Ny lalan'ny fandriampahalemana

2009-11-06 @ 23:57 in Politika

Noraiketina tamin'ny fotoana farany ihany fa dia iaraha-mitantana araka ny filaza azy tokoa ny tetezamita amin'izao fotoana izao raha ny ho fivoakan'ny tovana amin'ny fifanarahan'ny Maputo voalohany no tarafina. Rehefa nodinihina dia ny lalan'ny fandriampahalemana no noraisina, izany hoe nidifiana lavitra ny mety hisisan'ny gidragidra eto amin'ny tanàna. Raha nandre ny momba azy ity voalohany indrindra aho dia kivy tanteraka satria ny mpampita vaovaon'ny mpanohana ny mpanongam-panjakana no nihazakazaka nahavoaka voalohany ny resaka, nefa dia manana ny fomba fialzany izy... tena talentany tokoa ny nampita ny vaovao.

Nitamberina ao an-tsaina ny foto-kevitra tsy hanekena na oviana na oviana ny mpanongam-panjakana hitantana na dia ny tetezamita fotsiny ihany aza. Ny Malagasy anefa amin'ny ankapobeny dia mpijery ny zavamisy (réaliste), ary manana ilay fomba fitenenana manao hoe: "ny heloka ibabohana mody rariny, ary ny rariny itompoana mody heloka." Raha azavaina amin'ny fiteny ankehitriny izany dia manao hoe ny heloka rehefa ekenao fa nataonao tokoa ary nanenina tamin'izany ianao, dia mamindra fo aminao ny olona (olon'ny fo manko ny malagasy) ka lasa miandany aminao... miezaka ny olona ny hanampy anao hiarina amin'izay fotoana izay. Misolo vava anao amin'izay nanaovana hadisoana ihany koa ny olona mba hieritreretan'ilay nanaovana hadisoana tsara amin'ny sazy hampiharina anao.

Ny rariny, tsy tiana hozogozonina kosa na ihenjanana eo amin'ny Malagasy araka ny nolazaiko ihany, dia manjary ataon'ny olona ho helokao indray... eo ny olana, tsy nijery ny mahaolona mety diso ianao araka ny fijeriny fa manao ilay akaikin'ny fiteny hoe ny tendrom-po tsy mba namana. Mpandala ny fihavanana ny Malagasy, araka ny fiteny manao hoe aleo very tsikalakalam-bola (fahefana raha ny eto) toy izay very tsikalakalam- pihavanana (miala amin'ny ady an-trano eto), dia milefitra amin'ny sazy tokony ampiharina ka manao hoe: rano raraka tsy azo raofina iny ka ny manaraka no tsy atao intsony. Tsy dia manampahaizana loatra ny momba ny teny malagasy, itarafana ny toe-tsaina malagasy amin'ny ankapobeny, aho fa izay araka ny fahazoako azy ihany no ampitaiko etoana sady itarafana ny zavamisy ankehitriny. Fa inona ity nahazo ahy toa tahaka ireny mahay mikabary ireny?

Etsy ankilan'izay foto-kevitra iray tokony ho rariny izay, tsy fola-mandefitra fa maka toerana, ny mpanongam-panjakana no manana ny hery sy ny fitaovam-piadiana. Tsy mba tahaka ny mpanongam-panjakana hafa any amin'ny kaontinanta hafa loatra ny mpanongam-panjakana teto Madagasikara fa afaka nivezivezy tany amin'izay toerana rehetra tiany aleha. Ny hafa manko voasazy tsy mahazo mandeha any amin'ny firenena maro any avaratra indrindra indrindra. Ny teto amintsika indray efa samy tongany na Etazonia na Eoropa ka manome vahana ilay ahiahy fa ilay firenena nanjanaka ny Malagasy teo aloha ihany no mitady hangeja azy indray amin'izao fotoana izao...hiarovany ny tombotsoany fotsiny. Ny Ngeza (firenena io) anefa tsy mifampihinana loatra fa mifanaja. Koa na inona na inona mety ho hatezerana nihalohalo tao anaty tao, ny saina mandinika kosa mahatsapa fa tsy misy lalan-kafa afa-tsy izay fantatra ankehitriny amin'ny fiaraha-mitondra isian'ny filoha telo no vahaolana tsara indrindra.

Mihomehy ihany ny tena, mieritreritra ity firenena malalantsika ity, tahaka ny dia tena hafa mihitsy anie ry Rainisoazanatasy (tsaroanareo ve ny fomba fiteny tamin'ny gazety Lakroan'i Madagasikara fahiny?) mianakavy. Avy nandalovany tamin'ity taona ity izany Praiminisitra telo (na efatra), izay manjary lasa idirana ny filoha anankitelo. Nisy izany Praiminisitra Monja Roindefo izany, izay miandry ny trano ao mahazoarivo ao, nefa efa notendrena sahady izany Praiminisitra Mangalaza, nanjary nialokaloka tany Frantsa vetivety aloha, ary dia natao Praiminisitra vonjy tavan'andro Rtoa Manorohanta Cécile. Ankehitriny, tanteraka ny nofinofin'i Andry Nirina Rajoelina sy Lafrantsa antsoina hoe filohan'ny tetezamita iraisana, saingy iraisana amin'olona antsoina hoe Rakoto Fetisoa Andrianirina (Misy Nirina roa mitondra eto Madagasikara!) sy Emmanuel Rakotovahiny ilay fiantso. Tiana ankalazaina ery izany hidradradradrana fandresena angaha, nefa sonia telo no tsy maintsy andrasana amina fanapahan-kevitra somary lehibebe. Enga anie mba tsy ho mpiray tsikombakomba amin'ny ratsy izay voatendry fa hifanaramaso kosa ka tsy hisy ny hanao tandrevaka na hanao gaboraraka ny fitantanana ity firenena ity. Rediredy ihany noho izany ny ilazana ny iray ho président fa ny hafa kosa ho antsoina hoe co-président. Tsy havanana amin'ny teny frantsay ny tena, saingy ny sary ahantona eny amin'ny biraom-panjakana kosa angamba no tsy mety fa dia an'ny Président ihany e!

Faly ihany ny tena, rehefa nisaina kely, satria tsy nisy ny resy ary tsy nisy koa ny nandresy tamin'ny fifanarahana vita. Ataoko fa samy nahazo ny anjarany avy ihany ny ankolafy tsirairay. Ny olana hany sisa hitako dia ny momba ny miaramila. Misy manko ny mihevitra amin'ireo mpitondra miaramila fa ry zareo ihany no mandidy amin'izay mipetraka ho minisitra sy ho lehiben'ny etamazaoro. Anjaran'ny tsirairay ny mamakafaka sy ny mieritreritra ny tokony atao amin-dry zalahy ireo. Samy afaka ny hitabataba fa nandresy, nefa samy hahatsapa fa misy fifampiandrasana hatrany eo. Io fifanarahana io aloha no vahaolana tsara indrindra amin'izao fotoana izao fa ny ampitso no hamaritra tsara izay tena hendry sy eken'ny maro ny fihetsika nataony nandritra ny fihaonana. Ny mpino an'Andrimanitra moa dia tokony hisaotra Azy indrindra fa manomboka miaha ihany ny olana mianjady amin'i Madagasikara ary indrindra indrindra...na dia mihevi-tena ho mpitondra aza ny sasany dia misy olona roa manara-maso ny zavatra ataony nefa tsy tokony azony ataony na inona na inona. Hotohizana ny lalana!


jentilisa, Antananarivo 7 novambra 2009 amin'ny roa maraina.


Aleo samy hahita, aleo samy hizaka!

2009-11-02 @ 23:26 in Politika

Lahatsoratra masiaka dia masiaka izy ity ka izay mora tohina aleo tsy mamaky aloha! Tsy misy resaka diplaomasia ka handambolambo resaka fa toy ny donak'afon'Analakely ity ka avy hatrany dia any am-bovonana; hady vomangan'Ikirijavola ka ny voamasony no potsirina. Raha milaza fa leo politika moa ianao ka mahazaka tenenina dia ho anao indrindra ny resaka, fa efa mampiomana anareo indray aho fa hasiaka ity lahatsoratra ity.


Sombin-tantaran'ny fahakely

Efa nosoratako eo amin'ny momba ahy fa tia ary tsy leo miresaka politika aho. Izany hoe, azo heverina fa ao anatin'ny sokajin'olona eto Madagasikara tena vitsy dia vitsy an'isa indrindra. Manahy aza aho hoe mba misy 1% ve izany tsy leo miresaka politika toa ahy izany? Fony mbola kely aho dia tia namaky boky sy gazety, Gazety Imongo Vaovao sy Maresaka no tena famaky fa ny gazety Atrika moa toa fotoana vetivety ihany no nivoahany raha tsy diso aho. Tamin'ny fahasivy na fahafolon'ny taonako aho no nahita boky sekoly alahady tantara antsary (nivoaka tamin'ny 1968 ary nivoaka tsikelikely) voatahirin'ny dadabeko (avy amin'ny reniko). Vitako vaky avokoa hatrany amin'ny Genesisy ka hatreo amin'ny sarin'ny labozia fiton'ny Apokalipsy nandritra ny vakansy.

Herintaona taorian'izay indray no nahitako ny gazety Hehy (1967-1975) nipirina tao amin'ny dadabeko (avy amin'ny raiko) sy ny gazety Fanasina (gazetin'ny protestanta tamin'izany fotoana izany). Notiavina ny namaky hatsikana nefa anisan'ny tena namolivoly tao amiko tao ny fizotran'ny 1972 sy ny 1975 heveriko ho voantantaran'ny gazety Hehy hatramin'ny antsipiriany. Nanomboka teo no nanomboka nanintona ahy ny fizotran'ny tantaran'i Madagasikara, ary nitsiry tsikelikely ny fitiavana nanaraka resaka politika. Raha tsikaritrareo mpamaky dia gazety sy gazetiboky amin'ny teny malagasy avokoa no efa nankafiziko sahady tamin'izany fotoana izany. Koa aza ataonao mahagaga intsony raha mikiry ny hanoratra amin'ny teny malagasy aho.


Efa nampiainana politika sahady

Tadidiko ny nanaovana ahy an-tsangory nandeha nankeny amin'ny Catalane (Toby Ratsimandrava amin'izao fotoana). Maromaro ny olona nifanao fotoana tamin'ny raiko tamin'izany, ary maro dia maro ihany koa ny olona nitanjozotra ho any amin'ny alehanay. Tsy dia nahafantatra tsara ny anton-dia aho fa tamin'ny fotoana namakiako ny tahirin'ny gazety hehy voalazako etsy ambony no nanaovako tsoa-kevitra fa "hijery" ny Kolonely Ratsimandrava nisy namono no nandehanana tany.

Tadidiko hatrany na dia mbola kely aza aho fa nisy nanoratra ENY vaventy dia vaventy teo anoloan'ny tranonay, 1975 io taona io. Naparitaky ny fiaramanidina (tsy tsaroako intsony na voromby na angidimby)ny taratasy na baoritra miendrika ovale misy ny sarin-dRatsiraka sy ny soratra hoe Eny  maro dia maro tokoa [efa nahay namaky teny ve aho sa ny fahatsiarovan'ny jery matanjaka ato amiko no hahatadidiavako izany?]. Dia izay ihany koa ny fifidianana na fandrotsaham-bato tadidiko voalohany indrindra (CEG 67ha) fa tsy fantatro tsara hoe fitsapan-kevi-bahoaka io. Mbola tsy ampy dimy taona akory aho tamin'izany fotoana izany.

Tadidiko naverimberin'ny MFM sy nataon'ny ankizy litania ny hoe: "Tsy maintsy mandresy ny tolona, na hinan'ny T..ny aza ny olona". Nalaza teo amin'ny misy anay ny MFM satria betsaka mpianatra amin'ny anjerimanontolo nipetraka nanodidina ny nipetrahanay. Tahaka ny teny nandeha ho azy izany taminay na dia somary nampihhisitrisitra ny ray aman-dreny ihany aza.

Tadidiko natao litania tamin'ny taona 1978 taona iraisam-pirenena ho an'ny ankizy raha ny fahatsiarovako azy ny kabary niverimberina manao hoe "Ankizy ankehitrio tompon'ny taona 2000". Toa kabary natao hampitony ny ray aman-dreny mahatsapa fa mihasarotra ny fiainana io fombam-pitenenana io. Tsy mbola tadidiko nisy naneho fimenomenonana ampahibemaso tamin'ny olona tamin'izany fotoana izany.

Tadidiko ny taona 1979 fa nisy zavatra nanahirana ny raiko, sy nilofosany fa tsy fantatro mazava aloha tamin'izany fotoana izany noho ny maha mbola kely ny tena angaha. Nitondra trakitra hatrany izy, hay moa nanao fitokonana ny mpiasam-panjakana saingy resy tamin'izany fitokonana nataony izany. Hatramin'izao dia tsy fantatro tsara ny tena notakian'ny mpiasam-panjakana fa ny tadidiko dia Antaimbarinandriana no tena nifanaovana fotoana.

Nandeha indray ny taona 1982 na ny nifanakaiky tamin'izany, toa nandehanako hatrany ny fivoriana politika natao tao amin'ny kianjan'ny COUM 67ha. Asa! noho ny COUM toeran'ny Anjerimanontolo ve fa tsy nahatsikaritra mpitandro filaminana aho teny amin'ny manodidina teny. Ny Monima notarihin'It. Monja Jaona no karazana "mpanohitra" tamin'izany fotoana izany... Ny teo 67ha ihany no naleha fa tsy nahafantatra izay nitranga taty Analakely, toa hoe nisian'ny fifandonana tamin'ny mpitandro ny filaminana aho. Ny marina kokoa, sarotra ny manao fihetsiketsehana teo Analakely satria mbola nanjaka ny TTS sy ny fandrobàna nataony sady teo amin'ny Toby Pochard eo akaiky eo no misy azy. Rehefa nisy ny rotaka, na dia ny faharesena tamin'ny baolina kitra teo Mahamasina aza dia misy hatrany ny olona manao rodorodo mandroba teny Analakely ka ny VETMAD hatrany no lasibatra voalohany. Nampalhelo mihitsy io orinasa io tamin'izany fotoana izany. Mba an'iza ary izy io no nankahalaina tahaka izany?


Tsy nananjò hifidy

Tamin'ny taona 1989 dia tokony ho ny volana desambra no natao ny fifidianana ho filoham-pirenena. Nikabary anefa ny filoha Ratsiraka tamin'ny fiandohan'ny taona fa haroso amin'ny 12 martsa ilay fifidianana. Tsapako ho feno alahelo aho satria andro sisa no isaina aorian'io 12 martsa io dia feno 18 taona aho, izany hoe afaka mifidy amin'izay. Nafana dia nafana ny resaka politika teo aminay samy mpianatra, na mpiara-mipetraka. Ny nahazendana ahy raha ny fivoahan'ny adihevitra dia tokony ho ny mpanohitra no nivoaka nandresy. Saingy nizarazara moa ny mpanohitra fa samy teo i Monja Jaona, Manandafy, Marojama Razanabahiny. Hita amin'ny resaka ihany fa samy nifidy izay mitovitovy fiaviana aminy ny tsirairay. Ny avy eto afovoantany nirona kokoa tamin'i Manandafy. Ny tany Anindrana kosa nitodika kokoa tamin'i Marojama. Teo ihany ny nisafidy an'i Monja Jaona. Efa nanambara ny hanaovana ankivy ny fifidianana ihany ny MFM noho ny ahiahiny amin'ny fizotran'ny fifidianana saingy tsy eken'ny sain'ny mpifidy izany ka nilefitra ihany ilay antoko tamin'ny farany.

Ny ampitson'ny androm-pifidianana, nangina hafahafa ny tao ampianarana. Ankona tamin'ny fahagagana fa mbola maro mpifidy ihany ny Arema angamba. Lasa fampaherezana ny mpianatra sy fampiononana no nataon'ny mpampianatra kajy anay tamin'izay fotoana izay. Tsapan'ilay mpampianatra angamba ny fahadisoam-panantenanay mpianatra. Isaky ny fakan-drivotra dia mivoaka ny vavahady hatrany izahay ary misioka izay fiara manakaiky ny faritry ny sekoly, na izay rehetra azo siahina. Nivadika ho fitoraham-bato izany indray maka.

Nihananakaiky ny andron'ny 13 mey 1989 ka feno mpitandro ny filaminana nandehandeha ny tanàna indrindra fa ny nanakaiky ny sekoly. Nisy mihitsy aza ny miaramila no napetraka tao amin'ny efitra iray ao amin'ny sekoly. Nampiakatra ny tambavin'ny mpianatra izany tamin'ny fakandrivotra ka nahatonga ny tabataba. Namanenoina haingana ny lakolosy fidirana saingy tsy nisy niraharaha izany. Velona ny fitorahana ny efitra nisy ireo miaramila. Tonga ny mpanampy an-dry zareo! tamina kamiao maromaro. Nirohotra nakeny ambavahady ny mpianatra. Ny zatovolahy mitoraka moa ny zatovovavy maka vato tamin'ny sobika fanangoana fako isan'efitra tao amin'ny lalamby (LMA Ampefiloha ny sekoly nianarana) mandalo ambadiky ny sekoly. Tsy maintsy hoe vaky nandositra ny miaramila satria mpianatra rehetra no niara-nirohotra. Tsy anjerimanontolo ny Lisea saingy tsy neken'ny mpianatra ny hanitsakitsahan'ny miaramila ny faritry ny sekoly. Tsy nisy ny mpampianatra na mpandraharahan'ny sekoly sahy nibedy ny mpinatra tamin'io fotoana io.

Saika tao amin'ny LMA no niaingan'ny fitokonan'ny mpianatra tamin'io fotoana io, ka nahamailo ny fitondrana. Ny LMA irery manko no nandroaka ny miaramila hiala ny faritry ny sekoly noho ny fananana ireo vaton'ny lalamby lasa karazana bala. Nalefa hiala sasatra mialoha sy andro maromaro ny mpianatra rehetra tao amin'ny LMA manokana raha nitohy kosa ny fianaran'ny sekolim-panjakana hafa. Tamin'izany fotoana izany manko dia efa saiky hivadika politika ilay lonilonin'ny mpianatra. Kamo kosa aloha ny mbola handeha hivory tamin'izany fotoana izany nefa mba nahazo vakansy aza. Maty momoka ny tolona tamin'io fotoana io. Rava koa ny GVTD rehefa nandalo teo Madagasikara ny Papa

Rehefa nahazo nifidy indray

Dia nisy koa ny tolona 1991. Nikatso tanteraka ny machine administrative saingy tsy nahala ny filoha izany. Nisara-kevitra ny MFM sy ny Hery Velona hafa. Tadidiko tsara fa voatery nitondra ny sezany ho eny ambony sehatra it. Germain Rakotonirainy teo amin'ny kianajn'ny 13 mey.
Taty aoriana moa dia lasa nikisaka tao amin'ny Lisea Rabearivelo ry zareo ka nanagana ny Hery Velona Rabearivelona na Herivelon'i Madagasikara. Ny hafa kosa nametraka ny anarany ho Hery Velona Rasalama satria fanaovana toeram-pivoriana isan-tsapana ny Kolejy Rasalama etsy Ampandrana. Nandalo ny 10 aogositra 1991 fa mbola tsy nahaongotra an-dRatsiraka ihany izany. Ny lazany fotsiny no niharatsy. Tsy maintsy nifanekena ny fifanarahan'ny Panorama nivoaka tamin'ny 31 oktobra 1991. Niaraha-nitantana ny tetezamita.

Tamin'ity fotoana ity (1992-1993) vao tena nampiasa ny safidy ny tena. Na mpandeha teny amin'ny kianjan'ny 13 mey aza ny tena dia tsy nifidy an'i Zafy Albert tamin'ny fiodinana voalohany. Olon-kafa no nofidiana satria izay ny safidiko. Tamin'ny fiodinana faharoa vao nandrotsa-bato ho azy aho. Mety ho antony iray nanaovako izany safidy izany ny nitadiavako ny hilaminana ka hanekena ny fifanarahana. Nankatò  ilay fifanarahana aho raha nitsipaka izany kosa ny mpitolona nandeha isan'andro teny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Tsy teto an-toerana ny Pr Zafy Albert (praiminisitra an-dalambe) tamin'ireny fotoana ireny ka ny fandavany ampahibemaso ny fifanarahana (nefa toa tsy hita akory izay fanovana natao tamin'ny fifanarahan'ny Panorama efa vita sonia) no nahatonga ny safidin'ny Besinimaro ho kandidàn'ny Hery Velona (Rasalama).

Tonga ny taona 1996, naongan'ny Antenimieram-pirenena tamin'ny asany ny filoha Zafy Albert. Nandeha indray ny fifidianana. Olonkafa no nofidiako fa tsy Zafy Albert na Didier Ratsiraka. Izany hoe hisafidy amin'ny olona samy efa nitondra indray ny vahoaka malagasy. Nilaza ho leo sy tsy hiraharaha ity fifidianana ity indray ny ankamaroan'ny tanora. Nankalazaina fatratra eran'ny vazamontotra manko fa hifidy amin'ny pesta sy kolerà ve? Izay fanaratsiana ny zavatra politika izay no fahadisoana goavana, sady nokendrena rahateo moa ny hahavitsivitsy kokoa ny mpifidy e! Izaho kosa tsy nandairan'ny fanaratsiana befahatany ny politika fa nandrotsaka ny vatoko tamin'ny Pr Zafy Albert ihany. Naneho ny safidiko aho ary tsy nanenina tamin'izany. Tadidy tsara kosa fa nihanihena ny vaton-dratsiraka rehefa nihatonga tsikelikely ny avy any Ambanivohitra. Tsy navela hiditra ny trano boriborin'ny minisiteran'ny atitany intsony ny solontena sy ny mpanara-maso avy amin'i Zafy Albert. Mazava loatra raha mipetraka ny ahiahy fa namboamboarina ny vato mba hendresen-dRatsiraka. Kely ny elanelambato ofisialy saingy be tamin'ny tanora kamo nifidy tamin'ny fiodinana faharoa no nanenina avy eo hoe tahaka izay ihany nifidy... izany hoe naleo hay nifidy Zafy Albert! Ny nenina moa tsy eo aloha hananatra fa...


Ankehitriny kosa manao ahoana?

Nodinganiko ny 1999, 2001, 2006 ary ny 2007. Velona indray ny fanaratsiana ny mpanao politika. Raikitra indray ny fanosora-potaka ny zavatra politika. Manao izay samy igadonan'izay hitranga indray ny maro an'isa. Dradraina indray fa mitady filaminana sy fitoniana ny vahoaka. Hita eny ho eny ny fametrahana ny olona ho anaran'aretina. Eo amin'ny fotoana heverina ho mahaketraka izay indrindra anefa no tena tokony ijoroana. Miala tsiny aminareo namana rehetra aho. Hametraka ny hevitro izay hanafintohina aho. Safidy politika ny ahy ka abaribariko. Izaho manokana tsy manaiky fotsiny ny hoe izay ifanarahan-dry zareo ao. Izaho tsy manaiky ny atao an-jorombala. Mametraka izay heveriko ho vahaolana haingana kokoa aho. Rehefa hitako tato [teny malagasy] ny zava-mitranga any Honduras dia velom-panantenana ihany koa aho.

Ny any Honduras raha mety haverina amin'ny toerana mahafilohan'ny firenena azy Atoa Zelaya izay vao naongana, ka iaraha-mitantana ny fitondrana, ary ao anatin'ny iray volana no hanatanterahina ny fifidianana ho filoham-pirenena, dia hoy aho hoe: rehefa tsy averina hitondra ary Ravalomanana dia tsy tokony hitondra ihany koa Rajoelina. Izay no fampitoviana lenta sady mifanaraka amin'ny lalàna iraisam-pirenena. Koa ny hany andrasako amin'ny fivoriana any Adis Abbeba noho izany dia na tsy mitondra Rajoelina na tsy vita ny fanaovan-tsonia dia aleo samy mahita eto isika ary samy hizaka ny vokany. Ny tadiaviko dia vitaina haingana ihany koa ny fifidianana fa tsy hialintaona izany ity raharaha ity. Amin'izay fotoana izay samy tsy maintsy mandray ny andraikiny avokoa ny rehetra na aleo ny mpanongam-panjakana no mitondra na tsy maintsy tontosaina ny fifidianana. Izay malemy loha ka mandefitra any Addis Abbeba aloha no ho resy e!

Raha misy ny tezitra dia zonao izany, raha manontany ianao hoe dia tianao hotohizana izany izao fahasahiranam-be efa mianjady amin'ny vahoaka sy ny firenena izao dia valiako boraingina hoe: Izay nanomboka izao fahasahiranana izao no aoka hamarana azy amin'ny fanapahan- keviny. Raha nitady fifanarahana ianao, tsapanao ny lanjany koa mahaiza mandefitra bebe kokoa noho izay efa noleferinao. Tena biby saina tsy antra fo mihitsy izaho ity an! Tadidiko tsara ny fitenina mpitari-tolona iray izay tamin'ny volana febroary 2009 nanao hoe: "Tsy misy ny fifanarahana raha tsy miala aloha i...". Dia maninona moa mba isian'ny fitoviana tsara raha mba manao koa aho hoe: "Tsy misy ny fifanarahana raha tsy miala aloha i..." Tsy mampaninona ahy na dia ompanao aza aho satria tsy misy loatra angamba ny mahasahy mamoaka hevitra tahaka izao fa ny ahy ny hevitro dia hoe: "tsy ekeko ny hanomezana lesona ratsy ho an'ny taranako ka ho lasa maodely ny fanonganam-panjakana, tsy ekeko ny nanosihosena ny zoko na dia nisy aza ny tsy nety nataon'ny nofidiako, tsy ekeko hitondra fotsiny izao ny mpanongam-panjakana satria tsy tiako hisy zo ambony sy zo ambany eto. Efa vonona aho ny hizaka ny safidiko fa ianao aloha no asa!"


jentilisa 3 novambra 2009 amin'ny 01: 31


Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox