Indro indray omena anareo ny antso nataon'ny filoha Marc Ravalomanana androany alakamisy 28 mey 2009 tao amin'ny radiô fahazavana.
Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana izay mijoro sy mitaky ny ara-dalàna. Kely sisa dia olona afaka indray ny vahoaka malagasy. Midika izany fa ireo izay nisafidy nandika lalàna tamin'ny endrika maro dia hofaizina araka izany rehefa tafaverina ny ara-dalàna sy ny filaminana eto amin'ny tany sy ny fanjakana malagasy. Hotsaraina ihany koa ireo miaramila sy zandary ary polisy izay mbola manampy sy manohana an'i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany amin'ny fandikan-dalàna rehetra ataony raha vao manapa-kevitra ny fianakaviambe iraisampirenena, tonga ny fotoana hamerenana ny fitondrana ara-dalàna sy ny filaminana ary ny fandriampahelamana eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara.
Miantso ireo miaramila, zandary, pôlisy rehetra tia sy filaminana sy fandriampahalemana aho ary manao ny asany amin'ny fiarovana ny aina sy ny fananan'ny vahoaka hametra-piadiana avy hatrany rehefa tonga ny fotoana asaina hanaovany an'izany. Iharan'ny sazy faran'izay henjana izay tsy manaiky an'izany.
Ireo olom-pirenena tsotra izay niharan'ny asan-jiolahy sy ny tsy rariny nataon'i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany dia iangaviana tsy hanelingelina ny asan'ireo mpampandry tany. Manampy antsika izy ireo hamerina ny ara-dalàna koa avelao hanao ny asany ary omeo tanana raha misy ilàna izany. Miantso ireo olom-pirenena tsotra aho, izay niharan'ny asan-jiolahy sy ny tsy rariny nataon'i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany. Aoka tsy hisolo ny asan'ny Fitsarana. Fantaro tsara ary tadiavo ireo nanao asan-jiolahy. Rehefa tafaverina ny ara-dalàna dia manaova fitoriana eny amin'ny manampahefana. Hosamborina izy ireo ary hotsaraina sy ho faizina araka ny lalàna.
Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana mijoro, mitaky ny ara-dalàna : Ampaherezo ny tapaka sy ny namana, ny fianakaviana, ireo mpiara-mitolona amin'izao fitsapana mamaivay diavin'ny firenentsika izao. Sahia mijoro hatrany ao anatin'ny firaisankina. Hifandray aminareo tsy tapaka aho, hilazako aminareo ny fandroson'ny tolona ataontsika ho an'ity tanindrazana malalantsika ity. Mahereza, manàna finoana, momba antsika mandrakariva Andriamanitra.
Ravalomanana Marc, 28 mey 2009
Henjana dia henjana izao kabary izao. Tena fitsapana mahamay tokoa. Nisy ny fomba fitenanana iray manao hoe mora ny manomboka ady fa sarotra kosa ny mamarana azy. Dia tsy maintsy ho tonga amin'izany ady izany ve ity tanindrazana malalantsika ity? Samia ary mieritreritra!
jentilisa, 28 mey 2009
Resaka roa samihafa no lazaina fa nataon'ny filoha Ravalomanana ny andron'ny alarobia 26 mey 2009. Ny voalohany dia nalefan'ny radio fahazavana ny maraina, mazava tsara ilay feo fa tena ny filoha Ravalomanana. Ny faharoa kosa dia ny resaka nandritra ny fihaonan'ny mpandala ny ara-dalàna teny amin'ny Auditorium Ankorondrano ny atoandro fa nampisalasala ahy tanteraka ilay feo. Tsy matoky io faharoa io aho saingy avoakoako ihany aloha :
Ny kabary ny maraina tao amin'ny radio fahazavana
Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana ary mitaky sy miady ny famerenana ny ara-dalàna, miarahaba anareo aho.
Ankehitriny i Madagasikara dia tarihin'ireo antokon-jiolahy manana tetika maizina sy miafina, tarihan’i Andry Rajoelina ary tohanan’ny frantsay sy ny firongony. Ny tanjon’izy ireo dia hanjanaka indray an’i Madagasikara, ary ny hanandevozana ny Vahoaka malagasy. Ny tetika feno fitaka vaovao ataon'ny frantsay amin'izao fotoana izao mba ialana amin’io savorovoro naterany, dia ny fampiharana ny fifanarahana vaovao ataony amin’i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy manohana azy. Ny zavatra kendren’izy ireo dia ny hisian’ny adim-poko eto amin'ny firenentsika.
Ny mpitondra an’i Madagasikara ankehitriny dia saribakolin’ny frantsay. Miasa miaraka akaiky amin’ny frantsay izy ireo, ka ampiasainy ny fomba rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny fampihorohoroana, ny fanenjehana, ny fanagadrana, ny famonoana ny vahoaka malagasy izay hita fa mijoro sy sahy mitaky ny ara-dalàna amin'ny ra-dalàna mba hahafahan’izy ireo mifikitra eo amin’ny fitondrana izay tarihiny. Mihevitra izy ireo fa izany fihetsika sy herisetra, fahefana izany no manome zo azy handika lalàna. Tsy izany velively anefa ny safidin’ny Vahoaka malagasy.
Tsy tian’ny frantsay handroso mihitsy i Madagasikara. Izy ihany no tiany hahazo tombotsoa. Avelany hanapotika ny fotodrafitrasa sy hanimba ny fananan'ny olona ireo olona baikony sy karamainy ireo mba tsy hampandrosoana an’I Madagasikara tsy hampivoatra ny fari-piainan’ny Vahoaka malagasy. Ireo andian-jiolahy tarihan’I rajoelina dia tsy manam-pikasana hafa, afa-tsy ny hanapotika ny fandrosoan’ny toe-karena Malagasy amin’izay dia mahantra ny Vahoaka Malagasy.Hahatongavany amin’izany dia efa notafihany ireo fananam-panjakana sy ny fananan’olon-tsotra toy ny fangalana vola tao amin’ny Banky Foibe, tao amin'ny “Assurances”, izay fananan’ny firenena Malagasy.
Amin’izao fotoana izao dia miezaka i Andry Rajoelina, ampian’ny frantsay, handresy lahatra ny firenena miteny frantsay rehetra. Ny tanjon’izy ireo dia mba hahazony ny fankatoavana sy ny fanohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, amin’ny fandikan-dalàna izay ataony. Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana, manana fahasahiana sy mijoro manohana ny ara-dalàna, hanao izay tratry ny heriko aho,ary hampiasa fahefako sy ny fahaizako handrodanana haingana io fanjakan’ny baroa tarihin’I Andry Rajoelina sy ny mpanara-dia azy io mba hamerenana indray ny ara-dalàna eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Hahatongavana amin’izany anefa dia tsy maintsy nitety ireo firenena maro, nanazava ary nangataka fanampiana. Nanaiky daholo ireo firenena ireo hanampy antsika. Ho hambarako aminareo atsy ho atsy ny mikasika izany. Koa ambarao amin’ny Malagasy mpiray tanindrazana amintsika izao resaka ataoko aminareo izao. Ary mahereza fa mahatsiaro anareo mandrakariva am-bavaka aho.
Momba antsika mandrakariva Andriamanitra!
Ny antso nandritra ny fihaonana teny amin'ny Auditorium
Ny antso nandritra ny fihaonana teny amin'ny Auditorium kosa dia ilay kabary mampisalasala, satria badalela izany ilay feo, kentsokentsona ary misy fiangolam-piteny tsy fantatro ho avy aminy velively. Enga anie mba ho fanafainganana oronam-peo no nahatonga ny fiovam-peo tsapako satria tahaka ny haingam-piteny loatra ilay olona no niteny nefa tsy tezitra (Tsoriko aloha fa feon'i Raharinaivo Andrianatoandro kokoa no fahenoako ity kabary ity fa tsy an-dRavalomanana velively), mampisalasala ihany koa ny fiatoam-piteniny, Misy ihany anefa ny marika toa ilazana fa izy no miteny. Indro ampitaiko ihany na dia izany aza:
Miarahaba anareo vahoaka marobe tonga eto amin'ity toerana ity aho. Manahoana daholo ianareo e!
Mahatsiaro aho ary mankasitraka mandrakariva ny fitiavana ao anatinareo ao, ny fandaminanareo rehetra... izay hihaonantsika tsy ho ela, minoa ahy ianareo fa tsy maintsy hotanterahintsika izany. Mahatoky aho, mahatoky aho fa mahalala ny tokony ataony ny vahoaka Malagasy ary ho saro-piaro amin'ny fitiavan-tanindrazana ka dia enga anie izao fihetsika ataontsika rehetra izao, izao fikarohana vahaolana izao mba ho tanteraka hatramin'ny farany ary tsy matahotra isika satria momba antsika Andriamanitra. Ny zavatra anakiray tokony homarihina sy ampahafantarina anareo dia izao: Tsy hamelantsika mihitsy raha tsy miverina amin'ny laoniny ny filaminana ary ny lalampanorenana tsy maintsy hajaina toy ny anakandriamaso ary indrindra indrindra ny tany tan-dalàna.
Ary Mampahahelo dia mampalahelo ny mahita ny fijalian'ny vahoaka malagasy ankehitriny; miafina, mandositra, tsy mba manana izany zo maha-olona azy izany. Tena mangirifiry ny fiainana ankehitriny ka hoy aho ry vahoaka malagasy : Samia manao araka izay azo atao mba hiarovana ny ara-dalàna. Ny zavatra tiako ampitaina farany : Aoka mba samby hitovy ny fomba fijerintsika ary hiara-hientana isika handresy an'izao hetsika sy fandrobana ataon'ny sasany izao, fandrobam-pahefana, ary indrindra indrindra ny fiadiavan'ny sasany hanasarahana iindray ny firenentsika, tsy manaiky an'izany mihitsy isika Malagasy, tsy manaiky an'izany isika.
Ny hafatra tiako apetraka aminareo ary dia samia, samia hoy aho aminareo manana ilay faharetana sy ilay finiavana manao zavatra. Satria izay ihany no ahafahantsika manatanteraka ireo ilay finoana ananantsika, indrindra indrindra ny fijoroantsika, ny fitiavana, izany entanin'ny fitiavana izany dia mahavita zavatra.
Izao hetsika ataonareo izao dia (...) amin'ny firenen-drehetra, ary miara-miasa amintsika ny firenen-drehetra dia mba manohana, ny firenena izay(?) toy ny firenena afrikana, ny eoropeana, ny aziatika manohana antsika avokoa, koa matokisa fa tsy maintsy hanampy antsika izy ireo. Holazaiko amainareo atsy ho atsy ny vokatr'izany fiaraha-miasa izany ka dia manantena isika, mino isika fa momba antsika Andriamanitra.
Mandrapihaona indray ary ry vahoaka Malagasy!
Hatreo ilay antso, rehefa mihaino aho dia tahaka ny mieritrritra fa misy tenin-dRaalomanana atsofotsofoka any anatiny any ka any amin'ny fehezanteny mampiahiahy mihitsy ny feony no toa misy fampirisihana ankolaka ny hoe tsy maninona ny mifampidinika toy ilay teny manao hoe "enga anie izao fihetsika ataontsika rehetra izao, izao fikarohana vahaolana izao mba ho tanteraka hatramin'ny farany ary tsy matahotra isika satria momba antsika Andriamanitra." Miharihary anefa fa ny tanjona tokan'ity fifampidinihana eny amin'ny Carlton amin'izao fotoana izao ity dia ny hampaneken'ny Firenena ivelany ny fitondran'ny mpanongam-panjakana. Izay no fahitako azy. Azo atao ihany koa ny maka ny antsipiriany toy ny hoe "miara-miasa" tsy fitenin-dRavalomanana fa miasa miaraka no fiteniny.
Amiko : Namadika ny tolona ny mpitarika ny mpandala ny ara-dalàna teto an-toerana.
Fa na izany na tsy izany dia tsy ekeko mihitsy ny dinika ataon-dry zalahy milaza ho misolo tena an-dRavalomanana amin'izao fotoana izao. Raha ny hitako tamin'ny fahitalavitra dia nolazainy fa resaka momba ny famotsora-keloka mihitsy no hfampidnihana. Ny mivoaka amin'ny vaovao anefa avy eo dia vita ny fizaran-tseza eo amin'ny efa-tonta nifampidinika. Hatreto dia tsy hita akory ny resaka fanafahana ireo mpitolona mpandala ny ara-dalàna nalaina an-keriny rehetra. Tsy tezitra tahaka ny talata 26 mey 2009 indray aho satria maika ny hifampizara seza no hitako ataon-dry zalahy rehetra tao. Raha izaho manokana dia tsy manaiky izay famadihana nataon'ny solontenan'ny mpandala ny ara-dalàna izao aho. Tsy maintsy lazaina isan'andro ve izy ireo fa tsy ilaina ny fifampidinihana amin'izao endriny izao? Ny hitako ihany koa dia maro amin'ny mpanaraka azy (izay nijery tvplus) no tezitra tamin'izay nilaza ho solontenan'ny fironana notohanany avy. Samy miteny avokoa moa ny rehetra fa tsy fitiavan-tanindrazana mihitsy no taratra tao fa fitiavan-tseza mibaribary! Efa mba nampitandrina ihany ny tena fa tsy noraharahiana!
Na izany aza mahavelombolo ny mahita fa mety hihetsika hanohitra ny fahatongavan'i Dada eto Madagasikara ny tarik'i Alain Ramaroson amin'ny Sabotsy ho avy izao. Mahaelombolo satria hampiakatra ny hafanampon'ny mpadala ny ara-dalàna samy haneho ny hamaroany fa enga anie tsy hihaona na ho tafahoana an-dalana kosa. Raha izaho, tsy mampaninona ny mifanena amin'izy ireo fa tsy tsy fahazakana ny hevitry ny hafa mankamin'ny fanaovana herisetra eo amin'ny samy sivily kosa no tsy laitra. Mahavelombolo satria ny mpikambana ao amin'ny HAT ihany koa izany no hanatontosa hetsika politika izay raràn'ny ao amin'ny FAT amin'izao fotoana izao. Efa fahitana fikoropahana eo amin-dryzareo ihany izany aloha amiko. Na izany aza, ny hatao amin'ireto mpitarika ny tolona namadika ireto no mety tsy hahitako tory amin'ity alina ity nefa efa miverina any Babylona tsy mahalala andro fialan-tsasatra indray ny tena amin'izao fotoana izao.
jentilisa, 27 mey 2009 amin'ny 00:33
Dieny mbola Asabotsy alina izao, ary mbola misy ny alahady ahafahana mifampita hafatra tsara, dia ampitaina amin'ny rehetra ny hafatra napetraky ny filoha Ravalomanana, ka ampitaina tsara amin'ireo mpitari-tolona ho fantany tsara fandrao diso fihaino na tsy nandre tsara ny tenin'ny filoha Ravalomanana nanoloana ny mpanohana azy sy ireo mpandala ny ara-dalàna teny amin'ny Auditorium io sabotsy 23 mey io ry zareo. Nandaniako fotoana mihitsy ny namadika azy an-tsoratra ary mety misy ny fomba ahafahanareo mpamaky eto an-tserasera mihaino azy koa; dia tsakotsakoy tsara izay voambara fa aza ahodikodina intsony ny resaka.
Ny kabarin'ny filoha Ravalomanana
Ry vahoaka marobe tokoa, miarahaba anareo amin'ny foko manontolo mihitsy aho. Tsy ho ela intsony dia ho tonga eto Madagasikara aho fa aza matahotra ianareo. Ny zavatra anankiray tiako horesahina sy lazaina aminareo dia izao : iarahantsika mahita tsara ireo mampiady sy sy manankorontana ary mampivahavaha ny fifampatokisana, fa minoa ianareo ahy fa ny zavatra resahiko sy ny zavatra ataontsika tsy maintsy mipetraka amin'ny fifampatokisana tanteraka, noho izany rehefa misy mitady hampizarazara ny tolona ataontsika, aza manaiky izany ianareo fa izay teneniko anareo fa tena manohana sy miady hatramin'ny farany ary amin'ny fo manontolo, io ihany no marina.
Maika dia maika ny ezaka ataontsika sy ny tolona ataontsika ary ny fitakiantsika ny ara-dalàna dia Miantso anareo aho, ary milaza aminareo mba hiray hina tsara, ary ho hita ihany ny olona mivadika palitao... (tsy heno tsara fa lasa tombandresaka na teny manakainy ny anaty fononteny: ho hita ihany ireo olona nivadi-dela hatramin'izay)...Matokia ianareo ahy. Matoky ireo solombavambahoaka izay miaraka amintsika sy manao araka izay azo atao sy ireo mpitolona miaraka amintsika rehetra aho, matoky an'izy ireo aho.
Ny zavatra tiako horesahina ho henon'ireo vahoaka marobe ireo, ianareo milaza sy mandeha mankany amin'izay hoe négociation : Tsy mila mi-négocier amin'izany hoe tsy mifanaraka amin'ny zavatra takiana vahoaka. (Fa ny zavatra tokony hifanaraka dia hoe) ahoana no ahatongavana haingana miverina aty Madagasikara ahafahako mitarika sy mampandroso ny firenentsika, miaro ny vahoaka amin'izao fampihorohoroana izao. Tena maha-te-hidera sy mahavaky vava ny olona rehetra erantany ny fitiavan-tanindrazana asehonareo amin'izao fahatongavanareo isan'andro isan'andro izao. Tohizo, tohizo hoy aho aminareo, [tsy heno tsara eto: ireo firenen-drehetra] (...) izay manampy sy manohana antsika hatramin'ny farany mba hiverenan'ny ara-dalàna; ka aza manaiky hosaratsarahina na ravaravan'ny sasany fotsiny fa misy ny mihatsaravelatsihy, misy ny mivadibadika, ary misy dia misy tokoa ireo mila [ranondranony angamba ny saiky holazainy fa niova tampoka ny fitohizanteny] fitiavantena, ireo tia kely ka tsy hijery afa-tsy ny azy ihany.
Henoy tsara ny kabary nataoko ho ren-tany ren-danitra tamin'ny teny anglisy, teny frantsay ary teny malagasy fa mitaky ny hamerenana ny ara-dalàna ny vahoaka malagasy ary mitaky tsy misy hatak'andro ny hamoahana ireo mpiara-mitolona amintsika satria tsy ara-drariny ny hanagadrana azy. Ary mitaky indrindra indrindra ny fahafahana maneho hevitra na oviana na aiza na aiza ny toerana hanaovana izany. Ry vahoaka Malagasy, firenena manana ny maha-izy azy ny firenentsika, manana ny fiandrianany ary indrindra indrindra manana ny Lalampanorenany. Tsy maintsy ataontsika, antsoina izao tontolo izao hanampy antsika hiverenako eto Madagasikara. Minoa ianareo ahy fa tsy adala ireto vahoaka ireto (tapaky ny horaka:) Amin'izao iresahako mivantana amin'ny vahoaka izao, ho anareo mpanao hoe négociation ireo : tsy ilaina ny ifampiraharahana izay olona tsy hita izay nataony [Aza mankany fa miala maina any] fa aoka izay! lany andro fotsiny. Ahoana ny mbola hanekentsika ny hanohizana ny fifampiraharahana nefa ireo namantsika gadraina, ireo olona samborina, ary indrindra indrindra ny iverenako any mbola sakanan-dry zareo. Inona no tokony ifampiraharahana amin'ireo? Ho hitantsika vahoaka izay azo atao mba hihaonana indray fa minoa ianareo ry vahoaka, matokia ianareo fa tsy maintsy manao izay rehetra azoko atao aty miaraka amin'ny firenen-drehetra aho, ny SADC, ny African Union mba hahatonga antsika hihaona indray mba hametraka amin'ny toerana maha-izy azy an' i Madagasikara. Fa dia faly aho afaka milaza aminareo androany, faly aho afaka mitafa sy midinika aminareo, ary indrindra indrindra faly aho mahita anareo tonga marobe toy izao. Fitiavan-tanindrazana izao ary horaiketin'ny tantara rahatrizay. Koa dia minoa ianareo fa tsy mamela antsika ho irery Andriamanitra fa manampy antsika.
Koa dia mahereza, manàna faharetana fa ho avy i dada. (horaka tsy ifandrenesana tohizan'ny olona hoe : Any amin'i dada ny lakile). Ary amin'izao fotoana izao mbola milaza ihany aho, satria ireo mitarika sy milaza fa hoe manankevitra ny hisian'ny hivoaran'izao fahasahiranana ara-politika eto Madagasikara izao. Raha mbola tsy manampy amin'ny famerenana an'i Madagasikara [ho any amin'ny ara-dalàna angambany tokony ho tohiny] izy ireo dia ho lany andro fotsiny, satria ny anton'ny nahatonga ny olona hivory isan'andro isan'andro eto amin'ny Magro sy amin'ny toeran-kafa dia mitaky ny hiverenako, hamerenana ny ara-dalàna manaraka ny Lalampanorenana, ka ireo olona tsy momba an'izany dia tsy namantsika izany. Ka dia hoy aho aminareo hoe : Fantatra ary miseho ireo olona izay tia tena mitady seza fotsiny ary hita eny ihany koa ireo olona tsy matahotra ary tsy mieritreritra mihitsy ny ain'ny sasany, ny fijalian'ny hafa, fa dia mbola mpitahorina sy rahonana. Alaina ny fananany any an-tokantrano. Atao izay hampijaliana azy amin'ny alalan'ny vady aman-janany na amin'ny alalan'ny tenany. Takiantsika aloha ny amoahana ny praiminisitra miaraka amin'ireo parlemantera, Takiantsika ny ahafahana milaza an-kalalahana ny safidin'ny vahoaka. Takiantsika ny hiverenako haingana sy maika any Madagasikara. Minoa ry vahoaka Malgasy, minoa ahy ianareo fa tsy ho ela ho'aho isika manao izany, ary homba antsika mandrakariva Andriamanitra. Ka dia mametraka ny veloma, Mandra-pihaona indray fa mbola hiresaka aminareo aho amin'ny manaraka indray, fa manaova foana ny hetsika ataonareo ... Samia ho tahian'Andriamanitra.
Ny nanohizan'ny depiote Yves Aimé Rakotoarisoa (Mémé) azy
Notohizan'i Meme izay tapaka kabary noho ny antson'i filoha ny resaka ary nanao karazana famintinana sy manambara izay tokony hataon'ny delegasiona manaraka indray izy: Eny ary, Mazava izany ny tenenin'ny prezidà izay filoha mpitarika antsika teo fa raha tsy ny fiverenany, ny famoahana ireo namantsika izay nosamborina (dia) tsy misy dinika intsony fa miala an-databatra. Izahay koa dia efa ela no saiky haka izay fanapahan-kevitra hoe hiala ambony latabatra, ka dia izao : ny fifamotoana napetraka taminay talohan'ny nitenenko teo izay notenenin'ny prezidà ho mitohy ny fisamborana sy anona dia izay izany no tenin-dry zareo, ka ny angatahinay koa dia ry zareo nametraka ny hoe tsy azo atao ny mamoaka ivelan'ity efitrano ity ny dinika, ka izay no itenenako amintsika hoe miala eto dia tsy manao tatitra mihitsy fa dia hanatanteraka ny fitakian'ny vahoaka sy ny hafatry ny filoha Ravalomanana ka araka ny nambara teo dia efa izy tenany no niteny. Ny voalohany izany vao miditra ny efitrano dia efa tenenina ny hoe: Hampiverina an'i dada ve ianareo sa tsy hampiverina? Dia raha mandeha ny adihevitra ka tsy miroso mankany amin'ny tenin'ny filoha teo dia tsy mankeo an-databatra intsony izahay. Iray izay.
Faharoa, dia hoe ahoana ny amin'ireo namanay izay migadra? Satria ny teneninareo teo dia hoe ny aty ivelany no tsy samborina intsony sy tsy kitikitihina fa hoe ahoana ireo efa any? Dia avoaka koa izany ireny fa raha tsy izay, tanterahina araka ny teniny teo ihany satria teo dia nilaza ny prezidà Ravalomanana dia manao marche arriere koa izahay, miala eo ambony latabatra.
Eo anatrehan'izay anefa, araka ny hafatro tamin'ny voalohany... dia miatrika izay amim-pahamalinana isika ary miatrika izany koa amim-pahamendrehana. Tapitra hatreto ny teniny noraisiko.
Fanamarihana avy amiko mpamaham-bolongana
Efa nilaza ihany ny filoha hoe tsy misy ny dinika atao raha tsy efa tonga eto an-toerana ny tenany. Gaga ihany anefa ny tena raha nahita fa mbola nandehanana ihany ilay dinika efa noraràna tsy ho aleha. Namboamboarin'ny depiote Andrianatoandro Raharinaivo moa ny resaka ka nataony hoe: tsy dinika no ataonay fa "dinika savaranonando". Na inona na inona filaza azy efa misy teny hoe dinika ihany ao, ary efa fantatra ihany ny hafetsifetsen'ny sasany sasany ka andrao voafandrika any, araka izay efa nosoratako teto omaly ihany ka mamily ny resaka sahady vao eny ampanombohan-dresaka. Efa nambaran'ny filoha Marc Ravalomanana ny tsy tokony andehanana midinika tamin'ny zoma heriny (15 mey 2009) nefa dia hitantsika moa ny tohiny fa nisy naditra tao.
Ny antony mbola tsy ilàna ny dinika dia noho ireo olona mbola voasambotra noho ny antony politika mazava be. Raha mandeha ny dinika nefa ireny tazonina any dia toa tsy firaharahiana azy ireo izany. Misy amin'izy ireny manko ny tokony hisolo tena amin'izay dinika tokony atao nefa sakanana. Ankoatra izany, mbola misy koa ireo olona voatery miafina noho ny fandrahonan'ny miaramila azy ireo, nefa mety misy tokony hisolo tena ny mpanaja ny ara-dalàna amin'izay dinika tokony atao koa izany. Misy izany ireo tokony hisolo tena no alombona ankolaka ny vavany. Tsy mampitombina loatra ny fifampidinihana izany.
Notenenin'ny filoha mazava tsara tamin'ity sabotsy 23 mey ity, na dia somary takon'ny horaky ny olona aza ka izay no amerenako azy an-tsoratra, fa tsy mila mankany amin'ny fifampidinihina mihitsy ny solontena. Izany hoe tsy ilaina akory ny miditra ny efitrano hanaovana ny fifampidinihana ka mangataka fepetra na manontany ireo hafa ao amin'io efitrano io fa miandry am-pilaminana miaraka amin'ny mpanao fihetsiketsehana ny mpitari-tolona sy ny solontena rehetra tokony ho any. Koa miangavy re! ampitampitao any amin'ny rehetra any ny hafatry ny filoha, ry mpanohana ny ara-dalàna. Aoka tsy hanatrika izany fifampidinihana izany mihitsy ianareo fa maro ny tokony ho solontenantsika amin'izay mety ho dinika no mbola tsy tafiditra eto Madagasikara, mbola notazonina any am-ponja, ary mbola miafina noho ny fandrahonana isamborana azy. Nandray ny andraikitro aho tsy hanimba ny tolontsika mpandala ny ara-dalàna ka izay manana fifandraisana amin'ireo solontena amin'izao fotoana izao aoka hampita aminy izao hafatra izao ary hihaino tsara ny antson'ny filoha Ravalomanana.
Efa hita ihany koa fa nanome baiko ny solontenany ny filoha Ratsiraka tsy hanatrika intsony ny dinika tokony hitohy amin'ny alatsinainy ka ny antsika indray ve no mitady hadi-doha amin'izay resaka mety tsy ho vanona sahady... dinika mandany andro hoy ny filoha izay eo ambony eo?
Araka ny hitantsika any amin'ny forum any dia miala any koa ny karazana fanimbana ny tolona tsy hisy intsony. Velombelomina fatratra ny teny hoe "rehefa tsy avotsotra ny gadra" dia amboarina amin'ny fanaovana azy ny "Savonnérie tropicale". Tena famadihana ny tolona sy familiana lalana azy tanteraka izany fidirana amin'ny faimban-javatra izany. Fandrika mivelatra ataon'ireo tsy mataho-tody sy te-hamadika ny tolon'ny mpanaja ny ara-dalàna izany.
Aoka koa hodradradradraina eny amin'ny Auditorium Ankorondrano amin'ny alatsinainy 25 mey 2009 fa tsy mila manimba zavatra izany isika, koa raha misy, na iza na iza manao izany fanimban-javatra sy fandoroana trano izany, tsy avy amintsika ireny ka raha misy ny manao izany dia sambory fa tsy ny avy eto amin'ny Auditorium mihitsy no manao izany. Tetika fanimbana ny tolona izany. Io karazana herisetra io no nampihemotra ny maro tamin'ny mpankasitraka ny TGV izay nihemotra. Koa aza fady : Melohy avy hatrany ireo rehetra mitady hanao izany fikasana mamoafady izany. Tsy amin'ny fanaovan-dratsy velively no hamaliana ny mpanao ratsy fa mampietry anao ho mpanao ratsy izany. Tsy azo entina amin'ny fo velively ny tolona fa ireny fandoroana tamin'ny 26 janoary 2009 ireny dia tetika efa maty paika hatrany amin'ny miaramila, fampielezam-peo maro, mpamonjy voina (afo), izany hoe tamim-pisainana fa tsy noho ny fo rano mandroatra velively. Adala ianao raha resy lahatra amin'izany fandoroana izany.
Ny fanentanana mivily lalana tahaka izao indrindra no nahapotika ny MDRM tamin'ny 1947, ny olona hafa araka ny fiheviny no manangana ady tsy ampy fitaovam-piadiana hamelezana ny fahavalo (Jiny) dia ny mpikambana tsotra amin'ny MDRM tsy nanao na inona na inona no nogadraina sy novonoina ary nampangaina ho izatsy sy izary. Efa mihamanatona indray ve ny fandresena vao hanao hadalàna e!
nampiana tamin'ny alahady 24 mey 2009
jentilisa, 23 mey 2009 amin'ny 23: 16
Ho fanombohana dia indro ny kabarin'ny mpanao gazety Evariste nandritra ny fihetsiketsehana teny Ankorondrano ny zoma 22 mey 2009 : Miarahaba ny mpiara-mitolona teto amin'ny Magro. Efa elaela tsy nifandrenesana, 17 andro izay. Miarahaba daholo e! Mbola ao tsara daholo an? Voalohanteny dia mamerina ny fisaorana an'Andriamanitra Ray Tsitoha, izay mandahatra ny fandaharana rehetra nahatonga izao zavatra rehetra izao sy ny fahafahana, izay tsy azo adinoina mihitsy satria izay no tena anton'ny fahafahana. Faharoa manaraka izany, dia misaotra indrindra indrindra antsika mpiara-mitolona, izay araka ny tatitra, izay heno ihany ny akony na dia sarotsarotra aza ny fifandraisana. Avy amin'ny vavaka nataontsika iray manontolo no nahatonga ny fahafahanay tahaka izao. Fahatelo, dia misaotra ny fianakaviana tsy nitandro hasasarana tamin'ny fanampiana, fanateran-kanina nanomezana hery tany amin'ny toerana misy anay tany.
Fahaefatra dia tsy hay ihany koa ny tsy hisaotra ny namana mpanao gazety maro be izay nanohana hatramin'ny farany, ary henonay foana. Tsy mbola nisy fihetsehan'ny mpanao gazety tahaka izany araka ny fahatsiarovanay nanaovanay ity asa ity. Ka dia tohizo ry zalahy a! aza matahotra miteny ny marina izany, fa na dia tsy mahitsy ary ny filazana azy, misy fomba hafa azo hitenenana ny marina izany foana. Ary mahatonga ny asantsika ho kanto ny filazana ny marina somary misy ohabolana sy ny hainteny sy ny karazany izany fa aza kivy mihitsy e! Ny marina tsy maty izany, fa fisaka io saro-tadiavina.
Dia misaotra ireo izay nandefa anay tany amin'ny fonja ihany koa. Soa mba nisy mpanao gazety niaina tany hitantara ny zavamisy marina fa misaotra azy. Hisy ny fotoana ahafahana mitantara ny zavatra fa misy fotoanany daholo ny zavatra rehetra. Asaivo ampitaina amin'ny tompon'andraikitra fa izahay vonona hatramin'ny farany ny amin'ny fitenenana tahaka izao. Tsy mitsoaka amin'izany isika fa isika milaza ny marina hatrany. Dia ity misy anankiray satria any amin'ny toerana itazonana anay tsy mahazo miresaka politika any, fa izahay mianakavy dia ireo solombavambahoaka, sy ireo mpiambina ny HCC (sy ny karazany ireny) dia afaka miresaka tsara izahay. Rehefa miresaka izahay dia miresaka zavatra hafa fa ny politika tsy azo resahina. Dia miara-mihira izahay, miara-mitendritendry gitara, miara-manala azy araka izany. Fa mbola angatahina amintsika ny mivavaka ho azy ireo fa izay no tena zavadehibe indrindra. Dia mba nisy ihany anankiray nampita ny resaka fa ny hany tenenina fotsiny dia hoe mahereza daholo. Izay ihany no hafatra nampitaina avy amin'ireo namantsika ireo. Salama tsara daholo izy ireo na misy anankiroa aza somary mba voan'ny isery kely ihany fa dia mifanohana tanteraka izy ireo ny any amin'izany toerana izany fa aza matahotra isika, fa tohizana hatrany ny tolona o! Mahereza daholo.
Fampitandreman'i Alain Andriamiseza sy Zafilahy
Tao amin'ny kabary nifandimbiasana ihany koa no nitenenan'Atoa Alain Andriamiseza tamin'ny mpitondra tao amin'ny FAT hoe : "raha toa ka tsy mivoaka mandrapahatongan'ny alatsinainy ireo namantsika migadra dia tsy maintsy mandray andraikitra izahay,(horaka) tsy maintsy handray andraikitra izahay manomboka amin'ny Talata rehefa tsy misy ny resaka mikasika an'izy ireo any amin'izay fifampidinihana izay atao any. Mbola manam-potoana isika roa andro hieritreretan'ny ao amin'ny HAT amin'izay zavatra tokony azo atao. Mangataka aminareo aho fahazoan-dalana manao izany. Izahay ao amin'ny Alliance democratique dia mamerina fa mandrapahatongan'ny alatsinainy, tsy misy ny zavatra mikasika azy ireo dia tsy maintsy handray andraikitra izahay Alliance democratique".
Namerina ihany koa ny depiote Zafilahy ho fampitandremana ny mpiara-mitolona kosa indray fa: "Aoka isika ho malina, aoka isika hitandrina tompokolahy sy tompokovavy, fa efa kely sisa dia hahomby ity tolona ity. Fa inona moa no takiantsika eto, dia ny fiverenan'i dada, fa raha tsy mitaky an'izay (isika) efa lasa nifindra tany amin'ny TGV. Fa matoa mbola eto isika mianakavy dia mitaky ny fiverenan'i dada tompokolahy sy tompokovavy. Ary izao no zavamisy, matoa isika mitaky an'i dada hiverina aty dia noho ny fitiavatsika azy. Noho ny asa soa (fampandrosoana) vitany ho an'ny tanindrazana. Dikan'izay matoky an'i dada isika mianakavy." Dia nametraka moa izy fa raha matoky an'i dada dia tokony hatoky ny olona izay notendreny any amin'ny dinika "savaranonando", ary ireo solontena ireo indray no mitatitra isan-kariva ny resaka fifampidinihana any amin'i filoha Marc Ravalomanana.
Niantso tao amin'ny matv Rtoa Rinah Rakotomanga
Ny vaovao hafa ankoatra izay, niantso tao amin'ny matv Rtoa Rinah Rakotomanga nilaza fa tsy voaroaka tao amin'ny ambasadin'i Madagasikara any Paris araka izay hita ao amin'ny aterineto izany ny tenany fa tafiditra soa aman-tsara ao amin'ny ambasady. Ny antony tsy nisokafan'ny Ambasady, araka ny filazany, tamin'ny alarobia teo dia noho ny fanamboarana ny vavahadin'ny ambasady fa tsy nisy izany fitokonana nataon'ny mpiasan'ny ambasady izany. Nilaza moa izy fa ao amin'ny ambasady mihitsy no miantso, ary handeha hody izy izao, mbola misy, araka ny nolazainy ny fifampidinihana amin'ny Gtt (miisa 25 eo ho eo) ao amin'ny birao ao ambony ao... fa efa mandeha ihany koa ny fikarakarana ny états généraux amin'izao fotoana izao. Dia anjaranareo any Paris indray no mamaly na manitsy izany tenin-dRtoa Rinah Rakotomanga izany raha misy ny madilana tokony hotentenina.
Ary farany androany kosa indray, hiverina kely amin'ny tolona aho: Ity Zoma 22 mey ity araka ny fijeriko azy no betsaka indrindra ny olona nanatrika ny fihetsiketsehana teny amin'ny Auditorium (tsy miresaka ny eny Ambohijatovo aho) raha ny sary no jerena, (tsy tany aho amin'izany fotoana izany fa ny sabotsy no mieritreritra ny ho any). Ny nanaovana tampoka ny andro ho andro tsy iasana ka nanararaotan'izay niasa no mety ho anton'izany fahamaroan'olona io andron'ny zoma io. Rehefa tsy hiasa ihany, hoy angamba ny olona, dia aleo mba mandeha eny Ankorondrano. manaraka izany ihany koa dia tsyfantatrona fanapahan-kevitr'iza na ahoana fa betsaka tamin'ny fefy fanitso namefena ny Auditorium sy ny magro Ankorondrano no noesorina (na nisy nangalatra) mba hahitan'ny eo ivelany ny hamaroan'ny olona ao anaty fefy. Betsaka tamin'ireo tsy sahy mitsiritsirika tao anatiny tao no gaga avy eo nahita ny hamaroan'ny olona mivory ao rehefa niala amin'izay ny fefy fanitso nanakona taloha. Mety hanome hery ny olona tsy mpankeny Ankorondrano nefa mpankeny Ambohijatovo ny tahaka izany. (Tena gaga mihitsy aho rehefa miresaka aman'olona mpandala ny ara-dalàna fa misy mihitsy ireo tsy mpankeny Ambohijatovo nefa mpankeny Ankorondrano ary misy ihany koa ny mifamadika amin'izany... noho ny halavirantany ve no mahatonga izany?)
Fa naninona no nahazo an'Ambohijatovo tamin'ny zoma sy sabotsy heriny?
Dia eto koa aho no manararaotra ny hevitra niposaka tao anatiko tao, mieritreritra ny antony namelana vetivety ny mpanaraka ny ara-dalàna hivory teo Ambohijatovo tamin'ny faran'ny herinandro lasa iny. Heveriko fa nisy tetika manokana ny namelana vetivety ny mpanohana ny ara-dalàna hanitsaka an'Ambohijatovo, dia ny fampisehoana amin'ny rehetra fa efa navoaka tamin'ny toerana nitazonana azy ilay nantsoin'ny mpiserasera manerantany azy hoe Razily, izay ihany. Angamba fifanarahana teo amin'ny minisitry fiarovana sy ny diplaomaty nankaty Madagasikara hitaratra ny fivoaran'ny raharaha ny hampisehoana an-d Razily ampahibemaso eny Ambohijatovo ho hitan'ny rehetra.
Eto ihany koa na izany aza no ahitana taratra ny fifamatoran'ny mpiserasera manaraka ny toe-draharaha eto madagasikara sy ny mpitolona tsy mahita izany aterineto izany. Ny mpiserasera dia mahalala azy soa amantsara noho ny fanentanana ny hanafahana azy, ary nisy aza ny 'fanangonan-tsonia' ho amin'izany firaisankinam-pitakiana izany. Betsaka ihany anefa ireo nanatrika ny fihetsiketsehana tamin'ny fotoana nandraisany fitenenana voalohany no tsy mahalala azy akory fa gaga manontany hoe "iza io". Vao nahita ny sariny tamin'ny vohikala iray manko aho dia nanontany izay fantatro ho mpankeny hoe inona no nambarany, fa tsy nifantoka angaha ny olona satria tsy fantany ny valeran'ilay olona aty amin'ny serasera dia tsy mahatadidy izay nolazainy. Tsy maintsy nohazavaina ary hoe ilay lehilahy nibaby kitapo menamena nitondra saina iny dia tadidiny fotsiny fa nisy izany olona izany tokoa niteny teny ambony sehatra.
Dia toy izany ihany koa ny tao amin'ny fandaharan'ny Tvm "Tahala" tamin'ny alakamisy alina teo izay niadian'i Alain Andriamiseza sy Ramasy Adolphe hevitra saingy indrisy moa fa efa hifarana ny fandaharana vao nahita aho. Tsy nahita akory aza fa nandre ny adihevitra ka taitra aho, satria namadibadika fantsona teo ny mpijery fahitalavitra tato an-trano. Tsy misy na inona na inona azoko nampitaina io fandaharana io noho izany. Tonga tao an-tsaiko tampoka avy hatrany fa fihatsarambelatsihy ataon'ny Tetezamita ankehitriny fotsiny ny fandaharana ataony fakana naoty, satria manko mandalo eto ny solontena vahiny maro mitady fifandaminana sy manao ny fampihavanana, fa raha vao lasa ireo vahiny miserana ireo dia ahiana ho nofinofy indray izany mpanohitra tafiditra amin'ireny sehatra ireny. Ny mahavariana, nefa tsy mampaninona satria fanararaotra ny zaatra rehetra, dia toa manaiky hofandrihina amin'ny zavatra tahaka ireny ny mpitarika ny mpomba ny ara-dalàna. Izany hoe ilaina ny antoka an-taratasy raha azo atao, na fanambarana ampahibemaso fa omena sehatra hatrany ny mpanohitra, dia ren'ny besinimaro ny fanambarana na an-tanana ny taratasy fiantohana fa malalaka ny fitenenana vao miditra amin'ny sahala amin'ireny. Manjary revo amin'ny vonjy tavanandro sy ny miserana hatrany manko isika raha tsy mba mandray fepetra matotra araka ny eritreritro.
jentilisa, zoma 22 mey 2009 amin'ny 21:52
Nisy fiovana kely ny fandaharan'ny radio fahazavana eto Antananarivo. Iray amin'izany ny nanjary nametrahana vaovao tselatra isan'ora ao amin'ity radio ity amin'ny maraina sy ny atoandro. Ny fiovana faharoa : Voatery naroso atsasak'adiny mialoha hatrany ny antso sy filazana ary fampandrenesana ao amin'ity fampielezam-peo ity. Mihabetsaka tahaka izany ihany koa ny dokambarotra azony. Nahoana no nihabetsaka ireny karazana fampilazana ireny? Mieritreritreritra ny mpandefa ireny fampilazana ireny fa mihabetsaka ny mpihaino ity radio ity. Mazava loatra moa fa ny filazana avy amin'ny fiangonana no maro an'isa aloha! Ny hira ao anefa dia niverina ho hira evanjelika avokoa, ka na hiran'ny mpihira tsotra aza dia hiram-bavaka no mandeha... androm-pisaonana sa androm-pifohazana?
Eo ihany koa ny antony hafa fa ny radio fahazavana irery no fampielezam-peo mandefa ny ampahany betsaka ny vaovaon'ny hetsika ataon'ny mpanohana ny ara-dalàna eny amin'ny Auditorium Ankorondrano, sy mahasahy milaza ny vaovao ampitain'ny any ivelany ka mifanohitra amin'izay ambaran'ny mpitondra ao amin'ny FAT, ohatra amin'izany ny filazan'ny PHAT fa "tsy iadian-kevitra ny maha-mpitondra tetezamita ahy", teny mampidi-droa tahaka ny te-hilaza ry zareo hoe manaiky ny fijoroan'ny tetezamita ny tany Lybia, nefa afaka ilazana ihany koa hoe tsy nety niady hevitra amin'ny resaka tetezamita ny filoha Lybiana Kaddhafi. Fa avy eo moa dia nilaza izy fa manaiky ny fijoroany ny filohan'ny Firaisam-be Afrikana ka ho avy amin'izay ny manaraka. Manambara ny vaovaon'ny hetsika ihany ny radio hafa saingy miserana ihany izany, fa tsy misy kosa ny mahasahy milaza ny vaovao mifanohitra amin'izay ambaran'ny FAT ankoatra ny radio fahazavana araka ny nambarako teo. Ny gazety taratra ihany koa no hita mametraka fampisalasalana amin'izay ambaran'ny FAT ka mametraka mazava ny loharanom-baovaony avy any ivelany.
Ny momba an'i Evariste Ramanatsoavina
Eo amin'ny resaka fanaovan-gazety ihany isika dia hitafa kely ny momba an'Atoa Evariste Ramanantsoavina, mpanao gazetin'i Radio Mada izay nosamborina sy nogadraina isika. Ny alarobia 20 mey no nivoaka teo amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy ny didim-pitsarana mikasika ity mpanao gazety ity. Amin'ny fiampangana dimy nanenjehana azy dia afaka noho ny fisalasalana izy amin'ny fanenjehana efatra fa eo amin'ny fiampangana fa nanely vaovao tsy marina izy no voasazy handoa onitra Ar1.000.000. Tsy afa-po amin'io didim-pitsarana io moa ny mpisolovavan'Atoa Evariste Ramanantsoavina ka milaza hampakatra fitsarana ambony. Na izany na tsy izany dia nitondra teny fisaorana an'Andriamanitra nandahatra ny zavatra rehetra, Atoa Evariste, misaotra ny vady aman-janany sy nyfianakaviana niray hina, nisaotra ny vahoaka rehetra, ireo izay nitondra am-bavaka, ary indrindra indrindra ireo namana mpanao gazety izay henony ny akony ary tsy mbola nisy tahaka izany ny fahenoana azy ary maniry ny hitohizan'ny firaisan-kinan'ny mpanao gazety ny lehilahy.
Nanambara ihany koa Atoa Evariste Ramanantsoavina fa hiteny ary mbola hiteny foana, izay no asany ary izay no hamelomany vady aman-janaka : ny asa fanaovan-gazety, izay no asany ary tsy manana fidiram-bola ankoatra izay ary tsy maintsy hiteny foana. Ny fitantarana ny zavamisy ny zavatra rehetra (niainany) dia aleo mba hotantarain'ny mpanao gazety Evariste Ramanantsoavina, mba ho "exclusivité" ho azy satria mpanao gazety izy, afaka manoratra ny zavatra niainany rehetra. Tahatahaka izay ny antso nataony tao amin'ny radio fahazavana.
Resaka mana Tiko Toamasina terena hamokatra
Namaly tsy nanonona anarana ny fanendrikendrehana nataona radio hafa iray ihany koa ny radio fahazavana, na tsy nolazainy aza ny mpanao gazety avy amin'io radio io dia fantampantatry ny mpihaino ihany ny nihavian'ny feo fanendrikendrehana, hosoram-potaka ho manonontonona anarana mpanao gazety indray ny radio fahazavana. Endrikendrika izay tsy henoko mihitsy ihany koa satria tsy miala eo amin'io fantsona io ny fampielezam-peo henoiko. Resaka Mana Tiko no tena niatombohan'ny disadisa raha ny filazan'ny radio fahazavana azy. Nanao fanambarana manko ny vondrona tiko ka toy izao manaraka izao izany fanambarana izany:
Manoloana ny zava-misy ankehitriny miseho ao amin'ny orinasa ny mana tiko Toamasina izay mpamokatra lafarinina dia manao izao fanambarana izao ny tompon'andraikitra. Tsy misy ny fifanarahana tamin'ny tompon'andraikitra tato amin'ny tiko ny amin'ny fanodinana ny ozinina Mana, izay araka ny lalàna misy dia mbola fananan'ny orinasa tiko tanteraka. Noho izany dia tsy tompon'andraikitra ny ao amin'ny tiko ny amin'ny zavatra rehetra mety hitranga amin'ny fampihodinana an-keriny ny ozinina. Melohina tanteraka ny fandrobana sy ny fanimbana ny orinasa tiko mana, ka hoenjehinay araka ny lalàna velona ireo mpanome sy mpanatanteraka izany. Avy amin'nympitantana ny vondrona tiko. Androany alarobia 20 mey 2009.
Nanambara ihany koa ny ao amin'ny radio fahazavana fa fantatry ry zareo ny angom-baovao rehetra natao fa mitentina hatrany amin'ny Ar50
000 no amoahana sy ivarotana ny iray gony omena ny trésor. Rehefa tonga any amin'ny mpanjifa anefa izany dia amidin'ny FAT hatrany amin'ny Ar76 000 ny iray gony, izanyhoe tsy mitovy ny fanambarana atao. Fangalarana sy fakana vola mihoampampana izany satria mahatratra Ar26 000 isaky ny gony no alaina. Tsy azo atoka ihany koa anefa etsy andanin'izany ny kalitaon'ny vokatra mivoaka avy eo fa mety hiteraka olana ara-pahasalamana toy izay nitranga tamin'ny menaka tsy voadio ara-dalàna herinandro maromaro lasa izay ny vokatra mivoaka avy ao.
Ny vaovaon'ny tolona eny Ankorondrano
Hiditra amin'ny vaovaon'ny tolona indray isika. Voalohany amin'izany dia hanao fotoam-pivavahana lehibe any amin'ny Auditorium Ankorondrano ny mpanao fihetsiketsehana ny andron'ny alakamisy 21 mey 2009 fahatsiarovana ny andro niakarana, ny andron'ny Zoma 22 mey 2009 kosa dia manentana ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna ny mpitarika ao amin'izy ireo hanokana ity andro ity ho andro fifadian-kanina ka ny olona raisina ho ohatra amin'izany dia i Estera vehivavy voasoratra ao amin'ny Testamenta Voalohany hiresaka amin'ny Emperora (Ahasoerosy).
Andro vitsivitsy izay dia manahirana ny firesak'i Satrobory miomana hirotsaka hofidiana ho Ben'ny tanànan'Antananarivo. Tamin'ny voalohany dia nataon'ny mpanatrika ho fihomehezana ankolaka ny firesak'ity mpitari-tolona iray ity, nefa raha mitohy elaela izay dia hampihena ny faharisihan'ny mpitolona ihany amin'ny farany. Tsy ho ela ihany koa ny fanesoesoan'ny mpiady hevitra amin'ny tena amin'io kabary mahatsikaiky ataony io ka aleo tenenina mora ihany ny namana. Tahaka izay mahasosotra ahy amin'ny fanandrata-tena matetika ataon'i Tonton Ambroise ihany koa, dia tsara raha samy mampangina izay nofinofy ririnina amin'izay fikasana hirotsaka amin'ny fotoam-pifidinana any anatiny any izay rehetra mitari-tolona fa manimba ny tolona ny filazalazana ny izaho ho izatsy na izaho ho izary. Endrika fanasaritahana sy familiviliana ny tolona avy hatrany manko ireny amiko. Eny, mety ho izay no antony mampazoto azy ireo hanao ny tolona nefa na dia izany aza!
Aorian'iny volana imaso tsy mba kilema iny dia ireto kosa ny vaovao hafa manaraka: Milaza ny solontenan'ny MFM Analamanga fa na mamela na tsy mamela ny mpitolona eo Ambohijatovo ny FAT dia izy hatrany no voa. Mamela izy dia hitan'ny izao tontolo izao ireo mpitaky ny hamerenana ny ara-dalàna sy mandà fanonganam-panjakana. Tsy mamela ny hankanesana eo Ambohijatovo izy dia asehony amin'izao tontolo izao fa tsy manaja ny demaokrasia akory ny olona milaza fa demaokraty. Fa ny kianjan'ny demaokrasia avy tsy hamelany ny olona haneho ny heviny. Manaraka izany, raha milaza ny FAT fa tsy miresaka politika fa fampandrosoana, tsy ny famerenana ny gasy ho voazanaka na hilahatra vary sy menaka no fampandrosoana.
Ny vaovao hafa dia mbola mitady hisisika ny amin'ny tsy hamelana ny filoha Ravalomanana hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ihany ny solontenan'ny Firenena Mikambana eto Madagasikara. Efa nifanome toromarika ny amin'ny hialana amin'izany dinika izany moa ny mpiara-mitolona fa lasa namonjy kosa indray ny teny amin'ny HotelPanorama izay karakarain'ny fiaraha-monim-pirenena Malagasy, izany hoe fifanarahana eo amin'ny samy Malagasy. Mitady olona maro hifampidinika ao izy fa ny ao amin'ny HAT sy ny tariky ny filoha Ravalomanana ihany no mifampiresaka. Mbola nametraka ny fepetra famotsorana ireo nosamborina sy fiantohana ny fitandroana ny ain'ny filoha Ravalomanana ny mpanohana ny ara-dalàna hampizotra ny fifanarahana. Farany, mitady adihevitra mivantana ao amin'ny televizionam-panjakana samy mitondra ny atontan-taratasiny sy ny porofony ny roa tonta ny amin'ny maha-ara-dalàna ny fitondrana na ny amin'ny maha-fanonganam-panjakana azy. Anjaran'ny olona ny mandray izay tokony horaisiny sy mitsara. Dia aseho avokoa ny vaovao rehetra mitranga na aiza na aiza.
Jentilisa, alarobia 20 mey 2009 amin'ny 23:32