« | »

Inona aloha no atao raha hampandroso ny tolona?

2009-09-10 @ 09:32 in Politika

Dia asa aloha na mifanandrify amin'ny kivazivazy mampihomehy nosoratan'ny namana Dotmg atsy ambadika atsy izy ity fa dia toy ny manome tolotra jôgôlens maimai-poana ho an'izay liana i Jentilisa ho fandraisany anjara amin'ny tolona efa nandraisany anjara tamin'ity taona ity. Koa raha maimai-poana ilay izy, tsy fantatra kosa ny kalitaony fa anjaranareo no mitsara azy.

Nampitandrina aho ny tsy idirana na oviana na oviana amin'izay mety hitarika herisetra, na ny fanaovana herisetra satria fantatra ny tsy fahatomombanan'ny fifandaminana ao amin'ny tolona hamerenana ny ara-dalàna. Efa nisy ihany ny fifampiahiahiana ka nampikatso ihany ny fandrosoan'ny tolona. Efa saiky niitatra tany amin'ny faritra ny hetsika nialoha indrindra ny fifanarahan'i Maputo voalohany fa tapaka tampoka rehefa nifanarahana ny tsy hanaovana ny hetsiky intsony. Fotoana amin'izay angamba izao hanoroan-dalana ny manam-panahy ao amin'ny tolona hamerenana ny ara-dalàna (izay efa lasa ny fampanajana ny Satan'ny Maputo indray amin'izao fotoana izao).

Dingana voalohany no lazaiko etoana, raha mahatadidy tsara ny mpitolona rehetra indrindra izay zatra ny fanombohany teny Ambohijatovo tamin'ny faran'ny volana marsa dia amin'ny atoandro fotoana firavan'ny mpiasa sy iandrasana indray ny fidirana folakandro no nampafana ny fotoana teny. Nazoto nankeny ny mpiasa manodidina iny toeram-piasana iny ka tsy nahagaga raha vetivety monja dia nangoro-potsy ny toerana. Tsy mahagaga loatra raha nanomboka hidina teny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny mpitolona tamin'ny roa ora latsaka fahefany teo ho eo.
Ankehitriny inona no mitranga? Raha mankeny Ankorondrano amin'izao fotoana izao, ny ora aloha indrindra hitako teny hanaovana ny hiram-pirenena sy ny hiram-pitolomana dia amin'ny iray ora sy sasany folakandro, izany hoe efa andalana hiditra hiasa indray ny mpiasa... indrindra fa ny mpiasa tsy miankina amin'ny fanjakana. Inona no vokatr'izany? Mialoha ny hieritreretana hankanesana eny dia efa mieritreritra izay mbola handeha hiasa hoe mba hahita zavatra sy hahara-baovao eny ve aho sa hiveri-maina lasa mody alohan'ny fanombohana ofisialy?

Inona izany ny tiako ambara? Miangavy re atombohy amin'ny 12 ora sy sasany farafahatarany ny fotoana, izany hoe ny fihirana ny Tanindrazanay Malala sy ny Madagasikara Tanindrazanay, fa tsy maintsy ho henon'ny mpiasa izany ary hihazakazaka hankeny indray ny maromaro kokoa dia ho hitanareo indray ny zavatra hafa azo atao. Miangavy mba ho ora roa raha lava indrindra no faharetan'ny fotoana ka tsy hifandrombahana ny fitenenana mba te-ho hitan'ny maro fa mahalala izay mpankeny hatrany izay mpankeny. Raha tontosa io fanombohan'ny fotoana amin'ny atoandro io fa tsy folakandro intsony dia hisy ihany ny fifampitarihan'ny samy mpiara-miasa vao mety hahomby ny dingana manaraka. Aleo tsorina aminareo fa ny hany sisa hankanesako eny Ankorondrano amin'izao fotoana izao dia efa angatahana andro tsy iasana ao am-piasana mihitsy ary tsorina fa ny mankeny no manasatra kokoa noho ny miasa... izany hoe tena tolona no atao e!

Izay kely dia kely izay nefa mety hampiova zavatra maro dia maro eo amin'ny fandroson'ny tolona no atolotro ho an'ny mpitarika sy izay manana fifandraisana amin'ny mpitarika eny amin'ny kianjan'ny ara-dalàna. Lazaiko fa be dia be ny fitarainana amin'ny fahataran'ny fotoana io nefa mba te-handray anjara ihany ry zareo. Ny tolona tsy hoe mifarana amin'ny fankanesana eny amin'ny Magro fa eny aza no fanaovana ny dingana voalohany. Asa! mbola tsy mety ve izany soso-kevitra kely dia kely izay?


jentilisa, alakamisy 10 septambra 2009 amin'ny 11:35

Hevitra

sôtr eeeee. Vdanako ôviva ingahy fa manao dokam-barotra.

Dia mirary soa amin'ny tolona, raha mila fanampiana ka vonona handoa vola aza misalasala manontany aty aminay.

Nampidirin'i DotMG @ 09:54, 2009-09-10 [Valio]

Amiko dia tsy misy vaha olona azo raisina raha tsy misy ny gréve générale.Ka raha mbola miasa ny mpiasa na iza na iza , dia mbola manome vahana ny tgv sy ny fat izany.Tadidio ny tolona 1991 sy 2002 indrindra indranadra. IRENY NO TENA TOLONA MIARAKA DAHOLO, fa raha ny hitako @ izao dia HAKANOSANA NO BETSAKA. Tadidio fa tsy misy fahfahana azo @ pacifisme izany teto @ ambonin'ny tanay, indrindra f ahoe coup d'etat no nahazahona fanjakana.Tsy maintsy @ alalan'ny gidra vita planina ihany no ahazahona io, raha tian aharitra ny fandriaphalemnana sy resak politika eto madagasikara.
Ny mahavoa antsika gasy dia efa raiki-tapisaka loatra ny extremisme @ fivavahana , ka lasa voazakana isika raha moba io. Aza hadino fa ny ao amin'ny baiboly ao aza , dia nisy fona ny herisetra isa-karazanay, fa tsy hoe pacifique foana.Ilaina ny gidra rehefa misy ny revolution. Fa aza dia manofy antonadro etoisika mianakavy.

Nampidirin'i aoka re @ 13:11, 2009-09-10 [Valio]

Tsy manana strategie mazava ny mpitolona ny tena marina ee.

Ny lojika @ izao hoy aho dia ahato kely ny fihetsehana ao Tana, atao isaky ny asabotsy sisa. Fa ny any @ regions no ahetsika. Surtt hoe misy an'i Deba sy i Zafy manao poids lourds aminy.
Sady manampy @ fifidianana izay mety ho avy izany no manome occasion hoan'ny HAT hanao faux pas. Raha mbola mahatsapa fa manao menaces be ny tolona manko dia lasa mitandrina be ny olona ao @ HAT... fa ra vao avela kely @ zao izy dia hitranga @ izay ny tsy fifankazahoana misy indrindra @ ireto hoe force de changement ireto... diviser pour mieux regner...

Ny tena olana hoy ah dia samy tsy te handany vola @ le tolona ny filohan'ny mouvances isan'isany...
Mbola tsy ao @ le tena hoe jeux cooperatif koa ee. Samy tsy mifampatoky ny mouvances rehetra fa mody hoe mitambatra fotsiny fa misy cause iombonana tsin... dia aleon'i ra8 tsy mandany vola... mbola hisy fifidianana hoavy rahateo.

Nampidirin'i simp @ 14:17, 2009-09-10 [Valio]

jentilisa

Misaotra anareo izay efa naneho hevitra! Nisy olona nalaza tamin'ny fitandroana ny tsy fampiasan-kery tamin'ny taonjato faharoapolo dia ny Mahatma Ghandi sy ny Pastora Martin Luther King ary nahombiazana tamin'ny tolona ireo olona ireo na dia maty novonoina avokoa aza. Paika ireo napetrako ireo, dingana voalohany any araka ny efa nosoratako. Zavatra nosainiko ireo rehefa nijery ny zavamisy aho. Na inona na inona dia miainga avy amin'ny fifampiresahan'ny mpiray birao hatrany sy ny mpiray fiasana vao mety hahomby ny zaatra atao rehefa mitovy ny tadin-dokanga. Ny hitako sy ny reko aloha hatreto dia manambava tokoa ny mpanohana ny mpitazona ny fahefana ankehitriny na dia mety ho vitsy an'isa kokoa aza ry zareo. Ny fifanentanan'izay mifankafantatra noho izany no ahafahana mitaratra ny maro an'isa ka mety ahafahana mandeha amin'ny dingana manaraka. Matoa izany aloha tsy mety tontosa ny fitokonana faobe dia tsy mahatsapa tsara ny tena heriny ny mpandala ny ara-dalàna...

Averiko indray fa ny nahapotika ny MDRM dia noho ny fifandresen-dahatra tany ambadika tany fa tsy azo ny fahaleovantena raha tsy misy ra latsaka. Tamin'ny fotoana saiky handresen'ny diplaomasia indrindra anefa no nipoahan'ny korontana ka nampandamoka ny fivoriamben'ny MDRM saiky hotontosaina ny 1 avrily 1947. Izany hoe noho ny fitadiavana ny herisetra no naharesy antsika hany ka tsy nomena ny fahaleovantena raha tsy 13 taona taty aoriana.

Momba ilay isan-kerinandro indray moa dia toy ny efa lany andro sahady izany ankehitriny satria mitetika ny hiditra any Ambohijatovo amin'izay ny vondrona telo tonta. Izaho anefa mbola saiky hametraka ny dingana manaraka hisian'ny fifandaminan'ny samy mpitolona hampahery kokoa ny fifandaminana, karazana andrimasom-pokonolona no tiako ahatongavana satria na ahoana na ahoana tsy maintsy misy teti-piarovana atsangan'ny mpandala ny ara-dalàna mba tsy hahafatifaty foana ny mpitolona amin'ny fihantsian-kerisetra isan-karazany. Tsy maintsy hisy manko ny fandrangitana.

Eo amin'ny resaka fandaniam-bola indray dia ny matôsy fanamafisam-peo isan-karazany sy ny solika hamelomana gropy ihany aloha no miasa ka asa na tena mandany vola ireo na tsia.

Nampidirin'i jentilisa @ 19:34, 2009-09-10 [Valio]

Diniho tsara ny kabarin'i Ra8 farany teo hoy izy"...ze mzty ataon'ny vahoka de ekeko", tsy efa milaza ve izany fa Top re olona.... Fa izy ve hiteny direct eo.Sady efa makaleo ilay pacifique eeee, ela loatra sady ny olona efa tena rovotra daholo.Ka milay ilay action andronay fa tsy tokony hajanona mihitsy e.Iznay ange no nisy t@ 2002 e, raikitra ny korontana, sy hakanendrika, fa tsy nihebotra ny vahoka. Ka mila tena hamafisina ny asaina.Sady io koa aretina notadiavin'antananrivo.Revorevo t@ tgv,zao fay tsara, tsy maintsy voasazy manala azy eo, eny na dia mazana be aza izany.

Nampidirin'i aoka re e @ 11:58, 2009-09-11 [Valio]

mmm...
zao a,fantatro fa tsy maintsy hiafarana @ tolona isan'andro ty raharah ty kanefa izahay mpianatra ety @ anjery manontolo zao de hanao fanadinana ka de mba miangavy re?tena miangavy mihtsy zahay mba tsy ho tonga @ ireny toerana hanaovana fanadinana ireny (centre d'exam)aloa fa tena tsy te hanao taona fotsy izahay.
Izahay anie mianatra foana ary rhf tonga ny fanadinna dia tsy maintsy manao ,fa tsy hoe ranona EO @ fitondrana ty tsy tiko de tsy hanao examen aho.de eo tokoa no raisina,ilaozan'ny namany ra izany no atao.
Hafa nareo mpiasa afaka miera tsy otonga de tsy tonga.karamanareo azonareo iany. Fa ny anay mpianatra mba ahoana?
MISAOTRA indrindra TOMPOKO

Nampidirin'i tsy hanao taona fotsy @ 20:35, 2009-09-11 [Valio]

mmm...
zao a,fantatro fa tsy maintsy hiafarana @ tolona isan'andro ty raharah ty kanefa izahay mpianatra ety @ anjery manontolo zao de hanao fanadinana ka de mba miangavy re?tena miangavy mihtsy zahay mba tsy ho tonga @ ireny toerana hanaovana fanadinana ireny (centre d'exam)aloa fa tena tsy te hanao taona fotsy izahay.
Izahay anie mianatra foana ary rhf tonga ny fanadinna dia tsy maintsy manao ,fa tsy hoe ranona EO @ fitondrana ty tsy tiko de tsy hanao examen aho.de eo tokoa no raisina,ilaozan'ny namany ra izany no atao.
Hafa nareo mpiasa afaka miera tsy otonga de tsy tonga.karamanareo azonareo iany. Fa ny anay mpianatra mba ahoana?
MISAOTRA indrindra TOMPOKO

Nampidirin'i tsy hanao taona fotsy @ 20:35, 2009-09-11 [Valio]

Ny anareo mpianatra moa afaka misafidy tsara ianareohoe mianatra manongana dia mety ho tafita prezidà! masiaka ve izany fiteniko izany?

Nampidirin'i jentilisa @ 21:40, 2009-09-11 [Valio]

Ankoatra izany efa mba misy sary mivoaka ihany koa ao amin'ny Youtube jentilisa ao izay hijery ny raharaha 11 septambra antananarivo

Nampidirin'i jentilisa @ 21:43, 2009-09-11 [Valio]

Tolona ho an'ny tanindrazana ity, ka samy mnao izay tandrify azay.Izay taona fotsu vze no maha sarotiny an'i mpianatra.Tadidido fa raha mipetraka eo ireo tgv sy fat ireo dia voazanaka andevoi madagasikara, ary ny taranako no potika tanteraka ny ho aviny.Ady @ mpnajanak ity, ka aza dia ny taona fotsy no mamplahaleo anao, fa manjary ny teneno ihany no jerenao fa tsy ny taranakao na ny tanindrazanao.

Nampidirin'i aoka ree @ 10:32, 2009-09-12 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox