« | »

Fandrobana: raikitra ihany koa ny any amin'ny faritra samihafa!

2009-01-27 @ 09:25 in Politika

Vaky vao maraina ihany ny fandrobana ny toeram-pivarotana rehetra any Mahajanga. Efa niomana hanao fihetsiketsehana (sanatria hiafara amin'ny fandrobana koa ve) ny any Toliary (vaky koa ny magro toliary 11:20) , ary nanambara i Roland Ratsiraka fa tsy maintsy hisy fihetsiketsehana any Toamasina (vaky koa ve!) Anio...Ao Antsirabe efa nalaina hody avokoa ny mpianatra rehetra satria ho avy sy handrasana ao amin'ny tranompokonolona ilay razana taty amin'ny fanafihana an'Anosipatrana (MBS). Vory ny "jiolahimboto" rehetra ao amin'ny tranompokonolona izay akaiky dia akaiky an'Antsenakely. indrisy ry fireneko! tsy hanome vaovao lava intsony aho na dia efamanana lahatsoratra lava aza. Aleo amin'ny manaraka fa ontsa loatra ny fo! Tsy mety miditra an-tsehatra kosa ny mpitandrony filaminana rehetra!


jentilisa 27 janoary 2009

Vaky ny Tiko Ambanja 12:00 
 
[Na dia tsaho tsy azo hamarinina aza dia aleo soratana ihany fa sao sanatria marina: Heno fa tsy manaiky hifampiresaka amin-dRavalomanana indray Rajoelina raha tsy tetezamita no resaka, ary ny manaraka izany dia nampitandrina izy fa izay faritra rehetra tsy mihetsika (sa tsy mandroba no marina kokoa?) dia tsy hahazo anjara minisitra amin'ny tetezamita ho avy eo), Avy eo isika manamarina azy] 
 

Hevitra

news2dago

Mahereza e! manjaka ny devoly aloha hatreto

Nampidirin'i news2dago @ 09:51, 2009-01-27 [Valio]

misaotra fa manara-baobao amin'ny blaogy sy ny twitter sy izay rehetra ahitana loharano izao no asanay aty lavitra aty, mitaintaina mafy tsy mahita raha ambara intsony.

http://search.twitter.com/search?q=%23madagascar

Nampidirin'i ikalamako @ 10:15, 2009-01-27 [Valio]

mandroba

Voakarama ohatrinona ianao io ??? misy toerana anga any @ny afobe miandry an'i Devoly faha8n'ny firenena ???

Nampidirin'i rabary @ 11:09, 2009-01-27 [Valio]

misaotra tompoko ô

dia misaotra ny olona toa anao fa dia tsy mitandro hasasarana mihezaka ny hanome vaovao eto e!
Dia mirary taona sambatra e!
dia ho ela velona sy hilamina ny tanindrazana hany fananana hiombonana e!

Nampidirin'i randrema @ 11:33, 2009-01-27 [Valio]

NIKATONA NY FORUM TIAKO I MADAGASIKARA

DIA NAKATONA ILAY IZY FA ...

Nampidirin'i TSONTSORY @ 11:41, 2009-01-27 [Valio]

Tsy misy Minisitra miandraikitra ny filaminam-bahoaka itsony angaha rey olona o...?

Sa rehefa vaky ihany ny fonja vao misy Minisitra mikarakara izany?...

Mifangaro voraka ity ny tsy ara-dalana sy ny ara-drariny, ny tsy ara-drariny sy ny ara-dalana...

Nampidirin'i ndrema @ 12:06, 2009-01-27 [Valio]

Misaotra anao aloha nampita ny vaovao é!F'angaha ianao tsy mba anisan'ireo vahoaka noana sy mitady fiovana ireo no dia manenjika mafy ny mba antenaina hamonjy!Fanantenana toa izao anie no nahavitana nanongana na-dRadidy é, dia vao maika loza fa nanatavy ny harenany...Sa ianao koa anisan'ireo nihanatavy!!!Fa raha mijanona eo ianao fa tsy mihetsika dia tsy ho avion-na 60 millions de dollars intsony no hivoaka avy any fa asakasakao mbola mitazona izao hevitrao izao!Ampio izy hivarotra ny firenena é!

Nampidirin'i JAO @ 12:21, 2009-01-27 [Valio]

aleo kosa izy hitantara amintsika ny zavatra hitany sy tsapany any an-toerana e!!!!

misaotra @ fampitam-baobao hatrany ô!

Nampidirin'i sipagasy @ 12:44, 2009-01-27 [Valio]

Indrisy mantsy ry jentilisa, nilavo lefona sahady ve, aza ontsa izany ny fo fa mbola aiza no hanaovan-dr8 anao e, io anie ry jentilisa tsy vitan'ny mitantara lainga fotsiny famba mijery ny realité e, efa mandeha indray izao ny radio viva raha tsy ampy vaovao ianao hi hi hi
Nampidirin'i TGV purcent @ 12:59, 2009-01-27 [Valio]

Misaotra anao miezaka mampita izay zava-misy any Madagasikara hatrany.
Indrisy ry fireneko...

Nampidirin'i smiley @ 13:03, 2009-01-27 [Valio]

jentilisa

Ho an'i Tsontsory alias TGV purcent

Faly mihitsy ianao ao Frantsa ao fa mikorontana i Madagasikara an! Eny ho'aho... efa renay anie ary fantatray tsara ny fandehanany e! rehefa masiaka ny ao aminareo azonay atao tsara ny mamaly. Tsy raharahanareo izay fijalian'ny vahoaka any fa ny hiverina amin'ny fitondrana ihany no mahamay anareo. Misaotra tompoko ô!

Nampidirin'i jentilisa @ 13:36, 2009-01-27 [Valio]

Izay efa vosoratra kosa alefaso ra-jentilisa a! Izaho tena pour an'ilay hoe aleo miala izy raha tsy mahavita azy fa ilay fomba fanalana azy no tokony hampiseho fahendrena kokoa noho izy alàna fa tsy hoe saim-boto, vakio ny tranony dia simbao ny entana, dory ny izao sns, tsy saina no mitondra fa hambom-po sy fialonana. Aoka hazava fa samy hafa ny cas Radidy sy Ravalo ka tsy tokony hatao tradition ilay fanimbana zavatra analana olona teo: "Valio aho, valio aho ry Antananarivo" hoy ny hiran'Ny Ainga izay ....
"Izao ve ny modelin'ny demokrasia ry Andry kely a?" hoy ny senton'i Jesoa ao ambony mijery anao

Nampidirin'i Mbola ho ela, mbola ho ela @ 13:41, 2009-01-27 [Valio]

aza kivy

Aza kivy ry Jentlisa, samy manana ny heviny.

Fa ampitao ihany ny vao2 sy ny fihetsempo. Saingy ataovy mazava, inony vao2, inona ny fihentsempo ary inona ny honohono.

Ireo mpialona sy mpandrava efa hahita fa tsy...hiha tsara mankaiza, rehefa tafaverina hitaingina azy mianakavy i ratsy menakavy, ny Padesma, Psd, Arema, Undd, sy ny CRN rehetra.

Mitady demonycrazy izy reo ka nahita rajoelina...

Nampidirin'i ketamanga @ 14:24, 2009-01-27 [Valio]

matoe io boay kely io miridiridy tahaka an'io, mbola matanjaka noho ratsiraka ao ambadiny ao. Goavana be io.

Io toe javatra io no mahatonga ny Fanjakana minia tsy mampitifitra ny miaramila satria efa andalana akaiky dia akaiky ny fanapotehana tanteraka ny Institutions rehetra eto raha toa tafavadika guerre civile no misy eto.

Zava doza, kanefa aleo ijanona amin'ny fandrobàna ny korontana toy izay tafavadika amin'izay nahazo an'i cote d'ivoire sy rwanda.

Nampidirin'i Tsiresy @ 15:58, 2009-01-27 [Valio]

Manontany ny hafa eto Madagasikara aho. Misokatra ve ny compte mail yahoo-nareo? tsy mety misokatra tsyhita ny yahoo mail-ko eeee

Nampidirin'i jentilisa @ 15:59, 2009-01-27 [Valio]

Tsy misy ekipan'ny amiraly miverina izany nama eo na in na in na tgv jiolahimboto aza efa brulé politika koa ankehitriny

Nampidirin'i news2dago @ 16:21, 2009-01-27 [Valio]

Andraso TGV fa io no mpamonjy, JEREO SAHADY ITY ATAONY, koa mahatatesa raha io no mba hatao hoe filoha eo, mirehatra daholo izay tsy tiany !!! Va au diable ce pti mec morveux ! Dia efa miandry atsy ry deba mianakavy. Mandehana manao tour du monde farany @ force one ry Ra8 a, ty koa anie manafangaro firenena sy harena e !

Nampidirin'i Nirina @ 16:33, 2009-01-27 [Valio]

Nitady demonycrazy ka nahita Rajoelina!

- 17H12 : Andapa : Attroupement devant Tiko
- 17H10 : Toyota Rasseta Sambava dévasté. Assaut sur magasin Dounia déjoué.
- 17H02 : Antsirabe : Magro, shoprite et Courts pris pour cibles
- 17H01 : Sambava. MBS en feu. Les manifestants se regroupent devant
Sunny Hotel ( Rasseta )
- 17H00 : Le consulat de France de Tana demande a ses ressortissants
de rentrer avant 18h pour causes d'opérations de maintient de l'ordre
cette nuit.
- 16h58 - Fermeture de sites web en cascades ! Madagate.com, 13mai.com
, onilahy.com... !
- 16h54 : Le général en retraite Désiré Ramakavelo estime qu'il faut "
un gouvernement de transition"
- 16h47 : Sambava : grossiste Donia dévasté
- 16H40 : Tamatave : Magro incendié. Militaires en fuite. Camion tiko
incendié. Bianco saccagé.
- 16H40 : le site pro Tgv Madagate.com fermé en France !
- 16h35 : Tiko Vohémar incendié
- 16H32 : Magro Fianarantsoa vient d'être pillé
- 16H27 : Tirs de mitraillette devant Magro Tamatave
- 16H25 : Ny Hasina Andriamanjato, Elia Ravelomanantsoa, Andry
Rajoelina affirment faire l'objet d'un mandat d'arrêt. Pas de
confirmation gouvernementale.
- 16H16 : Tuléar : Pillage Magro depuis ce matin à 11h.1 mort. Bureaux
du Bianco dévasté
- 16H13 : Radio Rdj emet de nouveau
- 16H10 : Ravalomanana demande aux provinces de ne pas tout détruire.
Ravalomanana en appelle aux raiamandreny et promet une démocratie
- 15H44 : Silence radio du coté du gouvernement. Aucun ministre ne
veut s'exprimer.
- 15H39 : Andry Rajoelina indique qu'il fera une grande déclaration
demain place du 13 mai
- 15H30 : Sambava : magro pillé
- 15h28 : Sambava : Attroupement devant le grossiste Donia et la station Total
- 15H15 : MaTV emet de nouveau
- 15H08 : confirmé : 5 morts a Antanimora ( prison )
- 15H06 : Une entreprise japonaise attaquée à Ivato ( daiho )
- 15H05 : Attaque imminente du magro Nosy be
- 15H02 : rotaka à Tamatave. Manifestants brandissent portrait de D. Ratsiraka

27 janvier 2009 - 18:29

Nampidirin'i ketabozy @ 18:28, 2009-01-27 [Valio]

niverina @ laoniny ve le compte mail yahoo ry jentl ?
Ny ahy aloha tsy yahoo e...

Nampidirin'i ikalamako @ 18:38, 2009-01-27 [Valio]

Fandrobana: raikitra ihany koa ny any amin'ny faritra samihafa!

Mankasitraka sady mankahery kanjo r'i Jentilisa a!
Higoka ny mamin'ny ezaka ataonao @ tsy filazana afa-tsy ny marina ianao atsy hoatsy.
Tsy maro intsony ny olona manana izany sotoavina anananao izany ankehitriny, ka ho maro no hitady anao.
Manelingelina ny hafa izany dia io ezahiny somparina sy kiviana io;

Ho mariky ny fankasitrahana sady fankatoavana ny ataonao dia ito misy “vaovao”:

IZAO AN!
- sokafy ny sofina - maso - indrindra ny fandraisam-peo sy sary

- araho maso akaiky Ingahy Mera, arovy aza angamba ny marimarina kokoa!

Ts'izany fa re tsiliantsofina izao fa efa te-hilefitra izy saingy matahotra ireo Kongona be ao andamosiny ao!

Na dia mampi-te hanao hoe avelao ho hitan'ny havany eo aza, arovy hoy aho satria raha vao mihemotra eo izy dia rava ny teti-dratsin'ireo tsy mataho-tody.
Tsy irin'ireto farany mihitsy anefa izany ka mety tsy ho lainga ihany ny tenin'ny namana iray milaza hoe:
-ampiadiany samy ... … ... aloha, avy eo ajedany I … … … dia ... ... ...

Aza hitako anie izany Rey Razako ôôô!
Tena ady an-trano anie no tadiavin’izy ireo e!

Izay fa dia Samia soa e!

Nampidirin'i tiapasifa @ 19:00, 2009-01-27 [Valio]

T@ voalohany aho dia nihevitra hoe tena mivaralila ny m..... nefa hita rehefa sainina tsara fa fampiadiana samy m..... ny tantara, iza no ao ambadika te-iverina ary ô ?

MANKASITRAKA ANAO AHO RY JENTILISA ARY MIDERA ANAO KOA @ VAOVAO AMPITAINAO !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 19:17, 2009-01-27 [Valio]

itako tao@sobika.com

Top secret
Invité

A LIRE ET A DIFFUSER
Posté le: Jeu Jan 29, 2009 13:23

--------------------------------------------------------------------------------
Dites à tous vos proches que toute cette trouble a été préparée de très longue date par différents groupes, profitant de la faiblesse de tout un chacun. De source très très source, il y avait, en synthèse, 3 niveaux dans les 3 groupes.

Le niveau 1 : noyau dur, très très dur et impénétrable. Tout s’est fait dans le secret le plus total. Ils se sont réunis depuis 5 ans (sinon un peu plus ) en France :

Niveau 1 : So.phie Ra.tsira.ka, Di.dier Ra.tsiraka, Ro.land Ra.tsiraka
Pi.errot Ra.jaonari.velo, He.rivelona Ra.manan.tsoa, Tsai.kason, Tan.tely An.drianarivo, To.tobe Nazara, Rina Ra.kotomanga, Tsa.ranazy Jean. Emi.le, Lala.tiana Ra.vololomanana, Da.niel Ra.jakoba, Be.tsimifira, An.driamanjary Jean André, famille Lahady, famille Coutiti, famille Soa.line, Général Do.llin, Vaovao Benjamin …
Ce sont ces personnes qui savaient pertinemment qu’il y allait y avoir une milice armée pour ces troubles ( ce qui n’est plus à démontrer aujourd’hui )

Nouveaux arrivés dans ce niveau 1 : Andry TGV, Rija Ra.joelina dit Rija diable , Alain Ra.jaonarivony, Augu.tsin An.driamananoro,
Personnalités industrielles françaises avec des personnes de la région île de France ( Paris), personnes du ministère des affaires étrangères en France.

C’est grâce à ce niveau 1 que Andry TGV semblait aussi confiant, jusqu’à défier Ra8

Niveau 2 ( surout des mérinas aisés mais en voulant à Ra8 : Na.dine Rama.roson, E.lia Ra.velomanantsoa, Phillipe Ra.velomanantsoa, Nhiry Lanto , Edgard. Raza.findravaha, A.lain Rama.roson, Razakan.disa, Jeannel Ra.marofidy, Ramanan.draibe, Jea.nnot Ra.mambazafy (journaliste CUA), Pa.scal Ra.kotomavo,

Niveau 3 : Ancien TIM ( Mada, France, Suisse ) , anciens députés, anciens ministres ( Théo.dore Ranjiva.son, Rebo.za, Andriaman.jato) bref les anciens compagnons de route de Ra8…

Sachez une chose : Si Ra8 chute, si le niveau 1 qui gouvernera le pays ( Spécialiste des élections, connaissent bien les rouages du pouvoir, connaissent les bailleurs de fonds, surtout en France.

Donc, NE VOUS LAISSEZ PAS BERNER PAR CETTE LUTTE TGV . IL N EST QU AU NIVEAU 3

Message à diffuser (faîtes des copier-coller, mailing liste, téléphone, sms, réunion…), à traduire, C’est utile si nous ne voulons pas une guerre civile à Mada. Les milices resteront malheureusement avec des actions ciblées. Méfiez-vous des personnes susmentionnées. J’invite ceux qui connaissent plus d’infos à les diffuser.

Nampidirin'i malahelo @ 17:13, 2009-01-29 [Valio]

Roasina amin'ny alalan'i Jesosy ny devoly ao aminareo fanatikan'ny TIM ireo

Raha dinihana ny heloka vitan'Ingahy Ravalomanana nandritry ny 7 taona nitondrany ny firenena izay dia izany tokoa no fanontaniana tonga ao an-tsaina avy hatrany.

Rehefa miresaka ny dokotera maromaro, indrindra ireo "psychiatre" (dokotera mpitsabo ny marary saina) dia tena "paranoiaque" mihoatra lavitra noho Ingahy Ratsiraka Ingahy Ravalomanana.

Raha dinihina indray ny fomba fitondrany dia tena fihantsiam-bahoaka hanao korontana no tetehiny satria misy fetrany ny fandeferan'ny Vahoaka amin'ny fitondrana tsy rariny atao aminy araky ny efa niseho matetika teto ka nampidaraboka ny fitondrana nampahory Vahoaka.

Fa hatramin'izay dia nahay nandrodana isika anefa tsy nahay nanagana satria tsy niomana ka ny fahavalontsika efa famantsilahy no nahapetraka hatrany eo amin'ny fitondrana ny olony.

Koa inona no hataontsika handresana izao fahantrana sy fahatratrarana aoriana izao ? Fa Tsy mety intsony ny miari-pery ary tsy ampy intsony ny mitsikera fotsiny.

"Amin'izany dia tsy maintsy itokisan'ny Vahoaka sy tohanany isika, fa tsy misy hery mahatohitra ny herim-bahoaka miray hina. Mijoroa fa lehilahy ! Fohazy ny hambom-po fa vehivavy ! Arodany ny mandan'I Jeriko ! Ento miakatra ity Firenena ity !"

"Ho an'ny mponin'Antananarivo ny arivo lahy, tsy maty indray andro !"

Koa "ANDAO ISIKA HIOMANA HANDRAY NY FITONDRANA".

Nampidirin'i Arovako ny tanindrazako @ 09:41, 2009-02-06 [Valio]

Hampiditra hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox