Ny revin'ny zana-bahoaka
Tsy maninona na somary mandany vola kely aza fa mifanentana amin’izany ny volon’andro. Mirevy amin’ny andro fety ? fety ho an’ny tanàna tsinona ka mety avokoa izay aloatry ny fientanam-po. Ho fantatry ny maro ihany ny anaran-tanàna. Hahagaga indray raha olona mipetraka eto Antananarivo sy mpijery televiziona na mpanara-baovao farafaharatsiny no tsy hahalala ihany an’i Morarano.
Nampidirina tao anatina taxibe nofana manokana mankany an-tanàna ny entan’ny boaikely rehetra, loka tamin’ny nahazoany voalohany sy nandrombahany ny amboara tamin’ny alahady teo. Tsy mampaninona na mety hifamadika aza satria zavatra mitovy avokoa no azo dia fahitalavitra sy fitaovana manontolo ho entina milalao baolina fandaka ary fitaovana mahavariana ny tanora isan-karazany. Nahazo tsirairay avokoa ny ekipa iray manontolo (12 ny fitambarany). Tsy misy mitaingina fiara fa manaraka avy ao aoriana avokoa mihazakazaka sy mihorakoraka. Mampahatsiahy ny eny an-tanàna rehefa mahazo omby mifahy avy milalao baolina lavalava iny. Tamin’ity kosa dia tanora 11-15 taona no nahazo loharanom-pifalian’ny tanàna iray manontolo. Ny fiara misy ny loka sy ny amboara no solon’omby…
Izay andalovana ihany koa efa nieritreritra ny haheno horakoraka ary izay tsy mahalala satria tsy liana amin’ity lalaon’ankizy ity ataony mahalala amin’izay. Iny Ankadilalana miakatra ho any Tsimbazaza iny dia mandeha toa ho any Manakambahiny amin’izay. Haheno ny horakoraky ny mpilalao sy ny mpanohana mahatratra anjatony mety hanakaiky ny anarivony mihitsy. Tsy mahalala reraky ny lalao nafana ny tovolahy fa mazoto hatrany noho ny zavatra azo. Na lahy na vavy toa mpanao fanatanjahantena vetivety teo avokoa.
Niavaka tokoa ny ekipan’ny Jsm Morarano. Voalohany : tsy mba naka anaran’ekipa vaventy sahala amin’ny hoe Barça, Juventus sy Olympique ary ny hafa izy fa tanora mpikotran’i Morarano ihany no anarany. Teny frantsay ny anarana nefa efa nataon’ny fitondram-panjakana ho teny ofisialy io sy ny teny anglisy. Manaraka izany ny mpanohana izay nafana fo hatrany nandritra ny fihaonana rehetra nataon’ny ekipany. Mivondrona tsara ka nanome hery lehibe ho an’ny zanany tsy hatahotra na kely na lehibe sy mahay mifandona aminy. Samy zanak’olona sahirana koa moa nefa mahay mifanohana. Ary farany ny mpanazatrany irery ihany no nianjaika tamin’ny lalao famaranana. Nanatrika teo avokoa manko ny mpanazatran’ny ekipa nilalao nandritra ny fifaninanana. Nanome hasina ny zavatra nataony izy ka mendrika azy ireo ny fandresena.
Alina vao tonga tany an-tanàna ka niara-nisakafo avokoa ny rehetra rehefa avy notsenan’izay nijanona tao an-tanàna ny avy niantafika nahazo amboara. Avy eo nisy alim-pifaliana nakotrokotroka niarahan’ny rehetra nitsinjaka fa izay no revy antonona ny vanim-potoana e ! Dia hotsaroan’ny boaikely sy ny tanàna fa efa nahazo fandresena sy nalaza teto an-tanàna ry zareo nandresy an’Andrady II tamin’ny kitifitifi-baolina rehefa nisaraka tsy nisy maratra tao anaty fotoana ara-dalàna.
Hevitra
milay e : tetsy aloha ny amboara amin'ny tatitra politika ary eto indray ny amboara amin'ny tatitra fanatanjahantena.
resaky ny mpila kisa : raha atao hoe "kitifitifi-baolina" ny penal(ina)'ty, tsy ohatran'ny manakidaladala ve ilay ki-fiandohana sy ny teny verin-droa. kanefa anie ny penal(ina)'ty ka zavatra an'aina be e. asa "tifibaolina faramaty" ohatra no sosokevitray vazaha lany mofo !
toa niverina indray hono ny fihezama ?
Kitifitifitra!
Niniana nataoko toy izao ny resaka satria tena miverimberina ilay hetsika atao.
Amin'ny fomba tandrefana no tsy mety loatra ny tahaka izany fa amin'ny tatsinana kosa entina manasongadina kokoa aza.
Raha mahadinika koa ianao dia tsy miteny hoe maty mihitsy aho fa tafiditra no teny tian-kosoratana fa vao miditra ve dia maty?
tamin'ny herintaona, nijery zana-ngetroka nilalao baolina eo an-jarisaina aho ka hoy ilaikely 11 taona : "la balle est morte !" nefa tsy mety mamaly teny gasy ilay aka rehefa iresahako. (baotiko eo ny darieran'ialahy tsss)
mbola averiko hoe sady milay ilay revin'ny zana-bahoaka no tena
revy baonina koa ny filazana azy
mot à mot io!
Ka niteny frantsay amin'ny fomba fisainana gasy kosa izy ka!