« | »

Ny vatosoa izay nanambakana antsika hatry ny ela

2008-08-05 @ 05:17 in Toekarena

Mbola te-hiresaka ny amin'ity vatosoa ity ndray aho hatramin'ny niverenan'ity resaka ity ho adihevitra indray mandeha raha nanakana araka izay azony nataony ny fivarotana ilay emeraoda lehibe sy mavesatra indrindra manerantany avy eto Madagasikara  efa nantsoin'ny tompony hoe Fanomezan'ny Lanitra aho.

Ekena fa miady mafy tokoa ny fitondram-panjakana malagasy mba hahazoana indray ilay vato lehibe Fanomezan'ny Lanitra sy hamerenana ihany koa ny fitsarana. Matoa tsy navela hivoaka ny firenena ny vadin'i Jeannot Le Quartz araka ny fahalalana azy dia mbola te-hanadihady ny ataon'ny orinasany sy izay rehetra tsy mety (fandikan-dalàna) nataony. Mandringa anefa ny fanadihadiana raha tsy fotorina ihany koa ny tany amin'izay nanome alalana ny fanomezana iny vato iny. Ny filazana moa no nanamarika fa sampan-draharahan'ny fari-piadidiana no nanome alalana.

Nafindra toerana (ho lasa depiote) ny Minisitra niandraikitra ny harena ankibon'ny tany tamin'ny herintaona nipoahan'ity raharaha ity. Nefa toa tsy mahakasika akory izay fahefana, na tsy mahalala ny hasarobidin'ny zavatra navelany hivoaka izay sarotra inoana satria asany io ka mametraka ahy hiahiahy fa mpiray tsikombakomba, nahazo vola be, tamin'ny famoahana an'i Fanomezan'ny Lanitra. Niniana tsy nolazaina ihany koa ny tatitra nataon'ny delegasiona nolazaina fa hanadihady momba an'i Fanomezana'ny Lanitra fony mbola tao La Reunion ka nahatonga ny maro hieritreritra fa nandray tsolotra ihany koa ireo delegasioona nalefa tany ireo, tsy mahalala izay tena zavanisy tany anefa isika.

Nandeha tamin'ny fitsarana (Firantsay) ny raharaha izay nitorian'ny fitondram-panjakana Malagasy fa nanao filazana tsy marina momba an'i Fanomezan'ny Lanitra ireo namoaka azy. Berila manko no anarana nivoahany, izay lazaina fa latsa-bidy kokoa, ary izay no fiarovantena nataon'ny notoriana satria fianakaviam-baton'ny berila ny emeraoda, nefa rehefa ivelan'ny fitsarana tabatabainy fa emeraoda io vato io. Izany tokoa angaha no atao hoe endrim-pitsarana Mahaleo tena Firantsay ka ny anarana hoe Berila dia tsy diso na ireharehan'ny lasa tompony fa emeraoda aza io. Izany rafi-pitsarana izany anefa no tahafintsika Malagasy, ka tsy mahagaga hoy aho raha avandravandrany ny filazana hoe ny marina mitavozavoza tsy maharesy ny lainga tsara lahatra. Ny mahalala kely ny amin'ny vato no milaza fa na atao hoe fianakaviana iray aza ny berila sy ny emeraoda (na dia ny anaran-tsamihafa aza dia tokony hampieritreritra) dia samihafa mihitsy ny taharon'ireo karazam-bato ireo.

Tsy maintsy mba liana kely ny momba ny vato ny tena ka nikaroka izay mombamomba azy tamin'ny aterineto (Gemmologie sy Gemmology) ary dia nahita tao amin'ny tranonkala iray fa rehefa vato (Gemme) dia vato. Tsy misy intsony antsoina hoe "pierre preciuese" na "pierre decorative" fa tokony hanana ny sandany avokoa ireo. Dia hoy aho hoe, izay ihany koa no nanambakana antsika hatry ny ela ary fototry ny fanondranana tsy nahazoan'ny fanjakana vola ny harena ankibon'ny tany teto amin'ny tanàna. Asa nahatsikaritra io ihany koa angaha ny tao amin'ny fitondram-panjakana ka  nahatonga azy handray ny fahapahan-kevitra hampitsahatra hatreo, aloha, ny fanondranana ny vato rehetra. Soro-baton'ilay jamba ity ka voa vao mihilana!

Efa nanoratra aho fa raha nisy dia nisy dia enina ora no nianarana ny momba ny vato nandritra ny fotoana nianarako hatramin'ny fahazaza ka hatramin'ny ambaratonga ambony. Nitodika ny lasa ka nahatsiaro ny resaky ny olona fa ampihimamban'ny mpitondra taloha ity harena ankibon'ny tany ity. Nisy indray maka voromby nianjera tao Afirika tao. Nojerena ilay voromby ary tsikaritra fa feno vatosoa tao anatiny tao. Tonga dia nandeha ny tombana fa nitondra vesatra (asa teny hafahafa hoan'ny sasany ihany koa ve ny vesatra?) mihoatra noho izay zakany ilay voromby ka izany no nampianjera azy. Avy taty Madagasikara na nandalo taty Madagasikara io voromby io ary tsy nisy nitaky ho tompony ny vatosoa hita tao. Nisy ihany koa nahasahy nilaza fa orinasana mpitondra fanjakana teto madagasikara na niara-niasa akaiky dia akaiky no tompon'ity orinasa  MATY ity, resaka vatosoa aloha no ataony ary tsy takona afenina intsony fa malaza amin'ny resaka vatosoa izao i Madagasikara ka izay ihany ny fifandraisana azoko raisina.

Koa raha ampihimamban'ny mpitondra ny resaka vato tsy mahagaga raha tsy hampianatra ny momba ny vato eto Madagasikara mihitsy izy satria toy ny miantso mpifaninana aminy. Resaka mody aderadera ihany koa amiko ny  filazana nataon'ny gazety iray omaly milaza ny fikatonan'ny toerana fihadiana vato noho ny fitodihan'ny mason'ny maro aminy ankehitriny sy hanafenana ny tsy ara-dalàna maro efa vita fa rehefa miverina eo angamba ny fanondranana roboka daholo ihany ny rehetra, ary ireo Shinoa mpividy vato etsy ampita koa mbola mividy vato amin'izay mitondra ao aminy... avela ho tsenan'ny aziatika samirery foana koa ve izy ity e?

Hevitra

Misy sekoly mampianatra vato eny Ivato, raha hianatra i Jentilisa...

Nampidirin'i finoanaranoray @ 10:37, 2008-08-06 [Valio]

Misaotra anao! IGM ve izany?

Nampidirin'i jentilisa @ 12:12, 2008-08-06 [Valio]

ie...izaho mbola tsy teny...fa hitako @ gazety fotsiny...mety lafo be ilay firotsaka...:-)...mety ho bangobangony fotsiny koa ny fampianarana...

Nampidirin'i finoanaranoray @ 16:17, 2008-08-06 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox