« | »

Hanova zavatra ve?

2008-06-13 @ 09:59 in Spaoro

Nitamberina tany amin'ny fahazazana ny saina nandinika ity tsy fahitanay mpitia baolina ny mivantana avy any Eoropa ity. Nitamberina tahaka ny ahoana moa? Ka tamin'izany vitsy ny manana fahitalavitra ary noho ny fisakaizana eo amin'ny samy ankizy dia mijery eo amin'izay manana fahitalavitra ny rehetra. Izay rehetra nahaliana ny ankizy dia niaraha-nijery avokoa. Tsy ambakan'izany ny lalao baolina fandaka isaky ny alahady tamin'ny enina ora nijery ny Rainiboto izay nalaza tamin'izany fotoana izany. Ny sary nahetsika tahaka ny bouba sy Tom sawer moa no tena fiady hevitra sy nifampitantarana tamin'izany fotoana izany. Azo lazaina fa mbola tsara ny fiaraha-monina tamin'izany fotoana izany satria nifampiditra an-trano soa aman-tsara ny rehetra. Nisy ny fifampitokisana ary tsy mbola tratran'izany zavatra very izany aloha ny tao an-trano tamin'izany fotoana.

Ankehitriny, azo atao ve ny manonofy ny tahaka izany? Sarotra ny hino satria izahay tamin'izany mitovitovy avokoa ny saranga na dia samihafa aza ny fihaviana sy foko avokoa aza. Ny ankamaroan'ny olona manana ny tvf na parabole na canalsat amin'izao fotoana izao any amin'ny saranga ambony (mba tsy ilazana hoe miaingitraingitra mitandro ny fahadiovan'ny trano kokoa noho ny fanajana ny mahaolona, miala tsiny raha misy ny voatohina) sarotra atonina ihany.Olona manana fanetretena goavana na tena mpinamana akaiky tsy mifampihafahafa matoa tafiditra any an-tranon'olona hijery baolina fandaka izany.

Fa mahagaga lehiretsy fa eto Antananarivo tsy hita firy ny bar na restaurant na pub na club manao tolotra ijeren'ny olona Euro 2008 a! nefa any amin'ny faritany ve izany tsy betsaka ny mampilendalenda ny olona hijery baolina any aminy? Tena tsy maintsy bitsika sy toho-tsofina ihany izany vao mety hahalala izay toerana mety hahitana baolina k'ty. Video iray ihany izao no fantatro (avy amin'ny TF1 ny asehony olona) fa sady lavitra anay nefa tsy manisy soratra amin'ny tabilao an! Mahery ity fitiavam-baolina ity lehiretsy fa mampirediredy.

Hevitra

Fa faly dia faly aho omaly raha nijery ny baolina mba omen'ny Afnex fa tsy nahazo dokambarotra mihitsy ho'aho izy na dia iray aza. Faly amin'ny fahorian'ny hafa ve izany?

Iza koa no hanome dokambarotra amin'ny baolina valo monja e!

Nampidirin'i jentilisa @ 10:03, 2008-06-13 [Valio]

mety hoe le lalao aty voalohany no tsisy dokam-barotra fa ny any @ dingana manaraka poinsa tsy maintsy misy... noho ny antony hoe tsy maintsy hijery an'iny doly ny ol... zara aza mahita... tonga dia audience assuree :)

Nampidirin'i simp @ 12:54, 2008-06-13 [Valio]

Dia ho hita eo ihany moa raha hahazo izy na tsia fa samy hiandry ihany. Ilay baolina omaly koa aloha tsy miady mihitsy e! lasa izaho indray no lasan'eritreritra hoe nahay nifantina ary ve izay nifantina ny lalao ho hitan'ny vahoaka Afrikana?

Nampidirin'i jentilisa @ 15:32, 2008-06-13 [Valio]

Aiza kosa e.
:-)

Nampidirin'i lehilahytsyresy @ 16:46, 2008-06-13 [Valio]

Toa olona gôdraka be sahady kosa no hitako koooo

Nampidirin'i jentilisa @ 17:04, 2008-06-13 [Valio]

Raha namaky ny lahatsoratra a ry jentlisa dia azoko antoka fa mitovitovy taona amiko ianao! lol satria tena niaina t@ fijerena tele tany hatranon'olona izahay mihitsy e! t@ taona 1986 mondial tany mexique aza moa dia nindrana tele tany @ le nenitoanay izay izahay!lol nony vita anefa ny lalao dia nangasiasy ery ny rehetra nahita ilay tele nalain'ny tompony. Teo i dada vao tena resy lahatra oe ilain'ny ankizy izy ity ka na hanao findramana any @ banky aza dia hividy izy raha vao mandray vola! tena izany angamba no mba nahatonga ahy nanofa itony tvf itony ankehitriny na dia mitovy saranga @ rehetra ihany ny tena aza! ie mampatsiahy ny fahiny mihitsy ity lahatsoratra ity ry jentlisa marina moa e!

Nampidirin'i news2dago @ 08:10, 2008-06-14 [Valio]

Fony vao nanoratra ianao, na hitako ny soratrao dia tsapako avy hatrany ihany koa fa mitovitovy ny taonantsika. Ny nahavariana ahy aza dia tahaka ny olona fantatro amin'ny fiainana andavanandro ianao.

Efa neritreretina ihany koa ny haka tvf fa hoy aho hoe efa tara e! izaho ve moa raha mihafy tsy hahatakatra ihany koa! mieritreritra ihany aloha na dia izany aza

Nampidirin'i jentilisa @ 12:13, 2008-06-14 [Valio]

news2dago

ahoana indray ireny frantsa lavaka be ireny e! sendra ny taolana koa alo ry lerony e!

anga zao tsy lazainy oe franco-africain indray!

eny andavamamba hn misy ecran geant oe

Nampidirin'i news2dago @ 12:41, 2008-06-14 [Valio]

Hitako tamin'ny gazety tokoa io fa faritra mena avokoa anie ny manodidina azy rehetra e! tsy maintsy hoe misy miaraka amin'ny tena hatreny an-tanàna izany.

Nampidirin'i jentilisa @ 13:08, 2008-06-14 [Valio]

news2dago

ie tena gidraka be! mila bandy bokona maromaro mihitsy sao dia mahita loza eo

Nampidirin'i news2dago @ 13:15, 2008-06-14 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox