« | »

Daewoo, Uranium, Andry Rajoelina samy raharaha mafana vay

2008-11-25 @ 21:01 in Toekarena

Ho fanombohana aloha dia mitohy toy ny tsy manam-pitsaharana fa mirotsaka isan'andro ny orana eto Antananarivo. Tsy misaraka amin'ny elo sy ny akanjo aro orana izany izay manana izany, fa ny matanjaka sy izay tsy mahatakatra kosa mionona amin'ny akanjo fitondrany mandrakariva.

Manaraka izany, nametraka ekipa vaovao fanta-daza indray Atoa Andry Rajoelina Ben'ny tanànan'Antananarivo. Niditra ho ekipany koa manko Atoa Ny Hasina Andriamanjato sy Rtoa Elia Ravelomanantsoa. Nahay nisafidy kosa ny lehilahy tamin'ity indray mitoraka ity satria olona mahalala tsara ny atao hoe fitantanana ireo olona nosafidiany ireo. Azoko lazaina fa tokony ho tsara aro amin'ny asa ataony i Andry TGV nisafidy ireo olona ireo.

Dieny mbola tadidy, ataoko fa manana fifandraisana amin'ny mpitantana ny madarail ity ekipan'i Andry TGV ity satria vao lany kelikely izy dia nampitsangatsangana ny ankizy tamin'ny masinina izay tsy mbola nitaingina izany hatrizay niainany. Ankehitriny, re siosio ny amin'ny hanitarana iny lalana manamorona ny fefin'i madarail eny Tsaralalàna iny (petite vitesse). Ravana ny fefy ary ahemotra mihitsy mba hahazaka fiara efatra miara-milahatra. Heveriko fa anisan'ny hevitra tsara dia tsara izany raha tontosa satria tena mampijaly ny mpandeha mihitsy iny lalana iny. Ny tena olana anie dia ny fiara mijanona anaty arabe ka tokana sisa no ahafaha-mizotra e! Fa na izany aza efa tena misy tsirin-kevitra mahafinaritra aloha izay.

Ny lesoka amin'izao fotoana izao aloha dia ny fako izay miely loatra indray fa toa hoe tsy misy mpaka hoe. Ny lesoka faharoa kosa hitako tamin'ny vohikalan'ny tanàna ny fihofahofan'ny saina USA nefa tsy nahitako ny saina Malagasy etsy ankilany. Tena hentitra aho amin'io lafiny io ka nahatonga ahy hanoratra hoe hanonofy inona tamin'ny alina nahalanian'i Obama iny.

Hiditra amin'ity resaka Daewoo ity amin'izay aho, raha nahavaky azy voalohany aho dia tsy nino. Nilazana aho fa gazety matotra anie izany Financial Times izany. Eny, hoy aho, fa ny tao an-tsaiko dia ny nanjò ny Serba ka nahatonga io Kôsôvô io hahaleo tena. Ny Mpanao gazety tandrefana no tena nampiely azy voalohany ary nitongilana avy hatrany tamin'ny Albaney: mody niainga tamin'ny hoe Kôsôvara miteny Albaney aloha ary etsy ankilan'izany ny Serba lazaina hoe Serban'ny Kôsôvô. Mametraka avy hatrany izay filaza izay fa ny Serba dia vahiny -nanjanaka- fa ny tena Kôsôvara dia ireo miteny albaney. Aty aoriana dia nekena ihany, rehefa tsy taitra intsony ny mpanara-baovao, fa Albaney hay ireo  nolazaina fa Kôsôvara tamin'ny voalohany ireo. Fiadiana nahery vaika nenti-nanosoram-potaka ny Serba na taiza na taiza ny Haino aman-jery Tandrefana tamin'ireny fotoana ireny. Tranga iray nahataitra ahy tamin'izany ny nilazana fa nodarohana baomba ny fiara fitaterana feno ankizy Miozolmana ka ny Serba no nidaroka baomba io fiara io. Rehefa natao anefa ny fandevenana ireo ankizy ireo dia fasana misy lakroa ôrtôdôksa no nandevenana ny ankizy tondroina eo amin'ny filazana fa Miozolmana. Misy lainga izy izany, hoy aho nahatsikaritra.

Toy izany ihany koa ity resaka Daewoo ity araka ny eritreritro, tafiditry ny mpikarama an'ady indray ny mpanao gazety tandrefana (mba tsy hanamelohako befahatany ny haino aman-jery tandrefana). Ny tena nampahomby ny lainga, araka ny fijeriko azy tsy maintsy misy ampahany marina ihany ny vaovao. Ny ampahany marina dia nihaona tamin'ny filoha Ravalomanana tokoa ny mpitantana ny Daewoo, ary ny tatitra nataon'ny tvm (sa mbs?) tamin'iny volana oktobra iny na fiandohan'ity volana novambra ity dia fifanarahana eo amin'ny fitrandrahana Oraniôma no notadiavina. Tsy nisy ny resaka fanofana tany henoko aloha tamin'io fotoana io. Heveriko fa nisy nialona ny Koreana tamin'ity lafiny iray ity raha io no itabatabana satria ity vaovao momba nyangovo iray ity mihitsy no tena kendreny ravana araka izay azony atao. Izay araka ny hevitro no nanaovana ilay vaovao "lainga" sady fihantsiana hoe "fanjanahantany vaovao". Fantatry ny mpanara-baovao eto an-toerana manko fa misy io fitadiavam-piaraha-miasa hitrandraka oraniôma io. Hatramin'izao aloha dia tena tsoriko fa tsy mino ny fisian'ilay fifanarahana fanofana maimai-poana ny tany aho. Fandranitana ranofotsiny io amiko hamelezana izy fifanarahana momba ny Oraniôma mety mbola tsy renareo any ivelany mba hahatonga ilay fitenenana hoe indray fa mbola koreana ihany.

Ny tena mahavariana amin'ity lafiny ity dia izao, toa tsy nisy ny nihorakoraka raha lasan'ny Frantsay (amin'ny alalan'ny total) ny ampaham-bola betsaka amin'ny fitrandrahana an'i Bemolanga izay solika kosa no trandrahana any. Raha tsy diso aho dia maro ny orinasa vahiny (izay Eoropeana tandrefana sy Amerikana Tavaratra no mahazo ny ampahany be raha tsy izy manontolo) mifampizara amin'ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany (solika no tena fantatro) manerana ny faritra andrefan'i Madagasikara tsy nisy ny nimenomenona (tena tsy faly kosa aho aloha tamin'izany saingy nangina, toetra gasy, sady fantatra fa tsy hahatrandraka samirery izany mihitsy ny Malagasy) koa tsy hitako intsony izay himenomenonana raha mba mahazo zaratany hitrandrahana ihany koa ny Koreana Tatsimo, tsy milaza velively izany soratro izany fa ankasitrahako ny fitrandrahana ataon'ny vahiny ny harena an-kibon'ny tany Malagasy. Tena mpitaky ny fiandrianam-pirenena madiorano amin'ity harena ankibon'ny tany ity aho fa tsy izaho moa no mitondra.

Fehiny, misy tombotsoa vahiny ninia nanaparitaka ity vaovao ity satria tsy azony ny tsena ary heveriny fa tokony ho izy no mitantana ny fitrandrahana ilay Oraniôma dia alainy baraka aloha ny mpifaninana aminy ary tifiriny ankolaka ihany koa ny mpitondra Malagasy. Tsaroako fa voalaza tamin'ny gazety lakroa ity na dia tamin'ny andron'ny sivana aza (repoblika faharoa). Nilaza fa hamantatra raha misy solika tamin'iny faritra avaratra andrefana iny ny Amerikana. Naka mpiasa malagasy izy hiasa ho azy amin'ny fikarohana izay mety ho fisian'ny solika. Rehefa somary tafatsoropaka anaty tany lalindalina tany anefa ilay fitaovam-pamantarana dia niato kely ny asa. Nasaina namonjy vady aman-janaka hiala sasatra vetivety ireo mpiasa malagasy. Nandritra izany anefa dia nanohy asa ihany ireo Amerikana ka rehefa azony izay nilainy dia nolaloriny simenitra ilay lavaka nohadiana. Nilaza ry zareo fa diso satria tsy nisy solika hay ilay toerana ka aleony mody satria tsy manan-kantenaina. Ireo mpiasa Malagasy nilaozana kosa nangaihay sady nahatsapa tany anatiny tany fa tsy solitany no nanakaramana azy ireo fa mety ho Oraniôma. Azony izay notadiaviny dia iny ny Amerikana fa nikopak'elatra. Tsiaroko amin'ny maha-mpamaky gazety malagasy ahy izay. Na iza na iza rehefa manao zavatra izy indrindra fa fandraharahana dia ny tombotsoany no tena katsahiny koa asakasak'izay tsy hiaro no rambony aloha!
 
Fanampiny: Efa nolazaiko fa tsy maintsy misy ny zavatra marina kely (na dia anaran'olona fotsiny aza) soratana mba hahombiazan'ny lainga. Nitsidika ny filoha Ravalomanana, araka ny nolazain'ny Madagascar Tribune tamin'ny faran'ny volana oktobra,ny delegasiona mpandraharaha Koreana Tatsimo notarihin'ny filohan'ny Orinasa Daewoo Madagascar, Kim Kwon Lin, niaraka tamin'ny PDG Kores Resources Corporation, Kim Sihng Jong, ary ny solontenan'ny Daewoo Logistics Corporation, Yong Nam Ahn, ary koa ny filoha lefitry ny orinasa Posco EC, Jeong Tae Hyun, izay nitatitra tamin'ny Filoham-pirenena ny fandroson'ny asa ampiasany vola eto Madagasikara. Araka ny loharano ofisialy moa dia mampiasa vola any amin'ny sehatry ny fananantany, harena ankibon'ny tany ary ny fitrandrahana Nickel any Ambatovy, ary koa eo amin'ny sehatry ny fiompiana sy ny fambolena ireo mpandraharaha ireo. Mikasa ny hiditra lalindalina kokoa amin'ny sehatra efa nidirany ry zareo. Na dia manana ny hevitro aza aho, ataoko fa azonareo tsara ny mamakafaka ny toe-java-misy avy amin'io fanampiny nosoratako io.
 
 
 

Hevitra

Marihiko fambola nisy fanampiny ilay nosoratako

Nampidirin'i jentilisa @ 21:42, 2008-11-25 [Valio]

Daewoo

Tsy i Financial Times irery no namoaka an'io vaovao io...betsaka ny gazety avy any ivelany namoaka an'io vaovao io. Tsy i korea irery ihany koa no mizaha hanao ity "raha" vaovao ity fa misy firenena hafa ihany koa izany hoe tsy any Madagasikara indray no hikasany hanantanterahany an'izany. Vaovao farany asa raha efa hitan'i Jentilisa momba an'izy dia http://www.alertnet.org/thenews/newsdesk/LL384535.htm
Raha mbola mila vaovao na olona tena mahalala akaiky momba an'ity raharaha ity ianao dia afaka alefako email :-)

Nampidirin'i Mirana @ 06:27, 2008-11-26 [Valio]

Daewoo

Naveriko novakiana indray ity lahatsoratra ity fa ohatran'i hoe tsy dia mazava amiko tsara...Tsy oranioma ange ilay izy fa resaka katsaka e! Ande hamboly katsaka any Madagasikara hono ny Koreana tatsimo mandritry ny 99 taona ary ny vokatra ho an-dry zareo Koreana. Hangala mpiasa (be traikefa) any Afrika Atsimo koa ry zareo hanaovana an'ity "raharaha ity" mbola tsy fantatra marina na hangala mpiasa gasy koa izy na tsia. Ny manahirana sy ny tena mampihevohevo ny olona dia ny hoe ampahadimy (1/5) ny Madagasikara ny tany hambolena an'ilay katsaka ary ilay "contrat" hoe 99 taona! Ankoatr'izay "gratuit" ilay izy. Mbola tsy misy zavatra voa tapaka aloha hatram'izao araka io rohy voalazako eo ambony io...Ilay izy koa dia tena vaovao marina fa tsy hoe vaovao lainga akory fa saingy izao fotsiny araka ny voalazako hoe mbola tsy misy raha tapaka. Mety misy lafiny tsara mety misy lafiny ratsy amin'ity raharaha ity. Ao @ Global Voice ao moa ilay izy...Lafiny ratsy aloha dia mazava ho azy fa mety misy lafiny tsara ihany koa raha misy marimaritra iraisana mba hanasoa ny vahoaka sy ny Firenena Malagasy. Izay aloha ny anio fa @ manaraka indray izaho manao be be kokoa.
Nampidirin'i Mirana @ 06:48, 2008-11-26 [Valio]

Nilaza ny vaovao avokoa ny gazety rehetra fa ny Financial Times no namoaka azy voalohany!

Ny ahy koa anie fijery avy eto an-tanindrazana no anoratako azy e!

Nampidirin'i j @ 08:10, 2008-11-26 [Valio]

Navoakako ilay lahatsoratra faharoa navoakanao. mazava loatra fa tsy mazava aminao ilay izy. Ny navoakan'ny vaovao teto Madagasikara tsinona no navoakako fa hafa mihitsy ilay vaovao miely any ivelany. Jereo ary ny fifanalaviran'ny vaovao malaza eto madagasikara kokoa sy izay malaza any ivelany.

Nampidirin'i jentilisa @ 08:17, 2008-11-26 [Valio]

Manahy indray aho sao tsy azonareo tsara ny filazako azy. Marina tokoa fa saiky namoaka azy avokoa ny gazety an-tsoratra rehetra teto Madagasikara afa-tsy ny roa ihany. Hatramin'izao dia misy ny gazety malagasy iray miezaka ny hamerimberina hatrany ilay vaovao mba hahazoana mpanjifa saingy toa tsy nahomby loatra ny varotra ataony amin'io lafiny io hatramin'izao. Mety ho namoaka ihany koa ny haino aman-jery teto. Niezaka aho ny hiresaka tamin'ny manodidina ahy fa betsaka kokoa ny mihevitra azy ho abobo fanasoketana, ka tsy niraharaha mihitsy izany resaka fanofana tany 1.300.000 ha hambolena katsaka sy voanio izany, izany hoe raha lazaina amin'ny fomba hafa dia tsy mino tahaka ahy izay manoratra izao koa ny maro kokoa na dia amin'ireo tena mankahala ny fitondrana amin'izao fotoana izao aza. Isika tena tafalatsaka lalina amin'ny aterineto ihany no tena miresaka azy ity fa ny hafa tsy te-hihaino akory.

Nisy moa fanambarana nataon'ny Minisitry ny fanajariana ny tany any amin'ny gazety any androany (alarobia) nefa na izaho aza tsy mbola nahita fa vaovao tselatra tamina fampielezam-peo iray no nandrenesako azy, manambara mazava fa nangataka tany tokoa ny Koreana. Namaly ary ny solotenan'ny Magasy mba hikaroka izany tany tadiaviny izany ary hanao ny fanambarana ny amin'ny minisitera avy eo. Tsy nisy resaka velarantany voalaza mihitsy aloha hatreo, nasaina nitady ny tany (lavavolo tsy misy mampiasa ary ny fanjakana no tompony ry zareo. Hatreo ny dingana raha mbola te-hanohy ny lalana ny Koreana fa avy eo vao hita ny tohiny na amalian'ny Fanjakana azy. Hatramin'izao, hoy ny Minisitra, mbola tsy nanondro ny tany hitany ry zareo. Hatreo ny resaka. Raha vaovao goavana sahala amin'izany manko mamoaka vaovao voalohany mandrakariva ny tvm sy ny mbs amin'izao fotoana izao no sady tsy maintsy mivoaka amin'ny filankevitry ny governemanta na filankevitry ny Minisitra ny anekena zavatra toy ireny. Noho izany raha tsy mbola nandalo filankevitra io raharaha io dia heveriko (izaho mpanoratra: jentilisa) ho mbola ankibon'ny omby aloha. Ary izay no anitrikitrihako fa misy te-hisongona ny any amin'ny faritra hafa te-hifehy hatrany an'i Madagasikara ara-toe-karena, dia manambara avy hatrany fa nanaiky izao sy izatsy ny fitondrana malagasy.

Manaraka izany, niresaka Uranium aho. Io vaovao io tsinona no natsidiky ny vaovao tamin'ny faran'ny volana ho efa mitady ho matotra kokoa, tsy nisy aloha ny fahasosorana miharihary tamin'ny mpijery sy ny mpihaino fa ny tao an-tsaina fotsiny dia hoe "raha mba hananganana ny angovo nokleary eto Madagasikara anie izany mba misy olana voavaha" saingy tsy resaka hafa indray ny amin'iny aloha.

Fa mampihomehy ihany koa ilay kabarin-dRavalomanana teo nandritra ny famaranana ny loa-bary an-dasy momba ny Madagasikara Am-Perinasa teo hoe mba hampazava tsara amin'ny vahiny ny teny Malagasiny dia nataony niadana ny fiteniny ka toy ireny vazaha mibadabada amin'ny teny Malagasy ireny izy! velontsiky ho azy ny mpanatrika rehetra ary nisy aza ny fotoana nitokelaka mihitsy.

Nampidirin'i jentilisa @ 09:12, 2008-11-26 [Valio]

Ok

Azafady fa hitako fa lasa tsy mandeha ilay rohy navelako eo ambony io
Ity no rohy vaovao (raha mbola misy te hijery) http://www.reuters.com/article/latestCrisis/idUSLL384535
Ao ary fa vaovao avy any Madagasikara indray no ho jereko e :-) Araky ilay rohy eo ambony io ihany izany dia nilaza i Eric Beantanana mpiandraikitra an'i EBDM (Economic Development of Madagascar) t@ 21 Nov teo fa be loatra ny tsaho sy wawawa mandeha momba ilay "raharaha Daewoo" ka mba te- hilaza ny tena marina izy sy ny hoe ahoana sy ahoana. Ny contrat izay nataondry zareo t@ Jolay niaraka t@ Daewoo dia fitadiavana tany 100,000 hectares ho an-dry zareo fa tsy hoe 1 millions hectare akory...Marihina fa milaza ireo mpiandraikitra an'i Daewoo (ao @ rohy ihany) fa 300,000 hectares no tadiaviny any Madagasikara. Nilaza koa izany i Marius Ratolojanahary (land reform minister) fa mbola tsy nisy zavatra tapaka mihitsy momba ity raharaha ity fa ni-proposer ry zareo hoe hanome tany @ faritry Menabe na Boeny dia ho hita eo izay hivetr'i Daewoo raha mety aminy sy avy eo hanome an'ireo recherche any @ governemanta...Dia eo izany isika izao...misy figures telo...1 millions d'hectares hoy Financial Times sy ireo gazety maro "avy any ivelany", 300,000 hectares hoy ireo representant Daewoo any Seoul ary 100,000 hectares hoy Eric Beantanana. Tsy fantatra izay marina ary araky ny nolazaina mbola tsy misy zavatra tapaka mihitsy fa araky ny teniko teo ambony "contrat" goavana be ihany izy (na dia 100,000 hectares aza) ka arakaraky ny mari-maritra iraisana eo ihany izany...

Nampidirin'i Mirana @ 09:23, 2008-11-26 [Valio]

Nandeha soa aman-tsara ilay izy ka! vao zao mihitsy ahono nijery azy izao. Hitanao mazava tsara ary fa misy ny manao hazakazaka arain-tosika mba hitrosona ilay atosika.

Fa misaotra nampita ilay vaovao e! na dia efa andro vitsivitsy aza izay no lasa. Tsy diso tsy akory ianao

Nampidirin'i jentilisa @ 09:26, 2008-11-26 [Valio]

ok

Hitako mazava tsara izao fa samy hafa be ny fijeriko sy ny fijerinao momba an'ity resaka ity ka aleo ajanona @ zay lol...Tsy misy manao hazakazaka arain-tosika hanatrosona izany mihitsy araka ny fijeriko azy!

Nampidirin'i Mirana @ 09:43, 2008-11-26 [Valio]

Andeha ary atao hoe misy mamingana ilay tetikasa e! mampihomehy tokoa fa miresaka zavatra mitovy isika fa ny fijery tokoa no tsy mitovy. Tsy maintsy hiaro ny tombotsoany hatrany anie ny Malagasy e

Nampidirin'i jentilisa @ 11:22, 2008-11-26 [Valio]

rohy, miozolmana, tss, sao dia tokony hamorona teny gasy hafahafa isika ry zareo a!
tena mahantra voambolana ny gasy...

Nampidirin'i Mpino @ 12:21, 2008-11-26 [Valio]

kdaombaramita

Izay vao tena vita ilay blog ry Jentilisa. Mandehana indray aloha mba jereo kely rehefa reraka mampiady hevitra eto e. Hi hi hi !

Nampidirin'i kdaombaramita @ 14:45, 2008-11-26 [Valio]

Tena misy Mpino tsy mahalala an'i jentilisa kosa angamba koa. Miarahaba anao tonga soa aloha izany koa. Ireny no milaza fa mba mivoatra manaraka ny fandrosoana koa ny teny malagasy ka!

aza dia tsatsoina loatra re o!

Nampidirin'i jentilisa @ 15:19, 2008-11-26 [Valio]

hfanehoan-kevitra

Miarahaba anareo mpandray anjara sy mpamaky eto!
Indrisy fa vitsy tokoa ny malagasy mahazo Internet nefa eto ihany no mba @ teny malagasy ny momba ity raraha ity.
Ny tiko tsipihina dia momba ny famoaham-baovao sy ny fanoratana an-gazety: adidy masina ny fampahalalam- baovao ny vahoaka, saingy raha sanatria ny fironan-kevitry ny mpanoratra na ny mpamoaka vaovao no mivoitra kokoa mihoatra ilay vaovao ambara dia loza fa lasa fitaovana fanakorontanana ny gazety. Satria manko heverina ho marina avokoa ny vaovao vao azo avoaka @ vahoaka, indrisy anefa fa ny fijerenin'ny mpanoratra sy ny firehana pôlitikan'ny gazety hiasàny no mivoitra 95% ao @ lahatsorany na ny vaovao avoakany, izay ilay atao @ teny vahiny hoe "abus de liberté de presse". Manginy fotsiny ny famoaham-baovao "avec malveillance", hamiganana ny tetik'asa indrindra moa rehefa iny izy mirindra tsara @ tetikasam-papandroasoana nosoritan'ny fanjakàna iny...
Ity resaka 'daewoo" ity izao dia tena lasibatrireo voalazako rehetra eo ambony ireo.
Tokony mba nijery farafaharatsiny ahay ny lalàna velona momba ny fangatahana tanim-panjakana , tany lavavolo, rehefa tsy mahay. Dia mba ampitaina anaty vaovao io fa mety ahasoa ny mpiray tanindrazana manan tetik'asa hamboly koa anie, ary izay ilay adidy masin'ny mpanao gazety, nosogonan'ny firehana pôlitika manokana sy ny fitiavam-bola be loatra, indrisy!

Nampidirin'i Echo @ 08:02, 2008-12-18 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox