« | »

Ny fanambaran'ny evekan'i Madagasikara

2007-05-22 @ 13:28 in Finoana

Ny mpanara-baovao finoana indrindra indrindra dia mahafantatra ny nametrahana amin’ny fomba manetriketrika ny evekan’i Miarinarivo tamin’ny alahady teo. Amin’ireny fotoana ireny moa dia tonga manatrika eo avokoa ny eveka namany manerana an’i Madagasikara. Efa nampoizin’ny maro fa tsy maintsy hisy ny fivoriana manokana hataon’ireo eveka ireo indrindra fa ao anatin’izao toe-draharaha mafampana izao. Dia nivory tokoa ny fivondronamben’ny eveka teto Madagasikara ny tontolo andron’ny alatsinainy 21 mey teo.

 Niandry ny fehin’izany aho fa androany maraina no nandeha tao amin’ny radio don bosco izany. Tsy tratra anefa tamin’io fotoana io noho ny zavatra mbola nanahirana ka ny atoandro aho vao nandre azy. Tsy nandray naoty anefa aho ka izay tadidiko ihany no averiko etoana. Noho izany dia marihiko etoana fa mety ho tsy feno izay soratako etoana fa izay nanaitra ahy ihany no soratako.

 Voalohany : Voaporofo izao tamin’ny fitsapana ny hevi-bahoaka farany teo ny tsy fahavitrihan’ny olona nanefa ny adidiny. Nirotoroto ny fanjakana nefa ny olona tsy mahalala akory izay votoatim-panovana na dia niezahana nohazavaina aza izany. Mbola anaty fahasahiranana ny olona moa ny rivodoza sy ny loza voajanahary hafa mbola namely ka izay hohaniny sy ialofany ihany no nahamay ny olona. Tsy nataony ho zavadehibe ny referandaoma.

 Faharoa : Tsy ankasitrahana ny fampiasana ny herisetra sy ny fanaovana amboletra na avy amin’iza na avy amin’iza. Tsy vahaolana velively tsy akory izany manoloana ny delestazy sy ny olana hafa mampisavorovoro ny mpianatra sy ny any amin’ny faritra. Tokony ho efa notsinjovina mialoha ny hamahana ny olana fa tsy avela hihatra amin’ny olona vao ikaroham-bahaolana.

 Manaraka : Manameloka ihany koa ny fandranitana adim-poko izay mihamahazo vahana amin’izao fotoana izao. Tsy vahaolana amin’ny mianjady amin’ny mponina ihany koa io.

 Tohiny : Momba ny raharahan’ny misionera kosa. Nantsoina ny misionera hitory ny evanjely amin’ny olona rehetra. Ilaina ny fahafantarana ny fiaimpiainan’ireo itoriana ny evanjely ho fampivoarana azy rahateo. Koa raha misy ny zavatra tsy mety, mahaporitra na fanaporetana sy fanitsakitsahana ny zon’ny madinika dia adidin’ny (tsy maintsy miteny ny )misionera ny miteny na malagasy izy na vahiny. Ao anatin’ny lalam-pitoriana rahateo izany ary ny fiangonana katolika dia tsy maintsy eo ankilan’ny madinika mandrakariva hiaro ny zony tsy ho voahosihosy.

 Fahadimy : Momba ny raharaha Sylvain Urfer,sj kosa indray dia heverin’ny katolika ho fanalam-baraka azy ireny toe-javatra niseho ireny. Tsy azo natao ve ny nifampidinika mialoha tamin’ny ambaratongam-pitondrana katolika rehetra mialoha ny nandroahana azy ? Toy ny tsy fanajana ny zon’olombelona ihany koa iny fandroahana iny eo amin’ny fiangonana katolika (tsarovy fa ny fivondronam-ben’ny eveka mihitsy no misolo tena ny fiangonana sy hany afaka miteny amin’ny anaran’ny fiangonana eo amin’ny firenena misy azy araka ny fahazoako azy).

 Ary fahaenina : Momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny fiangonana katolika sy ny fanjakana kosa indray dia vonona amin’izany ny fiangonana katolika. Saingy maniry indrindra ny hampiharana azy tokoa fa toa mbola resaka fotsiny ilay izy hatramin’ny androany. Ao anatin’ity fanambarana ity anefa dia toy ny mametraka ihany koa ny fiangonana katolika hahazo ny fanazavana momba ny nandroahana ny mompera vao hiditra amin’izany. Izay ny fahazoako azy. Tatitra ihany ity nataoko ity saingy tsy ofisialy. Ho hitan’ny be sy ny maro ihany ny votoaty ofisialy satria mino aho fa io no ho lohatenin’ny gazety rahampitso rehetra. Tsy namoaka ity fanambarana ity ny radio sy ny televizionam-panjakana hatramin’ny atoandro teo. Asa ny rahariva…(tsy misy ny fomba fijeriko mihitsy io fanambarana io)

Hevitra

kely sisa dia ho eveka no ho filoham-panjakana, ny manaraka azy avy eo dia ho pasitera (ohatra Mailhol ?), ary avy eo karazana dadarabe ?

Nampidirin'i Rajiosy @ 22:56, 2007-05-22 [Valio]

tsara amin'izay ny isintahan'ny mpitondra fivavahana amin'ny politika fa mandeti-tena fotsiny ry zareo. na katôliaka io na propestà n'inona n'inona anarany. aleo ho an'ikaisara ets ets raha tsy izany lasan'ireo antsoina hoe sekta ny zanakondry... efa nampiseho ny tsy fahavitany manova zavatra ny ffkm hatramin'izay telopolo taona izay. tsy fanamelohana velively ny ahy satria voaporofo eran-tany fa sarotra farany sarotra ny raharaha. jerevo ohatra ny mollah iraniana. ary tsy izaho ihany koa no manana ny vaha-olana. isaky ny folo taona anie ka mahita olona atao prezedà foana na eo na tsy eo ny ffkm e
Nampidirin'i Rajiosy @ 16:44, 2007-05-23 [Valio]

momba ny fisintahan'ny fiangonana, zahavo kely ity http://clesnes.blog.lemonde.fr/

Nampidirin'i Rajiosy @ 16:52, 2007-05-23 [Valio]

tokony hijanona tsy hanao politika intsony ny ffkm. aleo ho an'i kaisara ets fa lasan'ny sekta ny zanakondry.

jentilisa : azonao fafana ilay soratra lavabe teo aloha

Nampidirin'i Rajiosy @ 16:55, 2007-05-23 [Valio]

Ity ny filazana feno

1 - Tafavory teto Antananarivo ny Evekan’ny Madagasikara noho ny fanamasinana an’i Mgr Jean Claude Randrianarisoa koa dia mamerina etoana ny fiarahabana ny Diosezy: ary misaotra an’Andriamanitra noho Izy nanome mpiandry ondry ny Diosezin’i Miarinarivo; ny hamaroan’ny olona sy fiombonam-bavaka teo dia mampiharihary fa velona marina ny Fiangonana Katolika
2 - Fotoana nifampizarana ny vaovao manerana an’i Madagasikara koa izany ary nahatsapanay, fa nitombina ny ahiahinay tamin’ny taratasy nalefanay tamin’ny 23 fevrie 2007
¤ Ambany dia ambany ny taha-pahavitrihana tamin’ny referendum satria tsy nazava tamin’ny olona ny anton-javatra hisafidianana na teo aza ny fiezahana hanazava
¤ Teo koa ny fahasahiranana sy ny voka-dratsin’ ny rivo-doza: zava-maika kokoa ho an’ny olona ny hahita hanin-kohanina sy toeram-pialofana toa izay handeha hifidy
¤ Mbola mampametra-panontan iana ny maro ny vokatry ny fitsapan-kevi- bahoaka farany teo
¤ Mampikaikaika ny be sy ny maro, indrindra ireo zanantsika mpianatra amin’ny université ny délestage lavareny amin’ny faritra maro ; ka nahatonga fihetsiketsehana tetsy sy teroa.
3 - Manoloana ireo fahasahiranana ireo dia tianay ho marihina eto fa tsy famahana olana velively ny fampiasana herisetra sy fampihorohoroana, na avy aiza na avy aiza, vao mainka aza manarona na mampihombo ny olana ireny; ary melohinay ny fandrangitana ny adim-poko izay manimba sy mandrava ny firaisam-pirenena.
4 - Nanaitra ny besinimaro ary nanohina sy nandratra ny kristianina katolika manerana an’i Madagasikara ny fomba nandroahana an’i Mompera Sylvain Urfer.
Mova tsy olon-dratsy
¤ Tsy mba nisy akory fifanatonana - endriky ny fifanajana - tamin’ireo ambaratongam- pitondrana misy ato amin’ny Fiangonana Katolika
¤ Marina fa manana ny fiandrianany ny Firenena, nefa eo koa ny hasina sy ny zo maha-olona ny tsirairay. Miombona tanteraka amin’ireo Masoivohom-pirenena naneho ny tsy fankasitrahany ny tsy fanajana ny zo aman-kasin’ny olombelona ny EKAR.
5 - Adidin’ny Fiangonana ny mitory ny Evanjely sy mampandroso an’i Madagasikara. Anisan’izany ny misionera, ary tianay ny mankasitraka azy etoana. Vaindohan-draharaha n’ny Fiangonana ny mampanjaka ny rariny sy ny hitsiny ary miandany mandrakariva amin’ireo madinika indrindra, ka tsy maintsy miteny izy - na misionera vahiny na misionera zanatany - raha voatohitohina ny zo aman-kasin’ireny madinika verezin-jo sy poretina ireny; ary làlan’ny fitoriana ny Evanjely izany amin’ny maha-mpaminany azy, fa tsy fitsabahana velively amin’ny raharaham-pitondram -panjakana.
6 – Nisy ny teny nataon’ireo iraky ny Fitondrana tamin’ny fety tany Miarinarivo iny, mba hisian’ny fifanakalozan- kevitra mahomby sy fifanajana eo amin’ny Fanjakana sy ny EKAR
Ka vonona izahay handre ny fanazavana atolotry ny Fanjakana momba ireny fihetsika sasantsasany mampiseho tsy fatokisana ny Eglizy Katolika ireny
7 - Koa manantena izahay fa hisy fifanatonana sy fifanakalozan- kevitra ary fampiharana marina tokoa ny 3 P izay ambara ombieny ombieny nefa toa tsy mbola ampiharina.
Miankina amin’izany ny endriky ny fiaraha-miasan’ ny EKAR amin’ny Fanjakana
Antananarivo, 21 mey 2007

Nampidirin'i jentilisa @ 06:58, 2007-05-25 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox