« | »

Mandrapahazoako fahana moov

2008-10-13 @ 14:48 in Toekarena

Amin'izao fotoana izao dia manana tolotra vaovao indray ny dts amin'ilay hoe moov yes. Araka ny haitao adsl araka ny filazany moa io tolotra io ka 200Mo ny vesatra ambony indrindra zakan'ny 49 000Ar. Mifanaraka amin'izany anefa dia tsy ahitana fahana intsony eny amin'ny fivarotana mahazatra amin'izao fotoana izao. Na dia efa nandalo tao amin'ny masoivoho tetsy Analakely aza aho dia mbola tsy nahazo fahafaham-po fa ny valiny dia hoe tokony hisy tonga androany fa mbola tsy hita. Tamin'ny herinandro io fandalovako tao io. Mikatso tanteraka izany ny zavatra ataoko amin'izao fotoana izao mandrapahazoako fahana vaovao. Nisy fetr'andro tokoa manko ny fahana teo aloha ka amin'ity volana ity no azo ampidirana azy farany. Dia miandry ny sitrapony izany izahay efa nifidy azy aloha.

Hevitra

inona moa ilay hoe fahana io ? credit ve ?

Nampidirin'i inaivo-koely @ 16:24, 2008-10-13 [Valio]

ok

Ho an'i inaivo-koely : fahana no fandikàna ny "crédit" na "recharge" :). Sady ofisialy io no efa fampiasa amin'ny andavanandro ao Madagasikara. toy ny vola "ariary".

Na dia tsy fantatro aza ianao, dia azoko antoka fa efa ela ela no tsy tany Madagasikara :). Tsy ifanomezan-tsiny akory fa mba manamarika e ;).

Betsaka manko ankehitriny ireo orinasa lehibe izay miezaka miteny sy mampiteny malagasy antsika, ary isan'izany ireo mpandraharaha amin'ny fifandraisana an-taroby. Ny orinasa mpanao vatomamy, sy mofomamy moa dia efa ela no nanandratra ny teny malagasy.

Nampidirin'i Tokinao @ 19:20, 2008-10-13 [Valio]

pakysse

Tokinao: ary ra tokinao izany tokony mampianatra eny amin ny ambaratonga ambony raha ny hevitro satria ohatrany tena mahay be no tena tsapa fa olona henjana be amin ny fandalinana ny teny malagasy sa ahoana, manaraka izay ahoana ny fahitanao ny teny malagasiko ve tokony ahitsy sa ahoana satria tena vonona be aho ny hanome ny anjara birikiko amin ny fianarana izany any aminao.
Mbola vao resaka fahana ve ra namana dia efa mahazo lesona be ireo karazana olona mipetraka any am pita.....Hono oi ra Olombelona Tokinao efa mba nahita firenena hafa ve aloa ianao io sa dia mihitsoka be amin ny oe taniko dia dia ny hafa ty rarahiko........somary mampiomehy be ahy ihany mankony ary ny teny farany tiako hanontaniana anao dia ny oe firy taona moa sé no mbola manana fisainana tahaka izany. mankasitraka sy mankatelina ary mandamina. oka

Nampidirin'i pakysse @ 19:52, 2008-10-13 [Valio]

ok

>>pakysse : tsy mahafehy ny teny Malagasy 'zah 'ka :). Fa nanontany ahy izy dia novaliako. Aza raisina ho fieboeboana na fiheveran-tena ho toy ny "Mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo" fa "fianarana sy fifampianarana daholo ny fianana, ary isan'izany ny dinidinika amin'itony blaogy itony".
Koa miala tsiny indrindra raha nanohina anao ilay teniko hoe "efa ela ela no tsy tany Madagasikara". Te hilaza ny zava-misy fotsiny aho. Na izaho aza manko dia somary tsy zatra an'ireo teny malagasy fampiasa vao haingana raha tsy ny diako tany Madagasikara farany teo (ny ""ariary", ny "fahana", sns.).

Farany, momba ny hoe efa nahita tany hafa ve ? ny Valiny dia eny. Ny taonako indray dia aleo tsy hotononiko , izay mikaroka no hahita ;).

Nampidirin'i Tokinao @ 20:27, 2008-10-13 [Valio]

:-)
aza miady fa mifanekera ee hahaha

fa efa miha-mora kosa izy kanou :)
ary ny hafainganana ve efa mahazaka youtube? :P

Nampidirin'i simp @ 20:28, 2008-10-13 [Valio]

tokinao: zah koa toa zao vao maheno sy mahalala ity teny "fahana" ity k'ty ! Nefa mba nataoko dia naharaka revy ihany aho tao ho ao izay - hihihi.
Izay ilay fiainana ry pakysse a : mifampianatra ; fa misy na lavitra ny tanindrazana aza akaiky be ny fony sy ny fiteniny. Aoka itsy ry pakysse fa mambran'ny "aza ampijaliana ny tenintsika" i tokinao an, tokinay izy io, tokintsika e ! Io izao pakysse fa mampijaly ny tenintsika :-p

Nampidirin'i ikalamako @ 09:21, 2008-10-14 [Valio]

Za koa mba saika revo t@ izy io fa le 200Mo no tsy voako! de naleoko tsy niditra! satria tsy ampy ahy ilay izy! za tia manao downlaod ity!lol

fa izy aloha de tena Haut Debit tokoa e! tsy mitovy an'ity fampiasako ato ity izay saritsarina Haut debit!

Nampidirin'i news2dago @ 10:05, 2008-10-14 [Valio]

Pakysse> firenena efa tsy latsaky ny folo ary efa saiky nalehany avokoa ny firenena vaventy no nandehanan'i Tokinao. Manam-pahaizana io fa mahay manetry tena ary izay no tena mahafinaritra aminy.

Nampidirin'i jentilisa @ 12:35, 2008-10-14 [Valio]

Marina daholo izany ary tena mahafinaritra raha olona manana fahaizana be i Tokinao fa indrindra mankasitraka raha efa nahita firenena vaventy maro be satria aleo marina tsy hadino fa tsara be ny tenintsika e. Mankasitraka be daholo e, fa ny tena marina anie raha ny momba io fahana io tena lafo loatra ny fahitako azy eto amin ny tanana fa angamba izy io tena tokony ho dinihina akaiky fa hita oe mampalahelo ihany ireo mpanjifa tahaka ny olon tsotra ohatran tsika.

Nampidirin'i pakysse @ 15:03, 2008-10-14 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox