« | »

Areheto O

2007-10-11 @ 07:41 in Toekarena

Marina fa ho fenon’ny setroka indray ny lanitry Gasikara fa tsy any akory ny resaka tiako ahatongavana. Zavadoza eto amin’ny firenena io tranga io ka tsy azo hamaivanina velively. Ny mpanaraka ny eto amin’ity blaogy ity dia mahafantatra tsara ny famerimberenako ny tsy fankatoavako ity fanapaha-jiro ity. Betsaka ny lafiny tsy itiavako azy na dia mody hoe ny fihemoran’ny mpandraharaha tsy hanao zavatra eto raha ho tapatapahina lava ny jiro no hany ambara. Fatiantoka ho azy ny hiaritra tsy fisian-jiro nefa ny asa rehetra, raha tsy ny ankamaroany dia miankina amin’io avokoa. 

 

Efa nasehoko tsara ny safidiko fony nialoha ny fifidianana ho depiote ireny. Nolazaiko mazava tsara fa nirotsaka teo amin’ny fari-pifidianana nisy ahy ny minisitry ny angovo tompon’andraikitra voalohany misahana io resaka io ka tsy hifidy azy velively aho ho fanoherako izay nataony nandritra ny nitantanany ny jirama aloha dia ny minisitera mihitsy avy eo. Lazaiko etoana fa nilaza ny hevitro tamin’ny radio mihitsy aho ka niteny hoe tsarao amin’ny asany ny minisitra nirotsaka fa ny ahy delestazy no fantatro. Saingy aim-bery maina izany antsoko izany. Ankehitriny… 

 

Tahaka ny mandainga aho raha manoratra aminareo etoana fa ny fari-pifidianana nisy indrindra io minisitry ny angovo io no ifandimbiasan’ny delestazy amin’izao fotoana izao: Antaninarenina, Isoraka, Isotry, Tsaralalàna, 67ha, Ampefiloha fa ny faritra hafa (Boriborintany moa no ilazany azy) kosa dia gaga raha iresahanao izany toe-javatra izany. Ho an’Antananarivo Renivohitra io, tompoko. Satria nifidy ahy ireo (angamba hoy ny tenany any ambadika any) dia nankasitraka izay nataoko izany ka amin’izy ireo ihany no hanaovako delestazy ho an’Antananarivo renivohitra. Ny tanàna hafa manodidina ihany koa dia miverina soa aman-tsara ny delestazy. 

 

Nandre resaka ihany koa moa aho fa izay ela izay ka fantatra fa mbola hafa ny safidin’ny mponina tao an-tampontanànan’I Toamasina dia tsy nisy loatra ny delestazy tany. Fa nony injay lany ho depiote ny avy ao amin’ny TIM dia arahaba ry delestazy, avelao koa izahay mba hiaina azy. Ny ao Mahajanga tampon-tanàna indray moa tsy manana olona hifandraisana any loatra aho. Mino aho fa noho io resaka io no nampihintsana be dia be ny TIM tao amin’io tanàna io. Efa ela niaretana manko ny tao. Ny any Toliary moa, izay gropy rehetra tonga any simba avokoa…mahery loatra angaha ny toetr’andro any ( mba tsy ilazana hoe misy mangalatra hatrany angaha ny piesy rehefa tonga any na fatin-gropy foana no mba alefa any). 

 

Ankehitriny ihany, miandry Lafrantsa. Hanampy ny fanarenana ny jirama izahay (indrindra raha omenareo anay ny fitantanana io sehatra io). Amin’ny alalan’ny solontenan’ny tahirim-bola iraisam-pirenena izay milaza ny tsy maintsy hampakarana ny vidin-jiro eto Madagasikara no hilazana ny fanampian’ny firenena any ivelany ny jirama. Angaha misy miteny ny olona? Efa miandry fotsiny. Ny mpitondra fanjakana koa, indrindra fa ny filoha Ravalomanana, tsy aharenesam-peo manohitra izay fampakarana ny vidin-jiro izay. 

 

Fa ny tsaroako tsara nanombohan’ity delestazy ity dia ny filazana mialoha fa tsy maharaka ny solika manodina ny milina, avy eo dia hoe hampiana milina hafa ny eo amin’ny tohadranon’Andekaleka mba ahafahana manana herin’aratra matanjatanjaka kokoa ka mba mihafy kely aloha isika. Hay ity resaka ity ny delestazy mandeha fa ny milina napetraka toa tsy hita akory. Aty amin’ny enimbolana faharoan’ny taona 2007 vao lazaina fa hatao (mbola fotoana ho avy ihany koa) ny tolobidy amin’ny fametrahana milina vaovao sy fikojakojana ny efa eo. Dray izany izy!  Tsy aleo izany mieritreritra hoe amin’ny fotoana fahatelo itondran’ny filoha Ravalomanana any mihitsy angamba vao tena hisy ny hijerena (mbola hijerena fa tsy miditra amin’ny asa) ity raharahan’ny jiro eto Madagasikara ity.  

 

Fa mbola nofinofy ihany izany raha mbola io minisitry ny angovo io ihany no mitantana io sampan-draharaha io. Tokony hoporofoin’ingahy minisitra amin’ny asa vita fa tsy marina ny tsaho efa mahery loatra manao hoe ahodiny avokoa ny vola tokony nikarakarana io orinasa mihafadiranovana io ka mahatratra anjatony miliara izany vola miodina izany… Tsaho io nefa fantatsika tsara ny Malagasy fa ny tsaho no inoany kokoa satria resaka afenina ireny.  

Hevitra

Ny ahy ny tena mahagaga ahy amin'io olona tondroinao molotra io dia : tsy efa ihany ve no tale-jeneraly izay isan'ny nandetika ny Jirama talohan'ny nifidianana azy ho Ministry ny angovo e ? :(

Nampidirin'i tomavana @ 10:10, 2007-10-11 [Valio]

Somary manitsy kely aho satria tany Toamasina foana aho talohan'ny fifidianana ry afaka milaza aminao aho fa nisy foana ny delestazy saingy miankina amin'ny quartier.

Nampidirin'i Bangaridana @ 15:23, 2007-10-11 [Valio]

tsy tale jeneralin'ny jirama akoriny i ramiaramanana fa prezidan'ny filankevim-pitantanana. sendra nanaovakansy tany foulpionte ny tenanay ary mandalo foana eo amin'ilay trano misy ny gropy mpanome jiro. ka efa tranainy ihany ny fitaovana hitako tao.

asa izay fitantanam-bola fa raha resaka angovo anie ka tsy miliara ariary no tomban'ny investissements fa an-jatona miliara ariary sady miantraika amin'ny roapolo taona manaraka e ! koa satria tsy nanam-bola ny malagasy tamin'ny taona 80 tany sady tsy nanan-kevitrany hanao investissements vaventy tamin'io dia mijinja ny vokany isika izao.

ary mbola manginy ny fisondrotan'ny vidin-tsolika satria tsy hidina intsony io. ny 30 taona manaraka no tkony heverina dieny izao anefa aiza izay ravola, sady amin'izany efa tsy eo amin'ny fitondrana intsony ianao (cycle fohy ny fifidianana)

Nampidirin'i Rajiosy @ 19:49, 2007-10-11 [Valio]

Mbola azo lazaina ho nandeha ratsiratsy ihany io jirama io fony tsy mbola nidiran-dry zalahy mpanao politika be bizinesy loatra ; ny tena nahatonga ny bizinesy betsaka tao dia satria niramarama be ny fanjakana tamin'izany nampiasa ny volan'ny jirama tamin'ny tsy dia fantatra loatra ka dia nanararaotra tamin'izay ny laibany tao samy nanao ny nataony, dia ireny ry Tantely nampiakarina ho praiministra ireny.
Momba ny delestazy, amin'ny toerana izay mandray andraikitra tsara ny sefo jirama ary manaraka akaiky ny famokarana sy ny fizarana ny herim-baratra, dia mahalana io olana io na dia samy fitaovana efa tonta be ihany aza. Fa any amin'ireny tranon-jiro ireny mihitsy koa anie no misy be vinany e ! Mpiasa tandrevaka fa tsy te hivaky loha fa dia hoe aleo ho hitan'ny havany eo ; moa ilay sefo koa tsy dia te hisahirana hivezivezy ka dia izay ataon-drizalahy teknisianina ao fa hoe efa olana iraisana sy iaraha-mahalala izy ity ka zara aza misy ny milina tonta hanilihina ny rihitra.
Mazava ho azy koa fa rehefa tsy lanin-dry zalahy ny sefo dia delestazy no ady eo.

Nampidirin'i fingotra @ 20:25, 2007-10-11 [Valio]

misaotra

Tena ankasitrahana avokoa ny tsikera sy ny fanitsiana ataontsika mianakavy. Ny tena tiako izao raha nilaza i bangaridana hoe taiza sy taiza avy ny kartie tapaka matetika dia taiza no tsy tapaka mihitsy. Mety ho nisy fiovany tokoa manko ny resaka avy eo.

Misaotra an-drajiosy koa nanitsy hoe filohan'ny filakevi-pitantanana tokoa izy fa tsy tale jeneraly. Samy mpiandrikitra voalohany moa ireo nefa samy manana ny anjara asany. Mety ho PDG ny PCA nefa tsy voatery ho izay ihany koa!

Nampidirin'i jentilisa @ 07:35, 2007-10-12 [Valio]

izaho aloha dia mbola manantitra hoe mety misy lesoka ny olom-pitantanana na ambony na ambany, fa ny tena olana amin'ny resaka angovo dia ny fitsinjovana ny ho avy lavidavitra izany hoe ny investissements goavana azo na tsy azo atao. io no tokony hanosehantsika rehetra ny fanjakana sy ny firenena mpanam-bola satria ho avin'ny zanatsika io. azo esorina ny olon-tsy tiana (toa lasainte taloha koa le tary ô) fa tsy hanova be na maharitra ny zava-misy izany. ary amin'ny lafiny iray anie mety mampitombo ny zazakely tonga ny fisian'ny delestazy satria lasa rômantika amin'ny labozy madama sy mose moa tsy tele hojerena fa dia ny fandriana no zorina. sa ahoana zalah ?
Nampidirin'i Rajiosy @ 22:11, 2007-10-12 [Valio]

Adinoy ny solika

> ny tena olana amin'ny resaka angovo dia ny fitsinjovana ny ho avy lavidavitra izany hoe ny investissements goavana azo na tsy azo atao

Tena manohana ny hevitrao no sady manampy fa vonjy tavan'andro fotsiny raha toa ka milina mitroka solika haztany ihany no vidiana fa mila mihevitra mihintsy ireo fototr'angovo voajanahary izay sady madio no tsy lany laniana :) toy ny masoandro, ny rivotra, ny rano mafana ambanin'ny tany, ...

Nampidirin'i tomavana @ 08:14, 2007-10-15 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Febroary 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox