« | »

Kianjan'ny 13 mey: Azo tamin'ny alalan'ny fetin'ny lainga!

2009-04-02 @ 08:31 in Politika

Hatry ny ela no nahitako fa toa niaina anaty tantara mahatsikaiky ny Malagasy hatramin'ny niandohan'ity taona ity. Ny nanahirana fotsiny dia noadinoiko hatrany ny nanasongadina izay lafiny mampihomehy izay. Ny fomba tsotra indrindra ahatsiarovana izany manko dia amin'ny alalan'ny fampitahana ny tolona teo aloha rehetra amin'ny tolona roa sosona natao tamin'ity taona 2009 ity. Omaly voalohany volana aprily aza moa hita indray izay lafiny mampihomehy izay eo anivon'ity fisiana faharatrana isan'andro ity. Vao maraina ny fanentanana tao amin'ny radio mada (izay marihina fa feo tsy fantatry ny olona intsony no tena manentana ao ankoatra ny famerimberenana ny tenin'ny filoha Ravalomanana ialohavana na ravahana ny hiram-panentanana tamin'ny 2001 sy ny "Madagasikara tanindrazanay" (Mdrm 1947) hatrany) milaza ny hahatongavana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey avy hatrany, fa efa nahazo alalana tamin'ny prefet de police (mba mahagaga ihany), ary efa arovan'ny Emmonat ( vondrona efa tsy misy intsony amin'izao fotoana izao) koa ny mpanaraka ny ara-dalàna.Nihomehy anaty ihany aho nandre ilay fanentanana nefa azoko tsara ny tiana ahatongavana. Raha mahomby ny antso (ary izany no nitranga) dia tsara ny paika, fa raha tsia kosa dia lazaina tsotra hoe fetin'ny lainga no nanaovana ny fanentanana. Ny mpanohana ny ara-dalàna moa tsy te-hahalala izany fa fotoana fanararaotra izany antso izany hisehoana indray.

Hanao fampahatsiahiana kely indray aloha na dia izany aza. Ny Asabotsy 28 marsa 2009 dia natao ny fanentanana teo Ambohijatovo mba handehanan'ny rehetra hanatrika ny fotoam-pivavahana tontosain'ny fjkm ny alahady 29 marsa 2009, na dia fantatra aza fa tsy fjkm daholo akory ny mpanao fihetsiketsehana hamerenana ny ara-dalàna. Etsy ankilan'izany, maro tamin'ny mpivavaka amin'ny fjkm tsy mankasitraka ny hamerenana ny ara-dalàna no nilaza fa tsy hankeny Mahamasina mihitsy amin'io fotoana karakarain'ny foibe fjkm io. Etsy ankilan'izany, misimisy ihany koa ny tsy fjkm no nizotra ho any amin'ity fotoan-dehibe teny Mahamasina ity. Ny fihetsiky ny mpanatrika rehetra teny koa dia azo itarafana fa fisehoana endrika hafa ny tolona fotsiny iny teny Mahamasina iny. Noho izany, na dia tsy naseho aza ny lafiny politika tamin'ity fotoana ity dia nataon'ny olona ho hetsika politika ihany ilay izy. Toy ny nataon'ny jina sy ny panama tao anatin'ny mdrm taona 1947 ihany izany no nataon'ny mpanao fihetsiketsehana hamerenana ny ara-dalàna tamin'ny andron'ny alahady. Nandritra io fotoana io dia nisy ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notontosaina teny Andohalo katediraly niaraka tamin'ny mpitondra tetezamita. Nobahanana avokoa ny lalana miakatra mankany rehetra, hatreny Ambohijatovo ka hatreny Ambohidahy (tsangambaton'ny firaisambe Afrikana). fa raha tarafina ny olona nanatrika teo Ambohijatovo tamin'io andro io dia azo itarafana fa efa tsy miova fa eo ho eo amin'ny 1500 eo hatrany ny manatrika ny fotoana tontosain'ny fitondrana tetezamita eto Antananarivo. Ny teny amin'ny fanokanana ny tsangambaton'ny 7 febroary 2009 teny amin'ny kianjan'ny 13 mey aza moa dia olona 50 no nanatontosa izany, ary endrika mpanendaka izany daholo no tena vory teo ankoatra an'i Alain Ramaroson sy Pierre Andrianantenaina. Indrisy moa fa tsy manana sary hanaporofoana izany aho.

Ny alatsinainy 30 marsa 2009 moa ireny iaraha-mahalala ireny fa fanendahana eran'Analakely tany amin'ny pavillons tany no nataon-dry zalahy rehefa tsy nidina nanaraka an'Analakely ny mpanao fihetsiketsehana hamerina ny ara-dalàna. Nihevitra avy hatrany moa ny rehetra fa solon-karama no anton'ireny fanendahana ataon'andian'olona mahatratra 20 ireny. Mazava loatra fa ireo no tena fanta-daza ho mpitolona mafana fo ao amin'ny TGV, ireo andian-jiolahy nivondrona noho ny toe-draharaha ireo izany lohalaharan'ny TGV izany. Izay rehetra somary fotsy fihodirana ka madiodio akanjo no endahina amin'izany ary todroina ho tim hatrany moa. Mazava loatra fa misy dia misy ny sorena amin'ny olo-tsotra mpanohana ny tgv satria olona fanta-daza loatra ao amin-dry zareo ihany no tena mpanohana sy mpanakarama ireto andian-jiolahy ireto.

Ny talata 31 marsa 2009, ny avy amin'ny gadra afaka indray no nahazo alalana hamory olona eo Ambohijatovo. Ny tanjona kendrena moa dia ny tsy hananan'ny mpanohana ny famerenana ny ara-dalàna toerana hivoriana intsony. Noho ny fanentanana natao ny alatsinainy fa tsy hiala eo Ambohijatovo ny mpanohana ny ara-dalàna dia mbola nisy ireo vitsivitsy tratran'ny mpanendaka tao anaty kianja. Voatery niaro tena ireo olona ireo na dia nandositra aza, vetivety ihany moa dia voafehin'ny gadra afaka sy ny higadra rahampitso (ex-detenus sy futur detenus) ny kianjan'Ambohijatovo. Nandritra ny fotoana nanaovan'ireto olona ireto ny fivoriana nataony dia maro dia maro ny olona voaendaka tamin'iny lalan'Ambohijatovo iny (na ambony na ambany), ary hatreny amin'ny carrefour Ambatonakanga (manoloana ny fjkm Ambatonakanga) moa dia maro ireo jiolahy ireo no manendaka izay varimbariana tsy nahatandrina ny fisian-dry zalahy teo. Maro ny fiara nandalo (indrindra fa ny fiarakaretsaka) no najanon-dry zalahy tgv ary dia nendahiny avokoa izay zavatra teny ankoditry ny olona tao anaty fiara. Izao sisa Antananarivo, ny jiolahy voavondrona no manjaka eran'ny tanàna, tsy sahy mikitika ny mpitandro ny filaminana satria nahazo alalana hivory tsinona ry zareo.

Tena mitovy loko ireo olona nivory teo Ambohijatovo tamin'ity andro ity, ary na dia izay somary fotsy fihodirana nefa mpanohana ny tgv aza dia mangovitra raha hankao izany. Hitandry zalahy ny namana iray fokontany amin'ny tena sady tena mpanentana ao amin'ny fikambanana tgv mihitsy, ary dia voadarodaroka avy hatrany, satria hoe "io ilay ra-bidon" nokaramaina hitarika ny gros bras araka ny filazan'ny radio viva, fony nisy nikasa hanafika teto 67ha avaratra andrefana ny andian-jiolahy. Hita izany ankehitriny fa hay ireto lohalaharan'ny tgv ireto ireo nikasa hanafika ny fokontany misy anay saingy tsy nahombiazana mihisy moa. Hay tsy "Ra-bidon" fantatry ny ety amin'ny tanàna ilay notondroina hatrizay fa ilay tena anisan'ny mpanentana ny tgv teto amin'ny fokontany ihany. Noho ny toerana azony moa dia tsy hampiala azy amin'ny tgv io vono sy daroka ary fanendahana ataon'ny mpiara-mitolona aminy io (nefa aleo koa ho tsapany ny fahoriana mahazo ny olona ka!). Mazava loatra izany fa rehefa tsy mahita olona torahana vato ry zalahy ireo dia raikitra amin'izay ny fanendahana eran'ny tanàna. Tena miditra tolona vaovao mihitsy ny vahoaka Malagasy raha mba mahatsapa ry zareo... nefa arakaraky ny tsirairay ihany na hanaiky ny fampihorohoroana izy na tsia.

Tonga ny alarobia, nandeha ny fanentanana tao amin'ny radio mada, tonga ny olona. Tratran'ny fahadisoana nataony ny mpanohana ny tetezamita. Nenjehiny avokoa tsinona i Babay sy Lohavohitra (Ambohijatovo sy Analakely). Tsy maintsy nizara ny mpandrava hetsika, zara raha nahatratra 100 sisa ny nanatrika ny fivoriana teny Ambohijatovo notarihan'i Merci Ratoabolamanana, efa mahazatra azy aloha ny mikabary amin'isan'olona tahaka izany izay nataony tany Antsirabe e! Tsy zakany rahateo moa ny mahita ireo mpanao fihetsiketsehana anarivony hamerenana ny ara-dalana eo anoloan'ny gara Antsirabe (tsangambaton'ny fahaleovantena) ka aleony mipetrapetraka aty Antananarivo. Tsy matahotra gidragidra sy ramatahora intsony ireo tonga nanatrika ny fotoana voalohany teny amin'ny kianjan'ny 13 mey fa efa fiainana andavanandro rahateo moa izany. mazava loatra fa vitsivitsy kokoa noho ny isan'nadro ireto tonga ireto satria ny vatan-dehilahy no tena niatrika teny fa vitsy kokoa ny vehivavy. Noravaina mialoha tsy nisy toraka baomba mandatsa-dranomaso moa ity fotoana ity fa natao ho santatra ambavarano fotsiny.

Ny tsikaritro teto 67ha kosa dia nandalo teto ny fiaran'ny filohan'ny tetezamita, soavaly vy roa sy fiaran'ny polisy tsy misy afa-tsy ny saofera no ao anatiny ary fiara pick up iray no miambina izany filoha izany. Tao anaty pick up no nahitana ireo mpitandro ny filaminana manao palitao sy pataloha manga antitra, ary tsy mitondra fitaovam-piadina izy rehetra ireo. Ny miaramila nanao fanamiana tao anatin'ny fiara misy soratra hoe "filoha" moa dia miaramila Frantsay iray izay. (vazaha be aloha no hitako fa heveriko fa frantsay avy hatrany izy e!). Tonga tao an-tsaiko avy hatrany fa lasa any Toliary sy Fianarantsoa avokoa izany ho'aho ireo tena mpitam-piadiana hita isan'andro ireny. Azo tarafina avy hatrany noho izany ny isan'ny miaramila tena manaraka ity fitondrana tetezamita ity.

Marihina moa fa efa nofoanan'ny fitondrana tetezamita ny Bianco sy ny CIS (Central Intelligence Service) ary nosoloana sampan-draharaha miankiana amin'ny filaminana anatiny hanao fanadihadiana ny fandrobana nialoha, nandritra, ary ny taorian'ny tolona ireo sampan-draharaha roa ireo ary manana ny foiben-toerany eny amin'ny Villa la Piscine Ambohibao ihany.




jentilisa 2 avrily 2009 amin'ny 10:31

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox