« | »

Fihetseham-po ve no ifidianana?

2007-12-09 @ 13:25 in Politika

Tohin'ny sary 50 momba ny faradoboka nataon'ny kandida lazaina fa be mpifidy indrindra aho. Ho hitanareo manerana ny gazety malagasy rahampitso fa hoe nisy nitoraka grenady tany amin'ny tranony tany angaha! Mampalahelo tokoa raha izany toe-javatra izany. Saingy izao no nampanahy dia nampanahy be ihany! izaho, ireo izay mpamaham-bolongana efa nanatrika ny fihaonan'ny mpamaham-bolongana eto Antananarivo ireny dia tsy manana fiara manokana. Noho izany dia fiara fitateram-bahoaka no nialako avy teny Anosy ho eny Antsonjobe.

Tsy niandry iray minitra ho dia nahazo 165 sady tsy nisisika no tsy feno ny fiara. tonga teo Analakely dia ny fiara mihitsy no miandry olona. Nihevitra aho fa eny Antanimena ho eny Ankorondrano iny tsy maintsy feno ny fiara satria eny no fandraisan'ny olona fiara ho eny. Kanjo dia diso hevitra tanteraka aho. Tsy nety feno ny fiara nandehanako no tsy nahita olona nandeha an-tongotra hizotra ho eny Antsonjobe aho. Teny Alarobia vao feno izy satria nisy ny olona mbola tsy nahalala ny namindrana toerana ny hanaovana fara-doboka.

 Tamin'ny 10 sy sasany teo ho eo aho no tonga teny an-toerana (nolazaina fa tamin'ny folo no nanomboka ny fotoana). Nokendreko anefa ny hahatratra ny ora voalohany. Gaga dia gaga aho nahita ireo olona vory teny. Tena vitsy tsy araka ny nampoizina. Tsy naka sary mihitsy aho raha tsy tamin'ny 11 ora satria amin'ny 12 aho no hiainga hiasa (sabotsy hariva). Hatreo izany ny sary azoko. Efa nihira ny Pazzapa 5 izay nandrandrain'ny tanora maro tonga teny.

Akory ny hagagako raha nandre tamin'ny tenin'ny kandidà aho fa tsy niasa noho ny baiko (ataon'ny Kaominina hoe ny fiara fitaterana) nefa maro tamin'izy ireo aza no nijanona teo ambavahady mihitsy na dia tsy tokony handalo eo akory aza. Indrisy fa novonoiko ny sary nisy ireo fiara be dia be ireo satria noheveriko ho anelingelina ny sary nalaiko (tsy misy interet). Tsy miteny aho hoe lainga ny baomba fa ity filazana fa tsy nisy fiara ity kosa dia laviko marindrano ka nahatonga ahy hisalasala ny amin'ny grenady na dia nisy aza ny sary naseho... Tombotsoan'iza ihany koa moa ny fisian'ny zavatra toy izany?

Hitako fa tadiavina ampiasaina ny fihetseham-pon'ny vahoaka malagasy rehefa nihendanja ny olona nanatrika ny famoriana ( fa tsy ny isan'ny olona nifidy). Avelao ny olona hifidy amin'ny saina fa tsy amin'ny fo! tsy pazzapa akory ny hofidiana. Azonareo ompaina amin'ny safidiko aho nefa manaja soa aman-tsara ny safidinareo sady miarahaba izay rehetra lany eo na iza na iza!

 

Hevitra

hi hi hi - mpianatra mahafatrapo an'i ravalo izy izany.

Nampidirin'i pissoa @ 17:57, 2007-12-09 [Valio]

hahaha
marina zany e, fikan'ra8 talou ihany zany kanou :)

fa zao alou e, tsy haiko na mila soratana ity, fa ny tena essentiel dia ny ol hifidy azy. Zany hoe tsy voatery mahaangona zato ambiarivo akory, satria tsy milaza velively izany fa hifidy anao doly ireny olona ireny. Mety hoe intimidation ihany hoan'ny mpifanandrina izany hoe jere ny ol mankaty aminay kanefa, efa fara-doboka anie io e. Ny y ol mety efa t@ larobia na lakamisy tany ny ankamaroan'ireo hifidy dia efa kopy hoe ity nena no fidiko :)
ny ambiny resaka fialan-tsasatra fotsiny :P

ka hoy aho hoe, @ andron'ny fifidianana izany no tokony hiara-hanisa doly ny ol rehetra @ zay tena hahitana ny safidim-bahoaka marina, sa ahoana :)

Nampidirin'i simp @ 21:49, 2007-12-09 [Valio]

Ny an'i Zafy aza mbola nisy saka mainty. Fa zany hoe tsy nisy fifidianana tamin'izay aloha e :-p

Nampidirin'i lap @ 10:35, 2007-12-10 [Valio]

Efa hita aloha hoe iza ilay ho lany e! (xxx mahavita azy). Fa ny mahafinaritra ny masoko dia ny mahita fa nisy fahatahorana sy fikoropahana be tao tamin'ny vao fiaingan'ny fampielezan-kevitra. Raha ny fifidianana nisesy mantsy dia toa nisoritra fa mbola any amin-dry zalahy ny fon'ny mpifidy (prezidansialy, referandaoma, antenimieram-pirenena), na dia hita ho miha-mahazo vahana aza ireo "voailikilika". Kanjo vao niseho ny TGV dia koropaka tsy nisy toa azy. Ilay kandida efa nantsoina sy nomena loka hono hoe hatao kandida eto @ Tanàna nosoloina an'i mahavita azy tampoka indray, ka lasa nanao indépendant tsy fidiny. Avy eo nomena ny mahavita azy ihany koa hatramin'ny fiara tena ankafizin'i Ramose fa sao resy eo! Dia samy gaga ny olona hoe mbola nanaovana investissement betsaka kokoa noho ny hafa rehetra ity.

Any @ commune ambanivohitra avy any aminay (Ambanitsena Manjakandriana) dia kandida 1 ihany no hofidiana. Izany zalahy ka demokrasia...

Nampidirin'i DotMG @ 13:45, 2007-12-10 [Valio]

Antananarivo tsy maintsy arovana no tena tanjona! Manahy ny mpitondra fa raha vao lasan'olon-kafa ny eto dia izay no izy ny aminy. Tsy avelany handehandeha fotsiny io fifidianana rahafakampitso eto Antananarivo io.

Nampidirin'i jentilisa @ 16:27, 2007-12-10 [Valio]

tsy hahatoky piso izany fa trondro ny loaka

Nampidirin'i Rajiosy @ 22:03, 2007-12-10 [Valio]

Marina fa tsy maintsy arovana Antananarivo, kanefa ny fomba anaovana an'ilay fiarovana no mampiampanga tena azy ireo. Aiza ilay finoana? Toa niharihary tampoka teo fa hay misy halemena lehibe tao? Mino marimarina aho fa raha natao tamin'ny fomba tsotra kokoa ity fampielezan-kevitra ity vao mainka aza nety kokoa ho an'ny mahavita azy. Tombony lehibe ho azy ny fotodrafitrasa efa mijoro, satria tsy azo lavina fa ireo ben'ny tanàna maro teto talohan'ny Maire Marc Ravalomanana dia tsy nahavita nanova endrika ny tanàna, nefa koa ny vahoaka nahantra ihany.
Tsy nahomby kokoa ve raha nanao hoe: Samy tanora izahay, samy mety hahavita azy, kanefa "Tano ny azo fa sarotra ny mila"? An'ny vahoaka rehetra Antananarivo fa tsy anay PDS, koa omenay azy hanaovany faradoboka i Mahamasina?

Izao indray mandeha ny resaka fividianam-tsafidy, izay mahavalalanina hoe ny mpifaninana 2 lehibe no mifampiampanga amin'izany, dia manjary menatra izahay mponina hoe olona toy izany ve no be mpifidy any aminareo (na ny iray mpanendrikendrika na ny iray nanao ilay fahotana?)

Nampidirin'i DotMG @ 06:32, 2007-12-11 [Valio]

Io resakao io mihitsy izao no saiky horesahiko amin'ny lahatsoratro manaraka!

Nampidirin'i jentilisa @ 06:53, 2007-12-11 [Valio]

Papango lahy anaty katsaka ireo e ! izay mivoaka babany avokoa. Basin'anglisy ka ny feon-drainy ihany no feon-janany.... samy manan-kolazaina sy mahay vava fa dia ho hitantsika eo ihany... Alakamisy maraina any mety efa hisy ny ampaham-bokatra voalohany. Misaotra an'i Jentilisa aloha amin'ny fanadihadiana foana. Tena marina ve ireo tantarain'ise ireo ? Nilaina ilay sary maty an !!!! Fa ny ahy aloha... fantatro izay ho fidiako na dia hifanaratsy eo aza e !
Nampidirin'i Tsikisariaka @ 10:01, 2007-12-11 [Valio]

za mahita fa tsy ny isan'ny olona mpanatrika no mitondra an'io. Hitanareo nisy fifidianana izay dia be da be no nijery an'ingahy M (tsy hanonona anarana fa manahirana) tao @ coum 67ha. rehefa tonga ny valim-pifidianana, tsss inona akory no teo.
Raha olona @ ville matetika efa mahafantatra ny hofidiany, fa ny any ambanimbanivohitra no mbola matetika misalasala indrindra rehefa kandida tsy mbola fantany no milatsaka.

Mazotoa mifidy daholo ary e!

Nampidirin'i maintikely @ 11:26, 2007-12-12 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox