« | »

Malagasy Kopia

2006-11-17 @ 17:56 in Ankapobeny

Androany no andro nifanarahana fa hijery ny Malagasy any amin’ny faritra misy azy any ny tsirairay mpitoraka blaogy ho an’izay nifanaiky ho amin’izany. Nanaiky ihany koa aho ka ataoko ho adidy ny fanekeko ny hanoratra ny momba ny malagasy ihany koa. Malagasy mipetraka eto Madagasikara aho ary tsy mieritreritra izany ho any Andafy izany. Tarazo avy amin’ny fianakavian’ny raiko aloha io. Ny avy amin’ny reniko indray dia ny zanaky zokiny vavimatoa no naningana, be manko ny mizaka zom-pirenena frantsay tamin’ny fianakavian’ny vadiny ka be ny maniry ho any amin’izany Andafy. Ny ankoatra izay dia mieli-patrana eran’ny Madagasikara ny taranaka.

Na izany aza dia mieritreritra aho fa toy ny eto Madagasikara ihany ny karazana Malagasy any Andafy any. Ny vondrona misy ny tsirairay no mety miova araka ny toerana. Zaraiko roa ny Malagasy dia ireo manana ny ampy sy ireo mikarataka mafy hanana ny fivelomany. Maro ny Malagasy eto Madagasikara no fantatro fa hanao ny asa tsy tiany atao raha eto izy fa heverina ho asa ambany izany sady kely rahateo ny saosy ho azo amin’izany. Ny asana mpiambina avy aza moa eto no itadiavana olona nahavita Bacc. Fantatro amin’ny tenako fa raha manam-paniriana ho any Andafy aho dia hahavita soa aman-tsara na dia ny asan’ny mampandro faty izay malaza indrindra fa ataon’ny Malagasy aza. Raha any Andafy aho izany dia vondrona mpikaraka no tsy maintsy misy ahy. Ny vondrona faharoa kosa moa dia ireo lazaina hoe «  manam-bintana » angaha ka mahazo toerana ambonimbony amin’ny sehatra misy azy. Afaka miaina tsara sy atao hoe antonontonony ny trano ipetrahany. Mety ho vitsy ireo olona ireo saingy maro kosa izy raha amin’ny mpitoraka blaogy araka ny eritreritro mety ho diso.

Dia nitodika amin’ireo vondrona mpikarataka eto Madagasikara ny tenako. Ireo mifofotra mafy nefa mety ho tsy dia misy mahatsikaritra loatra. Misy mpirahalahy avy any ambanivohitray mikarama mandrafitra (sy manangana trano). Any ambanivohitra ny zalahy no mipetraka fa ny ankamaroan’ny asa tsy maintsy hoe aty an-drenivohitra ihany. Gaga aho amin’ilay fiainana mahazatra azy ireo. Rehefa vita ny fambolena any amin’ny toerana misy azy ka mitady fanampim-bola ry zalahy dia avelany any an-tanàna ihany ny vady aman-janany fa ry zareo miasa aty. Tsy misy havana na olom-pantatra ivantanana ny zareo aty Antananarivo fa eo amin’izay iasany ihany no atoriany rehefa alina. Izay azony ialofana dia ialofany. Ny ifanarahana manko rehefa miasa ry zalahy dia iantohana ny sakafony maraina atoandro ary hariva. Ankoatra izay izany tsy mampaninona azy loatra. Na izany aza efa nisy ny fotoana, hoy ry zalahy mitantara, avy ny orana. Hay ilay toerana atorian-dry zalahy indrindra no andehanan’ny riaka. Izany no voatery nitsangana mandra-maraina satria tsy mahita toerana handriana. Variana aho mahita izany. Hatraiza ny herin’ny fiaretana ? Izay tokoa angaha no mahatonga ny teny hoe mahari-pery ny Malagasy ?

Mahalala izany ny tena dia malahelo rehefa mahita ny ataon’ireo ambony saranga amin’ny karazan’olona toy ireny. Toa hatezerana sy trerotrerona hatrany manko no azon’ireny olona ireny satria tsy madio sy miraratra ny akanjony ka marikoriko ho azy mahita ny toa azy ireny. Dia izay nataoko Kopia eto izay ny fiaimpiainana Malagasy mety tsy ho tandritandrintsika akory rehefa mifanena amintsika andavanandro eny.

Hevitra

Efa hariva koa aho vao nanoratra fa amin'ny valo latsaka dimy alina ny 17 novambra no manoratra aho an!

Nampidirin'i jentilisa @ 18:01, 2006-11-17 [Valio]

Misaotra Jentilisa a! Engany hoe tsy nijanona ela laotra ianao hanoratra an'ity post ity.
Vaolahany, mafinaritra mamaky ilay teny gasy nao. Ary tsy hoe hanavakahaka aho, fa ny post-nao no tiako indrindra anio. Tsy hoe tsy marina ny tantara any ampita, fa tena zava misy daholo ireo vao-tanisa sy vao-tantara ireo ary hienana, fa mbola afa faona ny tantaran'i Malagasy any Gasikara, sy izay hienany isanandro izao. Satria ny tena Gasikara aminy dia mbola olona miezeka ho any zavatra tsotra toa misakafo, trano, sns, sy ny fahantrana... Misaotra mizara sy mi-tantara, tsy hoe adino akory, fa mampatsihay, satria tsy misy manadino izay haviny sy maha iza azy. Malagasy anio.

Ce que tu racontes donne vraiment matière à réfléchir et donne une belle leçon de vie. Tout le monde s'accorde à le dire, ma famille y compris, mafy ny fiainana. Je me doute que l'échelle et le degré de dureté est différent chez chacun, mais personne ne lâche prise. Mais je me demande si dans l'effort, demeure l'espoir?

Nampidirin'i Tattum @ 19:56, 2006-11-17 [Valio]

toa tsy hanan-talenta toa anao r'ingahy jentilisa !

Nampidirin'i Rajiosy @ 21:52, 2006-11-17 [Valio]

Sahala mihintsy e, fa tsy mitovy arak'ilay efa nambaranao. Mino aho fa raha tsy tany ambanivohitra no nipetrahan'ireo vady aman-janan-dry zalahy mpandrafitra any ambanivohitrareo dia efa nihevitra ny hifindra any akaikikaikin'ny misy ny asa ry zalahy.

Torak'izany koa ny ankamaroany amin'ny namana aty, tena mpandrato tokoa saingy ny vady aman-janaka efa nanaraka azy dia zary "tsy an-tany tsy am-parafara" eo. Matetika ilay ohabolana hoe "tano ny azo fa sarotra ny mila" no manjaka.

Tsy azo afenina koa anefa fa misy mihintsy ireo mitsipa-doha ny tany nihaviana tsy hifanalavitra amin'ireo tsy mijery ny tambanivohitra sy tsotsotra any amintsika.

Misaotra amin'ny lahantsoratrao.

Nampidirin'i tomavana @ 23:07, 2006-11-17 [Valio]

Misaotra jentilisa amin'ny zava-mahaliana notantarainao a! Nahita ity lahatsoratrao ity mantsy aho androany de tapa-kevitra tampoka ny handray anjara :)

Nampidirin'i Tokinao @ 01:54, 2006-11-18 [Valio]

Matetika aho no mandalo eto na dia tsy mifanerasera aza izy. Sanatria akory tsy manavakava satria maro ny zavatra hitotozantsika na dia ny maha samy malagasy fotsiny aza. Mipetraka aty ampita ny tenako ary manoratra amin'ny teny vahiny aho matetika ... izany akory tsy midika velively fa tafita aho satria maro ny adidy miandry ahy any an-tanana na dia tsy manoratra izany ao amin'ny blaogiko aza aho. Mbola maro ny havako miaina ireo fihafiana voalaza tetsy ambony ireo ary tena manohina ny foko izany. Ny faniriko ny mba hanan'izy ireo (sy ny mpiray tanidrazana amiko rehetra ) ny ampy satria tsapako tokoa ny hamafin'ny fianana any raha ampitaina amin'ny aty. Na dia izany aza dia mifangaro koa ny mamy sy ny magidy aty. Toy ny fainan'ny olombelona rehetra madiha tany sy milola lanitra.

Indraindray aho mihevitra ny tenako ho sorona aty ...mpila ravin'ahitra aho aty, hoan'iza anefa izany ? hoantsika ... satria izany no maha-gasy antsika ary tsy adinoko velively. Ny faniriako/filamatro dia ny hizara izay kely hitako aty ivelany ary hanao izay kely vitako amin'ny mpiray tanindrazana. Ny fomba ahatafitako izany ? Eo indrindra isika izao.

Tsy mitovy ny vintan'ny tsirairay ary tsy fahasambarana akory ny aty andafy. Midera anao aho amin'ny toetsainao, ny fitivanao ny tanindrazana, ny tsy fandaozanao azy, ny fitiavanao sy fiarovanao ny tenintsika sy ny maro hafa.

Samy miaramila isika, ianao nisafidy ny hizanona, izahay voatery tsimantsy nandeha ... mitovy ny fahavalon-tsika : NY FAHANTRANA ...

Ry Madagasikara soa.
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.

Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosin-drazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He sambatra tokoa izahay.

Nampidirin'i harinjaka @ 02:13, 2006-11-18 [Valio]

Misaotra anareo rehetra ary mankasitraka fa tena manohina ny fo tokoa ny filazana ataonareo rehetra! Marina tokoa fa ombalahibevozona isika ka tsy mifidy tany iadiana ka na any na aty dia mitovy daholo ihany! samy malagasy ihany!

Nampidirin'i jentilisa @ 07:49, 2006-11-18 [Valio]

Miala tsiny raha tsy manohy @ teny Malagasy aho...Ton post est le premier post 100% Malagasy que je lis. Pour te dire la verite, lire le Malagasy m'est tres difficile. D'abord je dois lire a haute voix pour m'ecouter, ensuite, j'essaie de comprendre ce que je dis. Ton post decrit a merveille les 80% de Malagasy. J'ai connu des Ndriana, Dadasolo, Ra-Jean qui dormaient sur le chantier de construction...J'avais souvent envie de leur demander pourquoi ils ne rentraient pas chez eux, j'ai la reponse aujourd'hui et cela m'a fendu le coeur. Si j'avais su, j'aurais peut-etre pu changer certaines choses. Ce qui est dommage aussi dans notre Malagasy society, c'est que l'on assume toujours tout sur tout. Je veux dire par-la que je crains que mon ignorance par rapport a cela pouvait tres bien etre interprete comme du dedain.
En tout cas, merci a toi Jentilisa, je sais quoi faire la prochaine fois que je les verrais sur un nouveau chantier de construction.

Nampidirin'i Malagasy aty California @ 13:57, 2006-11-18 [Valio]

Adinoko ny mba nanoratra hoe isaky ny faran'ny herinandro ry zalahy no mamonjy mody kely eny an-tanàna. Mazava loatra fa raha tsy mbola vita ny asa dia mangataka "avance" ry zalahy. Ataoko fa rariny ny manome an-dry zalahy indrindra fa fantatra tsara ny momba azy sy ny fahamatorany.

Nampidirin'i jentilisa @ 15:17, 2006-11-18 [Valio]

Hey Jentilisa,

Marina nen'i Tattum hoe ato ny post tsara indrindra @ Malgachoscopie. Ary faly i aho hoe ho avy @ io Tana Miblaogy io ianao @ ity farany taona ity, ho ataon'tsika zay mety ary ho alefako @ erina'andro manaraka io ny mail momba momban'ilay fotoana. Aleko ary haroso @ teny frantsay ity satria mety tsy ho azon'nareo intsony 'zay hosoratako eto (ny miteny gasy dia petsana ery i JoGanY nefa rehefa manoratra tsisy dê misy dikany lotra, nisy tsy nety tany @pienarana tany héhéhé)
Quand Tattum nous a lancés sur cette idée, je tremblais d'hésitation car j'avais beaucoup de mal à parler de moi sur internet et encore plus des autres... Tu as pointé sur l'expression : "The Elephant in the Room" que je voulais nommer et que personne n'ose décrire ou bien un peu avec beaucoup d'hésitations et de métaphores. L'Elephant est aussi énorme que la Misère au pays et même si on s'en éloigne (aussi loin que le Canada) ça ne nous donne pas le droit d'ignorer et de sublimer la réalité ...

Bizzzzz
R@ manaraka'dray

Nampidirin'i JoganY @ 15:30, 2006-11-18 [Valio]

Tena somary manongo tena ihany ny tenako raha namaky io ohatra nozarainao taminay io satria somary hentitra tamin'ireo mpiasa mpanao trano nampiaaiko hatramin'izay aho. Hentitra aloha fa tsy dia hoe nasiaka satria ny hatsaran'ny asa no nahasarotiny ahy. Kinanjo, tsapako fa ilay fiaretana sy fihafiana no tsy dia tena nahatomombana araka izay faniriako ireo tao-trano nampanaovina.

Mahafinaritra ilay mahita mpiray tanindrazana manoratra amin'ny tenim-pirenena. Somary nahatoko kely aloha ny fanoratana tamin'ny teny malagasy satria somary sarotrarotra rehefa ela ny ela.

tohizo fa mahafinaritra e!

Nampidirin'i Aiky @ 18:04, 2006-11-18 [Valio]

Hitovitovy @ izay efa voalaza etsy ambonimbony etsy ilay commentaire-ko, fa saro-tsarotra ihany manko ny tena hiavaka :) Misaotra an'i Tattum nampandray anjara antsika t@ ity indray mitoraka ity, satria nahitana zavatra maro samihafa mahafinaritra, mahalina ary mampiheritreritra ity Malgachoscopie ity... Ny lahatsoratrao no nampieritreritra ahy indrindra, satria dia mitantara ny zava-misy andavan'andro any an-tanana, zava misy tsy hitanay gasy aty lavitra aty intsony raha tsy an-tantara sy an-dahatsoratra, hatramin'ny nialanay tany. Namaky anao aho dia tonga tato an-tsaiko ireo olona rehetra hitako nobaikona sy nitezerana toy ny tsy olona, fomba fisatri-mpanahy (tsy fantatro loatra raha tena misy dikany io teny io... :D ) tsy mba hita loatra aty andafy aty.
Mampatsiahy ianao fa tsy azo hadinoana ny fahantrana sy ny asarotam-piainana any, naiza naiza misy antsika, ninoninona ataon-tsika, ka misaotra sy mankasitraka Jentilisa a !

Nampidirin'i Nivo @ 19:36, 2006-11-18 [Valio]

Misaotra indrindra an'i Jentilisa nanoratra ity blaogy iray ity . Tena mampieritreritra tokoa ary mampisokatra ny maso izay mody tsy mahita hatramin'izay na nahita fa tsy mahalala.

Tena mahavariana ahy tokoa mantsy fa indray mandeha izay aho dia natory tany amin'ny havako tany Mahitsy. Ka anisan'ny olona natory tao an-trano tamin'izany tanana ambanivohitra nipetrahako zany dia tovolahy anankiroa nazavain'i Jentilisa io. Avy any ambanivohitra be lavitra an'Antananarivo ry zareo fa mandeha mikarama tao Mahitsy dia mba niara-nipetraka tamin'ilay havako tao. Tsy nahafantatra mihitsy aho talohan'ny handeha hatory tamin'izay fa misy matory ao an-dakozia izay tena tery tokoa sady feno lavadavaka satria ratsy ny rindrina ka ampidirana an-trano daholo ny entana tao. Tampoka maheno olona miresaka aho hoe "A demain zany ve hoe rahampitso e?" "Ie mety mihitsy zay letsy a" hoy ny iray. Nisokatra be ny masoko voalohany aloha ao ambadiko le lakozia ary henoko ry zareo efa alina be vao tonga tao dia efa taitra aho. Tsy nihetsika aloha aho. Nony naheno ilay resaka aho vao tongasaina hoe izany "zany tokoa ny mpiray tanindrazana amiko." Ontsa be ny foko. Nefa tsy afa manoatra koa aho fa raha misy ny fanampiana dia mandeha mian-dalana miadana satria na ny tena koa aza mba sahirana ihany satria betsaka ny adidy miandry.

Koa dia mahereza ry Malagasy havako. Tsy mora ny fiainana saingy na dia kely indrindra azonao hanampina ny manodidina anao dia efa zavadehibe. Misaotra indrindra. Soanja.

Nampidirin'i Soanja @ 03:07, 2006-11-20 [Valio]

Mankasitraka ra-jentilisa.

Nampidirin'i eprom @ 06:21, 2006-11-20 [Valio]

Je vais demander à ma maman de me traduire parce que ça a vraiment l'air d'être intéressant tout ça !
(un podcast, un podcast, un podcast please ;)

Nampidirin'i Vola @ 19:26, 2006-11-20 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox