« | »

Sarin’ny fifidianana teto Antananarivo 40 mahery

2007-12-13 @ 09:04 in Politika

Araka ny efa nampanantenaina dia hamoaka ny sary izay azoko aho. Tokana ny tena ka tsy ary ho tratra avokoa ny toerana rehetra. Ny teto amin’ny manodidina ahy ihany noho izany no tena nalehako.

Fitetezana ireo biraom-pifidianana vitsivitsy teto Antananarivo. 

Voalohany, na dia fifidianana aza ny andro ka natao ho andro tsy fiasana ny andro omaly nefa andraisan-karama dia nitombo kely aza ny habetsaky ny mpivarotra tety Ambodin’Isotry. Efa mananontanona tokoa angaha ny fetin’ny faran’ny taona ka manararaotra mivarotra anaty lalana indray aloha (efa milatsaka anaty lalana mihitsy tsinona fa tsy amorony intsony). Maro an’isa ihany ny tsy nifidy raha notombanana omaly ary mety hanamarina izany ny taham-pahavitrihana rehefa mivoaka amin’izay izy io. Noho ny fahasahiranana sa toetsaina mihitsy ? anjarantsika tsirairay ny mamaly. Tsikaritra ihany koa fa saiky nivoha avokoa ny tranombarotra Shinoa (mampiasa malagasy vitsivitsy ao aminy, toy ny orinasa ihany) teto amin'ny tanàna rehetra. Ahoana ny hevitry ny fanjakana momba an'io? avela hanjakazakana toy izao ve ny andron-tsafidy ananantsika Malagasy?

 

Etsy andanin’izany, misy ihany koa ireo misahirana mankany amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy mikarakara taratasy ahafahana mifidy. Na dia vato roa aza no mba lanjany dia zo iny (iray ho an’ny mpanolo-tsaina ary iray ho an’ny ben’ny tanàna). Mahafinaritra ahy ny fahazotoan’ireo olona ireo. Hatramin’ny 12 ora sy sasany atoandro moa ny ora nakana ny didim-pitsarana ahafahana manefa izany adidy izany. Ny sary hafa dia jereo 1212fitsarana Fitetezana ireo biraom-pifidianana vitsivitsy teto Antananarivo.

Dia indreo indray misy toerana vitsivitsy teto Antananarivo Renivohitra. Manamarika fa ny maraina sy ny hariva no tena nifidianan’ny olona ary ny atoandro somary nangingina ankoatra ny faritra ahafahana mialoka. Raha mahamarika ianareo dia mbola misy filaharana eo amin’io sary amin’ny andro alina (amin’ny 8 ora latsaka fahatelony) io nefa ny vokatra any amin’ny birao hafa efa vita ny an’ny mpanolotsaina. Ny an’ny mpanolotsaina manko no nisaina voalohany. Teny Antanimena io mbola nisy filaharana amin’ny andro alina io. Ny sary hafa dia jereo tontolofifi1212

 

 Fa ny teto amin’ny fokontany misy ahy koa dia narahiko manokana ihany koa. Ny aty 67ha manko no ahitana ny karazan’olona indrindra, misy ny fihaviana rehetra, eny fa na dia ny Komoriana, Afrikana hafa, ny Karana ary ny Eoropeana ihany koa aza. Eo amin’ny karazan’ny mponina izany dia toy ny renivohitra kely mihitsy ny eto. Dia mazava loatra fa ahitana ny fomban’ny olona isankarazany ihany koa (ary misy aza ny tsy zakako ny fihetsika sasany izay heveriko ho gaboraraka loatra). Fitarafana ny fifidianana noho izany ny eto matetika. Ny sary hafa dia jereo 1212nanata

 
(enina sy telo)

Teny Analakely kosa no nahitako ny vokapifidianana voalohany dia tao amin’ny EPP sy ny Lycée Rabearivelo Jean Joseph izany. Mihora-pifaliana hatrany ny tanora rehefa mivoaka ny biletà TGV ary Ooooh kosa no avaliny rehefa mivoaka ny biletà TIM (tsy misy sary na anarana Hery Rafalimanana fa misy sarin’i Madagasikara kosa). Misy ny sary teny Antanimena sy 67ha avaratra (hafa) izay nahenoako ny esoeso hoe tohizo ny Kaboney Rafaly ô ! Ny Kaboney ihany izany no hitany vitan-dRafaly. Ny sary hafa dia jereo vokafifi1212 




Araka ny nosoratako maika dia resy hatrany ny TIM na dia tao Ambodin’Isotry izay nahavitan’ny kandidà zavatra tsara ho an’ny tanora aza. Eto no azo anamarihana fa tsy ilay olona loatra no tsy tian’ny mpifidy fa ny nataon’ny Antoko sy ny fitondrana mihitsy no tsy nankasitrahan’ny maro an’isa. Ataoko fa fananarana ny mpitondra hanetry tena izao valim-pifidianana izao na dia voasoratra ao amin’ny Le quotidien aza fa vote kamikaze no nataon’Antananarivo. Ny sary hafa dia jereo 1212caisotry

Hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox