« | »

Nalahelo ny mpanao taozavatra

2007-04-12 @ 09:39 in Toekarena

Ataoko fa mahatadidy ilay hatezeran’ny filoha Ravalomanana isika tamin’ny varotra fampirantiana natokana ho an’ny mpanao asa tanana malagasy Salama iny. Nampanantena ny handoavana ny saram-panofana ny tranoheva moa ny filoha tamin’izany fotoana izany saingy mandraka ity androany toa tsy hita izay tohiny. Nanomboka tamin’iny fotoana iny ihany koa dia tsy nisy intsony ny Salama araka ny fitadidiako aloha. Nanao ny azy manokana amin’izay ireo mpanao asa tanana ireo.

Ny anarana entin-dry zareo ary rehefa miaraka mampiraty ry zareo dia antsoiny hoe Showgasy. Nandritra iny herinandron’ny Paska iny no nihetsiketsehan-dry zareo ary tao amin’ny kianjan’i Mahamasina ambadiky ny Tribune ry zareo no mampiraty ny vokatry ny asa tanana. Maimaipoana ny fidirana amin’izany fa tsy mba tahaka ny « varoboban’i entana sinoa » antsoina amin’ny teny mahazatra hoe Grande Braderie andrombahana ny friperia avy any ivelany izay Ar1000 ny fidirana.

Na dia izany aza dia tsy liana mihitsy ny olona, angamba noho ny fahenoana ny anarana fotsiny hoe Malagasy, fa dia mitovy hoy ny mpikarakara ny isan’ny vahiny sy ny Malagasy mitsidika ary ny zavatra mora entina ihany no vidian’ny olona. Izany tokoa ve no mahamasaka ny fiheverana hoe ny mora tsy mba tsara ka aleo ny mora an’ny vahiny toy izay ny maimaipoana an’ny Malagasy ?

Mety ho diso paika ihany koa angamba ny mpanao taozavatra. Rehefa tsy ny varotra eo no ho eo no azo dia tsara kokoa raha mitady fifanarahana maharitra handefasana ny entana, na handafosana ny entana no ilofosana ka rehefa tsy taitra ny Malagasy dia aleo ny vahiny ihany no ho mpanjifa e ! aleo ampitsiriritiny amin’ny vokatry ny tena ihany izay tsy mbola mahatsapa ny hasarobidin’ny asa  voakaly nataon’ny Malagasy.

Hevitra

kally

Sao dia tsy ampy kosa ny dokam-barotra nataon-dry zareo ka vitsy no nandre? Hitako efa tena betsaka mantsy ny gasy no liana @ zavatra vita Malagasy, izahay vehivavy indrindra indrindra lol. Ny haingon-trano, ny kapa sy pôketra ets.

Nampidirin'i kally @ 10:48, 2007-04-12 [Valio]

Marina

Mahamarika tokoa aho fa marina ny filazanao. Raha vao tsara endrika na mahafinaritra ny zavatra iray ka mahay ny mpivarotra dia mividy ny olona. Mety tsy ho ampy ny serasera moa ny toerana ihany koa somary manavia ihany.

ny misy ny banderole anefa dia tena talaky maso ary nisy ihany ny filazana tanaty vaovao fihainon'ny olona.

Noho izany, amiko mety ho ny dokambarotra tokoa no tsy ampy...na ny filazana mialoha ahafahan'ny be sy ny maro hiomana hividy. Toa akaiky loatra manko ny fotoana nilazana azy tamin'ny olona!

Nampidirin'i jentilisa @ 16:25, 2007-04-12 [Valio]

Ka ilay izy koa ange ry Jentilisa araky ny maha-varotra azy dia tokony hanaraka ny fiaingan'ny mpividy ny dokam-barotra. Raha banderole izany izao ohatry ny efa "nôfa" be fa tokony mba zavatra manaitaitra kokoa e! hainao ihany fa ny gasy tanora no betsaka ka raha taitairinao izy hoe ho avy ao daholo ny "maharaka" rehetra dia ho avy izy izay. Asa anefa aloha fa eritreritro iny.

Nampidirin'i kally @ 17:17, 2007-04-12 [Valio]

Maimaipoana

Izay indrindra no olana, soavaly mianto-bilona ry zareo. Tsy misy manampy mihitsy. Ny filazana amin'ny vaovao be mpanaraka mahomby ihany raha ny fahalalako azy. izay manko aloha aty no fanao mba hampalaza azy tsara. Misy mandoa vola koa anatin'iny an!

Ny fidirana efa maimaipoana nefa tsy misy fahefana manampy afa-tsy ny kaominina manome maimaipoana ny toerana. Ny fanaovana "spot publicitaire" amin'ny radio sy ny televiziona anefa aty aman'hetsiny mba tsy ilazana ho amanapitrisany.

Tsilioliotsofina fotsiny ny hoe Ar6.000.000 raha tena tia hahomby amin'ny fahazoan'olona. Aiza no ananan'ny mpanao maimaipoana izany vola izany?

Nampidirin'i jentilisa @ 07:26, 2007-04-13 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox