« | »

Baomba nipoaka, hono, dia nisy nanafika, hono, ny Viva?

2009-07-19 @ 20:51 in Ankapobeny

Na dia nieritreritra ny tsy hanoratra intsony aza aho araka ny nolazaiko taminareo ao amin'ny twitter sy friendfeed mandra-pahatongako avy any amin'ny toerana vitsivitsy eto Madagasikara hotsidihako amin'izao vakansy ataoko izao dia tsy laitra ny aretin'ny fitiavan-kanoratra sy ny hevitra mibosesika fa dia nopihana indray ny solosaina dia notendrena ny vatamarobokotra.
 


Tsy nieritreritra izay hihaino radio sy hijery televiziona ny tena fa dia ny antso mifandimby ataon'ny any amin'ny faritany no nahenoako ny fisian'izany baomba nipoaka namely ny manamboatra azy teny Ambohibao izany sy izany fanafihana ny foiben'ny Viva Ambodivona izany. Nandeha tamin'ny TVM, hono, izany vaovao izany ka ny Kolonely mitovy anarana amin'i "dada" indray no nilaza ireo vaovao ireo tamin'ny mpanao gazety. Mbola fanontaniana ato amiko aloha ny hoe nantsoin'ireo mpanao fanadihadiana teny an-toerana nitrangan'izany fipoahana baomba izany ve ny mpanao gazety hanamarina ny fisian-javatra sa efa any amin'ny toby vao nampiantso ry zalahy? Raha Ambohibao dia Ambohibao taiza ho aiza tokoa aloha? Teny an-tsena ve? Akaikin'ny Ambasady Senegaly ve? Sao dia tao amin'ny CNME na FIS kosa? Mba hitan'ny rehetra ihany manko ilay fiaran'ny FIS tsy mitsahatra ny mihaodihaody (fihantsiana mihitsy fa izany hoe tsy ihogahoga azy mihitsy manko ny olona) mandalo mandrakariva ny anoloan'ny vavahadin'ny Auditorium nandritra ny fotoana ny sabotsy iny. Nitady gidraka ry zalahy saingy tsy nahomby (fa iza moa ny gazety hilaza izany?).

Efa somary nahavaka ahy ihany koa ny filazan'ny tao amin'ny FAT tao tamin'iny herinandro iny na talohan'izay tsy tsaroako tsara intsony fa hisy hetsika lehibe hataon'ny miaramila atsy ho atsy(!). Sao dia izay kosa ary ilay zavatra noketrehiny? ahiahy ny ahy aloha fa tsy voatery ho marina. Dia  nisy miaramila sahisahy tsy manana fiarovan-tena izany, hono, nidezamôrsa ny baomba teny amin'ny toby nahitana izany. O lehiretsy e! baomba tsy hipoaka kosa ve no dezamôrsena hipoaka moa? Ahiahy ihany ny ahy fa tsy voatery ho marina. Fa ny tena mahavariana amin'ity tantara ity dia amin'ny andro iantsoana ny ankolafy politika eto Madagasikara hifandamina any amin'ny foiben'ny Firaisambe Afrikana no nisian'ity tranga izay ny TVM no namoaka azy voalohany. Maninona moa raha tsorina fotsiny hoe tsy hanatrika velively izany fifandaminana any Addis-Abeba izany izahay dia vita kabary? Dia eto aho vao tonga saina nahita iny Jeep miaramila nandehandeha nivezivezy androany teny Analakely nizesta nanambana basy toy ireny misy fahavalo ireny eo anoloany.

Fa ny tena nampihomehy ahy dia ireo mpanapoaka baomba nibaradaka avy hatrany fa mpivory eny amin'ny Magro raha vao nohadihadiana. "Cinéma! Cinéma!" izay avy hatrany no hambaran'ny mpanoratra amin' izany rehetra izany. Ny fanazavana ataon'ingahy ao amin'ny zandary mihamalaza amin'izao fotoana izao, sady mitovy anarana amin'i "dada" rahateo izy araka ny itenenanany no mahamaizina ny zavatra ambarany. Nisy rangahy nahitana planina ny manodidina ny Viva sy ny Injet izany koa, taiza io rangahy nahitana planina io? Tany Ambohibao ve? raha tany manko dia tena milaza fahavendranana mihitsy ho an'ny roa tonta. Vendrana ny manao ny "fampihorohoroana" satria tsy fanao mihitsy izany mitondra "porofo" izany na inona na inona antony rehefa hanao zavatra tahaka itony. Vendrana ny "mpanadihady" satria dia tsy noraisiny ho zava-dehibe hanaovana fanairana avy hatrany ny fahitana "porofo" sahala amin'izany. Fa tahaka ny kisendrasedra ihany koa ho'aho e! Toa any Maorisy indrindra ny PHAT sy ny vady aman-janany no misy izao toe-javatra izao? Ahatsiarovako indray ny filoha Ratsiraka mivoaka any andafy izay dia misy zava-mitranga eto Madagasikara.

Fehiny: tsy aleo ve tonga dia miteny hoe horavanay amin'izay ianareo ao amin'ny Magro fa tsy mety mihena mihitsy ny isan'ny olona ao ka manahirana be ihany. Tsy aleo ve miteny hoe hosamborinay amin'izay ny mpitarika ary hogidrahanay izay mbola mitady hafana fo hankany amin'ny Magro manomboka alatsinainy 20 jolay 2009. Noho izany: fantatry ny mpitolona fa hanao ramatahora indray ny mpanongam-panjakana koa dia manantena aho fa ho tonga maro ny mpitolona io alatsinainy io. Mety ho efa hahare indray fa hoe nosamborina hoe  ranona sy ranona saingy tsy mila mikorapaka amin'izany. Aleo ho an'ny samy miaramila ny fifanandrinana amin'ny fitaovam-piadiana fa ny sivily fitakiana am-pilaminana tahaka ny mahazatra no tsara ataony. Handeha haka vakansy ihany ve izaho ity sa hahemotra indray ny dia e?

 
Anniversaire Thiera ny sabotsy dia io ny cadeau azony 
jentilisa, 19 jolay 2009, amin'ny 22: 53

Hevitra

sarimihetsika e! hanamborana ny mpitarika ny ara-dalana kay no tena tanjona k'ity! lol

Nampidirin'i news2dago @ 07:50, 2009-07-20 [Valio]

Misalasala

Tsy maharesy lahatra ahy hoe ny eny @ Magro no hanapoaka ireny satria toa maivana ny profo anenjehana...Mahatsiaro ilay film malaza amerikana aho eto dia ilay " Prison break " izay mampiseho fa ireny zavamisy ireny dia baikona Général iray miaraka amin'ireo Mafia mpanao coup monté ka dia petsa izay tiany ho asiana. Aleo miandry fa tsy maintsy hiseho ihany ny marina.

Nampidirin'i rayasin100 @ 10:48, 2009-07-20 [Valio]

Loza ity marina

Ita maso ita pirenena fa marina io lazain'i jentilisa io ko...fa ataoko fa betsaka ny olona mahay misaina any dago ka tsy voasintona amin'izany coup monte-ndry vendrana isany izany. Dia izay manao ny rariny mbola hitranga eny foana na ela na aingana e

Nampidirin'i Zina @ 14:19, 2009-07-20 [Valio]

io ny fahazoko azy de lainga afafy trotrizao satria tsy itany fat intsony ze atao ka any ka mamorina izao lainga retraretra izao vomaika mapiseo ny tsy maha aradalana ny fitondrana fat sady mibaribary aviatrany ny lainga ny fa tsy mahay mandainaga ny fat fa tonga de mibaribary sahala ny vay akandrina aza mba manao ratsy iany oa
Nampidirin'i max2 @ 15:11, 2009-07-20 [Valio]

CINEME-JAZA Ö

ô re ol e.mba tadidio kely anie ny filazan' colonely RICHARD R....?t@ andro voalohany nanazavany ny momban'ny bomba hita teny @ leader price iny e.nantsoina avokoa ny tele rehetra mpandefa vaovao,ary t@ zay fotoana izay izy dia nilaza ko fa ilainy ny fiaraha-miasa @ mpanao gazety mba hamoka vaovao. DONC efa fantany daholo ny N°contact ireo mpanao gazety rehetra t@ zay.KOA naninona no TVM sy TV PLUS ar ny VIVA ihany no nantsoina hijery an'reny zavatr reny. manarak zany dia 1/-raha ol anao mission marina no nametraka ireny lazaina fa bomba reny de manin no tsy nisy nipôka ny akamarony fa 2 ihany no napôkany. 2/-iny ol maty teny ambohibao iny ko ve de nipoahan'ny bomba de tsy nisy faritr potika mihitsy t@ lay ol maty.fa mba raiso anien ny tsipôpôka @ le 300ar iny dia tazomy @ lo-tànana dia ampireto dia hitanao ny valiny fa tsy misy hita intsony ny rantsa-tànanao. 3/-fa nanin ko no tsy nisy ol nipoahan'lay lazaina fa bomba nipoaka ny teny @ leader price fa nendrasana ef lasa ny ol vao napoaka nefa lay ol nolazaina fa nametraka ilay hoe bomba dia nivaoka tsar ny varavarana ary afaka 15mn vao nipoaka ilay hoe bomba. @ zay koa rehef nipôka ilay hoe bomba dia teny @ plafond daholo le fantsika bdb no nande fa tsy nisy niparitaka manodidina. 4/-d lazaina koa fa hoe nanafika ny VIVA ko ireo ol 25 sa 15 sa ????? (tsy fantatra mazav)rehefa nambara ko fa novonoiny ny mpiambina 2lahy dia efa nibanaka zany tanàna DONC tokony ho kila forehitra na potika tanteraka ny viva nefa dia iny feunetre kely iny no vaky fa tsy nisy zavatr very na zavatr potik. FEHINY:mety ianareo mpitandron'ny filaminana ihany no mifamorika ao fa mitandrema. na ko hoe CINEMAN-JAZA GAG: in ary zany ô ny kaporaly ndray no mahay noho i DADATWO? VITA TOMPOKO!
Nampidirin'i KAPORALY @ 17:02, 2009-07-20 [Valio]

vao niditra ny arabo d zao no zava-misy baomba no hapoaka erany tananà efa nifanarahany izy sy ry tgv zao.

Nampidirin'i zama @ 19:33, 2009-07-20 [Valio]

nampidirin'boga@1O:49,2009-07-21

TSY AIHY FA ANJARANY DAGO SISA NO MIERITRERITRA FA MAPALAHELO NY TOE-javatra otry izao
Nampidirin'i rakotonirina philippe jean claude @ 09:56, 2009-07-21 [Valio]

aleo faty any

aleo hifamono am pitoerana ao ny gasy eh!zé maty dé maty, miadiva mifamonoa fa tsy mbola ritra akory eh!mifanaova minanema sy maty ao daholo nareo mianakavy.

Nampidirin'i tsy mivacle @ 10:00, 2009-07-21 [Valio]

Mety hahazo oscar

Ny tena mahatsikaiky dia ireto mpanao politika malagasy dedaka te-ho-mpandrindra sarimihetsika daholo kanefa tsy ampy fahaizana .
Samy nanao ny sinema-ny daholo na ry deba, ry zafy ,leravalo ary izao dia ny dj indray no manao azy.Izay tsy manao ihany no tsy mahazo...Ny madagascar 1 sy 2 dia ny vahiny no namorona azy ,sao dia mba tonga kosa ny fotoan'ny tohiny faha-3 ka ny malagasy no hanao azy ???

Nampidirin'i malagasycool @ 13:21, 2009-07-25 [Valio]

FAT

FANONGANAM - PANJAKANA

Tratry ny lazon’ady maha-valalanina ny mpitolona legalista fa tsy valahara loatra ireto mpisando-pahefana manao ki-fanjakàna ki-fanjakàna ireto.

Tsy tokony ho adinoina: fanoherana ny fanonganam-panjakàna anie no maha-legalista antsika e…

Manomboka amin’ny fanoherana ny fanonganam-panjakàna ny famerenana ny ara-dalàna.

Mitohy hatrany ny fanonganam –panjakana :

- any anaty ministera sy rantsam-panjakàna samihafa any: soloina mpanao politïka ny mpiasam-panjakàna isan’ambaratonga; tsy ny fahaizan-draharaha no sivana fa ny tsikombakomba amin’ny mpisoloky fahefàna;

- any anivon’ny faritra, izay ezahina foanana mangingina, ka hamerenana ny Faritany efa nofoanana anaty Lalampanorenana, sady efa naloan’ny vahoaka satria efa nampiasaina hampiadiana ny samy malagasy;

- ny olom-boafidy any amin’ny kaominina avy no ailika amin’ny fitondràna ny raharaham-bahoaka;

- hatrany amin’ny fokontany: soloina olona tsy masin-teny na filoha, na mpitantsoratra, na mpitahiry vola;

- any amin’ny orinasa, na an’ny fanjakàna, na tsy miankina: mpiremby fotsiny izao no apetraka any, hanilika ny volan’ny orinasa ho an’ny mpanongam-panjakàna.

Ny fomba fiasany : koposoroka sy ramatahora.

Ny kendreny: ho reraka i Magro. Dia ho hotazana fotsiny. Dia atao ny fifidianana.

Any Maoritania any, efa manaza-tena amin’izay hataony aty Madagasikara ny fanjakàna (fantatra!!!) mpampirisika sy mpanohana mpanongam-panjakàna aty Afrika.

Ka mijoroa, mitsangàna

Miha-mahomby ny tetik’i Gideôna nampianarina antsika

Sokerao hatraiza hatraiza ny mpisando-pahefàna

Miaingà, na olon-tsotra, na mpiasa privé sy fanjakàna

Anaovy horakora-tsahona ny fanonganam-panjakàna

Hatrany amin’ny fokontany ka hatrany an-toeram-piasàna

Aina ity!!!

Tsy maintsy halevina haingana ny FA

Nampidirin'i Mila miala ny FAT @ 14:16, 2009-07-28 [Valio]

politika miteraka

Tsiranana no niteraka an-dRamanatsoa izay niteraka an-dRatsimandrava ...indrisy fa nisy namono izy, kanefa ny toe-javatra nitranga dia niteraka ny directoire miaramila izay notaritin'Andriamahazo.Dia teraka Radidy alias deba izay niteraka an'i Zafy ..izay tratran'ny fanakanana dia niverina indray deba izay niteraka an-dRavalo izay niteraka an'i Andry izay nanongana azy ......ka iza indray no ho teraka manaraka ao ???
Samia mahay mi-Andry ny anjarany.

Nampidirin'i malagasycool @ 22:17, 2009-07-28 [Valio]

Ahoana izany teny antanimena izany ra jentle a? Alefaso eto ny sary ho hitan'ny rehetra e. Amin'izay tsy izy irery no mahatadidy an'i Jentl, fa izahay rehetra eto amin'ity blaogy ity.

Nampidirin'i Rolls @ 18:27, 2009-07-30 [Valio]

Efa nikasa hanao izany mihitsy aho fa tsy mandeha afa-tsy amin'ny vohikala moov ny moov izay ampiasaiko amin'izao fotoana izao hany ka lasa cyber no andehanako aloha izao. Tsy maintsy ho avy izany!

Nampidirin'i jentilisa @ 18:35, 2009-07-30 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox