« | »

Aiza ny toeram-pandraisana izay tonga isaky ny tanàna?

2008-09-08 @ 10:01 in Ankapobeny

Hiditra tsikelikely amin'ny tatitry ny diako tany Antsirabe sy Mahajanga amin'izay aho. Tsy ho vita vetivety izany fa mety hihoatra ny iray volana aza. Ankoatra izay ny mety ho vaovao hafa ampiataina tampoka. Manintona ahy hatrany na dia tsy misy fiaran-dalamby tonga intsony aza ny garan'Antsirabe. Eo no manamarina amiko fa tonga eo amin'ilay tanàna tokoa aho. Ny anao kosa re aiza ny toerana hahatsapanao fa tonga eto Antananarivo tokoa ianao na tonga amina tanàna iray hafa ianao?

Mahavariana tokoa anie ity toerana ity fa misy vahiny mpitsidika hatrany e? inona re no tena manintona aminy? Ny toerana misy azy ve? sa ny tantarany?

Mbola kely tokoa angaha ny tena fony zatra nankany fa hay kely ihany ity trano ity indrindra raha jerena avy ao anatiny nefa mahafinaritra kosa aloha ny ikarakaran'ny madarail ny toerana e!

Na izany na tsy izany kosa aloha, ny toerana manodidina azy no tena manosika ny tena hankasitraka ny toerana e! na dia itony vato tsy dia manandanja fa manandoko itony fotsiny aza.

Dia mety mbola hitohy ny tantara amin'ny manaraka ary e!

Hevitra

vakinah

Misaotra fa tena tsara ny sary sy ny fitantaràna e Mampite hody rangahy ty marina ny mahita ireo sarin' ny tanànan' Abe sady hainao ery ny nampiseho ireo toerana samihafa mampihavaka azy. Ny ahy rehefa avy any Tanà hody any Abe dia rehefa tonga eo Tombontsoa iny no ahitako hoe tonga tokoa zany!
Dia miandry ny tohin'ny fitantaràna ny dia e

Nampidirin'i Mirana @ 11:16, 2008-09-08 [Valio]

Ny manintona ny olona ho any ve ? Ny ranovisy sy mafana azo ilomanosana, i Tritriva, ary dia toa misy toerana voatahiry misy karazam-biby koa any, mampi-te-hitaingina ireo posiposy eran'ny tanàna, no sady madio ny tananan'Antsirabe. Malaza koa izy amin'ny toerana fanaovan'ny labiera fety. Tsy mpakany aho fa dia ireo no fantatro, ary dia tapa-kevitra aho fa handalo any rehefa miverina eto Dago amin'hy manaraka.

Nampidirin'i Rasoa Malagasy @ 18:13, 2008-09-08 [Valio]

ok

tsy dia mahafantatra loatra an'Antsirabe aho, satria nandalo foana no fataoko ao.
Ka dia misaotra mampahafantatra e :).

Ny ahafantarako fa tonga ao Antananarivo zah, rehefa avy eny Ivato, dia : ireo tanimbarin'i Betsimitatatra, sy ireo olona mijorojoro manamorona ny lalan'Atalatamaty, Ambohibao, Andohatapenaka, sns. Hoy aho hoe : tonga aty amin'ny tanin'ny "moramora" indray 'zany raToky hihihi. Fa dia mamy tokoa ny mahita an'ireo a! tonga dia mitamberina daholo ny fanao fahiny, toy ny hoe : ity moa 'zany ilay fandehanako tongotra fahiny, teto izahay no nanao baolina, teto no nitsilailay fony niaraka tamin'ny akama, sns.
Mamy e. Matsiro.

(Marina tsy hody aho mandefa an'ity vinany ity hihihi)

Nampidirin'i Tokinao @ 19:53, 2008-09-08 [Valio]

Fanaovana fetin'i Alicia :P

Nampidirin'i simp @ 20:21, 2008-09-08 [Valio]

ka ny fetin'i Alicia anie misserana fotsiny e

Nampidirin'i jentilisa @ 21:07, 2008-09-08 [Valio]

Rehefa poritra te hi pipy eny an-dalana ve dia mora ny mahita ny toerana ho an'izany ao Antsirabe?

Nampidirin'i finoanaranoray @ 06:24, 2008-09-09 [Valio]

Anisan'ny mpamaky mankantraka ireto vaovao apetrakao eto aho .
Efa elaela no tsy afaka nandalo tao Antsirabe ka manontany hoe : mbola misy ireny paoma ngeza be mamy sy manitra ery rehefa mihinana azy ve ao an-tanàna ao ?...

Nampidirin'i Tritriva @ 09:18, 2008-09-09 [Valio]

Ka tsy nahita mihitsy aho aloha satria tsy fotoanany angamba izao no tena marina. Asa raha manakory raha efa tonga ny fotoam-pahavokarany?

Nampidirin'i jentilisa @ 12:48, 2008-09-09 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox