« | »

Moa ve ho tafaray ny polisy sy zandary mpifandrafy any ambadika any?

2008-10-16 @ 20:31 in Politika

Baikon'ny filoha faratampon'ny foloalindahy ny hanambàrana ny polisy sy ny zandary ho deparitemanta iray. Ny antony araka ny filaza dia mba hahombiazana kokoa eo amin'ny asa fitandroana ny fandriampahalemana anatiny eto amin'ny firenena sy hamerenana ny hasin'ny mpitana fitaovam-piadiana ary ny hisian'ny fifampifehezana matotra kokoa.

Mpifanerasera amin'ireo vondron'asa mpitazona fitaovam-piadiana roa ireo ny tena. Mpitam-piadiana ny roa tonta ka manana ny heriny avy. Azo ambara aza fa samy miaro ny vondrona misy azy avy ny tsirairay ary mifanindry mihitsy aza, tafiditra koa eto ny miaramila. Politika napetraky ny mpitondra teo aloha nampanjaka ny zarazarao hanjakana ny nijoroan'izy ireo ho samy manana ny azy. Fiarovana ny sezany mahomby tokoa izany. Raha toa manko mitady hanongam-panjakana ny ao amin'ny polisy sanatrian'izany dia tsy maintsy hanao izay hanakanana izany ny ao amin'ny zandarimaria na ny mifamadika amin'izany. Izay no nahatonga ny hadihady hoe raha tafaray eo ny fanapahana sy ny fifehezana mety ho mora kokoa ny fanonganam-panjakana satria tsy misy hery mifandrafy loatra intsony.

Nahoana ary no najoro ny baraingo amin'izay ho fahombiazan'ny fampitambarana ny polisy sy ny zandary? Ohatra vitsivitsy: Any amin'ny polisy, araka ny tatitry ny zandary sasany, vao any ampiofanana dia efa masahina ao an-dohan'ireo mpianatra ho polisy ireo amin'ny taranja tantara fa ny zandary no namono ny polisy tamin'ny rotaka 1972 (fony FRS na Forces Republicaines de sécurité) sy tamin'ny 1975 (fony Groupe Mobile de Police na GMP) tamin'ny fiokona nataon'izy ireo tetsy Antanimora ka niampangana azy ireo ho namono ny filoham-panjakana. Avy amin'ny zandarimaria indrindra anefa tamin'io fotoana io ny filoha nitondra ny firenena. Noho izany efa nomanina ho hery mpifanandrina amin'ny zandary sahady ny polisy. Etsy ankilan'izay dia mirehareha amin'ny fiofanana vitany kosa ny zandary fa ny asan'ny polisy rehetra dia vitany raha ampanaovina azy fa ny polisy kosa ho be ny asa tsy ho vitany raha ampanaovina ny asan'ny zandary ireny. Ny vola fandrain'ny roa tonta anefa toa mifamadika amin'izany. Ny lasitra famolavolana ny roa tonta izany dia tsy mitovy velively. Sarotra ny hahombiazan'ny fampitambarana raha tsy ny toby fiofanana mihitsy aloha no raisina.

Ankoatra izay, mety tsy ho eken'ny eritreritry ny polisy velively ny ho baikon'ny zandary ary mihivingivin-doha tanteraka ny zandary ka hoe eo ambany fifehezana manamboninahitra polisy. Mifampihevitra ny ho sakamalaho sy havozo manko ka samy manana ny hanitra ho azy. Be ny mihevitra fa noho ny baikon'ny filoha dia manaiky ambava ny manamboninahitra avy amin'ny roa tonta fa any anaty any kosa mety ho efa mivonto ny fo.

Manaraka izany indray ny fipetraky ny rafitra an-tanan-tohatra. Ny avy amin'ny polisy dia mahita avy hatrany fa ny Praiminisitra no eo amin'ny faratampon'ny rafitra vaovao. Amin'izao fotoana izao anefa dia manamboninahitra jeneraly avy amin'ny zandary no mitazona izany toeran'ny praiminisitra izany. Singa eo amin-dry zareo izay hilazana fa tadiavin'ny zandarimaria atelina tanteraka ny polisy. Etsy ankilany indray anefa toa vitsy ihany miohatra amin'ny zandary ny polisy manana laharam-boninahitra ambony ka tsy misy isafidianana loatra hitana andraikitra ambony, hany ka na sanatria aza mety hisy ny tsy fahombiazana eo amin'iny olona iny dia tsy misy ihany na dia izany aza ny mahasolo azy.

Tohin-dresaka ihany dia maminavina aho ny amin'ny antony mahatonga izao fanapahan-kevitry ny filoha izao. Heveriko fa noho ny nataon-dRazafindrazaka Emmanuel fantatra amin'ny mampalaza azy hoe Bôlô izay manamboninahitra ambony ao amin'ny polisy no nandraisana ny fanapahan-kevitra hitelemana ny polisy ho zandary izao. Kely ihany ny herijikan'io vinavina io na dia izany aza. Be ny mihevitra fa ny deparitemanta ihany no ho iray fa samy hiolonolona amin'ny misy azy avy ny roa tonta. Tsorina fa fanahiana goavana amin'ny mety ho fipoahan-javatra tsy ampoizina no ho vokatry ny fanapahan-kevitry ny Filoha izao raha tsy mitandrina izy. Arakaraky ny seza very ao amin'ny manamboninahitra avy amin'ny roa tonta manko nomety hisian'ny fifanandrinana. Fa enga anie ny hamisavisana ny ratsy hiavian'ny soa na dia izany aza.

Farany, tsaroako tsara fahakely fa tena tiako mihitsy ny hanao izany asana zandary izany. Asa inona loatra angaha no nahatonga izany? Soa ihany fa sady keliray ny tena no kely endaka fa teo amin'ny fahaizana mitifitra ihany no tsy azo novazivaziana (tsy niraty tifitra aho fony izaho SN teny Langaina vao sambany nanao izany).

Hevitra

Ny tena hitako olana dia ao tsara ilay rafitra hoe ra vao urbaine dia polisy moa refa rurale dia zandary... indraindray sady misy zandary no misy polisy... dia lasa misy olana resaka zioridiksion, en plus-n'ilay disadisa efa notantarain'la...

ra samy manana ny fanjakany manko dia samy maka hoazy fotsiny tsy voatery hifankitia :)

Nampidirin'i simp @ 22:51, 2008-10-16 [Valio]

Dia raha mitsoaka antanandehibe ny mpangalatra ka lasa any ambanivohitra dia asa hanao ahoana re ny fandehan'ny famindra-mpahefana?

Nampidirin'i jentilisa @ 04:14, 2008-10-17 [Valio]

Commentaire HORS SUJET.

Tsy hoe faly hamely ny mpanao gazety matianona, na faly hidoka an-dRajentilisa (izaho rahateo faran'izay tsy dia dokafana ka mba tsy dia mandoka olona ihany koa), fa mba gaga ihany aho mamaky hoe fa maninona ny mpanao gazety amin'izao fotoana izao no tsy manana toe-tsaina manao fanadihadiana toy izao asehonareo izao? Ireo maty anona no resahiko. Lasa mpilaza miara-mahita fotsiny ny mpanao gazety malagasy ankehitriny, mpitati-baovao kanefa aza ilay vaovao taterina efa tsy vaovao intsony. Raha mba misy sahy manolotra fanadihadiana aza moa na fanamarihana dia matetika izy ireny vao mainka manalavitra ny marina, na manakombona azy tsy hisongadina.

/Commentaire HORS SUJET

Nampidirin'i DotMG @ 06:21, 2008-10-17 [Valio]

Izaho ihany koa anie mba gaga ihany e! nataoko ho fanairana fotsiny aza ity lahatsoratra fa isaorako anao ihany ny fanamarihana izay nataonao.

Nampidirin'i jentilisa @ 12:32, 2008-10-17 [Valio]

voavidy daholo e

Nampidirin'i Rajiosy @ 14:37, 2008-10-17 [Valio]

Dia iza izany no nividy?

Nampidirin'i jentilisa @ 16:17, 2008-10-17 [Valio]

ok

Jentilisa aloha tena mahavita tokoa e! Mampahatsiaro ahy an'i Maurice Tsiavonana t@ 2002 hihihi [tsy ny firehan-kevitra akory a! Fa ny fahaizana manadihady :) ]

Nampidirin'i Tokinao @ 21:19, 2008-10-17 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox