Sariitatra politika

2009-11-18 @ 11:17 in Ankapobeny

Ireto sary anaraka ireto dia nofantenakoavy amin'ny gazety Tia Tanindrazana avokoa hanehoana amintsika fa azo ihomehezana tsara mihitsy ny raharaha politika misy eto Madagasikara. Sary diso fito no misy azy fa izaho kosa manao azy ho kisarisary na sariitatra politika. Raha maharabaovao ianao dia  hitokelaka tokoa. Mety hisy anefa ny tsy hahazaka koa ialana tsiny mialoha.

 


 
marihiko hatrany fa an'ny gazety Tia Tanindrazana ireo fa mba nataoko hampihomehy anao mpamaky. Tsy leo politika velively izahay fa tozoinay hatrany izany. 

 

Mianatra mijoro (Apprendre à s'affirmer)

2009-11-16 @ 16:43 in Ankapobeny

Taranja iray mba mahafinaritra ahy ny Saikolojia (psychology) na dia tsy hitako aza indraindray izay atsimo sy avaratra aminy. Misy ihany anefa ny kaokany tafajanona tamin'izay boky maro sy seminera natrehina izay.Ny fifandraisana amin'ny olona moa no tena nifantohana haminavinana ihany koa ny toe-tsain'izay miresaka amin'ny tena. Tsy very anjara mihitsy ity Saikolojia ity amin'izao fotoanan'ny krizy izao. Toe-javatra mety ho bitika na tsy tsikaritsika akory no tiako isarihana ny sain'ny mpamaky eto amin'ity hoe mianatra mijoro ity.


Ifandroritana fatratra ny minisitera amin'izao fotoana izao indrindra fa ireo lazaina fa minisiteran'ny fiandrianam-pirenena. Misy ireo voazara fa ny tena ifampisintonana, ankoatra ireo minisitera heverina ho mpampidi-bola, dia ny minisiteran'ny fitsarana sy ny minisiteran'ny atitany. Ny minisiteran'ny fiarovana, ny filaminana anatiny moa dia noheverina tsy hokitihina mihitsy izay efa eo; araka ilay nolazaiko hoe ry zareo mpitandro ny filaminana ao ihany no manapa-kevitra amin'ny raharahan-dry zareo fa tsy hanaiky izay tolo-kevitra na fanendrena avy amin'ny sivily mihitsy ry zareo. Mbola tolona hafa no hatrehina amin'izy ireo ary ho lavitr'ezaka sy tsy mora velively.


Manaiky atao fitaovana fa tsy mahatsapa ny fahefany

Iadiana fatratra ny minisiteran'ny fitsarana, satria araka ny efa hitantsika dia fitaovana entina manakana ny mpifanandrina amin'ny tena tsy hirotsaka amin'ny fifidianana izy, indrindra araka ny hita amin'izao fotoana izao. Izay no nahatonga ny fifanarahan'ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Rajoelina hoe ifanarahan'ny roa tonta sy tsy avy amin-dry zareo (ary tsy mitongilana fahatany) no tsara mitantana io minisitera iray io. Mazava tsara aloha izany, hatreto, fa mbola mihevitena ho mpiasam-panjakana hatao fitaovana ny ankamaroan'ny mpitsara fa tsy manana eritreritra hoe fahefana afaka ny hahaleo tena tsy hobaikoan'ny fahefana hafa. Olana iray manimba io fitsarana io ihany koa ny fanjakazakan'ny kolikoly ao amin'io "fitaovam-panjakana mpanatanteraka" io. Nahavalaketraka ny olona toa anay ny nahita ny hamaivan'ny onitra ampandoavina ireo nanao fanondranana ny harena sarobidin'i Madagasikara (bolabola na bois de rose ho antsika efa mihorirana ho frantsay) izay kely noho ny tokony ho sara aloan-dry zareo. Ny filazana ny "fanafahana noho ny fisalasalana" moa dia toy ny fampirisihana ny hafa hangalatra mihitsy satria "efa ho lany ihany ny paiso an-kady".

Olana iray hafa ihany koa ireto lazaina ho mpahay lalàna eto amin'ny firenena sy mpampianatra amin'izay mihitsy nefa dia tsy menatra ny manao dika vilana, na manaiky ny fandikana vilana ataon'ny hafa te-hampanjaka ny heviny fotsiny. Tetika fanamarinan-tena sy fihatsaram-belatsihy no tena imasoana fa tsy ao mihitsy ilay fahasahiana mijoro milaza ny tsy mety, noho ny tahotra basy sa sao miantraika amin'ny vady aman-janaka ny fijoroana amin'ny marina? Sa matahotra no holazaina hoe mpanao didy jadona raha milaza tsy amin-tahotra izay tokony ho izy?


Misy lazaina ho fandeferana nefa tsy fahaizana mijoro

Iadiana ihany koa ny minisiteran'ny atitany, satria ity minisitera ity no kitro ifaharan'ny fifidianan-ko avy rehetra. Mbola ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Rajoelina ihany no nifandramatra tamin'ity minisitera iray ity. Nifanekena avy eo fa ny ankolafy Zafy no handray ny fitantanana io minisitera iray io. Izaho manokana dia nieritreritra fa tena fanapahan-kevitra mety tokoa ny nanolorana ity minisitera ity ho an'ny ankolafy Zafy Albert. Mba samy afaka mieritreritra avokoa ny roa tonta niady fo tamin'ity minisitera ity fa misy kazaram-pahamarinana tokony ho voatandro ihany ilay safidy, raha mahasahy sedra ny safidim-bahoaka tokoa ireo milaza fa manana ny maro an'isa eto amin'ny firenena.

Kanjo, rehefa tonga teto an-toerana indray dia mbola niady hahazo ity minisitera ity indray ny ankolafy Rajoelina. Miampanga tena ho tsy matoky ny hamaroan'ny hifidy azy izy araka ny fijeriko raha nitady handrapaka indray ity minisitera ity ankoatra ny vola mety ho katsahiny ao anatin'ny fanomanana ny fifidianana. Mikendry izy fa be fandeferana ny ankolafy Zafy Albert, ka niady varotra tany ry zareo. Mihevitra ihany koa ny mpanongam-panjakana fa lasa ny ankolafy Zafy Albert sy ny ankolafy Rajoelina no hifampiady varotra amin'ity minisitera ity ka tsy ao an-tsaina intsony fa manara-maso tsara izay fandehan'io minisitera io ny ankolafy Ravalomanana. Fahadisoana fa tsy fandeferana no nataon'ny ankolafy Zafy Albert raha nanaiky hamela ity minisitera ity hotantanin'ny mpanongam-panjakana. Eo no miditra ny lohateny satria tsy nahay nijoro ny ankolafy Zafy Albert. Lasa toy ny vatobe taingenam-borona ka rehefa tsy miteny dia angereny (tokony ho teny madio itony teny itony fa tsy teny maloto velively saingy noho ny fitaizana tandrefana moa...!)

Koa tena fampianarana ny rehetra hahay hijoro mihitsy ny nataon'ny ankolafy Ravalomanana raha nanambara fa misy ny minisitera efa voatendry tany Addis-Abbeba tsy mila iverenana intsony, na iadiana varotra indray. Tsy azo ekena velively ny fikasana na ny handraisan'ny ankolafy Rajoelina ny minisiteran'ny atitany. Tsy ny manana zo handefitra tsy handray ity minisitera ity velively ny ankolafy Zafy Albert fa tena adidiny tanteraka io. Tsy azony atao ny manilika azy amin'ny ankolafy hafa (indrindra fa ny ankolafy Ratsiraka) ity minisitera ity. Ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Rajoelina manko no nifandrombaka ity minisitera ity ka ny itantanan'ny ankolafy Zafy Albert azy no antoka tsara indrindra amin'izao fotoana izao.


Hisy ve ny komity mahaleo tena?

Mety hisy ny hilaza hoe ka efa komity mahaleo tena anie no hitantana ny fifidianana. Izaho manokana mieritreritra fa mbola lavitry ny afo ny kitay amin'io komity mahaleo tena io. Heveriko fa ny fiaraha-monim-pirenena no tokony ho lohan'izany komity mahaleo tena izany saingy ilay fiaraha- monim- pirenena eto amintsika efa misy fironana mampieritreritra be ihany sady amin'ny ankapobeny dia avy amina fiangonana matanjaka iray no fiavian'ny ankamaroan'izy ireo. Nanana laza ratsy ho nandray anjara tamin'ny fanonganam- panjakana teo anefa ny lohandohan'io fiangonana io sy ny olobe tao aminy ka mbola mety hiteraka ahiahy hafa indray. Manana adidy mavesatra izy ireo noho izany hampiverina indray ny fifandraisana mody lazaiko hoe marefo dia marefo na dia efa tapaka tarangana mihitsy aza amin'izao fotoana izao.

Fehiny: Be loatra ny fanasana atidoha amin'ny tokony handeferana nefa tsy ampiharina ny fifandeferana (azonareo tsara ve ny tiako lazaina? ny rehetra ny mifandefitra fa tsy ny sasany no hoterena handefitra) ka lasa noadinoina fa misy ny zo tsy maintsy tandrovina satria adidy mampijoro ny fifandanjana sy fimirana lenta izany. Tsy mila manaratsy olona velively amin'izay fianarana mijoro izany (na maneho ny maha-izy ny tena izany) ary tsy mila manambany ny hafa ihany koa. Ireo mpanaratsy sy mpanambany olona dia manao fitaratra ny tenany ihany ka mody manilika ny kilemany amin'ny hafa.




jentilisa, alatsinainy 16 novambra 2009, amin'ny 18: 48

Pilote sy Copilote ahoana indray e?

2009-11-10 @ 22:48 in Ankapobeny

Mbola tsy mitsahatra tsy akory ny momba ity président sy coprésident ity. Mpanara-baovao ny tena ary mba manana hevitra ny amin'ireny kisangisangy mivoaka ireny ihany koa. Nahatsipalotra ny sariitatra (caricature ho antsika zatra kokoa ny teny frantsay) nivoaka tamin'ny gazety l'express de Madagascar nivoaka io talata 10 novembra 2009 io. Ny mpilaza moa dia niteny fa fanarabiana ny mpanohana sy ny mpanaraka ny firehana Ravalomanana indray izao no angadin'i Elisé Ranarivelo. Tsy maninona io fa samy manana ny heviny. Misy koa ny gazety tena mahay manao sariitatra fa mahatamana indrindra ny an'ny gazety Tia Tanindrazana. Mahafaninana tokoa ary mahay mihoatra noho ny gazety Hehy tamin'ny fotoan'andro nampalaza azy. Fa hiverina tamin'ny sariitatra lazaiko indray aho.

Tao amin'izany sariitatra izany na tsy misy endrika na tavan'olona asehony aza dia ahitana fiara mpanao fifaninanana iray. Tsy F1 io mazava loatra fa irony fiara mpandeha amin'ny lalantsarotra sy lalantany irony. Misy olona iray mibaiko hatrany ao hanadio na hanisaka ny fitaratra, hamafa ny seza, hikopakopaka...dia mba niteny ilay miaraka aminy saingy valin'eso no azony hoe "Izay anie no ananako Copilote e!", dia ompa, hono, sisa no nataon'ny iray. Dia nihomehy aho fa nihomehy tamin'ny lafiny ilany, nihomehy ny "tsy fahaizan'ilay mpanao sariitatra". Izaho koa aloha tsy dia maharaka io fifaninanana fiara io saingy mba manana fomba fihevitra manaraka lôjika kely ihany.

Voalohany, raha tena amin'ireny fiara mifaninana ka misy pilote sy copilote ireny dia voatsinjara tsara ny anjara asan'izy ireo. Ny Pilote no mitana ny fanamoriana, tena ekeko tokoa. Fa anjaran'ny copilote no mitazona ny famantaranandro ijerena ny ora sy ny faharetana, mitazona ny sarintany hilazany mialoha ny fiolahana hodiavina ary tsy maintsy manaraka izay lazainy ny pilote, izany hoe ny copilote no "mibaiko" ny pilote. Ny Copilote no miteny hoe ankavia kely, ankavanana be, ankavanana tanteraka sns... Izany hoe tena anjaran'ny copilote no tokony hampihatra raha eo amin'ny lafiny politika ny antsoina hoe amin'ny frantsay hoe: "Gouverner c'est prévoir" satria eo aminy ny sarintany ijereny ny lalana sy hanoroany ny pilote. Ny anjaran'ny pilote dia ny mijery tsara ny lalana sy ny mihaino tsara ny baiko omena azy. Noho izany, amiko mba mizesta ery ilay mpanao sariitatra nefa diso ny zotra ankapoben'ny tantara ataony. Fa na izany na tsy izany tsy fiarakodia tsy akory i Madagasikara fa firenena.


Hahazo vahana eto amintsika ve ny vondron'asa La sentinelle?

Vaovao fohy navoakan'ny vohikala Sobika ny andron'ny talata 10 novambra ihany koa no mbola nahitana hoe hiasa miaraka ny vondron'asa Sentinelle avy ao amin'ny nosy Maorisy sy ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo. Dia mitohy ny voalaza fa handray an-tanana ny famoahana ny gazetin'ny Kaominina io orinasa io. Mba tahaka ny ahoana moa no nahazoan'io orinasa io ny fandraisana an-tanana ny gazetin'ny Kaominina izany? Mba misy ve ny tolotr'asa ampahibemaso sa dia fifanarahana ambadika fotsiny no natao? Misy dia misy manko ny antony mahaserny ahy amin'ity zavatra iray loha ity, ankoatra ny maha-mponin'Antananarivo Renivohitra ahy. Fomba fiasa nentina nanenjehana ny filoha Ravalomanana ho manao kolikoly manko no atao ankehitriny rehefa tsy mazava tsara ny nahazoan'io orinasa io izany ampiandraiketana azy izany.

Tamin'ny volana oktobra 2009 teo dia namoaka gazetiboky tsy manan-daharana nampitondraina ny lohateny hoe "Regards sur une crise Madagascar" ny gazety l'express de Madagascar. Amin'ny ankapobeny dia fanatsatsoana an-dRavalomanana sy fanasohasoana an-dRajoelina ny votoatin-dresaka ao, na dia mody lazainy mialoha aza fa ny hevitra rehetra mivoaka ao dia an'ny mpanoratra tsirairay ihany. Sary moa no tena betsaka fa misy lafiny Saikolojia (Psychology) miasa dia miasa ao ambadiny. Dia aleo lazaina mialoha fa ny Caractère Ltée ao anatin'ny vondron'asa La Sentinelle no nanonta io gazetiboky io. Tsy maintsy tsara jerena kosa aloha ilay boky fa ny tao an-tsaina avy hatrany raha vao nahita ilay vaovao dia hoe fifanandrifian-javatra fotsiny ve ny namoahana ity gazetiboky nolazaiko io sy ny fandraisan'ilay mpanonta an-tanana ny famoahana ny gazetin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra? Mba lazao kosa ny tena antony fa mba betsaka ihany anie ny mpanonta boky eto amin'ny tanàna e! sa potika tamin'ilay 26 janoary 2009 iry daholo ireo orinasa nahavita zavatra tsara rehetra teto?


Tsikera momba ny gazetiboky "Regards sur une crise Madagascar"

Mba manankambara momba ity gazetiboky mipetraka ho tsangambaton'ny tantara ity sahady aho, na dia mbola tsy tapitra aza ny tetezamita ka mbola eo ampanangonam-baovao sy fandrafetana ny lahatsoratra izay mety ho mpanoratra tantara tsirairay. Sary no tena betsaka hoy aho nefa tena miasa ny saikolojia. Pejy fahadimy no misy sary sy fanazavana voalohany: Lohateny manao hoe "Arrêt sur images". Misy sary roa ampitahaina eo mazava ho azy. Ny sary voalohany, sarin'afisin'i TGV tamin'ny fifidianana asandratr'olona iray anivon'olona maromaro sady maro amin'izy ireo no manao ny marika V. Ny sary faharoa eo ambany kosa dia sarin'afisin-dRavalomanana tamin'ny fifidianana ihany amin'ny tany kosa sady efa naharovitana  no ambanina vy may. Tsy ahitana olona mihitsy kosa. Hafatra ambara amin'izany: Manam-bahoaka i TGV ary lavo tanteraka sady tsy misy olona intsony manaraka ny filoha Ravalomanana. Fehiny: mivandravandra sahady nyfirehan'ny gazetiboky na dia mbola tsy tapitra akory aza ny tetezamita sady tsy mbola nisy ny fifidianana manaporofo izany.

Amin'ny ankapobeny ny gazetiboky dia tahaka ny maneho ny hamaroan'ny mpanaraka an'i TGV (izany hoe ny sary tamin'ny 24 janoary sy ny 26 janoary no faratampon'ny fahamaroan'ny olona indrindra) sy ny fahabangabangan'ny mpanaraka an-dRavalomanana nandritra ny tolona natao. Zavatra marina nosoratany dia ny filazana fa efa nihakely hery saiky levona tanteraka ny tolon'i TGV raha tsy teo ny miaramila mpioko. Avy eo moa lasa fiarovana ny miaramila nioko indray no natao lahasa avy eo.

Tsy aritra ihany koa ny ao amin'ny pejy 63 milaza ny nanomezan'ny filoha Ravalomanana ny fitaovan'ny MBS rehetra tsy tratran'ny fandrobana ho an'ny TVM sy ny RNM tamin'ny 5 febroary 2009. Nolazain'ny gazetiboky moa fa tsy nahafina ny ampihimamban-dRavalomanana teo amin'ny sehatry ny haino aman-jery izany fahalalaha-tanan'ny filoha Ravalomanana izany. Hoy kosa aho hoe: Raha nanome ny fitaovana ny filoha Ravalomanana dia mba hahenoana indray ny TVM sy ny RNM, tsy hampitaintaina ny any amin'ny faritra. Adidy ny azy mba hampandeha indray ny fanomezam-baovao. Tao anatin'ny paikan'ny fanonganam-panjakana manko ny "famotehana" ireo haino aman-jerim-panjakana ireo tsy hahafahan'ny filoha Ravalomanana miteny na aiza na aiza intsony. Tsy mahagaga raha tezitra ny mpanohitra satria nandeha indray ny RNM sy ny TVM nanomboka hatreo. Azo heverina manko fa nafenina tany ambadimbadika ihany (heveriko fa ny toby miaramilan'ny Capsat ihany) ireo fitaovana ireo, izay nananganana ilay TVM bis tamin'ny volana martsa 2009.

Fehiny, efa vonona amin'ny itantarantsika ny tantara ihany koa ve isika rehetra fa tsy ny hafa ihany no hitantara?

jentilisa, 11 novambra 2009 (11-11-2009) amin'ny 00:53

Fomba entina milaza fandresena

2009-11-09 @ 22:52 in Ankapobeny

Eto ampiandrasana ny fivoahan'ny lisitry ny mpikambana eo amin'ny ambaratongam-pahefana isan-karazany isika amin'izao fotoana izao. Ao anatin'izany ny mpikambana ao amin'ny governemanta. Velona indray ny fifanadrohadroana sy ny fifanebahana eo amin'ny ankolafy samihafa. Ny fifanandrifian-javatra ihany koa dia nisy nipiraty tao anatin'ny ora vitsivitsy ny vohikala topmada nanomboka teo ho eo amin'ny 11 ora atoandro teo ny alatsinainy 09 novambra 2009 (ora Antananarivo) ka efa maty masoandro vao hitako niverina tamin'ny laoniny ilay vohikala. Raha navela kelikely ilay vohikala tamin'io fotoana io tonga dia nandevona ny nojerena rehetra vantany vao notapahina ny fiseraserana (conexion).

Tonga indray ny alina, Lasa nilòna indray ny fiseraserana rehetra. Nanjary nandany fotoana lava vao tafiditra amina vohikala iray. Angamba noho ny filazana ofisialy fa azo arahina mivantana amin'ny alalan'ny vavahadin-tserasera iray eto an-toerana ny vaovaon'ny rnm sy ny matv ka maro no indray nivoivoy no anton'io filonana fiseraserana io fa tsy zavatra hafa. Nisy mihitsy manko ny fotoana tsy nety tafiditra na taiza na taiza aho teo amin'ny fiseraserana io alin'ny alatsinainy hifoha talata io. Mitantara zava-misy vetivety fotsiny aho fa ho avy indray ny ventin-dresaka.

 Raha ny mpiserasera manaraka politika ihany koa ataoko fa samy efa mahafantampantatra ny "Tovam-pifanarahan'ny satan'ny tetezamita malagasy" nosoniavina tany Addis-Abeba avokoa. Dia samy manao ny fandikana azy avokoa ny tsirairay, araka ny fireha-keviny, ilazana fa izy no tena nahazo tombony ka izy no nibata ny amboara tamin'ny fifanarahana. Ny Andininy voalohany, faharoa, fahatelo ary fahaefatra avokoa no androritana izany fandresen-dahatra ny tsirairay izany. Mahita aho fa niniana natao ny famadibadihana fomba filaza hoe and1:"...  il est institué un Conseil présidentiel composé de deux postes de co-présidents de la Transition..." milaza fa naorina ny filan-kevitry ny filoham-pirenena izay misy <filoha mpiara-mitantana> ny tetezamita roa. Toy ny mampihomehy satria atao hoe filan-kevitry ny filoham-pirenena izy mirahalahy mianaka nefa antsoia hoe <miara-filoha>n'ny Tetezamita. Toy ny manao hoe mody antsoina hoe ianao no filoha fa izahay ihany koa dia <miara-filoha> aminao no iantsoana anay.

Eo amin'ny and.2 indray manamarika fa tsy miova fa araka izay voafaritry ny satan'ny tetezamita  ihany ny andraikitry ny filoha fa nisy faingo nanaraka ny teny ka nitohy hoe:"...assisté par les deux co-présidents du Conseil présidentiel." izany hoe ampiana na atrehina na toroana na tarihin'ireo filoha mpiara-mitantan'ny Filan-kevitry ny filoham-pirenena. Ny ankolafy iray mety hiteny hoe assistant izany izy mirahalahy ireo izany hoe toy ny assistante de direction angamba no hiheverana azy ireo, ny ankolafy hafa indray mety hiteny hoe toy ny ray aman-dreny <izy mirahalahy miara-filoha> manatrika ny zavatra ataon-janany.

Ny andininy fahatelo dia lasa mamerina hatrany hoe: "Le Président de la Transition et les deux co-présidents de la Transition..." izany hoe noho ny hakamoana angaha dia tsy nosoratana hoe "Le Président de la Transition et les deux co-présidents du Conseil présidentiel" nefa amin'izao andron'ny solosaina izao dia azo atao tsara ny mandika sy mametaka (copier et coller) izay efa noasoratra teo amin'ny andininy faharoa saingy noho ny filiroliron'ny resaka lalàna dia mazava tsy misy hazavaina intsony angamba ny voasoratry ny Tovam-pifanarahana.

Ny andininy fahaefatra moa noho ny tsy dia fahaizako teny frantsay loatra angaha dia aleo ianareo ihany no hamaky azy amin'ny hoe: " Les actes du Président de la Transition, pris en Conseil des ministres, sont contresignés par les deux co-présidents de la Transition". Fa raha izay fiveriberenan-teny izay no heverina dia tsy tokony hanana alahelo loatra ny mpandala ny ara-dalàna. Raha misy ny mieritreritra hoe ka tsy tafala anie ilay mpanongam-panjakana dia hoy aho hoe manaovana tahaka ahy...tsy te-hahalala ilay mpanongam-panjakana aho fa manana filohan'ny tetezamita ihany koa izahay mandritra ity tetezamita ity. Tsy mieritreritra ilay mpanogam-panjakana ho filohako mihitsy aho ary afaka miteny soa aman-tsara amin'izay miresaka amiko sy miady hevitra amiko fa tsy filohako raha izay iny.

Averiko farany indray angamba fa ny tena tolona hafa, ankoatra ny famitana ity vanim-potoan'ny fihazohazoana ity, dia ireto miaramila mihevitra fa tsy hisy hahala azy amin'ny toerany ireto mihitsy fa ry zareo ihany no mifanendry fa ny mpitondra sivily dia manaiky fotsiny ihany. Anjaran'ny tsirairay ny mieritreritra satria efa masaka andohan'izy ireo fa tsy hanaiky hofehezin'ny fahefana sivily intsony ry zareo hatramin'ny nanafihany ny minisiteran'ny fiarovana tamin'ny volana martsa.

jentilisa, 10 novambra 2009, amin'ny 00:57

Rojom-bolongana roa samihafa: Valo sy telo

2009-11-08 @ 00:06 in Ankapobeny

Amin'ny fiaraha-monin-tserasera tahaka itony bolongana itony dia misy ny fanao itadiavana lohahevitra iresahan'ny mpamaham-bolongana maro izay mety hisandrahaka manerantany avy hatrany. Eo amin'ny hevitra, araka ny fahalalako azy, na ijerena ny hevitr'olona ilay rojom-bolongana na entina indrindra indrindra hanairana ireo zary natoritory. Koa aza atao mahagaga raha mety tsy hahatohy loatra ilay Rojo aho, izaho ary ve mavitrika dia mavitrika no efa fantatry ny rehetra ny hevitro dia inona indray ny mbola ampiana. Noho ny eritreritra tsy mety dia hanao adidy kely ihany ny tena na dia kilalao aza no tena antony. Efa amin'ny rojom-bolongana fantatro dia devoara roa izao no mbola tsy vitako dia ny devoaran'i Rondro (Ikalamako) sy ny devoaran'i Solofo (Maudigascar). Ny devoaran'Ikalamako ary aloha no hovitaina araka izay tratra.

A) Tsy maintsy manoratra faniriana valo tiako ho tanteraka aho?

Hanoratra aho hoe soa ihany fa nosoratana ilay izy fa raha tsy izany dia mody narenina aho ka nanao hoe: "inona ny fanirian-dRavalo tiana ho tanteraka?" Ny olona aloha no miantso azy hoe "Modia! modia!" fa izy toa tsy taitra akory fa milaza fotsiny hoe tsy maintsy ho avy i Dada dia izay ihany. Dray dray dray dray! aza fady re fa diso adiresy izany resako izany nefa mba tiako lazaina ihany.

1) Mba tsy ho leo miresaka politika ny olona satria araka ny andosirana ny tsy iresahana azy no mahatonga ny politika ho lasa olana mandrakariva.  Mitaky olona mandray andraikitra ny politika ka izay no amerana ny taona farany ambany amin'ny adidy sy firesahana politika. Amin'izay fotoana izay tsy hiandry na hitady Mesia intsony ny Malagasy. Mifandrindra amin'izany hatrany, mba ho ny saina no mifidy amin'ny fotoam-pifidianana fa tsy ny fo, dia tsy hanenina amin'ny safidy natao ny tsirairay.

2) Mba ho tia mamaky boky sy lahatsoratra amin'ny teny malagasy ny ankizy malagasy amin'izao fotoana izao, ary ho vitsy dia vitsy ny tsipelina diso rehefa manoratra izy ireo. Amin'izay fotoana izay, ho azo antoka fa manana ny ho aviny ny teny malagasy ary hahatsapa lalina ny mahamalagasy azy ny taranaka sady tsy hitsiriritra ny randrana manendrika ny hafa.

3) Mba hihamaro dia maro ihany koa ny bolongana amin'ny teny malagasy ho fampiroboroboana ity tenin-drazantsika ity. Tsy lavina velively ny teny vahiny sady ifandraisana amin'izao tontolo izao izany fa irìna ny iroboroboan'ny teny malagasy amin'itony aterineto itony.

4) Mba tena hihamora tokoa ny sara-pifandraisana eto Madagasikara fa tsy ny dokambarotra no terena handainga hanaitairana olona. Tsy handahatra ny sara lafo efa napetraky ny teo aloha ny hafa aoriana fa mba ho tsapan'ny mpampiasa itony fifandraisana itony fa mahazo tombony izy amin'ny fampiasana azy, ka tena hanjaka ny fifaninanana fa tsy tonga any amin'ny eritreritry ny olona hoe mifanaraka ambadika fotsiny ry zalahy.

5) Mba hanjaka ny fifampifehezana ary ho foana ny baranahiny, hilamina avokoa ny rehetra sy ny zava-drehetra. Mba hahatsapa ny hasarobidin' izany fifampifehezana sy filaminana izany ny Malagasy. Ratsy dia ratsy angamba ny handraisanareo ilay teny hoe fifampifehezana fa dia andeha hatao hoe hahay hifehy tena anie ka tsy hanaotao foana.

6) Mba tsy hohosihosena intsony ny safidy politika natao ary hiandry ny fifidianana izay te-hirotsaka hofidiana. Mifandrindra amin'izany, tsy ho fitakiana politika intsony no hidian an-dalambe fa fitakiana sosialy ary tsy hiofo politika avy eo. Halalaka ny fanehoan-kevitra saingy hofaizina kosa ny minia manely vaovao voaporofo fa tsy marina sy manakorontana olona fotsiny ary sazy henjana no ho an'izay mandranitra ady an-trano sy fifandirana eo amin'ny mpiray firenena.

7) Mba ho ampoka ny fifaliako eo amin'ny fiainana fa tsy fanalana azy fotsiny no iainana. Toy ny raraka be dia be manko ny fifaliako hatramin'ny fanongam-panjakana tamin'ny 17 martsa iny. Toy ny misaona mandrakariva izany ny tena ka tsy mahay mifaly anatina fampisehoana hira na zavatra hafa.

8) Tapitra sahady ve ilay faniriana valo? Fa naninona koa ary no natao valo fa tsy fito mba isa masina ahay?  Tsss...


B) Lazao hoe mahatonga anao hieritreritra inona ireto voambolana ireto: message, blog, croix, scrap, création, bonheur, enfant, vie, passion :

Message: fenorana, oadray fanorana hay moa no fiteny... mahatonga ahy hihevitra hoe twitter, friendfeed, SMS... Olona mifanalavitra no tena mifandefa hafatra fa raha olona mifanatritava kosa dia ny fomba fihetsika sy ny fomba fijery no hafatra ampitaina rehefa tsy tiana avoaka ambava ilay izy.

Blog: ahatsiarovako ny karazan-gazety amin'ny teny malagasy mivoaka isak'izay tiany ivoahana teto Madagasikara nandritra ny fanjanahantany. Izay nanana fahafahana hamoaka gazety dia namoaka avokoa, eny fa na dia maro aza no tsy naharitra loatra. Be koa tamin'izany fotoana izany no niovaova anarana ireo gazety malagasy ireo.

Croix: Iny Lalana iny misy Hazofijaliana saingy hotohizako ny lalako satria samy mizaka ny hazofijaliany ny tsirairay.

Scrap: Raha Carpe dia haiko fa trondro azo atao laoka fa io aloha tsoriko fa tsy haiko mihitsy.

Création: Ilay tontolo nosimban'ny olombelona ka sarotra ny iverenany amin'ny toetrany voalohany indrindra. Fa na tsy misy LA io fa tsy LE dia izay no tiako lazaina. Fa tena nahafinaritra ahy aloha ny fakandrivotra fony mpianatra e! Nanempotra be manko, hono, taloha ny tao ampianarana noho ny fanaovana tsianjery masiso ny zavatra nianarana fa tsy mahazo mamoron-desona ny mpianatra dia nomena Recréation ny ankizy hilalaovana ka tsy haiko intsony na mamorona no dikany na milalao sy miriaria.(Hors-sujet! ZERO!)

Bonheur: Fa tsy misy resaka fivavahana ve aloha no tanjon'ity Rojo atao ity? Tsy misy reharehako afa-tsy ianao Jesosy ô! Anao ny dera Anao ny laza sy voninahitra!... Sambatra aho Jesoa ô! Manana Anao izay Tompon'ny Aina! Sambatra aho Jesoa ô! Ampy ahy ny fitiavanao!... Hira fanao eny amin'ny Magro Ankorondrano manko izy io e!

Enfant: izy no tena akaiky ny Bonheur rehefa tsy manao ny adalany ny olondehibe

Vie: Vy vato Sakelika ve? Misy ny mandalo dia misy ny miserana fa ny maharitra mandrakizay no tadiavin'ny mpivavaka sy ny mikatsaka ny fahasambarana.

Passion: Tsy azoko ho'aho hoe naninona ilay téléfilm na télénovela breziliana tokony hitondra ny lohateny hoe "Au coeur de Peché" no natao hoe "Au coeur de Passion" e? Sa fahotana ben'i Kristy ilay fotoana nangirifiriany nialoha ny hahafatesany iny sa fahafinaretany ilay izy nampijalijaliana azy araka ny fitantaran'ny "La Passion du Christ" iny?

Oadray! tsy misy teny hafa azo analana azy intsony kay!

D) Inona no ambarako amin'ilay nikitika an-tserasera ahy?

Rondro (Ikalamako) dia vehivavy. Any Italia any no ipetrahany. Mody hoe tsy mahay resaka kajimirindra izy fa toa bebe ihany ny zavabitany. Inona koa no tianao ho fantatra ny aminy? Tsy aleo ve tonga dia miresaka aminy?

Dia izay aloha ny amin'ny devoaran'Ikalamako fa hiditra amin'ny devoaran'i Solofo indray aho.

Ny devoara atao eto indray dia milaza ny lahatsoratra telo navoaka voalohany indrindra. Ka ny ahy raha ny fitadidiako toa voatahiry hatramin'ny lahatsoratra tsy am-bolongana saingy natao ho an'ny Besinimaro tao amin'ny vondrona serasera tao amin'ny Yahoogroupe tao koa.  Tamin'ny 11 janoary 2005 io lahatsoratra io no navoaka ary nataoko hoe maresaka ny lohateniny, ka aza atao mahagaga anao raha lasa anaram-bolongana amin'izao fotoana izao ilay hoe Maharesaka. Gazety manko no nakana ny anarna tamin'izany fotoana izany. Nandrakitra an-tsoratra ny adihevitra mpitranga isa-maraina tamin'ny radio don Bosco sy ny radio tana aho tamin'izany fotoana izany satria ny fahatsapako tamin'izany fotoana izany dia izay lazain'ny gazety no noheverin'ny tany Andafy ho hany marina. Niezaka aho noho izany ny hahafantaran'ny Malagasy any ampielazana bebe kokoa ny zavanisy teto Madagasikara. Toy izany hatrany no nataoko nandritra ny roa volana... hitako fa miverimberina moa ny adihevitra ka tsy dia nazoto intsony aho ny hampita ny hevitry ny olona. Nanomboka nangetaheta hamoaka ny hevitro samirery amin'izay aho nanomboka teo.

Herintaona mahery taty aoriana kosa aho vao nanoratra tamim-bolongana. Nanao tsy ankiteniteny ihany aho satria noezahiko ny tsy hifandraisan'ny serasera yahoogroupes sy ny nosoratako voalohany tamin'ny 24 febroary 2006 izay niresaka lohahevitra sarotsarotra ihany momba ny fivavahana sy ny fifanoheran-kevitra mety hiteraka olana ao aminy. Nalaza indrindra manko tamin'io fotoana io ireo saritatra heverina ho naniratsira an'i Muhammad nivoaka an-tserasera. Niteraka fidinana an-dalambe ireo saritatra ireo ka namoahako ny hevitro manao hoe "Lasa fihomehezan'ny tsy mpino ny mpino"tamin'iny toe-draharaha iny. Mbola resaka ankapobe iny fa ny ampitso dia ilay resaka fandraisana anjaran'i Mathieu Razanakolona handray anjara amin'ny lalao ôlaimpika fanao ririnina no nosoratako sy notohanako ny hilalaovany sy hitondrany ny faneva malagasy satria bebe ihany ny gazety no nanakiana io fandraisany anjara io. Mahatadidy isika fa ny hahenoana ny anaran'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena no tena tanjon'ilay zalahy nipetraka tany Canada io tamin'izany fotoana izany. Tany amin'ny blogspot efa voafafa avokoa izany nosoratako izany.

Dia hoy aho hoe tsy efa ampy kosa ve izay nosoratako izay? Fa lasa namadibadika ny tahirintsoratro aho ka nahita fa hay vao voafidy ho Ben'ny tanàna Atoa Andry Rajoelina tamin'ny 2007 dia efa nisinisy sahady ny nanosika azy hanala ny filoha marc Ravalomanana ka efa nampitandremako hoe tsy tokony haneritery ity mpitantana vaovao ity mihitsy ny fitondrana mba ho voninahitra ny handraisana ny Fivoriambe Afrikana 2009 sy ny an'ny miteny frantsay 2010. Miala tsiny kosa aho raha tsy hametraka olona hanohy ny rojo satria mpitsara ny tena ka andrao lazain'ny hafa fa te-hanasongadina olona aho nanonona an'izatsy na izaroa. Mbola mitohy hatrany hatramin'ny 29 novambra 2009 manko ilay Best Of Malagasy Blogs koa na hitanao aza fa efa nisy nifidy izay tiana hofidiana dia mbola azonao fidiana indray mandeha koa iny hahamaro ny hisafidy azy. Aza adinoina io fa ny toy ireny koa mandrisika anay mazoto mamaham-bolongna itony hanao ny tsaratsara kokoa. Marihina hatrany fa tsy mandray anajara intsony i Jentilisa fa efa Mpitsara amin'ny famaranana kosa.



jentilisa, 8 novambra 2006 amin'ny 02:08

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox