Akombony ny vava! manaova raha mahavita!

2019-01-24 @ 05:40 in Politika

Afaka dimy taona indray manarina raha mbola hanao. Avelao hiasa aloha ny mpitondra fa vao manomboka ve dia efa kianinareo sahady. Izany indray no firesaka lasa faheno rehefa misy ireo lasa an'eritreritra mahita ny toe-javatra maro tsy araka ny tokony ho izy na lasa aloha loatra. Olombelona manana saina ihany ny tena, ary mbola tsy voasakana hiteny na hanoratra aloha na izany aza.


Vita iny ny fifidianana ho filoham-pirenena! raha ny tokony ho izy sy araka ny izy ny valiny dia tokony hangina tokoa ny resy, efa niarahaba ny mpandresy ny nifaninana taminy tamin'ny fihodinana faharoa... fa misy ny tsy hay ampanginina ary misy koa ny iniana ampanginina dia ny vato no hiantsoantso avy eo, ary nahavariana fa niantsoantso tokoa ny vato tamin'ny androm-pianianan'ny filoha vaovao ary nahafaty olona (ka mitondra ny fampiononana ho an'ireo niharam-boina).
Rehefa nahita ny fizotran'ny raharaha taty aoriana vao maro no tonga saina fa nolalaovina fotsiny nandritra ireny fifidianana indroa miantoana ireny. Sarimihetsika fotsiny no natao fa efa nisy ny nampandresena. Raha nanatsipalotra ny resaka tantaram-pirenena ny filohan'ny HCC tamin'ny voka-pifidianana fihodinana voalohany hoe misy ny tantara ofisialy ary misy ny tantara tena izy nafenina ny besinimaro, dia nisy ireo vaky vava ka nanao hoe nisy tokoa ny voka-pifidianana ofisialy fa misy ny voka-pifidianana tena izy tsy ilaina lazaina. 


Efa nampieritreritra ny famerimberenan'ny kandidà iray fa tsy maintsy izy no lany ho filoham-pirenena. Tena natoky tena fatratra ny lehilahy ary tsy nivena tamin'izany mihitsy, tsy azony noeritreretina na dia ny mieritreritra fotsiny hoe ahoana raha resy(?). Ny mpifaninana aminy no tadiavina hokianina raha miteny hoe hanaiky izay voka-pifidianana eo fa izy kosa nanodin-dresaka hatrany raha nanontaniana tamin'izany. Nanao izay handresena tamin'ny fomba rehetra izy ka dia nataony tokoa ny fomba rehetra handreseny.  


Nandritra ny fanentanam-pifidianana, nilaza ny kandidà filoha teo aloha Ratsiraka fa misy kandidà mampiditra fitaovam-piadiana mahery vaika eto Madagasikara. Vaovao mampatahotra izany saingy noheverina ho rediredin'antitra, ny zavamisy taty aoriana no nanamarina fa nisy tokoa ilay toe-javatra. Nanao valandreseka momba ny fiarovana (sy filaminana) ny kandidà iray. Nanaitra avy eo ny filoha mpisolo toerana fa misy kandidà mifaninana amin'ny fihodinana faharoa iray nampiditra fitaovam-piadiana mahery vaika, tsy fantatra hoe atao inona ireo fitaovam-piadiana ireo, Namaly bontana avy eo ny haino aman-jery omban-gazety izay mpanohana mavitrika ilay kandidà fa miditra amin'ny tsy tokony idirany i Rivo Rakotovao (ilay filoha mpisolo toerana), nolazaina fa mihoa-pahefana izy nanao izany fitenenana izany. Mariho mazava tsara fa tsy nitsipaka ny fisian'ny fampidirana fitaovam-piadiana mihitsy ireo fampahalalam-baovao ireo fa nitrerona ilay filoha hoe mitsabaka any amin'ny tsy anjara fahefany.


Tonga ny fotoam-pifidianana, niandry fatratra izay fomba amoahan'ny CENI ny vokatra aho ary mahafantatra avy hatrany fa tsy hiova intsony ny fironam-bokatra aorian'ny famoahany ny voka-pifidianana voalohany. Nomen'ny CENI tombony ambony dia ambony avy hatrany ny kandidà iray. Teo aho dia nahatsapa avy hatrany fa atao mandresy be ilay kandidà iray matoa atao 20% ny elanelana nisy teo amin'ny roa tonta. Nangataka ny fanamarinana ny vokatra ny natao resy, saika tsy noraharahiana tamin'ny voalohany fa nanao tamim-pihatsarambelatsihy ihany avy eo ny CENI sady nohamafisina fa tsy maintsy mamoaka hatrany ny vokatra eo am-pelatanany izy. Nitady fanamarinana ny sonian'ny mpifidy ny natao resy fa tsy nasiana tohiny intsony ny amin'izany. Voatery nanao hetsika hitakiana ny marina tetsy amin'ny kianjan'ny 13 mey ny natao resy. Tsy nokitihina loatra ireo talohan'ny faran'ny taona raha nanao izany hetsika izany, fa nofaizina mafy amin'izay taorian'ny taombaovao. Niaiky ny mpitolona fa misy karazany hafa mihitsy sady mahery vaika ny baomba mandatsa-dranomaso nampiasaina tamin'izany fotoana izany. Niandry ny rariny avy amin'ny HCC sisa no natao.


Vao nanomboka kelikely indray ny kabary lava tao amin'ny HCC dia hita fa fandaniam-potoana fotsiny sisa no natao fa tsy nisy nekena ny fitoriana rehetra natao tamin'izany. Midika hafatra mazava dia mazava ny vokatra navoakan'ny HCC amin'ny tsy fiovan'ny isanjato azon'ny mpandresy sy ny resy na dia hafa aza ny isa nivoaka avy ao, fa aleo ny tsirairay no samy hanana izay any an'eritreriny any. Nisy nilaza manko fa rava tanteraka ny fifidianana raha vao misy iray monja nekena tamin'ny fitoriana natao tamin'izany fotoana izany, ka izay no antony nitsipahana azy rehetra. Dia teraka teo ilay hoe misy ny vokatra ofisialy fa tsy hay kosa hoe nanao ahoana ny tokony ho vokatra tena izy. Ny niavaka tamin'ity fotoana ity dia ny nandrenesan'ny maro fa toa nanao vava tsy ambina tamin'ny natao resy ny filohan'ny HCC fa tsy Antananarivo irery no Madagasikara, ary raha niarahaba tanana ny mpandresy ry zareo dia toa notodihana tsy ho hita kosa ilay natao resy, toy ireny olona mamaly faty ireny ny fihetsika tamin'izany fotoana izany.


Zavatra iray tsikaritra dia ny tsy nahatongavan'ny tarika iray manontolo avy amin'ny nampandresena nandritra ny fiarahabana nahatratra ny taona teny Iavoloha, toy ireny valifaty tamin'ny nahasahiana niteny ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika ireny. Lanonana tsotra izany, fa tsy tonga nanatrika na dia ny praiminisitra aza satria lazaina fa avy amin'ny tariky ny mpandresy izy. Toy ny resaka fiavonavonana no fandraisana izany fihetsika iray andro talohan'ny famoaham-bokatra ofisialy avy amin'ny HCC izany, nefa mety ho filazana ihany koa fa tsy hisangisangy intsony ry zareo.


Tonga ihany ny andro fianianana, hahatonga azy ho filoham-pirenena afa-miasa ara-dalàna. Eo vao vaka ny saina. Toy ny ravindravina fotsiny ny fanakianana ny "crise Cadillac" amin'izato fiara maharo tsara ny filoham-pirenena. Sambany nisy matso miaramila natao nandritra ny androm-pianianana, nefa toa fampisehoana fiara tsy laitram-bala karazany vaovao sady mitondra fitaovam-piadiana mpanao tifitra variraraka nolazaina fa natolotry ny filoham-pirenena vaovao ny tafika. Ny mpijery variana hoe tamin'ny oviana no tonga teto an-toerana ireo zavatra voatonona ireo? Tsy ho latsaky ny iray volana velively araka ny tombana fa farafahakeliny telo volana no nikarakarana ireo zavatra ireo ka nahatonga avy hatrany ny eritreritra hoe efa niomana ny handresy tokoa izy fa raha sanatria natao resy dia tsy fantatra intsony izay ho nanaovana ireo fiara mbola tsy nananan'ny tafika malagasy ireo. Hay ve ireo izany ilay hoe fitaovam-piadiana matanjaka nampidirina teto amin'ny tanàna raha mbola tsy notontosaina akory ny fihodinana faharoa tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena.


Nanomboka tamin'io fotoana io no niaiky ny mpanara-maso ny amin'ny antony naneken'ny natao ho resy ny fahareseny, fa aleo resy tsy misy fandripaham-bahoaka toy izay nandresy tao anatin'ny ra latsaka nefa ho tratran'ny hery tsy mitovy, dia ampangaina amin'izay fotoana izay fa mpampisara-bazana sy lian-drà, ka ho lasa tany miady i Madagasikara. Poa poa, soa fa tsy nisy izany ary noderain'ny maro ny fihetsiky ny filoha teo aloha natao resy, noderain'ny mpanohana azy izy indrindra indrindra.


Hevitr'olona iray hafa indray ity avoakako etoana ity, izay tsy mifanalavitra amin'izay nolazaiko: Rehefa nandinika ny fihetsiketsehana rehetra nisy tamin’ny fikarakarana ny fifidianana sy famoahana ny vokatra ceni sy hcc ary tamin’ny lanonana ny Asabotsy teo dia resy lahatra fa sarimihetsika daholo no natao. Efa voaomana daholo ireny vatravatran’ireo filohan'ny ceni sy hcc, ny fanenjehana ny hetsika teo amin’ny 13-mai, ny fampiasana ireo fitaovam-pamoretana samihafa toy ny bianco, emmoreg, fitoriana eny amin'ny fitsarana ireo mpitarika, fanomezana ist ny tompon'ny orinasan-tserasera mavitrika tamin'ny tolona (sady heverina ho mpifaninana atahorana amin'ny manaraka, hoy aho),,,, hanerena sy ampitahorana ireo manelingelina; ny fanendrena an-dramatoa grand chancelier maimaika teo tsy manara-dalana, ny famerenana ilay praiminisitra nikarakara ny fifidianana ho praiminisitra indray, ny fanendrena safiotra ho talen’ny kabinetra sivily ao amin’ny fiadidina ny Repoblika... Izany rehetra izany dia mampieritreritra hoe misy fahefana goavana mifehy ireo olona sy rafitra rehetra ireo. 


Fa ahitana ny fihevitr'olona hafa ihany koa mahazo izay mamoaka ireo karazan-kevitra voatanisako eo ambony ireo. Santionany ny lohateny sy ny fanombohan'ny lahatsoratra. Misy ihany koa ny hevitra hafa toy ny hoe misotroa "jus de papaye", mandehana mifindra any Comores rehefa tsy mety aminao ilay fitondrana eto. Misy izany isika Malagasy dia miseho ho manampahaizana sy mahay mandalina amin'ny seho samihafa ary miseho ho mahalala ny marina rehetra, nefa ny ankamaroan'izy ireny tsy mahay mampivoatra ny ao an-tokotaniny akory. Aza mitsara mba tsy hotsaraina e, izay aloha ny zavamisy dia atrehina. Ny mpanenjika "toujours" afara. Dia maninona e! Ahoanao inona ny omby maty fa ny hena hanina! Ianareo sy mpialona sy mpanenjika any aoriana no misy anareo. Satria heverinareo fa mitovy aminareo daholo ny olona dia rehefa tsy lany ianareo dia fanakorontanana no ao an-doha. Fa izy raha nanambola dia vonona ny hanome maimaimpoana sy hanampy ny gasy. Ovay ilay toe-tsaina fa izay no tsy mampandroso. Inona koa no iasanareo saina amin'izany e, itony koa mahita tsikeraina foana. Vendrana ny advà dia tahaka ny hoe izy no mafy be. Tsy ho ary voatanisa intsony ireny fa fampahatsiahiavana any aoriana any angamba ireo voalaza ireo.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox