« | »

Nandalo Zafy Albert: Vaky ny fonjaben'i Tsiafahy![updated]

2009-01-04 @ 10:49 in Andavanandro

Soa ihany, na dia zava-dratsy aza no nahafantarana azy fa, heno hoe nandalo teny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy ny filoham-pirenena teo aloha tamin'ny faran'ny taona teo. Ny toe-javatra notaterin'ny gazety manko dia hoe nipoaka tao anatin'ny fonja ny basin'ny mpiambina ny filoha teo aloha Zafy Albert. Gaga ny rehetra! Nahoana no tafiditra tao anatin'ny fonja ny basin'ny mpiambina ny filoha nefa dia oarara tanteraka izany?

Nanomboka tamin'ny namakiako io vaovao nipoahana basy io dia efa niandry fotsiny ny fahavakisan'ny fonja aho ary dia tontosa izany androany alahady maraina 04 janoary 2009 tamin'ny telo ora. Tena miala tsiny raha nampifandrayireo toe-javatra roa ireo satria izay no lojika tao anatiko tao na dia efa talohan'ny fahavakisana aza... noho ireny fahavakisana efa nisesisesy tetsy sy teroa ireny! Sarotra ho ahy koa noho izany raha tsy nampifandray ity toe-javatra ity ami'ny toe-draharaha politika mety hitranga atsy ho atsy! Tsy nisy nolazaina ny mombamomba ireo 21 nandositra, nisyy oatifitra nandritra ny fitsoahana fa mbola misy 16 no miriaria any ho any!
 
fanampiny:

toy izao io lahatsoratra io:
 
Taitra ny rehetra, na ireo gadra na ny mpiandry fonja, hatramin'ireo mpamangy naheno ny poa-basy tokana nirefotra tao amin'ny fonjan'i Tsiafahy ny 31 desambra lasa teo, tokony ho tamin'ny 3 ora tolakandro. Miaramila iray no voatifitra teo amin'ny takibany. Basin'ny mpiambina an'i Zafy Albert tonga namangy- tao an-toerana ity nipoaka ity.

Araka ny fanazavana, niaraniditra tamin'ny profesora Zafy tao amin'ny fonja ny mpiambina azy izay nahazo alalana hitondra ny basiny, na dia tsy tokony hisy fitaovam-piadiana tafiditra aza ao anatiny. Nifampiresaka tamin'ny miaramila iray namany ity mpiambina nanana basy ka taorian'ny resaka nifanaovan'izy ireo no nirefotra ny basy. Tsy nisy nahita mazava izay tena nitranga ny rehetra, na ny tompon'andraikitra tao amin'ny fonja na ingahy Zafy Albert, fa ny basy efa latsaka teo amin'ny tany no tazan'izy ireo taorian'ny fipoahana.

Nalefa teny amin'ny Hjra avy hatrany ilay naratra. Avotra soamantsara izy ary afaka ny bala tafiditra teo amin'ny takibany. Taorian'izay no nahalalana fa latsaka ilay basy ary izay no nampipoaka azy ary nandratra olona tsy nahy. Mifankahalala rahateo ireo miaramila roa ireto, ny iray mpiambina an'i Zafy Albert ary ny faharoa mpiambina ao Tsiafahy. Mara-nianatra izy roa lahy, samy zandary kilasy faharoa.

Marihina fa saro-pady ary avo lenta ilay basy nipoaka, marika Tamas. Olona manokana vao afaka mampiasa azy.

Tonga teny amin'ny fonjan'i Tsiafahy ny androtr'io ihany ny tompon'andraiki-panjakana nizaha ny zava-misy. Efa ny 1 janoary tamin'ny 3 ora maraina izy ireo vao niala teny an-toerana. Mandeha ny famotorana...

Yves S. (Mariho fa 2 janoary 2009 ity gazety Taratra nanatsoahako ny vaovao ity)

Fanendrena Minisitra:

Ireo Minisitra telo notendrena Androany alahady moa dia avy amin'ireo efa teo ihany dia: Atoa Bezary manase (fanapariaham-pahefana) sy Désiré Rasolofomanana ary Rakotonirina Gervais izay tsy arako ny toerana nanendrena azy.
 

jentilisa, alahady 04 janoary 2009

Hevitra

Baina aaa aza tonga dia mampifandray zavatra toa izany fa alao ambony alao ambany aloha raha tsy hoe "manonofy" angaha ianao hoe niverina tao am-ponja daholo ireo gadra nitsoaka rehetra. hihihihi

Nampidirin'i tebokaefatra @ 14:48, 2009-01-04 [Valio]

ssssssh

tsy aoka e,
procès d'intention
diffamation
assertion sans preuve

ny olona tsy nianatra sahala @ levalo, sy izay mpanohana azy tsy nianatra no manao toa anao

fa bien aloha @ le PUB ny blog-ny toi e, mitombo ny clicking

sao misy afo any aloha e!

Nampidirin'i salopard @ 17:49, 2009-01-04 [Valio]

Nandalo Zafy Albert: Vaky ny fonjaben'i Tsiafahy!

Dia tsy nahavita namoaka vaovao ity aho razoky androany fa dia niatrika ny fisavana karatra teny Ankadindratombo izahay mivady a!
Misaotra anao nampita, fa izao e! Sao haingana loatra kosa ilay analyse-nay nampifandray ireo rehetra ireo. Mety hitranga koa mantsy ny hoe "izay te-handoto no manao ny film"...Asa anefa!!! ???

Nampidirin'i avylavitra @ 18:40, 2009-01-04 [Valio]

efa niala tsiny mialoha aho fa izay aloha no hitako mialoha!

voatery aho aloha hamoaka ilay tamin'ny gazety angaha aloha!

Marina fa tsy misy porofo tokoa saingy ny fitohizan'ny toe-draharaha no nahavariana koa

Nampidirin'i jentilisa @ 19:34, 2009-01-04 [Valio]

Saiky adinoko! nanesorana ny fahefan'ny Praiminisitra ka lasa minisitra telo vaovao notendrena androany alahady!

rahampitso isika mahita azy!

Nampidirin'i jentilisa @ 19:37, 2009-01-04 [Valio]

io ary izy io tompoko o!

Nampidirin'i jentilisa @ 20:43, 2009-01-04 [Valio]

SALOPARD

Et alors, voatery hanaraka izay nolazainy ianao ve. raha mitatitra dia mitatera, aza manao commentaire et les 21 evadés et ces 16 recherchés. dia omeo eto ny source , le cause à effet, de zafy aux evadés. et aux recherchés. Mba eritrereto kosa, basy TAMAS iray ve hahavaky fonja, 3 andro aty aoriana. fa fonja inona izao izy izao. cours de recreation ny lycee n'ampefiloha angaha i tsiafahy. ary raha tetika hanaovana couvre feu avant ny 13 janvier io? na izany aza dia i toi no mandresy e! nahomby le PUB, mitombo ny clicking
Nampidirin'i salopard @ 21:47, 2009-01-04 [Valio]

han han

nandalo izy,nisy basy nirefotra, basy iray ihany tsy nisy fonja vaky aiza ny relation cause à effet ny zafy nandalo , sy fonja vaky , sy 22 evadés, sy 16 recherché, 4 jours après vaky ny fonja. ny gazety milaza, titre:zafy nitsidika, miaramila iray voatifitra 31/12/08. ny titre-nao : zafy nandao fonja vaky(4 jours après) avy eo lazainao fa 22 nandositra, 16 recherché,satria nandalo zafy? misaotra na izany aza fa tafa le pub-nao e! mitombo ny clicking
Nampidirin'i karatra @ 23:16, 2009-01-04 [Valio]

Aza mora miakatra enao baina aaa! tapaka lalandra amin'izany enao an!

Nampidirin'i jentilisa @ 04:46, 2009-01-05 [Valio]

ka ahoana ary?

Lavinareo tokoa ny lojikako tamin’ity toe-javatra iray ity saingy izao, ilay poa-basy tamin’ny 31 araka ny fijeriko azy dia « manœuvre de diversion pour attirer l’attention au coup de feu », nefa ery ambadika ery mety ho nisy fifampitan-javatra tsy dia mazava…

Efa lasan’ny poa-basy avokoa ny fifantohana ka mety hisy ny nanana fotoana nataon’olon-kafa nampita ireo fitaovana nangadiana tao anatin’ny telo andro monja araka ny filazan’ireo tratra ny lavaka nahafahana nandositra. Nanana ny lazany mihitsy aloha ity Prison Break iray ity.

Nampidirin'i jentilisa @ 14:51, 2009-01-05 [Valio]

Nandalo Zafy Albert: Vaky ny fonjaben'i Tsiafahy!

Tena ity hafatra farany nampitainao ity no mety ho azoko eritreretina ho tena izy Razoky a. Diversion natao hanapahana fifantohana, dia avy eo malalaka ny làlana. Tena mety io no izy

Nampidirin'i Avylavitra @ 17:54, 2009-01-05 [Valio]

ok

Jentilisa, Avylavitra >> azo eritreretina tokoa io ahiahinareo io.

Fanampin'izany, "raha" tsy ara-dalàna tokoa ny fitondràna fitaovam-piadiana tao am-ponja, eny fa na dia avy amin'ny olo-mana-kaja tokony arovana aza, dia ataoko fa efa nisy fahadisoan'olona ao. "Raha" hoy aho satria izaho manokana dia tsy mahay ny lalàna manan-kery voasoratra :).

Farany, matoa nisy basy nipoaka tao dia tranga telo no mety niseho :
- fiarovan-tena ara-dalàna na
- fahadisoana tsy nahy nahy, na
- fihetsika niniana natao ary mody atao hoe "tsy nahy".

Nampidirin'i Tokinao @ 21:20, 2009-01-05 [Valio]

mitovy hevitra @ Tokinao :)

aiza koa no hisy garda kaoro handatsaka basy @ tsinapa izany :)
zany ve no hianteheran'i zafy albert hiambina ny ainy tssssssssss

sady izay ndray nga tsy misy securite ny basiny fa tonga dia mipoaka wazy... et encore mbola mila voapotsitra ny gachette... be loatra le joincidence.

Na zany aza aloha refa tsy misy porofo tokony presumption d'inocence no tokony hijerena azy ee...

zany hoe wait and see

bonane aloha rajentl a
mirary soa

Nampidirin'i simp @ 21:53, 2009-01-05 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox