Fa maninona mihitsy i Jentilisa?

2009-05-19 @ 22:26 in Andavanandro

Tratran'ny karazana hakamoana antsoina hoe miraviravy tanana aho amin'izao fotoana anoratako izao. Mba betsaka ihany anefa ny karazana fampaherezana ataon'ny namana isan-karazany na amin'ny fiainana andavanandro na an-tserasera. Tsy dia tratran'izany loatra ihany koa aho amin'ny ankapobeny fa dia azony aloha amin'izao fotoana izao.

Anarany aho no miala sasatra (noterena fa tsy voasazy tsy akory) tsy hiasa mba hananako fotoana bebe kokoa amin'ny fampitam-baovao an-tserasera saingy tena reraka tokoa angaha noho izay efa vita izay. Rehefa miasa any amin'ny asako andavanandro manko aho dia miasa 7 andro amin'ny fito andro. Tsy mino izany amin'ny ankapobeny izay tsy mahalala ny asako. Tena misy fiantraikany amin'ny toe-pahasalamana tokoa ilay izy raha ny fahatsapako azy amin'izao fotoana izao. Tsy mba manana izany andro alahady na asabotsy na andro fety igalabonana iarahana amin'ny fianakaviana izany ny tena, nefa tsy mifanaraka amin'izany akory ny karama... sady tsy mananjo hanana tambin-karama noho ny maha-andro tsy fiasana ny tena. Lasa olon-dratsy ny tena satria "ny adidy tsy an'olon-dratsy".

Ankehitriny, araka ny efa voasoratra etsy ambony, terena hanapitra ny "zonay amin'ny andro tsy iasanay rehetra izahay". Na dia ity taona ity aza dia tsy maintsy alaina avokoa. Ny ao ambadik'izany araka ny fahatsapako dia na handroaka mpiasa ny orinasa na hikatona ny orinasa afaka fotoana vitsivitsy. Na ho inona filaza azy na ho inona, misy dikany lehibe izany manapitra ny congé hatramin'ny taona 2009 izay diavina izany. Akory moa atao fa toa ny tena irery no tezitra fa ny sisan'izay samy miaro ny rambony tsy ho tapaka avokoa, nefa na izaho aza ve tsy mba tratran'izany ihany koa? Ao anatiko ao anefa manao hoe "izay te-hanavotra ny ainy no mahavery azy, fa izay mamery ny ainy...noho ny amiko... no hanavotra azy".

Ny mahavariana amin'ity tantara ity dia misy itovitovizany amin'izay mitranga ao amin'ny Telma ihany ny toe-javatra mihatra aminay. Efa hita tamin'ny haino aman-jery ihany manko fa mandroaka mpiasa maro ny ao amin'ity orinasa ity, nefa tsikaritry ny mpiasa fa mampiditra mpiasa vazaha hatrany koa ilay orinasa. Dia toa tahaka izany ihany koa ny fijeriko izay ato aminay. Tsy azo ampitomboina anefa ny fandaniana... noho izany, mba ho afaka mankaiza moa ny mpiasa malagasy kely?

Efa raisiko ho andraikitra izao soratako izao, tsy fanao velively fa mandika lalàna sy fitsipika maro nefa mba fanairana izay mpiasa mitsidika izany aterineto izany. Samy manana ny olany ny orinasa maro amin'izao fotoana izao ka samy mamaha azy araka izay tandrifiny. Efa maro ny mpiasa (eto Madagasikara) no efa mandray tapa-karama... ny fandaniana ataon'ny tena anefa tsy mihena raha miakatra kosa ny vidim-piainana. Misy aza moa (tafiditra amin'ity ny rahalahiko iray tampo amiko iray) no tsy mandray karama intsony na dia ariary aza, nefa manambady aman-janaka. Mitotongana ny fiainana e! Be aza ny mbola tsy voasoratra fa ireo rehetra ireo angamba no anisan'ny tena mahakivy ahy tanteraka amin'izao fotoana izao. Tolona sy avotra ity! Farany: Marihina fa tsy mitady fanampiana avy aminareo akory aho fa raha hanampy ianareo tsy trondro omena ahy fa harato na fintana!



Jentilisa, 20 mey 2009, amin'ny 00:27

Tsy manao fifanarahana raha tsy miverina aloha i dada !

2009-05-15 @ 21:33 in Politika

Tampoka tamin'ny olona ihany ny namindrana ny toerana ihetsiketsehana ho eny amin'ny kianjan'Ambohijatovo indray tamin'ity andron'ny zoma 15 mey 2009 ity. Vao tsy ela akory no nandavana tsy hamelana ny vahoaka mpandala ny ara-dalàna sy tia filaminana tsy handeha eny dia nahazo alalana tampoka indray ho amin'ity herinandro ity, ary misy ny manoratra any ho any hoe isaky ny Asabotsy no nahazoana izany alalana izany. Nefa hitantsika fa dia efa natomboka zoma izany fihetsiketsehana izany.

Azo tarafina fa vitsy ireo nanatrika teny Ambohijatovo tamin'ity andron'ny Zoma ity. Ny vitsy lazaiko eto dia lasa mifanahantsahana tamin'ny isan'ny olona tamin'ny Asabotsy 21 marsa 2009 nanaovan'ny mpandala ny ara-dalàna fihetsiketseha-mpanoherana voalohany indrindra (eo ho eo amin'ny 2500 ka hatramin'ny 3000 eo ho eo ny isan'ny tonga nanatrika teny). Ny maro tamin'ireo tonga teny Ambohijatovo moa dia vao ora vitsy monja no nahalalany fa nifindra teny indray ny tolona. Azo heverina ihany koa fa tsy maintsy nisy ny mbola nitonatonana teny Ankorondrano. Noho ny tsy fisian'ny fitaovam-piseraserana iray lehibe ho an'ny tolona no mahatonga izany tsy fahalalan'ny maro izany. Hita ihany ny fahabangana amin'ny tsy fananana haino aman-jery mpanentana toy ny tamin'ny fotoana nisian'ny Radio Mada. Teny indray miserana tamin'ny radio fahazavana sy indray miserana tamin'ny Matv no nahafantarana fa eny Ambohijatovo indray no fotoana ny Zoma sy ny Asabotsy. Koa raha varimbariana ny mpihaino sy ny mpanaraka tamin'ny fotoana nilazana io fotoana io dia tsy hahatandrina ilay filazna miserana naharitra 3 segondra monja.

Fa inona sy inona avy moa ny sombim-baovao nampitaina teny nialoha ny tena fotoana? Tamin'ny ankapobeny isaky ny misy ny filazana miserana teny an-tsehatra toy ireny dia tsy nino ny fahamarinany loatra aho ka izay no antony tsy hanoratako azy an-tserasera mihitsy. Hita ihany anefa fa saiky nitombina avokoa ireo vaovao an-tsefatsefany nampitaina. Efa lasa tsy nipoitra teny an-tsehatra intsony ohatra i Vola Dieudonné fa efa notadiavin'ny miaramila tany an-tranony ka rehefa tsy hitany tao dia ny zanany no noraofin-dry zalahy ho eny Ambohibao CNME. Nampitaina tamin'ny andron'ny 13 mey iny ihany koa ny fisamborana olona ahiahiana ho mitady hitarika fihetsiketsehana (TIM sy MFM) tany amin'iny faritra Amoron'i Mania iny (Ambositra). Ninia aho tsy nilaza izany, vaovao an-gazety Taratra i andron'ny Zoma io no nahitana amin'izay fa nisy tokoa ny fisamborana ary nalefan-dry zalahy aty Antananarivo ny fanadihadiana ireo olona ireo na dia manana Fitsarana Ambaratonga voalohany aza ny any Ambositra. Tsy nilaza ny fisian'ny vaovao ny gazety raha tsy noho io famindrana toerana ny olona nosamborina io.

Dia inona sy inona izany no nampitaina ny andron'ny Zoma? Ny faritra Alaotra Mangoro sy Betsiboka indray no nampita tamin'ity andro ity. Ny tany amin'ny faritr'i Betsiboka moa dia ny fitetezana mpanankarena ataona andia-miaramila miampanga izay tsidihany hatrany fa manafina vola amina gony hanohanana ny mpitolona eny Ambohijatovo na eny amin'ny Magro (Auditorium) Ankorondrano. Fomba entina misava trano hatrany io toe-javatra io na dia tsy misy aza ny fahazoan-dalana hisava ny trano ary fomba ihany koa hakana vola amin'ireo trano tsidihin-dry zalahy. Rehefa amin'ny fotoana tahaka itony moa dia tsy fantatra intsony izay mpanararaotra sy tena izy. Ny depiote tany amin'iny faritra iny no nitatitra izany vaovao izany.

Tany amin'ny faritra Alaotra Mangoro indray, efa fantatra ny nakana ny fiara vitsivitsy tao amin'ny orinasa mpanangom-bokatra Fanampy Rice. Notaterina indray fa tamin'ity andron'ny Zoma ity dia nisy miaramila nandeha tamin'ny fiara 4X4 efatra indray niverina nitodi-doha nankany amin'ity orinasa ity. Notoherin'ny zandary sy ny fokonolona ny fiavian'ireto miaramila ireto ka nampisy fifampitifirana tamin'ny miaramila sy ny zandary. Voatery nihemotra ny miaramila noho ny fifanandrinana. Ankevitry ny handoro ny orinasa ry zalahy ireto satria nitondra lasantsy tamina bidons maromaro araka ny tatitra. Ny depioten'Amparafaravola indray no nilaza ity sombim-baovao ity. Nanoratra ireo vaovao ireo aho satria nokabariana ampahibemaso ny filazana azy nefa tsy mamoaka ny vaovao milaza ny fihoaram-pahefana ataon'ny mpitandro ny filaminana intsony ny haino aman-jery ary ny gazety.

Inona ihany koa ny vaovaon'ny tolona? Araka ny hitantsika any amin'ny vohikala hafa any dia miezaka tokoa ny fiarahamonim-pirenena mampifanaraka ny hery politika misy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Namoaka ny karatra mavo ry zareo izay manana ny lohateny manao hoe "Mifanaraha". Amiko manokana dia hevitra tsara io hetsika ataon-dry zareo hisian'ny fifanarahana io. Ny zavamisy anefa dia misy ny olona voasakana tsy hanatrika izay mety ho fampifanarahana ny rehetra izay ka itakian'ny mpandala ny ara-dalàna ny hamotsorana ireo nalaina an-keriny noho ny hevitra politika rehetra. Nifandrindra tamin'izany ihany koa antso nataon'ny filoha Ravalomanana avy any Afrika Atsimo. Mitsahatra ny fifanatonana sy ny fifanarahana rehetra mandra-pahatongany satria izy no hitarika ny delegasiona ho an'ny mpandala ny ara-dalàna miaraka amin'ny praiminisitra tendreny Atoa Manandafy Rakotonirina izay araka ny fahazoako azy dia efa afaka mifampiantso amin'ny mpiara-mitolona amin'izao fotoana izao. Anjaran'ny hery politika hafa rehetra noho izany ny mieritreritra izay avaly ny soso-kevitry ny mpandala ny ara-dalàna.


jentilisa, zoma 15 mey 2009 amin'ny 23:32

Ny paikan'ny frantsay hametraka filoha Malagasy tiany hitondra!

2009-05-13 @ 22:31 in Politika

Tsy maintsy hiresaka ny filazana ny tsy hirotsahan'i Andry Rajoelina hofidiana ho filoham-pirenena ihany ny tena na dia tsy tiako loatra aza izany. Raha miresaka Frantsay aho eto dia ny mpitondra fanjakana sy izay "nanoro" hevitra (nanery ankolaka) an'ity PHAT ity no ambarako etoana. Fantatsika mazava tsara fa mitady mafy dia mafy ny fankatoavan'ny vondrona iraisam-pirenena ny mpanongam-panjakana amin'izao fotoana izao ary miara-miketrika aminy amin'izany fitadiavana fankatoavana izany ihany koa ny Frantsay. Hitany ny lalana ny andron'ny alarobia 13 mey 2009. Dia nanambara ary ny PHAT tamin'ny alarobia 13 mey fa tsy hirotsaka hofidiana izy amin'ny fifidianana ho avy raha tsy misy mirotsaka izay rehetra efa filoham-pirenena sy efa nanao ny asan'ny filoham-pirenena rehetra teo aloha. Tsara anie ry zareo izany hevitra izany e!

Dia efa miandry fotsiny aho izany fa hihazakazaka hankasitraka izany fanapahan-kevitra izany ny Frantsay, ary mety hanara-dia azy ihany koa ny Amerikana (sahiko ny milaza fa tsy nankasitraka velively ny nataon-dRavalomanana faramparany teo mihitsy ny Amerikana noho ny resaka Daewoo ohatra satria mpividy katsaka amin'ny Amerikana manko ny Koreana ka very mpanjifa izy, nisy tsy nety mihitsy koa ny nataon-dRavalomanana nanao izay nialan'ny Amerikana tamin'ny Kobama). Raha vao ireo roa ireo no manaiky ampahibemaso dia izay no izy: azon'ny fitondran'ny mpanongam-panjakana indray ny fandresena hafa. Mody tsy hiraharaha izay fiovan-kevitra hafa manaraka intsony ny vondrona iraisam-pirenena fa efa niara-niasa ary koa.

Jereo tsara fa nisy fepetra nipetraka teo, ny mazava dia ny filoha Ravalomanana no tena kendrena izay tsy hahafahany mirotsaka mihitsy. Matoa manko ataon'ny FAT izay hanaratsiana io rangahy nitondra ny firenena farany io dia fantany mazava fa mbola matanjaka dia matanjaka ny heriny raha misy fifidianana ho avy eo. Nialoha ity fanambarana nataon'ny PHAT ity manko dia efa nisy ihany ny sosokevitra natolotry ny sasany amin'izay tsy hirotsahan'ny efa filoha sy nanao ny asan'ny filoha rehetra intsony. Eto aho dia mahatsiaro ny tany Algérie: Nahery dia nahery ny FIS tamin'ny androny, nahatsiaro ho very tombotsoa ny Frantsay ka dia naleony niditra tamin'ny fanonganam-panjakana notarihina miaramila. Ankehitriny, na dia efa taona maro lasa aza no nisian'iny raharaha tany Algérie iny dia mbola ilay nitarika ny fanonganam-panjakana ihany no lany ho filoham-pirenena amin'izao fotoana izao. Izay ihany sisa no fantatry ny Frantsay ary izay ihany koa no mba fantatry ny iraisam-pirenena. Ny miaraka amin'ny TGV aloha no tombotsoany ka dia ataony mandrakariva izay haneken'ny iraisam-pirenena azy.

Etsy ankilan'izany toe-javatra izany anefa dia miverina amin'ny toe-draharaha mpitranga eto amin'ny firenena ihany ny zava-misy amin'izao fotoana izao. Tsy sanatria fitia te-hiresaka foko fa izay manko no ilalaovan'ny Frantsay azy ka aleo resahina araka izay ihany koa tsy handiso ny eritreritra. Tsiranana Tanindrana no filoham-pirenena malagasy voalohany ka "nanome" ny fahefana manontolo "vonjimaika" tamin'ny Jeneraly Ramanantsoa izay Merina noho ny raharaha 13 mey 1972 hanao karazana tetezamita. Rehefa nilamindamina ny toe-draharaha dia notakian'ny Filoha amin'izay ny fahefany saingy tsy nomen'ny Jeneraly intsony ilay izy. Nampanao fitsapa-kevi-bahoaka ny Jeneraly tamin'ny volana oktobra 1972 hitondra ao anatin'ny dimy taona ny tetezamita hanamboarana ny rafitra. Izany hoe tokony hitsahatra ny taona 1977 io tetezamita io raha ny fitsapa-kevi-bahoaka natao no itarafana azy.

Misy anefa ny manampahaizana tsy Merina tsy mankasitraka velively izany fitondran'ny Merina ny firenena izany, satria mbola masaka tany an-tsaina ny tsianjery fa fitadiavana hamerina ny Fanjakan'Andriana ihany no tena katsahin'ny Merina. Nisahotakotaka ny tanàna sasany amin'ny fampielezana fa Malgachisation = Merinisation satria manko io fanagasiana io no anisan'ny lohahevitra notakian'ny mpitolona tamin'ny 1972 saingy nydikany tamin'izany fotoana izany dia hoe atao mifanaraka amin'ny zavamisy eto Madagasikara ny fampianarana fa tsy ampifanarahana ny zavamisy any Frantsa. Ezahina ihany koa ny hanoloana tsikelikely ny Frantsay mitana ny toerana ambony ho Malagasy.

HItan'izay nanaraka ny tantara fa tena nihotakotaka ny firenena nandritra ny roa taona. Minisitra zanaka Padesm roa no tena niady fahefana mangina dia ny Kolonely Ratsimandrava sy ny capitaine de corvette niakatra ho capitaine de fregate Didier Ratsiraka. Hitan'ny Frantsay ny lalana. Eo anatrehan'ny olona roa Merina mainty ny iray ary tanindrana ny iray dia fantany mazava ny safidiny... atao amin'izay izay hampitsaharana ity "tetezamita" ity fa tsy avela hahatratra izany dimy taona nifanarahana ho dimy taona izany. Raikitra ny fikomiana nataon'ny FRS lasa GMP tao Antanimora ka anisan'ny notakian'izy ireo ny hanendrena Jeneraly Tanindrana fa toa Merina daholo ny Jeneraly hita hatramin'izay.

Mafy dia mafy tamin'ny Jeneraly Ramanantsoa angaha ny vesatra nahazo azy koa dia nisafidy izay handimby azy izy. Any amin'ny "tsy izy" ilay safidiny nefa dia noraisin'ny nomena azy ihany ny fahefana. Enina andro araka ny fantatra ihany no nandraisany ilay fahefana dia nisy namono ilay mpitondra. Ny sary hitako tamin'ny gazety hehy nivoaka tamin'izany fotoana izany no nampiaiky ahy fa tsara kendry avokoa ireo zandary mpiambina sy ny filoha notendrena ka sarotra ny hieritreritra fa bala lasalasa ho azy (tifitra variraraka) no nahavoa azy ireo. Nitsangana ny "directoire militaire" notarihin'ny Jeneraly Andriamahazo saingy noho ny fifanerena tao anatiny tao isian'ny fifidianana eo amin'izy samy izy izay tokony hitondra ny Firenena dia lasan-dRatsiraka ny fandresena tamin'ny 15 jona 1975. Natao ny fifidianana sady fitsapa-kevi-bahoaka tamin'ny 30 desambra 1975 ka lany ny eny sady mitondra Ratsiraka no ekena ny Lalampanorenana vaovao.

Dia ataoko fa haintsika ny tohin'ny tantara tamin'ny 1991 naha-praimisitra nitantana vonjimaika ny tetezamita an-d Razanamasy Guy Willy sy nahalany ho filoham-pirenena an'i Zafy Albert, sy ny naha-filoha vonjimaika an-dRatsirahonana sy niverenan-d Ratsiraka Didier indray teo amin'ny fitondrana. Toe-javatra naningana ny tamin'ny 2002 izay tonga dia nitohizan'ny fitondran-d Ravalomanana tsy nisy mpitondra tetezamita hafa saingy miverina indray ankehitriny ilay toe-javatra hitantanan'ilay Merina Andry Rajoelina ny tetezamita ka, raha jerena ny kajikajin'ny Frantsay dia hanolotra ny fitondrana an'i Madagasikara amin'ilay Tanindrana Pierrot Rajaonarivelo. Tsy hatao anefa ny fifidianana  raha tsy efa azo antoka fa handresy izy amin'ny fifidianana, tsy voatery hoe izy  tokoa no ho lanim-bahoaka, fa rehefa tafapetraka soa amantsara fotsiny ny rafitra hahalany azy amin'ny fifidianana. Noho izany, araka ny fijeriko, tsy ho voafetran'ny fotoana mihitsy ity tetezamita letrezana ity fa voarefin'ny hoe oviana no hanaiky tsara izay mpitondra ankasitrahan'ny Frantsay ny Malagasy?

Tena miala tsiny indrindra amin'izay mety ho tohina tamin'ny soratro aho, fa izay mahafantatra sy efa zatra ahy dia mahalala fa miezaka mandrakariva aho ny maka ny foto-pisainan'ny hafa hanoherako ihany koa ny heviny avy eo. Noho io fomba fijeriko zavamisy io ary, dia ho ketraka ve aho. Hanaiky izay terena hofidiako ve aho fa tsy mba manana ny safidiko araka izay tiako mihitsy? Angamba noho izay fahatsapana tao amiko fa toa nesorina tamiko ny fahafahako izay no mahatonga ahy hitolona hamerina ny ara-dalàna hatramin'izao fotoana izao.

Fa nanao ahoana tokoa aloha ny tolona? Mazava loatra fa tsy maintsy nanokana ny andron'ny alarobia 13 mey 2009 aho hankanesana indray eny amin'ny tokotany malalaky ny Auditorium Ankorondrano. Fanintelony nandehanako teny indray io andro io ary mahavariana fa na dia misy aza ny olona mety ho efa fahitako ihany dia mbola mahita endrika vaovao hatrany aho, ny antony ilazako izany manko dia rehefa mahita endrik'olona fantatro aho dia gaga ary mifanontany hoe hay ve ianao mankaty? efa impiry taty ianao? sy ny maro hafa!

Ny nanamarika ny andro androany dia ny fidirana indroa tamin'ny antso am-pinday ny filoha Ravalomanana, ny nidiran'ny mpiandry an-tsehatra sy nandritra ny fotoana somary lavalava kokoa noho ny mahazatra ny fotoam-pivavahana nandroaka ny aizina manarona ny tany sy ny aizim-pito manarona ny firenena, nandroaka ny asam-pamitahana, asam-pangalarana, asam-pandrobana ary ny asam-pamonoana ataon'i Satana ho any andavaky ny Helo. Karazana fanadiovana ara-panahy ny firenena ihany izany asa izany indrindra ilay izy atao mandritra ny andro hahatsiarovana ny tolona natao tamin'ny 13 mey 1972 (nampihomehy valaka ahy ihany ny nahita an'i Pierre Tsiranana eo anilan'i Alain Ramaroson mitondra voninkazo ho fahatsiarovana ny 13 mey 1972 teo anoloan'ny kianja mitondra tsy satry ilay daty manantantara.

Nanamarika ity fotoana ity ihany koa ny fahataran'ny fanombohan'ny fotoana loatra ka mahatonga ny firavana ho amin'ny 3 sy sasany vao migadona. Tsy tokony hatao mitarazoka lava be tahaka izany io fotoana io fa mba reraka ihany ny olona sady be ihany koa anie ny mamonjy fiasana rehefa avy eo... na dia hoe ny vehivavy aza no tena maro an'isa amin'ny mpitolona... Tsy maintsy mba nitady adi-hevitra ny amin'ny mbola mahatafiditra ny senatera Ravatomanga ho ao anatin'ny solontenan'ny mpanaraka ny ara-dalana ihany koa aho satria fantatra ihany fa anaran'olona mitondra ny anarana hoe Ravatomanga (filohan'ny vondrona Sodiat) manko no tompon'izany gazety "La Vérité" gazety tena mpanenjika an-dRavalomanana izany. Olona iray ihany ve ireo? Mpirahalahy ve ireo sa sendra mba anarana mitovy fotsiny? Tena miahiahy tanteraka ny tenako. Ny manahirana ahy ihany koa dia ny tsy firaharahiana velively izay mba zavatra nitadiavako fiaraha-miasa tamin-dry zareo tao amin'ny "Communication". Raha mba vitan-dry zareo ilay fifanampiana amin'ny any ivelany entina hampandresena ny tolona tsy nampaninona ahy ihany fa dia tahaka ny tsy raharahan-dry zareo izay mba karazana fiaraha-miasa kely dia kely notadiaviko ka mbola miteraka ahiahy fanampiny amin-dry zareo ireto ihany koa.



jentilisa, alakamisy 14 mey 2009 amin'ny 00:32

[vita] Hetra: ny fanjakana no ananan'ny tiko vola, sy resaka Manjakamiadana

2009-05-12 @ 09:03 in Politika

Vakio tsara ny lohateny fa tsy misy fahadisoana tsy akory ny voasoratro. Ambara ombieny ombieny manko fa ananan'ny fanjakana vola ny vondrona tiko. Nogiazana ny volan'ny tiko sy ny volan'ny filoha Ravalomanana any amin'ny banky. Natao ny fanadihadiana sy ny asamarika rehetra ary rehefa vita izany rehetra izany dia hita fa efa nihoatra lavitra noho izay nodradradradraina ho notakiana ny vola sy ny vokatra ary fitaovam-pamokarana efa nalaina an-keriny tamin'ny tiko. Vaka tamin'io raharaha io ny tale misahana ny hetra, ary sahirana ihany ny hampita io asamarika io amin'ny minisitry ny vola sy ny tetibola. Koa raha mahasahy ny mpanao gazety dia hadihadio ny amin'io raharaha io. Ny tena manko tsy mpanao gazety ka tsy afaka manadihady lalina.

Efa nambaran'ny gazety isan-karazany ihany fa nodidian'ny fitsarana hovahana ny kaontin'ny vondron'orinasa tiko sy ny kaontin'ny filoha Ravalomanana. Navadiky ny milaza ny tenany ho mpitondra fanjakana amin'izao fotoana izao anefa izany didim-pitsarana ka avoaka isan'andro isan'andro amin'ny gazety fa ny fanjakana ihany no nangataka ny famahana ny kaonty, dia rehefa nivoaka iny didim-pitsarana iny  dia averina indray ny fanagiazana ny kaonty fa hoe manana taratasy mitovy lenta amin'ny didim-pitsarana ny fanjakana. Mba mahalala menatra ihany ve? Midika izany fa manao bodongerona sisa no tena ataony ary mitohy mandrakariva ny sotasota.
--------------------

Amin'izao fotoana izao dia voizina mafy dia mafy ihany koa ny resaka Manjakamiadana sy Ambohimanga ary ny resaka masina mifandraika amin'ireo tranom-bakoka roa ireo. Ao amin'ny fampielezampeo sy ny fahitalavitra sahanin'ny fanjakana mivantana no amerimberenana sy hanaovana matoambaovao isa-maraina sy hariva ity raharaha ity. Amin'ny ankapobeny dia afangaro ihany ny resaka finoana sy ny maha-tranombakoka ireo toerana ireo. Entina ireo resaka ireo hampivonto fo ny mpihaino sy ny mpijery, nefa ny sarambambem-bahoaka ho'aho toa tsy mahalala akory na dia ny ambangovangon'ny tantaran'i Madagasikara aza? Tsy afaka mihambo ho mahalala ny tantaran'i Madagasikara aho saingy izay fantatro kosa tsy maintsy tantaraiko.
-------------------
Haka ohatra iray aho, ny tia mamaky ny boky tantaran'i Madagasikara sy tia mamaky tantara an-tsary malagasy dia tokony hahalala ny fisian'ilay boky tantara an-tsarin'i Madagasikara mitondra ny lohateny hoe "Vato Ambany riana". Efa indroa natonta izy io, samy efa novidiako sy novakiako avokoa na ny voalohany na ny faharoa. Tsy hitako manko ny nalehan'ny boky voalohany novidiako ( henjana ihany koa anie isika Malagasy raha hangalatra boky e!) no nahatery ahy hividy ny boky faharoa. Tadidiko mazava tsara tao amin'io boky io ary ny fisiana famindrana masina (fa tsy famindrana razana  aza fady indrindra). Tamin'ny voalohany dia ny Minisiteran'ny fanolokoloana sy ny zavakanto revolisionera no niantsoroka ny fikarakarana sy ny famoahana io bokin-tantara an-tsary io. Tsy mahagaga raha noezahina hatrany ny hampisaraka ny tantaran'ny firenena sy ny fiangonana na dia nisy aza ny fandraisana anjara mavitrika nosahanin'ny fiangonana teo anivon'ny firenena. Ao amin'ny takelaka faha-15 indrindra ao amin'ny boky "Vato ambany Riana" ary no misy teny fohy momba io resaka famindrana masina io.
------------------
Averina vetivety ny tantara, resy ny tafika malagasy rehefa nanangana ny saina fotsy ny teo Manjakamiadana tamin'ny 30 septambra 1895. Efa voatifitry ny Miaramila frantsay hatreny Ankatso manko ny zoro avaratra atsinanan'i Manjakamiadana ka ahiana ny hirodanan'ny trano. Efa ravan'ny daroka baomba ihany koa i Tsarafahatra toerana nisian'ny fampianarana tao androva tamin'ny andron-dRadama Rainy. Ho fitandroana ny toerana no nananganana saina fotsy. Eo anatrehan'ny toe-draharaha dia resy i Madagasikara. Tsy nanaiky izany kosa ny maro tamin'ny sarambambem-bahoaka indrindra fa ny tany ambanivohitra, teo no teraka ny Menalamba. Fantatry ny olona ihany fa nisy ary maro ny mpamadika matoa resy ny Malagasy. Ny olona noheverina ho nandray ny endrim-pandrosoana tandrefana no tena maro tamin'ireo mpamadika ireo. Tsy mahagaga raha izay nanaraka ny fivavahana kristiana rehetra dia noheverina ho mpamadika avokoa ka notadiavina ny hanilihana azy ireo. Nandritra izany fotoana izany ihany koa no tena nampiroborobo ny fitadiavana hamerenana ny hasin'ny Mpanjaka... nefa miaraka amin'ny tsy fankasitrahana ny praiminisitra nitondra maharitra loatra io. Nohindrahindraina manokana noho izany toe-javatra izany i Andrianampoinimerina. Niditra tamin'ny ady anaty akata araka ny filaza ny maro tamin'ny Malagasy.
------------------

Sahirana noho ny adim-panoherana nataon'ny Menalamba ny fitondrana frantsay ka nifantina olona notsongoin'olom-bolo roa teto amin'ny firenena izy ireo hotifirina teo Antaninarenina tamin'ny 15 oktobra 1896 ka i Rainandriamampandry 16 voninahitra sy ny andriana Ratsimamanga no notifirina ho faty. Nalahelo tokoa ny ankamaroan'ny olona noho ny zava-nisy. Hita fa mbola nanindrahindra ny Mpanjaka hatrany anefa ny mpitolona koa dia noraisin'i Gallieni mihitsy ny fanapahan-kevitra handefa an-tsesitany any ivelan'i Madagasikara an-dRamoma (Ranavalona III) tamin'ny 28 febroary 1897.

Mifandraika amin'izany, dia nodonina tamin'ny finoany koa ny mpitolona. Tanàna masina teo anatrehan'ny mpitolona manko Ambohimanga Rova (sady tadidio fa tsy azon'ny vahiny tsy malagasy idirana na oviana na oviana) satria ao ihany koa no misitrika ny masina rehetra. Inona no natao? Nafindra toerana tany Manjakamiadana avokoa ny masina tao Ambohimanga rehetra. Toerana efa tsara ambin'ny miaramila manko i Manjakamiadana ka tsy azon'ny Malagasy idikidiram-poana. Izany hoe tafasaraka "ara-batana" tamin'ny mpitolona Menalamba ny masina. Hafatr'Andrianampoinimerina fahavelony anefa fa any Ambohimanga ihany izy no asitrika fa tsy any Antananarivo velively, mba tsy hanadinoana ny tanàna nipoirana. Izany hoe Antananarivo no Renivohitra fa mijanona ho tanàna masina kosa i Ambohimanga ary tsy zava-poana ny nametrahana ny masina ao amin'ity tanàna notononina farany ity.
 
Taorian'ireo rehetra ireo, efa lefy tanteraka ny Menalamba ka nikoy i Madagasikara iray manontolo dia novaina ho toby fiofanana miaramila kely toy ny Semipi fantatsika ny rovan'i Manjakamiadana. Mazava loatra fa fitaizana miaramila Frantsay no natao tao. Nisisika ihany koa ny hevitra handrodanana tsikelikely ity toerana reharehan'Antananarivo sy Madagasikara ity. Ny paika nanaovana izany dia ny fambolena hazo manodidina ny lapa. Lava faka manko ireny ary mahagorobaka fototra, dia tsy maintsy ho avy ny fotoana hidona amin'ny fototr'i Manjakamiadana ireny faka ireny ka hanozongozona ny fanorenana sy handrava ny trano mihitsy aza. Tadidio ry mpamaky fa tsy nisy hazo niorina nanodidina io lapa io faha-mpanjaka fa ny mpanjanatany no namboly ny hazo teny handravana io rova io. Mitohy ho azy ny tantara eto!

Tonga ny fiandohan'ny repoblika fahatelo dia nisy ny nanome baiko ny hanalana ireo hazo nanakona an'i Manjakamiadana ireo. Gaga ny ankamaroan'ny olona. Raikitra teny ho eny fa misy fanimbazimbana ny hasina izao fanalana hazo izao. Nanazava ny tompon'andraikitra fa manimba ny trano ireo hazo ireo ka tsy maintsy esorina. Teo vao gaga ny maro, hay ve nisy trangan-javatra tahaka izany! Noheverina nilamina amin'izay ny raharaha fa avotra tamina loza nitatao taminy ny rova, saingy tsy fahalalana ny halalin'ny fankahalan'ny sasany izany fiheverana izany. Tonga ny daty manatantaran'ny 6 novambra 1995, nisy nandoro i Manjakamiadana!

Iniako Averina kely ny sombin'ny nosoratako tamin'ny 6 novambra 2006 izay mety ho tsy mbola hitanao :

"Lasa toby miaramila kely (mpianatra ho miaramila) ny lapan’i Manjakamiadana tamin’izany fotoana izany. Tamin’io fotoana io no nambolena ireo amontana izay lava faka ary mety maharava trano mihitsy nanodidina ny lapan’i Manjakamiadana. Fandrika napetraky ny frantsay handrodanana tsikelikely ny rovan’i Manjakamiadana ireo amontana nambolena ireo. Mariho tsara ny sary rehetra izay hitanao fa talohan’ny 1897 izay nanesorana an-dRanavalomanjaka fahatelo tsy hitondra ny firenena intsony fa nalefa sesintany izy dia tsy nisy hazo velively manodidina io rova io.Trano hazo (lapa manko e !) no teo amin’ny toeran’ireo hazo ireo fa noesorina mazava loatra ny hazo. Ny nanaisotra ireo lapa ireo indray tsy fantatro na efa talohan’ny fanjanahan-tany na tsia. Tamin’io toerana nisy ny hazo ireo manko no nisy ny lapan-dRasalimo vadin-dRadama avy tamin’ny Sakalava sy Rakotobe zanaky Rasalimo tamin-dRadama rainy.
 
Izay fandrika izay no hitan-dRazanamasy Guy Willy ka nanesorany ireo amontana ireo raha vao nitondra an’Antananarivo izy. Efa lasa endriky ny lapa manko ireo amontana ireo rehefa taty aoriana be taty. Izany hoe tamin’ny taona 1913 dia nampirehitra ny olona tamin’izany fotoana izany ny nambolena ireo hazo ireo fa noho ny tsy fahafaha-miteny dia nangina ny rehetra. Raha nanaisotra ny amontana ary ny Ben’ny tanàna tamin’ny taona 1993 tany ho any dia ho fitsinjovana tsy hikororohan’ny fakan’ny amontana ny rova intsony. Kanjo dia fantatsika rehetra fa may nodorana io lapa io tamin’ny 6 novambra 1995. Na misy endrika fanamelohana aza izao soratako izay dia mampita ny hitako fotsiny aho. Tsy mitsara avy hatrany aho hoe iza no nandoro ny rova fa izay saiky nandrava azy tamin’ny fomba tsikelikely no nolazaiko eto."
Tapitra hatreto ilay sombin-dahatsoratra notsongaina.

Na dia nisy aza io fitantarana efa nataoko io; ny noadinoina kosa dia ny fitantarana ny zava-nitranga tamin'io fotoana io. Marihina moa fa may ny marainan'io andron'ny 6 novambra 1995 io ihany koa ny birao tao amin'ny Minisiteran'ny vola sy ny fitantanam-bola. Ny tsara hotadidiana ihany koa fa vao nampidirina tao amin'ny rovan'i Manjakamiadana indrindra ny tahiry sy antontan-kevitra avy tany amin'ny British Museum, ka nampirantiana vetiety tao amin'ny arisivan'ny FJKM teo Faravohitra. Vao nitsidika ny rova indrindra aho tamin'izany fotoana izany, hijery ireo vakoka vao avy any Londres ireo. Tsikaritro fa vao nolokoina vernis mihitsy (maimbo vernis) ny ati-trano manontolo. Ny somary nanaitra ahy tamin'io fotoana io saingy tsy dia noraharahiako loatra dia ny fahitana barika maromaro toa hampidirina anaty trano. May ny Rova ao tonga saina tamin'ny fisian'ireo barika ireo aho.

Izany hoe hatreto ny tiako asongadina indray dia ny filazana fa efa may tanteraka io Rovan'i Manjakamiadana io ka tsy azo tsinontsonoavina izany trangan-javatra izany. Izany hoe: tsy hahatafaverina amin'ny antsipiriany intsony ny lapa izay manorina azy indray taty aoriana. Amiko dia fandaniam-poana ny hamerenana indray ny fananganan-trano amin'ny hazo indray dia tafiana vato izy avy eo. Isika rehetra mahalala fa ny afo no fahavalo voalohany indrindra amin'izany trano hazo izany, koa raha hanorina ihany tsy aleo ve manorina mba haharitra, hoy ny dokambarotra iray izay? Soa ihany aza fa nofonosina vato ilay Lapa manandaza mba hananganana azy amin'ny béton ka avy eo indray vao rakofana hazo. Efa nohazavaina mazava tsara izany toe-javatra izany ary nekeko (izaho manokana) soa aman-tsara ny hevitra. Notsipahiko marindrano kosa raha kasaina haverina amin'ny maha-hazo azy ny fananganana, satria ange efa dindon'ny Lapa sisa no hijoro eo fa tsy ilay tena Lapa intsony!

Raha efa azo tsidihina ny Lapan'Andafiavaratra dia jereo ny zavatra mitranga amina efitrano naverina tsy misy tomika amin'ny endriny teo aloha ilay lapa. Hahatalanjona anao ny fahitana fa efa boboka mampalahelo ny trano ary efa betsaka ny gorodona hazo mihintsakintsana. Firy taona anefa no nanamboarana azy taorian'ny nandoroana azy tamin'ny 1976 ihany koa. Koa raha efa nisy ny fahavoazana mahazo ny trano dia tsara tokoa raha misy ny fitadiavana paika hanamafisan'orina azy. Io toe-javatra hitako tamin'ny lapan'Andafiavaratra io no nitsipahako ny hoe hananganana Lapa hazo indray an'i Manjakamiadana satria hanangana trano ho mora rava ve? Sady efa tsy fantatra mazava tsara rahateo ny tekinikan'ny fanaoan-trano natao tamin'izany fotoana izany. Tsara koa angamba ny mitadidy fa efa natao ho toeram-pitsarana manokana tamin'ny raharaha 1947 ihany koa ny Lapan'Andafiavaratra.

Lasa dradradradraina ho fanimbazimbana ny mahatahirim-bakoka azy manko ny fomba fananganana ny trano amin'izao fotoana izao ka toa tadiavina ny hampitsaharana ny asa. Raha hiresaka fanimbazimbana isika dia tsoriko ny milaza fa efa voazimbazimba hatramin'ny fanjanahantany izay naharitra 65 taona io toerana io. Moa mahafantatra ve ny besinimaro fa misy vavahady roa ny miditra amin'io Lapan'i Manjakamiadana io ka ny vavahady fantatry ny rehetra dia ilay fidirana hatraty avaratra, izay raha ny tena marina dia ny lehilahy mifora ihany no mahazo miditra hatreo? (tadidio tsara fa misy sarina filahiana mifora eo ambonin'ny vavahady anilan'ny sarim-boromahery) fa ny vavahady hatrany Andrefana somary atsimo kosa no fidiran'ny vehivavy sy ny tsy mifora? Koa azo atao ve ny mandinika indray ny hamerenana io fomba io amin'izao fotoana izao? mariho tsara fa efa lasa misy lalan'ny fiara tsy mandalo ireo vavahady roa intsony miditra mankao amin'ny lapa, ka fiara mitatitra ny fitaovana hananganana indray ny lapa no mivezivezy mankao?
 

Mbola tiana iadian-kevitra hatrany ny hoe maninona raha ny fanaka avotra tamin'ny afo ihany no averina ao amin'ny lapa? Aoka hotsorina fa vitsy dia vitsy, antonona efitrano iray mirefy 3mX4m ny fanaka rehetra momba an'i Manjakamiadana avotra ka tehirizina ao amin'ny lapan'Andafiavaratra amin'izao fotoana. Koa araka ny eritreritrao ho inona sy inona avy moa no hamenoana ny trano avy eo? Manaraka izany, fitiavan-kiady hevitra amin'ny tsy misy dikany hatrany izany satria tadidiko tsara, na dia mbola kely aza aho fa nanaovana fampirantiana ny tolona nataon'ny Malagasy sy ny fijaliana nanjo ny mpitolona tia tanindrazana tamin'ny fotoanan'ny fanjanahantany ny tao amin'ny efitra ambony amin'ny Lapan'i Tranovola nefa toa tsy nisy ny nitabataba tamin'izany fotoana izany fa variana ery mijery ny sarisary rehetra tao. Ny nahavariana ahy ihany koa, ny tena nisongadina tamin'ny fanaky ny Lapa naseho tamin'ireny tranombakoka ireny dia toa ny fanomezana avy amin'olona na firenena vahiny ihany! Toa tsy nanintona loatra ny zavatra teny malagasy tao anatiny. Efa nambara tamin'ny fanorenana indray ny Lapa fa hasiana solotohatra mandeha amin'ny herinaratra (ascenseur) io Lapa io. Aleo indray manontany anareo! azo atao amina tranombakoka ve izany sa tsia? Manao ahoana ny any Eoropa sy Amerika avaratra any? Toy izany ihany koa moa ny amin'ny efitra fidiovana! Averiko indray fa tsy hahaverina intsony ilay tena endriny amin'ny antsipiriany amin'ny trano isika.

Tena nandany andro mihitsy aho nanoratra fa tsy fantatra intsony manko izay tena tanjon'ny fitondrana tetezamita: hampitsahatra ny asa ve satria tsy  mifanaraka tamin'ny endriny taloha intsony ny lapa? sa tokony hanao ala-faditra amin'ny fanaovana fombafomba indray ve? Ataovy ny fombafomba raha izay no mahasarotiny anareo fa aza menatra. Tsy haiko intsony manko fa hoe tena voazimbazimba sy voatevateva ny masina ka inona no tian'ny fitondrana hahatongavana? Averina indray eny Manjakamiadana ve ny masina sa aleo hitoetra eny amin'ny tokony itoerany ha tramin'izay eny Ambohimanga ihany?

Dia hamaly resaka indray koa aho ary hametraka izao zavatra manaraka izao. Hitodika eny Andohalo isika, nisy ny fanavaozana io zaridaina io. Ny kianjan'Andohalo dia toerana iray namorian'ny mpanjaka tamin'ny androny ny vahoakany. Misy ny toerana na sehatra nanaovany fikabariana. Ny mpahay tantara no tokony hahafantatra tsara fa araka ny fijeriko dia izay no nisian'ilay dongona lehibe nesorin'ny kaominina Antananarivo renivohitra tamin'ny 2008 iny. Nesorina tsy nasiana famantarana intsony fa nosoina lalankely iny dongona iny? Moa ve tsy finiavana hikosoka ny tantara ihany koa ny nanesorana iny dongona teo Andohalo iny? Anjaran'ny tsirairay ny mieritreritra!



jentilisa, alarobia 13 mey 2009 tamin'ny 1:19 maraina vao vita!


Ny hetsika eny amin'ny Auditorium Ankorondrano Antananarivo

2009-05-08 @ 22:59 in Politika

Araka ny nampitain'ny mpampahalala vaovao izay tsy dia fanarako loatra intsony amin'izao fotoana izao dia notokanana ny zoma 8 avrily 2009 ny tsangambaton'ny 7 febroary 2009, izany hoe zava-nitranga telo volana lasa izay. Misy ny anaran'ireo nodimandry tamin'iny fotoana iny io tsangambato nasiana sarin'olona lavo sy toy ny mitorevaka ary manangatanana manao marika V io. Eo ampita manatrika ny lapan'Ambohitsorohitra moa no misy azy. Ry zareo nitondra ny olona hovonoina eny moa no mitondra amin'izao fotoana izao ka tsy dia atao mahagaga loatra raha mba manorina tsangambato eny izy. Sady fantatra rahateo fa ampolony no maty tamin'io fotoana io. Tamin'ny tsilian-tsofina sy hitakintantsika taty amin'ny aterineto ihany dia anisan'ny maty tamin'io fotoana io ny rahavavin'ny vadin'ny Kaomandà Charles Andrianasoavina, ary ny fandrenesan'ny vadiny io fahafatesan'ny rahavaviny io ihany, araka ny tsilian-tsofina, no niteraka ny fahatairana ka nahafaty ny vadiny. Efa fantatsika fa ifanilihana ny andraikitra tamin'io raharaha io.

Efa fantatry ny mpanaraka ny toe-draharaha tamin'io fotoana io fa nilaza ny hanangana vaomiera mahaleo tena hanadihady momba io raharaha io, dieny ny ampitso nisian'iny asabotsin-drà iny ny  filoha Ravalomanana. Miharihary tamin'ny rehetra fa tsy nandefa na inona na inona hanosehana ny mpitolona mafana fo ireo mpitandro ny filaminana nanao barazy ny tery aloha tery. Tsy nisy ny baomba mandatsa-dranomaso ary tsy nisy ihany koa ny fanosehana nivantana, fa ny nihazakazaka namonjy aina no nataon'ny zandary sy ny miaramila ary ny polisy nisahana ny sakana. Matoa nahasahy nanambara hanangana vaomiera manokana mahaleo tena ny filoha Ravalomanana dia fantany mazava fa misy andraikitry ny tafika goavana mihitsy ao. Efa nisy ny fifanarahana teo amin'ny mpitandro ny filaminana ivelan'ny lapa sy anatin'ny lapa. Fantatry ny rehetra ihany koa fa tsy maintsy ny filoha nitondra tamin'izany fotoana izany no voahoso-potaka voalohany tamin'iny raharaha iny. Hita tsara anefa rehefa miherika mankany indray isika fa efa tsy voafehin'ny filoha intsony ny tafika tamin'ireny fotoana ireny, eny, efa hatramin'ny 26 janoary aza fa Ravalomanana fotsiny no nanamboatra saina nilaza fa tsy nampihetsika ny miaramila izy... nefa heveriko fa diso ihany izay filazany izay.

Fa dia nanaotao foana koa na izany aza ny ao amin'ny HAT nanagadra mpanao gazety, dia lazaina indray avy eo fa resaka tsy idiran'ny maha-mpanao gazety azy koa no tena isamborana azy sy itanana azy am-ponja. Miezaka ny hamongotra ny fihetsiketsehana ataon'ny mpitaky ny ara-dalàna sy ny fitiavana ny filaminana manko ny tetezamita dia tsy maintsy mandray andraikitra mivilana tahaka izao. Tadiavina avokoa izao fanamelohana rehetra izao. Tsy atao mahagaga intsony raha nampidirina hitanana am-ponja an'Atoa Ralitera Andrianandraina, ilay lehiben'ny fiarovana teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny lalam-panorenanana, ny ahiahy fikasana handoro ny lapan'Ambohidahy, izay ambenany... tsy nisy akory ny porofo hoe efa nisy lasantsy na zavatra mifanahatahaka amin'izany hanaovana vesatra amin'izany ahiahy izany. Eto aho dia manararaotra manoratra fa raha sanatria misy misambotra aho dia loharano roa no mety mahatonga izany.

Ny loharano voalohany dia avy amin'ny vaomieran'ny fifandraisana ao amin'ny tolona atao eny amin'ny Auditorium eny Ankorondrano. Nametraka ny mombamomba ahy tao manko aho ny zoma 8 mey noho ny fitadiavako antontan-kevitra avy amin-dry zareo. Resaka anay samy anay moa iny. Fantatrareo fa mila fotoana betsaka mihitsy ny tolona, ary na dia ny fanoratako aminareo izao aza dia heveriko fa fandraisako anjara mavitrika amin'ny tolona hamerenana ny ara-dalàna eto Madagasikara, ary mba ho nofinofy ratsy eo amin'ny tantaran'i Madagasikara izao fanonganam-panjakana nihatra teto izao, fa mba tsy haharitra ela intsony. Ny loharano faharoa kosa indray dia avy amin'ny vadin'Atoa Alain Ramaroson... Rtoa Olga, raha toa mbola io notononiko anarana io ny vadiny, mahafantatra ahy manko izy io. Ary fantatro ihany koa izy sy ny zanany mianadahy (voalohany ohatra raha toa efa nisy zaza hafa indray!). Hitanareo ihany fa malazalaza ratsy indray izao tsahotsaho amin'ny mety hisamborana ny mpanao gazety nitantara ny mitranga eny Ankorondrano izao, sy manambara ny hevitry ny legalista. Raha nanontaniana manko ny lehiben'ny famotorana eny amin'ny CNME Ambohibao, ny amin'io mety hisamborana mpanao gazety dia tsy nandà mihitsy izy (sady tsy nanaiky rahateo) ka miteraka ahiahy ihany.

Mora dia mora ihany koa ny vesatra azo atao amiko raha voasambotra aho, satria feno antontan-kevitra rehetra na ampahany betsaka momba ity rahahara ity ny mpanoabaikoko na solosainako araka ny ahafantaran'ny maro azy. Ilaiko dia ilaiko amin'ny fanoratana tantara kasaiko havoaka moa ireo antontan-kevitra ireo, nefa azo avadika ho fanohintohinana ny fiandrianam-panjakana sy fikasana fampielezana trakitra manaratsy ny fitondrana ihany koa. Tsy dia ataoko ho olana loatra moa ny amin'izay na hosamboriny aza aho. Ny iriko moa dia raha vao mieritreritra ny hisambotra mpamaham-bolongana ihany koa ry zareo ireto dia mba ho tahaka ny fitenena fotoana vitsy lasa izay nefa amboariko kely manao hoe: "Jentilisa ve? hein ein! c'est rien ein (vakinteny ataritarika!)". Mety ho azo ampidirina ihany koa ny filazana hoe fampielezana vaovao tsy marina (satria tsy mifanaraka amin'ny revin'ny FAT).

Dia mba manararaotra kely aho mitantara ny fandalovako teny amin'ny Auditaurium. Hatramin'ny nifindran'ny tolona ho eny dia vao indroa aho izay no nankeny. Ny voalohany dia tamin'ny alarobia 6 mey 2009 teo. Tohina tokoa ny fo raha nahita ireo mpitolona vitsivitsy sahy sedra niatrika ireo mpitandro ny filaminana teny Tsimbazaza ka nanaovako anakampo hoe tsy maintsy mankany aho rahampitso hampaherezana ireo sisa mbola mitolona. Noho ny zavatra hafa mbola natao dia tamin'ny iray folakandro aho vao niomana ho any io andron'ny alarobia io. Fantatro fa mitady tsy hahatratra ny fotoana aho, sady ny ora fiasako ihany koa miditra amin'ny iray ora sy sasany folakandro dia nandray fiarakaretsaka aho. Indrisy anefa fa ny ora nahatongavako teny indrindra no nirava ny tao. Nisisika niditra ihany aho, hitako tena midadasika ny tokontany, ary azo heverina ho lehibe noho ny kianjan'Ambohijatovo nivoriana aza. Betsaka noho izay nampoiziko ny olona tao na dia maro aza ny matahotra hankao. Ny olana lehibe manko dia tsy misy afa-tsy vavahady tokana ny mankao... noho izany, raha misy ny fanafihana dia tsy afa-mivoaka intsony izay efa ao anatiny ka tsy mahatsambikina ny tamboho efa avoavo ihany ery ambadika. Tsy fantatra ihany koa anefa raha efa misy miandry any na tsia. Ny fefy anoloana kosa moa dia voafefy fanitso ka ny ao anatiny tsy mahita izay ao ivelany, ary ny ao ivelany tsy mahatazana izay ao anatin'ny fefy. Mila karazam-pahasahiana ihany noho izany ny miditra ao amin'io Auditorium Ankorondrano io.

Mazava loatra fa mbola nampiandrasiko tao ihany ny fiarakaretsaka nitondra ahy, tsidika dimy minitra ihany manko no nataoko raha lava indrindra tamin'ity andro nolazaiko ity. Tao anatiny aho dia nahita ireo efa hody, saingy niangaviana hijanona aloha hangoronana ny fanamafisam-peo ka rehefa lasa ny fiara vao miara-mody na mamonjy asa avokoa ny rehetra. Tsikaritro fa misy baoritra fitoeram-pako miely eny ho eny, ary dia amin'ireny tokoa ny olona no manary ny fakony. Nahafaly ahy ny nahita io satria tena fitandroana ny fahadiovana tokoa izany fihetsika izany. Nahavariana ahy fa nisinisy ihany ny olona fantatro tarehy no tsy hitako teny Ambohijatovo mihitsy nefa dia hitako tao... Amin'ny faritra avaratr'Antananarivo manko ireo no mipetraka ary lavitra azy ireo ihany ny kianjan'Ambohijatovo. Misy dia misy ny olona no mankeny isan'andro saingy raha ny maro an'isa tazana teny dia izay fotoana ahafahany hany izy no mankeny. Lasa aho avy teo namonjy ny fiarakaretsaka... May aloha ny manakaiky ny Ar10 000 , hilazako aminao fa mandany vola tokoa ny mankeny, nefa tsy misy vola raisiko mihitsy tsy akory eny. Izay aloha no fandavantenako hamerenana ny ara-dalana hanjaka amin'ny tanindrazako.

Ny fidirako tao faharoa kosa dia ny zoma 8 mey 2009. Tsy afaka nankeny mihitsy aho ny alakamisy 7 mey noho ny asa. Noho izany tsy nahalala afa-tsy tamin'ny gazety ny diabe nataon'ny vehivavy manaraka ny ara-dalàna niainga avy teny Ankorondrano, nandalo ny kianjan'ny 13 mey ary nifarana teo anoloan'ny fiaran'ny miaramila miambina ny zaridainan'Ambohijatovo tsy azo nidirana intsony aho. Hetsika tsy nampoizina io ka tsy mahagaga raha tsy nisy velively ny fiomanana nataon'ny mpitandro ny filaminana. Nitampim-bava ny vehivavy sady namatotra ny tanany ihany koa moa... ary nitondra sorabaventy misy soratra hoe "liberté".

Mba tonga alohaloha ihany aho satria mialoha ny mitataovovonana no nigadona. Mbola hita indray fa betsaka tamin'ireo nifanakaiky tamiko indray no sambany indray vao nankeny Ankorondrano. Gaga ny olona sambany vao tonga eny, ao ireo mihevitra fa vitsy tsy araka ny nampoiziny ireo tonga tao. Mazava loatra izany, hoy aho, satria ny olona ato kosa tsy tia gidragidra ary tsy te-haradratra loatra. Izaho kosa moa dia efa nambarako eo ambony ihany ny hevitro. Tsapa kosa fa maro kokoa noho ny tamin'ny alarobia ny tonga tamin'ity andron'ny zoma ity. Na ny mpikabary aza dia nilaza fa nitombo tokoa ny isan'ny nanatrika ny hetsika. Hita ho miasa ny mpitandro ny filaminana sivily... tsy manao irony akanjo maitso tanora irony intsony... satria izay olona varimbariny sy somary hafahafa fihetsika dia avoaka any ivelan'ny fefy mihitsy fandrao manakorontana na miteraka korontana. Efa zaatra tsara izany ary mametraka tokoa ny atao hoe mpandala ny filaminana. Diso hevitra noho izany ireo izay nikajikajy fa hampitsaha-ketrika ny tolona ny fanakatonana ny radio mada hany tena mpitantara mivantana ny hetsika amin'ny ankapobeny. Isaorana ihany na dia izany aza ny radio fahazavana sy ny matv amin'ny fiezahan'izy ireo mamoaka ny vaovao avy eny Ankorondrano Auditorium.

Mihevitra ny hahavory olona maro moa ny mpanao fihetsiketsehana io Asabotsy 9 mey 2009 io, efa izaho kosa raha nanaraka ny hetsika hatramin'ny voalohany, dia tsy dia manantena izany fahatongavana maro izany loatra. Efa impiry impiry moa no nanantenana tahaka izany tamin'ireny fiandohan'ny tolona hamerenana ny ara-dalàna ireny, saingy na dia betsaka noho ny mahazatra aza ny olona rehefa andron'ny Sabotsy, dia tsy ilay araka ny antenaina velively. Manaraka izany, miteraka adihevitra mandrakariva ny fihetsiketsehana mivoaka ny valan'ny fivoriana. Ataoko fa misy hatrany ny fifanoheran-kevitra rehefa misy izay hetsika midina an-dalam-be izay. Vao ny talata teo no nahitana fa vitsy ny olona mahasahy milahatra izany; koa tsy azoko ny mbola hanaovana ny tahaka izay io sabotsy 9 mey io... raha ny vehivavy irery dia ataoko fa tsy maninona mihitsy...satria tsy misy velively izany olona hiady amim-behivavy izany ka tsy hitafy henatra avy eo, mandresy tsy mahazo sitraka, resy afa-baraka. Angamba, angamba! hoy aho, ny fanarahana mivantana ny lanonam-pitokanana ny filoha Afrikana tatsimo vaovao, Atoa Jacob Zuma, eny amin'ny masoivoho Afrikana Tatsimo, izay tsy lavitra ny Auditorium no hatrehin'ny mpanao fihetsiketsehana, ka disoina ny mpitandro ny filaminana misodisody eny ka manakana ny anoloan'ny ambasady satria ny masoivoho mihitsy no manasa ny rehetra hanatrika io fotoana io (nisy fifanarahana ve tany ho any?) Hanakana ianao hitan'ny manao gazety rehetra ary ahana hanaovan'ny olona fitantarana mivantana miaraka amin'ilay lanonam-panokanana filoha nofidiam-bahoaka ihany koa. Ny hevitra na toeran-kafa indray moa tsy fantatro loatra fa vinavina fotsiny ny ahy. Ny Vondrona Eoropeana anefa no kendrena hampitana hafatra amin'io andron'ny sabotsy io.


Izay no lava, fa araka ny mahazatra izay manoratra eto amin'ny bolongana dia soraty vakiraoka aloha ny soratra, dia ankotrihina (actualiser na update) ny takelaka vao apetraka ilay hevitra, ny solon'anarana ary averina soratana ny marika eo anilan'izany marika hitanao.



jentilisa, 09 mey 2009 amin'ny 01:00 maraina

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox