« | »

Fatiantoka lehibe ho an'ny Firenena ny vatsim-pianaran'ny Filoha Ravalomanana

2008-07-27 @ 19:58 in Kolontsaina

Hiditra tsikelikely amin'ny andian-dahatsoratra momba ny fampianarana aho ka hiainga amin'ity resaka vatsim-pianarana ity. Tsy ilay fandre fa ilay nankalazaina vao tsy ela akory izay. Ireo mpianatra nivoaka tany Etazonia tiana ho reharehan'ny mpitondra fanjakana. ABU na Abilene Christian University any Texas USA ny anaran'ny sekoly, Dipilaoma mitovy lenta amin'ny Maitrise izay ananan'ny mpianatra Malagasy anarivony maro dia maro nivoaka teto an-toerana ihany, fa tsy doctorat mba vitsy mpanana kokoa, nefa dia nandanian'ny fanjakana vola be tsy hita noanoa. Mety nahavotra mpianatra andeha mody atao hoe anjatony ihany izany... saingy izy angaha no tompon'ny fanapahan-kevitra! Ny mampahonena dia mikasa ny handefa mpianatra hafa indray ny fitondram-panjakana amin'izao fotoana izao.

Faharoa manaraka izany, vao nahita ny tany andafy ny ankizy dia miezaka ny hiverina any na dia tsy maintsy miserana kely eto amin'ny tanàna aseho vahoaka aza... fa hiserana fotsiny. Taratra sahady fa tsy hijanona eto Madagasikara mihitsy ireo mpianatra nandaniam-bola manokana ireo. Efa voalaza an-gazety sahady fa hiverina hitodi-doha hiasa any Etazonia sahady ny mpianatra lazaina fa nahay indrindra tamin'izy ireo amin'ny volana nôvambira ho avy io. Nahoana no niantohana vatsim-pianarana izy ireo, ary ny fitondram-panjakana malagasy no niantoka azy raha tsy hiasa eto madagasikara akory? sa mbola mitohy ihany gaboraraka tamin'ny repobilika faharoa izay nampanaovina taratasy ny mpianatra hiasa folo taona eto Madagasikara raha kely indrindra, nefa dia tsy misy manatanteraka izany afa-tsy izay tena misafidy ny hijanona eto sy ny tsy afa-manoatra na dia te-hiasa any ivelany mafy aza? Fandaniam-bola hangalaran'ny olona ny manampahaizana eto an-toerana fotsiny. Raha mpianatra nianto-tena na niantohan'ny ray aman-dreniny dia zavatra hafa indray satria izay no nokendren'ny ray aman-dreniny ho azy fa raha iantohan'ny fanjakana kosa tsy rariny amiko fa karazana fanodikodinam-bola ankolaka ihany. Hevitro ihany izany fa asa ianao raha hitovy hevitra amiko na tsia.

Hevitra

ok

Ekeko tanteraka jentilisa a! Satria dia very olo-mahay isika amin'izany.
Fa ny fanontaniako dia ny hoe : sao mba taranja tsy misy eto Mkara kosa no nataony tany e?
Na izany aza anefa, tsy azontsika lavina kosa fa "tena tsy ampy fitaovana" ny anjerimanontolo malagasy, ary koa : eo amin'ny lafiny "teknolojia" dia ilaina hatrany ny mahafantatra ny an'ny hafa.

Tsy hita ihany izy ity e :). Fakam-panahy mahery koa ange no mahazo an'ilay mpianatra fa meteza isika ho eo amin'ny toerany e!

Mba jereny koa manko ny fiainany manokana. Hoy izy ohatra : raha miasa 1 taona any Mkara aho mety hahazo tsy mihoatra ny 5000€/taona. Raha aty kosa dia mahazo in-droa na in-telo heny, ka afaka mandefa vola amin'ny fianakaviako any Mkara.

Ny resaka toy izao moa rehefa ifanaovanay (zah sy izay namako izay) dia miafara foana amin'ny hoe : tokony hatsaraina ny izao sy izao ao Madagasikara.
- tokony ampitomboina ny teti-bolan'ny fampianarana mba hampitaovana azy.
- Tokony hisy famoronan'asa maro mba hampijanona an'ireo tanora ho ao an-tanindrazana.
- Tokony ...
- "Tokony" be dia be ...:).

Tokony be dia be, mifampidimpiditra sy sarotra ahitàna valiny hihihi

Nampidirin'i Tokinao @ 20:44, 2008-07-27 [Valio]

tsetsatsetsa tsiaritra

Resaka teny malagasy ity :).
Raha ny fahalalàko azy dia "novambra" no teny malagasy fa tsy "nôvambira".

Sa io no hitanao ho tsaratsara kokoa! Izaho manokana dia mankasitraka ny famoronan-teny vaovao fa mba manao fanamarihana e :). Misy fiandohana daholo mantsy ny zava-drehetra.

(afaka fafainao ity fa tsy misy ifandraisany amin'ilay resatsika).
Mazotoa jentilisa a!

Nampidirin'i Tokinao @ 21:15, 2008-07-27 [Valio]

Tsia kosa.

hevitro manokana araka ny zavatra hitako etsy sy eroa ity:
Tsy faty antoka ho an' ny firenena akory raha toa ka hoe any andafy ilay olona no hiasa rehefa vita ny fianarany izay nandanian' ny fanjakana vola taminy.
Au contraire, lasa représentant n'ny firenena izy rehefa any, ary mandefa vola miverina aty Mada.

Nampidirin'i Réaliste @ 23:33, 2008-07-27 [Valio]

Vola? Fa angaha vola fotsiny no nandrasana taminy fa tsy ny fahaiza-manao koa? fomba fiasa, fomba fiaina, fijery hafa, izany no antony nadefasana azy tany fa tsy hoe handefa vola aty @ fianakaviana de ividianana trano na tany na taxibe.

Nampidirin'i eprom @ 07:35, 2008-07-28 [Valio]

Tokinao> fanahy iniako ilay izy noho ny faharesen-dahatra indray momba ny fitsipipanoratana teny malagasy madio.

Hafa rehetra> Sao dia mitatatra ho an-dRainilezafy fotsiny raha ny firenen-kafa no mitavana ny manam-pahaizana Malagasy. Raha izany manko tokony ireny firenena ireny izany no tokony nanome vatsim-pianarana.

Nampidirin'i jentilisa @ 12:16, 2008-07-28 [Valio]

news2dago

Ka io jentlisa tsy hifanomezan-tsiny a! ry zalahy ve ireo mpianatra io dia hikarama hitovy @ ireo mpianatra teto an-toerana nefa oe ny diplaoma avy any amerika!!! tena io le tg @ ilay hira adaladala be ankehitriny oe "andraso eo pôly ..."lol

Nampidirin'i news2dago @ 13:59, 2008-07-28 [Valio]

Tsy hadalan'ny mpianatra aloha ilay izy fa fahadisoan'ny mpitondra amin'ny ankapobeny e! Mampianatra ankizy tsy mifanaraka amin'ny fampandrosoana an'i madagasikara izany isika fa mampandroso malagasy? rah atao hoe mandroso izy. Atao inona fotsiny izany ilay engagement sollenelle?

Nampidirin'i jentilisa @ 20:25, 2008-07-28 [Valio]

Faut pas se laisser duper !

Tena azonareo antoka ve fa vola avy tany ampaosin' ny filoha no nandoavana ny saram-pianaran'ireo bandy kely ireo ?
Sao kosa dia ny "titre" fotsiny no hoe "avy any amin' ny filoha" fa ny ao ambadika dia vola avy any ampita ihany io no entin-dry zareo any ampita mifantina an' ireo be-atidoha mahay sady tsara indrindra azony tazomina mba hahazoany tombom-barotra a long terme ?
Asakasakareo aloha, fa izaho mino hoe ilay faharoa no marina.

Nampidirin'i AmbadikaPolitika @ 09:56, 2008-07-29 [Valio]

izaho indray mieritreritra hoe ho marketing ho an'ny ACU no antony lehibe ka raha tokony hisy ihany ny mpanohana ambadika dia avy amin'ny Abilene Christian University izany.

Nampidirin'i jentilisa @ 15:48, 2008-07-29 [Valio]

venrana

IO mialona be ndray e!! itako eto ny lohan ty rah ty no lasa tany andafy.... mety hitoraka voninkazo an dRavalo. Shut up.. Hoy ny Baiboly: "aza mitsiriritra"

Nampidirin'i lili @ 00:14, 2008-08-07 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox