fampisotroana fivalanan-drano nampanaovin'ny miaramila azy izany tamin'ny iray amin'izy ireo ny Mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina. Nanao fotoam-pivavahana moa ny FJKM teny Andrainarivo fahasoavana omaly, ho an'ny filohan'ny FJKM, noho ny fisamborana azy ary nahazo olona io fotoana io na dia tanaty ora fiasana aza. Heverina fa mbola hanao izany ny FJKM indray alahady, ka na inona na inona fandraisanao azy, zavatra hafa no mety ho fandraisan'ny olona azy ka entiny hanehoany ny "heviny" izay tsy voatery hankasitraka izao fitondrana voafidim-bahoakan'i 13 mey izao io fotoana io raha tanteraka, hanehoany olona ihany koa fa tsy matahotra ramatahora velively ny olona fa mitady filaminana kosa. Mety hisy zavatra hitranga amina fiangonana FJKM (fandrobana na fahamaizana) iray va re? Enga anie ka tsy hisy satria hiampanga tena izy raha mitranga izany! Na izany na tsy izany miandry ny Asabotsy sy izay fahamaroan'ny olona ho tonga eny Mahamasina ny mpitazana. Niniako natao koa ny "manasa ny olona" ho tonga eny fa ahafantarana ny hevitry ny olona ihany koa io, rehefa miala bala izy dia fantatrao avy hatrany ny heviny... na tsy voatery ho marina 100% aza izany paikako izany!




jentilisa, 19 marsa 2009 amin'ny 23:40

Ho an'ny tanindrazana!

2009-03-18 @ 21:54 in Politika

Variana dia variana aho rehefa nilaza indray ny Masoivoho Amerikana fa sady tsy mampialoka ny filoha teo aloha Ravalomanana izy no tsy eo ambany fiarovana araka ny re na novakiana omaly ity filoha malagasy teo aloha ity. Azo heverina fa noho ny fanerena mety ho mahazo an-dry zareo no mahatonga izany filazana izany indray. Fantatra ihany ny mokon-dohan'ireto miaramila mpioko ireto ary nahita ny endrikendriny rahateo ny masoivoho Amerikana omaly talata 17 febroary 2009. Tsy te-ho voateritery ry zareo na ho tratran'ny tsy ampoizina avy amin'ireto mitana ny fitaovam-piadiana mahery vaika ireto. Mety ho vitan-dry zalahy manko ny maka teratany Amerikana ho takalon'aina raha mijery izao fomba fihetsiky ry zalahy izao. Lasa mitaintaina tsy fidiny ny mpanohana azy mieritreritra izay tokony ho misy azy mivady mba ray aman-drenin'ny Malagasy ihany. Lasa tsy gaga aho ohatra raha tsy fantatra marina izay manjò ny filohan'ny FJKM amin'izao fotoana izao. Efa tafody ve sa mbola nohidian-dry zalahy? Azo heverina ho akaikin'ny filoha Ravalomanana manko ity mpitondra fivavahana ity ka sady ataon'ny mpioko lasa mpanjakazaka ankehitriny ho karazana takalon'aina no mety tereny ihany koa hilaza amin-dry zareo izay misy ny filoham-pirenena.

Fa hiverina kely any amin'ilay filazana ho ody ratsy sa sampin-dRavalomanana aloha aho. Misy manko ny milaza fa azon'ody izahay itony ka tsy mahita ireny mivandravandra amin'ny sary ireny. Tao amin'ny tvplus moa dia miserana vetivety loatra ny zavatra naseho, hany ka mahatonga ny eritreritra fa fanasoketana ihany koa no tena betsaka. Ny tena betsaka tamin'ireo "ody" sa "sampy" ireo (na izany aza moa tsy hain-dry zareo loatra ny nanavaka ireo zavatra roa ireo) dia karazana tavy tanimanga mora vaky miendrika ondrilahy (nefa averimberina foana ho osy) izay nolazaina moa fa tao ambany lampihazo iray izay (toa ivelan'ny trano izy io fa tsy sahy mitompo teny fatratra aho) no nahitana azy. Dia eo ny hazo mpanjakaben'ny tany miendrika tehina roa mazava loatra fa mety ho niankina tany anaty trano tany; izaho kosa indray tsy mahalala loatra ny "hasin'izy itony" na dia fahitako tsindraindray aza, ary misy talenta ny fanamboarana azy ireny ho ravaky ny trano na dia mety ho avy amin'ny hazo tsotra aza no nakana azy (karakaraina manko izy ireny fa tsy hoe hazo mairy malagasy, ary tena tsiambaratelo ho an'izay mahalala azy ny fomba fanamboarana itony mpanjakaben'ny tany itony araka ny tafa avy amin'ny olona iray zatra azy itony).

Dia eo ihany koa ilay hoe peratra "alliance" teny amin'ny vavahady. Mahavariana izy itony, saingy tsy fantatra loatra izay nametraka izany peratra izany tany ambanin'ny tany teny am-bavahady. Nandehandeha hatreny ve izy dia napetrany tao sa olona no nirahiny handevina azy itony? Efa mba olona maro ihany manko no nifandimby nampiasa io trano io saingy Ravalomanana moa no niantrano farany tamin'ity toerana ity. Manaraka izany indray ilay sokitr'ondrilahy na osilahy (ondrilahy no tokony ho izy kokoa raha ilay tandroka miodina ambany fa tsy miranga tahaka ny tandrok'omby ireny; fa ianareo hatrany no asaiko mitsara hoe inona tokoa) kely volamena fametraka ambony birao fiasana ireny. Tsy mety izy ity raha atao am-paosy na atiritirina omem-panajana fa tena fametraka ambony birao ihany no mety aminy, tsy mety ho fitondra ihany koa izy ity. Nolazaina moa izy ity fa mariky ny devoly, tsy hitako izay ambara fa raha toa ianao mba manana haingon-databatra mahafinaritra ny masonao ny mijeryazy eo amin'ny biraonao, mahimahiana ihay fandrao dia io no sampinao. Mety hisy moa ny hilaza hoe tafahoatra kosa ny fahamaroan'ny osy (ary eto kosa dia averiko indray fa ondrilahikely volamena) manodidina an-dRavalomanana, dia hoy aho hoe fitiavana io, ka raha izay fitiavana tafahoatra mba mahita zavatra tahaka ireny no atao hoe sampy dia tsy hitako izay ambara. Raha tena notompoiny ireo zavatra ireo nataony nanaraka azy fa tsy navelany irery tato amin'ity lapa ity, raha atao hoe azy koa aza!

Manaraka izany indray moa ilay sarintanin'i Madagasikara maneho ny faritany dimy (mba sary taraiky be koa izy izany fa mety ho talohan'ny lalàna lasitra 1956 aza raha  izany) misy sariolona manodidina ka ny sarin-dravalomanana no eo afovoany indrindra. Mariky ny fanjakazakana an'i Madagasikara hoe izy io. Raha mahita ireny sarintanin'i Madagasikara ireny ianareo ka ny sarin'i Manjakamiadana (indrisy! tsy hotohizana intsony ve ny fanamboarana io lapa io amin'izao Ravalomanana namindra ny fahefana izao?) eo afovoany dia maneho ny fanjakazakan'ny Merina angamba izy ireny na fitadiavana hamerina ny fanjakan'andriana. Fa iza tokoa re no nametrka izany tao e? Eo ihany koa ireo "voanjavatra sy ranomanitra": Eto indray mety ho azo eritreretina tokoa ny fironana ho amina finoana saingy mety hahavariana ny sasany angamba ny hitsidika tranona karana raha mahita tahaka itony... nefa fandroahana bibikely ihany koa manko izy ireny e! Raha anaty finoana tokoa no anaovana ireo rehetra voalaza ireo dia mety ho fihoarana amin'ny finoana kristiana protestanta mihitsy fa raha tsy azy ireo ohatra, na zavatra toy ny zavatra rehetra kosa dia fanasoketana marindrano, sady ny haha-afa-baraka ny filoha ihany koa anie no tena tanjona e! Tsarovy anefa fa efa nandritra ny alina aloha no nifehy ny toerana ny miaramila mpioko, nefa efa mazava kosa vao nanao ny asany ny mpiandry. Fomba fijeriko izay! fa raha sanatria moa ka ao anaty finoan-dRavalomanana tokoa ireo zavatra ireo dia tsara ho azy tokoa ny "miala sasatra aloha" mialoha ny hiverenany indray.

Dieny eto ihany isika, mitovitovy tahaka ity ihany koa manko ny tao amin'ny lapan'Iavoloha tao. Tanàna azo lazaina ho milamina izy io raha hevitreverina ho niala tao ny filoha Ravalomanana, saingy rehefa nifehy azy tamin'ny takariva ny Capsat, nanjakazaka tao an-dapa nandritra ny alina, dia tokotany mikorontana tanteraka indray no hita tao an-dapa. fanaka miparitadritaka any an-tokotany sy potipotika ao an-trano no hita. Izay vao miaraka amin'ny minisitryny filazam-baovaon'ny governemanta an-dalambe nahazo fahefana, dia efa tsy kaonty intsony amiko. Ny fiaran'ny Capsat ihany manko no hany afaka nifamoivoy ary nahita ny entana ihany aho tanatin'ireny kamiao fitondran-dry zalahy ka takonan-dry zalahy na tomeriny tsy ho hitan'ny olona izay nentiny saingy nahita ihany aloha aho. Fakam-panahy koa mahazo olombelona e!

Tokony ho efa mifarana hatreo aloha izany ity tolona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ity! Nanamarika izany tamin'ity taona ity ny loko volomboasary nefa tsy tokony hohadinoina ny nangaronan-dry zalahy ny paosin'ny "minisitry ny filaminana anatiny" nandritra izany tolona izany ka nahalasa ny "portefeuille" sy ny  fahaverezan'ny "gourmette" volamenan'ny praiminisitra tao anatin'ny andro iray monja, henjana ny mpangaro-paosy raha hiasa e! tsy mahagaga loatra ny "filoha" raha nisavasava ny paosiny rehetra (hita tamin'ny fahitalavitra) raha somary voadonan'ilay miaramila mpiambina azy ny lehilahy androany 18 marsa 2009. Somary nitsiky moa ilay miaramila mpiambina nahita ny fihetsiky ny PHAT. Ho hita eo ny fomba fametrahana ny filohan'ny tetezamita amin'ny Sabotsy izao eny amin'ny kianjaben'i Mahamasina hoe tahaka ny ahoana satria nahavariana ihany manko raha tonga dia ny sonian'ny fahefana avo no vita, taratasy efa vonona no nalain'Atoa Ratsirahonana Norbert Lala. Ampio aho hitady ny tahirinkevitra nanambaran'ny mpikambana ao amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana am-bava sy an-tsary ny maha-ara-dalàna ny maha-filoha an'i Andry Rajoelina fa mampiahiahy ahy ihany ny toe-draharaha indrindra rehefa raiki-tapisaka ao an-tsaina ny voalohany nahazo ny Visy Amiraly Ranaivoniarivo minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha tamin'ny fanivaivana imasom-bahoaka nihatra taminy.

Farany, izay aho vao hiresaka (efa fantatry ny maro loatra ny fanaoko) ny tiako lazaina androany. Marina fa amin'izao fotoana izao dia maro ireo mpanohana ny filoha Ravalomanana no te-hitroatra, tsy hanaikinaiky foana izao toe-javatra izao. Raha amin'ny foko tokoa dia te-hanao menalamba aho  na "résistance" amin'ny teny frantsay saingy moa ve tombotsoantsika ny hampitarazoka ity toe-draharaha efa mampandositra diplaomaty maromaro ity (ny androany aloha no hitako ka andehanana daholo na ho any Johannesbourg na ho any Mauritius). Ho an'ny tanindrazana dia miantso fitoniana araka ny efa nambaran'ny filoha ihany koa aho. Fahendrena ho antsika ny mangina aloha fa hiteny hatrany izay tsy mety kosa isika mba tsy higorisa any amin'ny tsy izy ny zavatra ataon'ny ankehitriny mandritra ny fotoana itondrany. Fahadisoana lehibe nataontsika ilay fomba fiteny hoe "avelao aloha izy hanao ny asany fa mbola eo ampanaganana izy" ka nahatonga ny fivilian-dalana ataon'ny mpitondra matetika. Tsara ny miteny, tsy voatery ho an-dalambe izany fa na dia ny tahaka izao ataontsika izao sy izao sehatry ny aterineto izao fotsiny aza. Mody ataontsika tsy tadidy aloha ireny zavatra maro manafintohina nandritra ny tolona nataony ireny sady efa nanao izany rahateo isika. Mitaky ny hamotsorana ny filohan'ny FJKM tsy misy hatak'andro aho; aoka re tsy hatao takalon'aina io lehilehy io fa toa kazarana fomba entina hampiadiana ny mpivavaka izy izany. Na izany na tsy izany: Aiza ho aiza moa ny fanamboarana ny lapan'ny tanàna fa tsy nandre ny tohiny aho? Ho an'ny tanindrazana, aza manakorontana  azy amin'ny fety ataony mihitsy isika, aleo tsy mandeha mankany fotsiny raha mahatsiaro ho marary fo mahita ny hafaliany. Fa andao ary isika hiarahaba azy ireo nahatafita ny tolona nahazo ny fahefana. Tsara indrindra raha tsy mora mivadika palitao isika fa miandry ny fotoana hampahery antsika indray, dia mba ho fifandimbiasam-pahefana araka ny safidim-bahoaka no hiverenantsika fa tsy amin'ny alalan'ny basy aman-tafondro. Dia mba hisy fivoarany mankany amin'ny tsara ny fomba politika eto fa tsy manao politikan-tanalahy lava izao.





Jentilisa, Alarobia 18 marsa 2009 amin'ny 23: 56

17 marsa 2009: Lasan'i Andry ny fahefana!

2009-03-17 @ 22:01 in Politika

Efa hitantsika teto ihany fa nomen'ny filoha Ravalomanana ho an'ny manana voninahitra amin'ny tafika ny asa sy ny andraikitry ny filoham-pirenena. Mety ho mahavariana tokoa ny tsy nanomezana io fahefana io ho an'ny filohan'ny Antenimieran-doholona. Izay famindram-pahefana noho ny fialana. Heveriko anefa, noho ny fahazarana eo amin'ny fandraharahana fa mety ho tsy mifanaraka loatra amin'ny fepetran'ny Lalampanorenana, no nanaovany izao fihetsika izao. Karazana fahadisoana ihany izay lalana nataon'ny filoha tsy nanaraka ny voalazan'ny Lalampanorenana izay saingy tsy mahavaha olana velively ny famindrana ny fahefana araka ny voalaza. Fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila manko no misy eto ka vahaolana mifandraika amin'ny asa miaramila no noraisiny. Mety tsy te-hamindra ny tsindry mahazo azy ho an'ny filohan'ny Antenimiera ny lehilahy.

Ny ankamaroan'ny olona dia nandre fotsiny hoe "niala, hono, Ravalo" araka ny nolazain'ny onjam-peo vitsivitsy. Tsy misy mahafantatra izay tena votoatiny. Ny tahaka anay aloha dia tsy nino mihitsy fa miandry ny fanambarana mivantana ataony ihany, efa be loatra manko ny tsaho sy ny do-tany sy kapo-tandroka fanao amin'izao tolona politika izao. Tamin'ny radio fahazavana tamin'ny telo sy sasany mahery teo ho eo amin'izay no re tsara ny teniny nanome fisaorana ireo rehetra niara-niasa taminy hampandroso an'i Madagasikara ka tafiditra ao anatin'izany mazava ho azy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena sy ny famindram-pahefana (fa inona tokoa moa no mahasamihafa izay fomba filaza izay amin'ny teny hoe 'fametraham-pialana? io fiteny io manko no nampifanolana ihany koa ny filoha Phillibert Tsiranana tamin'ny Lehiben'ny tafika ny Jeneraly Ramanantsoa sy antony nanaovana ny fitsapa-kevi-bahoaka tamin'ny oktobra 1972).

Tsy nisy tena nahare ny votoatin'ny taratasy ihany koa ireo rehetra nantsoina tao amin'ny Bucas Antanimena indrindra fa ireo avy amin'ny fitondrana an-dalambe nahazo hery be noho ny miaramila mpioko. Akory moa ny fahatezerana teo amin-dry zareo rehefa fantany amin'izay ny voasoratra. Nivoaka ny efitra ry zareo miaramila mpioko niaraka tamin'i Andry Rajoelina, ka nanambara indray ilay fomba fiteny mahazatra hoe "tsy misy mahazo mivoaka eo!" ny iray tamin'izy ireo. Vao nivoaka ny Jeneraly iray dia raikitra ny ankamahana basy sy ny tabataba avy amin'izay tsy lazaina intsony. Nampidiriny tao anaty fiara io. Vao nivoaka ny efitra ihany koa ny filohan'ny FJKM dia raikitra ny hoe "ity no tena mpamadika" Raikitra ny tositosika sy ny totohondry nampidirana io mpitondra fivavahana io tao anaty fiara. "Hisy raha any Soanierana" hoy ny iray tamin'ireo teo an-toerana. Letra avokoa ny ankamaroan'ny mpijery. Dia nampidirina tao anaty fiara ihany koa ny Jeneraly roa hafa nivoaka tao amin'io toerana io. Hatezerana tsy hatezerana moa no nasehon-dry zareo miaramila tao anatin'izany rehetra izany. Vao eo ampanombohana isika izao. Tsy fantatra mazava ny nahazo ireo Jeneraly telo mirahalahy voatanan'ireo miaramila mpioko ireo fa dia nanao fanambarana mazava namindra ny fahefana 'fitondrana miaramila' ho an'ny "Filoha" Andry Rajoelina ry zareo sady nanasonia ny didy hitsivolana "voalohany sady farany" mifandraika amin'izany famindram-pahefana izany niaraka tamin'ny filohan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana taloha efa elaela ihany dia Atoa Ratsirahonana Norbert Lala izany.

Nolazain-dry zareo moa fa "izao fanambarana izao dia nataonay an-tsitrapo tsy misy teritery ho fitsinjovana ny tombontsoa ambonin'ny firenena." Sarotra ihany anefa ny hieritreritra izany saingy izao, tsy hanaiky mihitsy ny miaramila mpioko raha tsy amin'Atoa Andry Rajoelina no hanomezana ny fahefana feno amin'ny maha-"Filoha avon'ny Tetezamita" azy. Vita hatreo izany ny tolona politika teo amin'ilay zalahy ity fa dia hiasa amin'izay ny tenany. Manahy dia manahy aho raha ny zavatra hita androany no ijerena ny ampitso fa dia tena faneriterena tsy misy toy izany no hihatra amin'ny tsirairay hanatanterahana ny sitrapon'ny mpitondra vaovaon'ny firenena izay lazaiko sahady fa tsy ekeko satria an-terisetra no nanaovany ny zavatra rehetra. Dia ahoana izany ry zareo ilay nambarako hoe "inona no hitranga amin'ny 18 marsa 2009?



jentilisa, 17 marsa 2009 amin'ny 23:59

Directoire militaire: mikorontana tanteraka i Madagasikara!

2009-03-17 @ 14:44 in Politika

Nanome ny fahefana ny directoire militaire hanao ny asan'ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra Atoa Ravalomanana. Tsy nanaiky izany ny miaramila mpioko ka dia nosamboriny avokoa ny jeneraly dimy heverina ho manana ny grady ambony indrindra sy zokiolona indrindra. Nosamboriny ihany koa ny pasitera Lala Rasendrahasina araka ny vaovao nampitain'ny Radio Antsiva amin'izao fotoana izao. Mbola misaritaka tanteraka ny eto an-tanàna amin'izao fotoana izao.

Fivoriana saiky hatao tao Antanimena tao amin'ny katolika  no nisian'izany toe-javatra izany izao folakandro izao.

 

jentilisa, 17 marsa 2009

Fa maninona no matahotra fitsapa-kevi-bahoaka fadiranovana? sy zavatra hafa!

2009-03-16 @ 22:28 in Politika

Eo ampanafihana ny filoham-pirenena moa amin'izao fotoana izao ny antsoina hoe tafika malagasy, nefa tsy manakana ahy hilaza ny biby mampatahotra ny mpanohitra sy ny tafika aloha izany izao, ka mahatonga azy ireo maika amin'izao zavatra kasainy izao. Ninia naka ny fihevitr'ireo mpomba ny fanonganam-panjakana amin'izao fotoana izao aho io takariva io ka ny tao amin'ny mpiara-miasa ihany no nitsapako izany. Ninia aho nody nanomboka ny teny hoe: "tsy hitako izay ilana ny referendum".

Nivoaka ho azy ny hevitra rehetra, na ny an'ny mpanohana na ny an'ny mpanohitra ny referendum. Tsy misy ilàna izany intsony fa efa niteny ny vahoaka, hoy ny nambara, dia tena ny tenin'ny filohany navela teo. Efa vita, hoy izy izany referendum izany, hala-bato no ho ao anatin'izany. Fandrika izany, ary ny tena mahavariana dia ny teny hoe "raha tiana hivaha ny olana dia miala Ravalo ihany no izy." Ninia amin'izay aho nanolo-kevitra hoe : Omena anareo manontolo ny minisiteran'ny atitany sy ny fikarakarana ny referendum, ka ahoana? sahy ianareo sa tsy sahy? fa tsy nisy nety namaly io tolo-kevitra io. Inona no dikan'izany? Mahatsapa ihany ry zareo fa tsy haharesy na oviana na oviana rehefa tena anontaniana ny amin'ny heviny mihitsy ny mpankasitraka izao fanonganam-panjakana mivantana ataon'ny tafika amin'izao fotoana izao. HIta tsara fa na ilay lehiben'ny tafika "vaovao" aza dia nitsipaka marindrano io fitsapa-kevi-bahoaka io. Manontany anareo rehetra manantsaina eto amin'ny aterineto manohana izao fanonagnam-panjakana izao indray aho. Ahoana? sahy ve ianareo amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka fa omena anareo ny minisiteran'ny atitany? saino ary ny antony isalasalanareo...

Nahoana ary Ravalomanana no nanaiky, na nanao io tolo-kevitra io e? Amiko, izany no tena fomba demaokratika arahin'ny firenena rehetra fa tsy izao mifampizara seza lava izay handaniam-bola amin'ny tsy misy dikany izany. Io no lalana tsotra indrindra amin'ny marimaritra iraisana nefa hifamely ambadika hatrany tsinona. Nefa tsy io ve ny fomba tsara indrindra? raha heverina ho 30% ankehitriny ny salam-pitokisana ny filoha frantsay Sarkozy no manao ny tahaka izao ataon-dRavalomanana izao dia miala ho azy izany i Sarkozy! Anontaniana fotsinyhoe ekena mbola hitondra sa tsia, dia atahorana mafy! Mbola samy hotsarain'ny tantara ary isika rehetra!

Fanontaniana manaraka? Nahoana ny mpanohana an-dRavalomanana no vonona hiaro azy ankehitriny, miaritra ny hatsiaka sy ny orana mety ho avy, miari-tory, vonona ny hisedra fahafatesana sy ny basy aman-tafondron'ny miaramila? Tsotra! mahatsapa izy ireo fa voahosihosy ny safidiny ary indrindra indrindra ny fiandrianam-pireneny. Resy lahatra izy ireo fa misy firenena vahiny te-hamotika an'i Madagasikara amin'ny fomba rehetra rehefa tsy ho "voazanaka" amin'ny fomba ankolaka nahazatra azy hatramin'izay. Lasa mariky ny fitiavan-tanindrazana, nolovaina tamin'ny Menalamba rehefa resy teo anoloan'ny tafiky ny mpanjana-tany ny tafika malagasy talohan'ny fanjanahantany. Tsaroanareo ve? Ny hasin'ny mpanjaka Ranavalona III ihany sisa no fantatry ny Menalamba tiany arovana fa ny hafa rehetra tsy nisy noraharahiany intsony. Dia tahaka izany koa ny ankehitriny. Lasa ny sata sy ny ain'ny filoham-pirenena sisa no mariky ny fiandrianam-pirenena Malagasy amin'izao fotoana izao. Toy ny adidy ny miaro izay sisan'ny fiandrianam-pirenena Malagasy izay. Mahazo maneso ny taranak'i Rasanjy rehetra, raha tojo fahafatesana ireo olona ireo, saingy tsy ho adinoin'ny tantara na oviana na oviana izao hetsika fiarovana ny filoha sy ny ainy izao.

Manaraka izany, misetra ny tafika eo aminy ihany ireo mpanohana an-dRavalomanana ireo. Mampahatsiahy tantarana firenena iray izany dia i Chili nialoha ny fitondrana miaramila sy jadona nataon'ny mpanongana azy: Fantatrao ve na tadidinao ve fa nisy izany Salvador Allende Gossens izany? Olo-tsotra no niaro ny lapany tompoko ary ny tafika tao aminy ihany no nanafika ireo olo-tsotra ireo. Tany amin'ny taom-polo 70 izany ry zareo. Ankehitriny, eto Madagasikara indray no misy izany toe-javatra izany. Tsarovy fa na ho inona vokatr'izao fanonganam-panjakana izao na ho inona, hipetraka eo anivon'izao tontolo izao ny tantara fa nisy izany Madagasikara izany, olo-tsotra no niaro ny filohany ary ny tafika tao amin'ny kosa no mitetika ny hisambotra, na hamono ny filoha... tantara hampisaina ny taranaka aoriana hieritreretany fa nisy izany Malagasy maro niaro ny safidiny izany, na dia teo aza ny fahalemen'ny filohany. Ho henatra ho an'ireo nanafika kosa ka ho afeniny tsy hampahafantariny ny taranany fa izy ilay nitam-piadiana hanafika filoham-pirenena manana olo-tsotra maro vonona ny hiaro azy na dia eo aza ny hery tsy mitovy!

Koa na iza ianao mpamaky na iza! na inona safidinao na inona! efa manana tantaram-pitiavan-tanindrazana ho reharehan'i Madagasikara sahady ny mpanohana ny filoham-pirenena Ravalomanana amin'izao fotoana izao. Soa ihany aho fa tsy ao anatin'ny tafika amin'izao fotoana izao na dia nofinofy fahakely aza izany ho zandary izany! Mahazo mihomehy na mitsiky ianao izay tsy mankasitraka ny fanolora-tenan'ny mpanohana ny filoha saingy tsarovy fa ho tonga eo amin'ny feon'ny fieritreretanao ihany, ary ahiako hisandohanao aza izany hoe... "izahay niaro an-dRavalomanana fony nanongana azy ny miaramila" tahaka ireo be dia be milaza ny tenany ho mpitolona menavazana tamin'ny 1947. Farany, ianareo mpamaky ny bolongako... tadidinareo ve ny ankamantatro hoe inona no hitranga amin'ny 18 marsa 2009 izay andro faha-77 amin'ity taona 2009 ity? Milalao ny isa ahafantarana an-dRavalomanana ihany koa ny mpanongana azy amin'izao fotoana izao ka ny hany ambarako anao etoana: izao alatsainainy alina, ny talata ary ny alarobia izao no ho mafy indrindra ny fiarovana ny filoham-pirenena (ny talata alina indrindra indrindra)... Izay ihany no hambarako  fa tsy hilaza ny tohiny aho na dia efa fantapantatro aza izany! (mbola tony aloha ny eny Iavoloha amin'izao ora anoratako izao)

Ity misy zavatra noadinoiko!

Mahalasa     saina ahy lalina ity: Nahoana no amin'izao fotoana izao fa hanendry ny masoivohony ny Frantsay? Mahavariana io toe-javatra io, ary manahy aza aho fa mety io mihitsy no mitondra mpikarama an'ady hafa any na mpiara-miasa ho amin'ny fanakorontanana an'i Madagasikara. Tena tsy mino kisendrasendra amin'ity raharaha ity aho tsinona.
 
 
 
 
jentilisa 17 marsa 2009  amin'ny 00:28

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Martsa 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox