« | »

Tsy namaly ny fanasan'ny filoha Ravalomanana Ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina?

2008-10-30 @ 21:26 in Politika

Raha ny fiheverako manokana dia tokony ho hita amin'ny gazety rahampitso (zoma) fa hanome "fanampiana" manokana amin'ny alalan'ny Fonds Local de developpement ny Kaominina an-tanandehibe 45 eto Madagasikara ny filoha Ravalomanana manomboka ny Janoary 2009 ho avy izao. Entina hanatsarana ny tanàna moa no anton'izany.

Tsy dia idirako lalina moa ny amin'iny fa ny nanaitra ahy tamin'ity toe-javatra ity dia ny tsy nahitana ny Ben'ny tanànan'Antananarivo tamin'ity fivoriana manokana ity. Ny televiziona viva mihitsy anefa no narahiko tamin'io fotoana io ka tsy maintsy mampiseho ny salovantavan'ny tompony izy raha nanatrika tao io lehilahy io (lehilahy io satria efa mitantana an'Antananarivo fa tsy boay kely aza fady indrindra). Ny sary dia manambara zavatra bebe kokoa noho ny fitantarana na dia avy amin'ny mpanao gazety mahay indrindra aza.

Eo ary no mampanontany tena. Ny avy amin'ny fiadidiana ny Repoblika mihitsy ve no tsy nanasa ny Ben'ny tanànan'Antananarivo sa ny fiadidiana ny tanàna no nanadino nampitondra ny taratasy fanasana ho an'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo sa ny tao amin'ny fiadidiana ny Renivohitra no mihevitra fa tsy ilaina loatra ny nanatrika io fotoana fanararaotra io? Moa tsy ny fotoana tahaka ireny indrindra ve no tena anehoana ny fahavononana hiasa sa efa nanava-tena sahady Atoa Andry Rajoelina fa tsy hahazo anjara amin'io vola ikarakarana ny tanàna io velively? Tsy maintsy misy ny diso eto na ny iray amin'ny andaniny sy ny ankilany na ny roa tonta mihitsy?

Tsy sahy nanoratra ity velively aho raha fantatro fa tsy mbola tonga eto an-tanindrazana ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Hitako tamin'ny tvplus anefa ny fahatongavany halina. Sa mbola reraka ny lehilahy taorian'izay dia lavalava izay. Tsy sasatry ny manontany aho satria toa mifandimby ny tsy vonona hiara-hiasa amin-kitsim-po na ny avy amin'ny fitondrana foibe na ny avy amin'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo renivohitra. Tsy hisy velively anefa ny fandrosoana raha samy mihatsaravelatsihy tahaka izao ny roa tonta.

Sa misy vondron'olona te-hanala baraka an'Antananarivo eto amin'ny fihaonana antampony hatrehina amin'ny taona ho avy iny sy ny manaraka? Raha efa fantatra fa tia ny politika madio ivelany araka ny filazan'ny Jeneraly Ramakavelo azy ny mpitondra ankehitriny, moa tsy eo indrindra ve no anararaotana hahazoana vola betsaka ikarakarana ny tanàna noho ny tamin'ny fanomanana ny lalaon'ny Nosy tamin'ny herintaona (2007) aza? Asa aloha fa dia nanolo-kevitra ihany aho na dia tsy nifidy azy aza noho ny fitiavako an'Antananarivo. Fa ilay fitiavana tokoa mampirediredy an!

Hevitra

wait and see zany ka in moa :)

Nampidirin'i simp @ 22:31, 2008-10-30 [Valio]

Tena ohatry ny mamely ahy ve ilay fehezan-teny farany indrindra? Sa ahoana ry simp sy maintikely?

Vazivaziko kanjo izany e!

Nampidirin'i DotMG @ 07:11, 2008-10-31 [Valio]

Kdaomba koa ra DotMG milay fa adinon'ny toi a!lol

Nampidirin'i news2dago @ 08:39, 2008-10-31 [Valio]

Dia hitako tamin'ny gazety androany maraina ary fa solontena no nalefany hanatrika ny filoham-pirenena! hafa indray izany. Raha ny filoha no mandeha solontena hihaona amin'ny Ben'ny tanàna ekeko fa ity kosa. Mihevi-tena ho ambonin'ny filoham-pirenena izany? mety voahodikodin-dohan'ireto mpanao politika ireto marina ny lehilahy.

Nampidirin'i jentilisa @ 08:43, 2008-10-31 [Valio]

Angamba tsy mila izay volam-panjakana fa efa manantena ny ahazo be dia be avy ami'ireny fikambanana vao nandehanana nitsangatsangana ireny.

Nampidirin'i Ketraka @ 09:36, 2008-10-31 [Valio]

Tsy izany

Hita tokoa fa tsy tianareo ny Ben'ny tanàna, tsy manana ambara firy ny tenanay. Fa efa tokony hiomana koa io olona ankafizinareo ambony noho ny rehetra io fa efa akaikikaiky ny fahafenoan'ny kapoakan'ny rehetra.

Nampidirin'i Ipetsana @ 09:49, 2008-10-31 [Valio]

Rehefa manao fahadisoana kosa dia manao fahadisoana ka!

Nampidirin'i jentilisa @ 12:47, 2008-10-31 [Valio]

Asio mafy mihitsy aloha rajentla fa manao faokasy a!

Nampidirin'i news2dago @ 14:24, 2008-10-31 [Valio]

Fifanajana

Fa inona ilay manao fahadisoana ? f'angaha moa dia tena tsy maintsy foana ? rehefa tsy mifanaja dia samy mahay tsy mifanaja fa tsy hoe satria filoha dia ekena ny azy. Impiry moa izy no andrasana nefa tsy tonga ? Tsy ampahafolon'ny fahadisoany akory izany. Rehefa ny lehibe no tsy mahay manaja olona dia tahak'izany manaraka ho azy ny olona entiny fa tsy manao mpitari-bato vilam-bava. Ampy kosa angamba izay fiarovana be fahatany izay an !

Nampidirin'i Ipetsana @ 14:30, 2008-10-31 [Valio]

"Le nerf de la guerre étant la pierre angulaire de tout projet de développement, je tiens à remercier, ici, le Président Marc Ravalomanana qui a révélé, le 30 octobre 2008, que les 120 millions de dollars émanant de la Banque mondiale et de l’Union Européenne, constituant le Fonds de Développement Local ou FDL, seront répartis, vers la fin du mois de janvier 2009, à travers toutes les communes urbaines et rurales de la Grande île, sans considération d’aucune sorte. Selon ses propres termes, le Président de la République « promet un appui, surtout financier, aux premiers magistrats de la ville, pour que ces derniers puissent avoir une plus grande marge de manœuvre »." Soratr'i Andry Rajoelina... http://www.iarivo-town.mg/motmaire.php Sao dia mody miady ireo...
Nampidirin'i ndrema @ 14:47, 2008-10-31 [Valio]

tompon'andraikitra ny mpitondra. na tsy mirevy an'i Sarkozy aza ohatra ny filoha senegaley satria nahazo taim-bava dia tsy maintsy mandray sy mifampiraharaha aminy ihany. (ny mpitondra avy ao luxembourg izao nahazo taim-bava vao tsy ela).

tsy ny tenanao voadona akory no soloinao tena fa ny tanàna iandraiketanao na ny firenena sahaninao. manan-kery ho an'ny mpitondra rehetra isan-tokony izany fa tsy hoe resaka olona anio fotsiny sy eto Madagasikara no tian'i jentilisa ho lazaina. fandraisana andraikitra. fijoroana ho olon-dehibe matotra. tsy matahotra sedra.

hadrohadroin'ny olona fotsiny hoe "midongy angaha isekely" ianao raha tsy izany. tsy an-jaza anie ilay izy araka ny filazan'i Mialy-Les-Nouvelles e :-)

ohatra ny mpanao baolina io. misy foana foana ny taim-bava fa dia asakasak'izay misitrika.

Nampidirin'i Rajiosy @ 16:55, 2008-10-31 [Valio]

Ny politika ihany koa tsy mahazo manao entim-po izany fa io manko tsy mba namana. Sarotra be ange nyIpettsana ka hoe filankevitry ny minisitra ohatra ka ny SG no alefanao manatrika ao e! Tsy manana fahefana amin'izanyiny olona iny ary azo sakanana soa amantsara tsy mahazo manatrika fivoriana. Asa raha azonao izany resako izany. Mpiara-miasa ireo ary tsy maintsy miara-miasa ka ny olona mendrika izany ihany (ny Ben'ny tanàna) no tokony ho nanatrika.

Nampidirin'i jentilisa @ 20:01, 2008-10-31 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox