« | »

Fiainana voasoratra mialoha?

2008-10-02 @ 16:04 in Ankapobeny

Zavatra mampieritreritra ahy mandrakariva amin'ny fiainako manokana indray no hotantaraiko eto. Fahakely aho dia manana izao tranga manaraka izao: amin'ny atoandro aho dia manana ny fiainako andavanandro, amin'ny alina ihany koa anefa dia toy ny manana fiainana mitohy anaty nofy (izay efa nanaraka ny bolongako hatramin'ny roa taona sy tapany izao mety efa nahalala tranga hafa). Ahoana moa izany? Ny atoandro toy ny an'ny olona rehetra ihany... mitohy ny fiainana, ny alina kosa raha nanonofy zavatra na fiainana iray aho omaly halina dia nitohy halina iny nofy iny. Toy ny hoe matory amin'ny fiainana eto an-tany aho fa nifoha kosa tamin'ny fiainana ara-nofy. Tsy nofy teren'ny saina hoe ataoko tahaka izao na tahaka itsy fa toy ny fiainana andananandro ihany koa. Fa ity eto ity no sambany niaraka tamin'ny sary. Saripika nalaiko tany Mahajangà nandritra ny fiarahan'ny namana serasera dago (NSD) nandritra ny fiovana rivotra tamin'ny volana aogositra teo.

Toerana iray teo an-tampontanànan'i Mahajangà. Tsy dia tiako holazaina loatra hoe aiza marina fa aleo amin'izao. Niserana teo anoloan'ireto zazavavy ireto aho no niantsoantso ahy ilay zandriny indrindra. "Eh! Piho sary izahay". Hitany manko ny fakantsary niomerika teny an-tanako. Tsy naka sarotra aho satria fanaon'ny ankizy aty mihitsy ny mangataka alaina sary dia jereny avy eo ny sary. Eo amin'ny lafiny zon'olombelona izany dia nandika lalàna aho. Ny resaka nifanaovanay no nahatadidiavako fa efa niainako tamin'ny nofy fahazaza ity tantara ity. Tadidiko tsara manko ny resaka tamin'ny nofy ary naverin'ilay zaza (zandriny indrindra) soa amantsara. Rehefa niantso ahy ary ilay zaza ka niangavy ahy halaina sary dia hoy aho nanontany hoe:"Ianao irery sa ianareo rehetra ireo?" Namaly ilay zaza hoe izahay jiaby. Nanontany ireo zokiny aho: Ekenareo ve izany? Izay izany! hoy ny iray. Eny ary ho'aho. Nopihina ny sary ka rehefa naseho azy rehetra dia nojeren'ilay zandriny indrindra akaiky dia norohany teo amin'ilay sary amin'ny fakantsary. Nihoraka izahay rehetra nanatrika teo.

 

Fa naninona no norohanao ny sary? tsy tadidiko intsony izay nanontany na saiky niara-nanontany izahay rehetra. Tiako be ny sary, hoy izy namaly tsy taitra. Notohizany avy eo, sady tiako i..., tiako i... sady nanondro ireo "zokiny" tsirairay izy. Tiako aho. Tiako jiaby izy rehetra ireo. Hay... hoy aho nahatsiaro indrindra ilay nofy.

Ny tamin'i Nofy ve? izaho no teo amin'ny toeran'ilay zandriny indrindra niteny tsirairay ny anaran'ireo zazavavy nanodidina azy. Tadidiko tsara fa olona fotsy be iray ilay noresahiko, noheveriko vazaha aza raha ny eritreritro tao amin'ilay nofy ilay olona nanatona anay. Izay ilay zava-nitranga nahavariana ahy. Sambany aho hatrizay niainako no tany Mahajangà nefa toy ny efa fantatro ihany fa hisy zavatra mitranga tsy dia mahazatra niandry ahy tamin'ity toerana ity. Nanaraka izay dia nisaraka izahay, nandray fiara fitaterana aho hody. Teo amin'ny fiatoana voalohany dia tsaroako tsara indray ilay nofy fa toy ilay niainako indrindra. Nisy hafatra nomena ahy tamin'ny nofy fa tsy tadidiko intsony amin'izao fotoana izao. Raha nifoha aho tamin'ny andro nanofisako ity tranga ity dia tadidiko tsara ilay hafatra fa efa adino tanteraka izany amin'izao fotoana izao. Ny hany eritreretiko amin'izao fotoana izao dia hoe nosoratako ve ilay hafatra nomena ahy tamin'io fotoana io?

Hevitra

izay ilay "déja vu" malaza mihitsy, toa tsy mampino indraindray.

Nampidirin'i ikalamako @ 16:38, 2008-10-02 [Valio]

Ka eo no mahalasa saina ahy indraindray e!

Nampidirin'i jentilisa @ 16:44, 2008-10-02 [Valio]

tena mety mbola hitohy anio alina io nofy io!

Nampidirin'i news2dago @ 16:48, 2008-10-02 [Valio]

tany Tsaramandroso angamba io satria tsara miverina avy any Mahajanga ra-jentilisa.

ny amin'ilay "olona fotsy be iray" indray dia nahita an'i Jesosy izany i jentilisa satria ozy i Randrianatoandro ilay tao Andravoahangy iny hoe "miteny @ alàlan'ny nofy Andriamanitra". Sao dia misy mieritreritra indray hoe miteny avy ao anatin'ny savony Atra an !

Nampidirin'i Rajiosy @ 17:12, 2008-10-02 [Valio]

rediredy

Mpahazo ahy koa io zavatra tantarainao io Jentilisa a! Ary heveriko fa mpahazo ny olona rehetra koa. Mety tsy hotsikaritry ny sasany fotsiny angamba hoy aho. Asa anefa ...

Ny ahy 'ndray dia izao : ny zavatra iainako iray indraindray dia toa efa niainako zany taloha (tsy haiko hoe taiza na taiza, na tamin'ny nofy, na an'eritreritra fotsiny).

Ohatra 1: nisy fotoana aho :
- miampita arabe,
- dia mahita fiara mena ery ampita ankavanana,
- dia misy mpandeha marobe, ary anontanian'izay olona iray izay aho hoe : amin'ny firy izao azafady [sipa milay be io an ;)],
- ny rahona amin'io voafaritra tsara (manjombonjombona kely, feno rahona miloko manga sy maramara, somary mangatsiaka ny andro, avy nanerika manko, ery alavidavitra ery dia misy "havana" [arc-en-ciel], sns ... betsaka ny afaka teneniko momba an'ilay "circonstances" fa somary adinoko ilay izy rehefa elaela tsy niainako indray.
- Dia ilay ankizivavy mitsikitsiky be amiko hihihi
- Te hanaraka an'ilay ankizivavy aho ;).... nefa aho misy dia aleha voafaritra.
- misalasala be aho ka dia tazatazaniko foana ilay ankizivavy :).
- rehefa tafavily ilay ankizivavy vao tapa-kevitra fa hanaraka azy aho :).
- Avy eo anefa dia tsy hitako intsony izay nalehan'ilay ankizivavy.
- Dia avy eo 'zah manohy ny diako.

Ohatra 2: rehefa milalao babyfoot. Indraindray toa efa hitako izany ny fandehan'ilay lalao. Rehefa vita moa ilay match vao tsaroako hoe : toa efa tao an-tsaiko le zava-nitranga. Ohatra hoe : nitarika aho, isaky ny mamono aho dia teknika iray foana no ampiasaiko (swin na potsitr'ovy, sns hihihi), avy eo anefa dia hoaran'ny mpifanandrana amiko aho, sns.

Ny zavatra toy ireo moa dia mahatonga ahy mino fa mbola betsaka ny mistery tsy voafehin'ny olombelona eto amin'ity fiainana ity : ny nofy, ny fandehan'ny eritreritra, ny fahafatesana, ny zava-misy any amin'ny lanitra tsy hita nonoa any, ny hoe misy zava-manan'aina hafa ve eto @'zao tontolo izao [ny olombelona manko dia zava-bitika mihitsy], sns.

Misy moa olona mitondra fanazavana toy izao : ny fanahin'ny olombelona dia miampita amin'olona hafa rehefa maty izy. (Izany hono no antony tsy itondrana zazakely rehefa mamangy faty).
Ka rehefa iharan'ireo zavatra tahaka ny nahazo an'i jentilisa ireo ny olona iray dia izao no fanazavana hono : ilay olona namindra ny fanahy taminao no efa niaina io zava-nisy io, ka lasa tsaroanao tampoka ilay izy.

Hevitr'olona iray io fa tsy haiko ny fahamarinany.

Nampidirin'i Tokinao @ 19:09, 2008-10-02 [Valio]

joincidence be fa za koa tato anatin'ny 2 mois teo ngamba zay misy zavatra otran'ny tadidiko efa hitako foana le zavatra mitranga... mieritreritra eo ah dia eritreretiko hoe tany anaty nofy ngambany fa satria invraisemblable kosa ra zavatra mitovy identique no miverina in-2 eo @ fotoana...
Mais bon, tsy asiana koi aloha fa tsy mampiova in in mintsy le izy satria efa vita foana le tranga vao tadidiko hoe efa nitranga ity zavatra ity tany aloha tany :-)

Dia efa miomana tsara aloha izany raha misy sipa manotany lera 8);-)

Nampidirin'i simp @ 19:38, 2008-10-02 [Valio]

Somary hamaly kely ny resaky Rajiosy aho. Eo aho manko tamin'ny nofy naka ny toeran'ilay zaza ka ilay lehilahy fotsy anie ka izaho ihany e!

Nampidirin'i jentilisa @ 19:53, 2008-10-02 [Valio]

betsaka angamba no efa tratranizany

tsy haiko fa mahafinaritra sady mahaliana ny zavatra notatarainao , fa ny tiako ho lazaina de izao hoe efa betsaka ny olona tratranizany , tsy haiko na phenomene inona izany fa izay le izy ny sasany indrayu dia reincarnationana fanahy, etc fa en fin de compte de hoe ca fait partie de la vie des homme, merci

Nampidirin'i Avana @ 08:39, 2008-10-04 [Valio]

mistery ny fiainana.

Nampidirin'i lehilahytsyresy @ 11:12, 2008-10-04 [Valio]

ny ahy indray ny fisehony dia ohatra ny mbola mifono zavatra hafa ilay izy fa tsy tonga dia direct be ohatran'izany. Somary mbola figuré zany ilay izy. Dia mbola mila interpretation kely. Izaho tsy dia mpanonofy fa rehefa manonofy aho dia misy dikany foana mazana, dia rehefa misehoailay izy dia tadidiko foana ilay sens figuré. Indraindray aho mila ho lasa adala mihitsy hoe ohatra ny efa vitako ity nefa kay mbola tsy vita ohatra. Ilay izy aloha tsara ihany raha afaka mandray fanampaha-kevitra mialoha ianao fa tsy hoe efa miseho ilay zavatra izay ianao vao tonga saina hoe efa hitako ity leaza.

Nampidirin'i levahiny @ 07:38, 2008-10-07 [Valio]

Misy tahaka ny anao io ihany koa ny ahy ry levahiny. Indraindray tokoa ilay izy tsy mivantana sahala amin'ny ahy tantaraiko etoana. Fa dia misy mivantana ihany koa ny ahy aloha io e

Nampidirin'i jentilisa @ 13:51, 2008-10-11 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox