« | »

Nareo vehivavy ireto tena tssssssss...hihihi

2008-10-24 @ 12:44 in Andavanandro

Tena faly hanadrohadro an'i Kdaombaramita mihitsy aho eto. Tsy izaho aloha no namoha fady fa te-hitsikanikany kely fa tsy hanembona lava isaky ny zoma hariva izao. Fa tsy maintsy hamoaka tononkalo ihany amin'ny manaraka!

Inona indray no tsy mety ataon'ny vehivavy e? Aiza kosa ve rehefa maraina ireny dia Ar10 000 foana no mody omena ny resevera rehefa mandeha betax dia mody asiana indray hoe etsy ananona etsy aho no miala? Maninona raha tsorina hoe maninona letsy aho raha tsy ampandoavin'ialahy sarandalana? Dia eo indray izany mody Ar100 fotsiny indray no omena fa hoe akaiky no miala. Na dia inona koa aza?

Ny tena mahavariana aloha dia vehivavy daholo no tena mpanao azy. Tsy mbola nahita aloha aho ka hoe lehilahy no nanao izay fomba izay. Farany, tena lazaiko fa hanadrohadro an'i Kdaombaramita (heveriko fa viavy tsara matoa misy mikitika) no nanoratako ity. hihihi...

Hevitra

ka te anao kidaona fotsiny izy oa!lol

Nampidirin'i news2dago @ 13:17, 2008-10-24 [Valio]

Hanadrohandro ? Merci letsy !

Mba manao izay tsy handaniana vola be amin'ny fomba tsotra e ! Efa sarotra ny fiainana knou !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 14:08, 2008-10-24 [Valio]

Sao d ataonao koa ary le izy? hihihi

Nampidirin'i jentilisa @ 15:14, 2008-10-24 [Valio]

miangatra lahy ny tany :P

tsy mba misy goal vevavy izany... kanefa za efa vonona hanao zyeux doux :-D:-D

Nampidirin'i simp @ 16:10, 2008-10-24 [Valio]

Hafa koa iny hitan'i simplex iny. toa misy manao goal ihany kooo

Nampidirin'i jentilisa @ 17:00, 2008-10-24 [Valio]

hehehe

'nareo olombelona 'reto ho'ahy tena tssssssssssssss hihihi

Nampidirin'i Tokinaop @ 19:08, 2008-10-25 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox