« | »

26 janoary 2009 nakana hevitra tamina roman gasy

2010-01-25 @ 21:37 in Ankapobeny

Mety tsy hampino anareo ny zavatra lazaiko saingy rehefa namaky ity boky ity aho dia resy lahatra ihany fa nakana saina tamina roman (tantara noforonina malagasy) ihany ny zava-nitranga tamin'iny 26 janoary 2010 iny. Holazaiko anareo eo ihany ny antony fa hiresaka zavatra manodidina ity tantara nampahonena teto amin'ny firenena ity ihany isika.

Tsikaritra kely tamin'ny TVM

Nijery baolina ny tena ka teo amin'ny firavana ara-dalàna nisarahana ady sahala dia nandefa vaovao kely ny vaovao an-tsarin'ny TVM. Fanararaotra hamoahana ny vaovaon'ny fitondrana tokoa ny fotoana mahavory lanona ny mpankafy baolina fandaka sahala amin'izao sady samy ekipa goavana rahateo no nifanandrina. Mialoha izany, amin'ny maha-alatsinainy ny andro dia nampahatsiahy ny zava-nisy andro alatsinainy tahaka izao tamin'ny herintaona ny televiziona, sary hafa mbola tsy nivoaka firy tamin'ny haino aman-jery samihafa. Ny famakiana sy ny rodorodo efa hitantsika taty amin'ny aterineto ihany fa ity iray ity no mbola tsy nivoaka firy.

Tovolahy iray no nitondra karazana farango vy anankiroa, nahazo ny terrasse, sady misy kiririoka teny ambavany no namaky fitaratra tranobe vaovao tamin'ny farango roa nentiny. Heno tsara ny hatezeran'ny olona sy ny fandavana tsy hanaovana ilay fomba ratsy fa tsy noraharahiany izany. Ny tsy tao an-tsain'ilay tovolahy dia nisy badge mavomavo niambozonan-dranamana. Tsy nahatsikaritra io aho fa ilay teo akaikiko no nihoraka avy hatrany ka nanaitra ahy ihany koa ny fisiany. Anisan'ny mpiandraikitra ny tolona ve ranamana io raha niambozona badge teny an-tratrany? Na tsy mety miroso aza ny famotorana tsy maintsy lazaina izay tsikaritra izay ho singa hanaovana ny fanadihadiana rahatrizay.


Tsy sahin'ny ankilany mafana fo lazaina loatra

Misy ireo olona minia mampitadidy ny maha-alatsinainy nisian'ilay androm-pisaonana teto amin'ny firenena. Tsy à l'aise loatra indray anefa ny tena mafana fo tamin'ireny tolona nataony ireny rehefa hotsarovana ity andro iray ity. Minia tsy miresaka mihitsy ry zareo raha ny alatsinainy izay aloha no lazaina fa ny talata 26 janoary 2010 no tsy fantatra hanao ahoana amin'izay ny ho resaka. Angamba hieritreritra ny ho fialana bala amin'izay adihevitra mety hitranga ry zareo saingy rano raraka tsy azo raofina intsony ireny ka aleo samy hitsakotsako izay vitany.

Ny tena mahalasa vinany koa dia toa tadiavin'ny mpitarika ny tolona hamerenana ny ara-dalàna handalovana fotsiny ihany koa ity andro fahatsiaroavana iray ity. Tena tsy manana hevitra mihitsy ve ry zareo sa tena tsy azo idirana intsony mihitsy ny ery amin'ny Auditorium Ankorondrano no tsy mba misy mari-pahatsiarovana bitika hatao amin'ity andro iray ity herintaona katroka aty aoriana? Hamela mari-pahatsiarovana ihany angamba ny tena hanamarika fa tolon'olo-tsotra no tena iaingan'ny tamin'izao fotoana izao sady tsy mbola hita ireo milaza ho mpitari-tolona amin'izao fotoana izao tamin'izany fotoana izany. Sa horarana ve ny fidirana ny Magro Ankorondrano? Tsy nandrenensana fanomanana mihitsy aloha fa dia an'ny tsirairay ihany angamba no manao izay tsiaro mangina ataony.


Rotaka maty paika

Hiverina amin'ny lohateny amin'izay aho. Efa hanakaiky ny roa volana sahady izay no namakiako voalohany ity tantara noforonina malagasy ity. Faralahy Idealy Soa zanany no nanoratra azy tamin'ny taona 1978 ary natonta fanindroany tamin'ny 2005. "Rotaka maty paika" no lohatenin'ny boky ary navoakan'ny Edisiona Takariva. Mbola olon-kafa ihany koa no nanoro ahy ity boky ity ary nahavariana ny Fintina nataony tany amin'ny fonom-boky farany. Izao no voasoratra:

"Fa iza hono no fahavalo? Ny Sinoa angaha? Tsia tsy ny Sinoa akory ka... Ny Karana? Tsy ny Karana akory ka... Fa iza? Ny Vazaha fotsy hoditra?... Tsia, tsy ny Vazaha hono ka... Fa iza ary? Ny Malagasy hono. Ahoana?... Ny Malagasy hono no enjehina e!... Fa iza no manenjika? Ny Malagasy ihany hoe...!
...   ...   ...   ...

Tsitapitapitr'izay dia nanomboka ny rotaka mahery setra nanodidina ny tanàna ... Nanomboka teo dia tsy fantatra intsony ny asan'ny mpanararaotra sy ny tena vokatry ny hatezeran'ny olona... Ny hita diananenika ny tanàna izany herisetra izany... Maro ny olona no namoy ny ainy. Maro koa ny naratra. Maro ny nandositra ..."

Hatreo ihany dia tsy maintsy ho taitra ny tena hoe fa ahoana tokoa ity boky ity? Fa ny fizarana fahatelo teo amin'ny fonomboky aloha no tsy mbola nisy nanatanteraka tamin'iny tolona 2009 iny : " Lehilahy efatra... nitambatra tamin'ny lehilahy iray... efa ho torana ... mangan'ny daka sy ny vely langilangy ... "Ilazao ireo naman'ialahy fa tsy matahotra anareo  mihitsy izahay... Ialahy isany no manao an'ialahy isay ho iza? ... Raha tsy tapitra tamingana ianareo tsy avelanay!"

Mazava loatra fa raha oloa niaina ny zava-nisy teto amin'ny firenena tsy maintsy ho liana tamin'izay voasoratra tao anatiny, sambany indray i Jentilisa no hamaky boky tantara noforonina. Efa ela tokoa izay. Nahavariana ny fifanandrifian-javatra! Manana pejy 154 aloha ilay boky... Fohifohy ihany. Handeha hatsidika vetivety hatrany amin'ny farany ny tantara. Toy izao no voasoratra:
 
"Ny tetika farany tamin'ity tetika mandoza ity dia ny fandraisan'ny tanora anjara amin'ny fihetsiketsehana. Efa vonona avokoa ny  fomba hanodikodinana ny fitakian'ny tanora ka hahatonga ny fihetsiketsehana nomaniny ho fifandonana amin'ny Tafika sy ny fitondrana isan-tsokajiny ary indrindra ny fifandemena amin'ny masoivohom-pirenena vahiny eto an-toerana. Amin'izay mantsy dia ho mora foana sy ho voamarina ny fandraisan'ny miaramila vahiny anjara amin'ny korontana : Ho fiarovana ireo terantany vahiny no lazaina nefa dia hanampy trotraka ny fisavorovoroana no ahatongavany eto amin'ny Nosy. Raha ny marina dia hametraka eo amin'ny toerany ilay saribakoly efa azony antoka fa hahazoany vahana indray any aoriana any no na antony." p.153

Mahavariana ny tantara! Dia fifanandrifian-javatra fotsiny ve ny tolona 2009 sy ity roman mitondra ny lohateny hoe "Rotaka maty paika" nosoratana tamin'ny 1978 ity ary i Andry no "heros" ao anatiny?

Ny ambangovangon'ny tantara

Teto Antananarivo sy tany Toamasina ary tany Mahajanga no niseho ny tantara. Nisy olona nanakarama ireo mpanendaka sy jiolahy monina eny ambany tanàna (tetezan'i Bekiraro sy Ilanivato) handeha hamaky toeram-pivarotana maro tany Toamasina dia avy eo indray hamono olona na foko tany Mahajanga. Ankoatra ny karama dia tombony ho azy ireo ny fahazoana ny zavatra norobaina ho entiny mody any an-tranony. Ireo jiolahy ireo no tena niasa mafy tamin'ny fanaovana rotaka tao amin'ilay tantara satria ireo no mpitarika hita maso tamin'ny fibaikoana ny andian'olona nentiny handroba na hamono olona. Mandeha fiara fitaterana sahala amin'ny olon-drehetra ry zalahy jiolahy ireo hamonjy ny toerana hanatontosana ny iraka. Kitapo am-bambena kely ihany no entiny amin'izany famitana ny iraka nataony izany.

Izay mahalala ny tantara nitranga teto Madagasikara dia hahatsiaro avy hatrany ny fandrobana ny toeram-piarotana tany amin'ny bloc commercial tany Toamasina tamin'ny 1973 izay namakiana sy nandoroana ihany koa ny toeram-pivatorana an'ny Merina. Raha mitodika tamin'ny famonoana tany Mahajanga indray dia ny fandripahana ny Komoriana tamin'ny 1977 avy hatrany no ao an-tsaina. Izany hoe ny mpanoratra eto dia avy tamin'ny zava-nisy teto teto Madagasikara ihany no namboariny ho lasa tantara noforonina; nefa ilay hevitra tao anatiny hanaovana ilay rotaka indray, raha ny fijeriko azy no nakan'ny sasany hevitra ka nanaovany ny tolona 2009 ka tsy afa-misaraka amin'izany ilay 26 janoary 2009 nandrobana sy nanimbana ny fananam-pirenena sy fananan'olo-tsotra izay an'ny Malagasy (sy an'ny Shinoa koa ny manaraka noho ny CITIC sy ny Supreme Center izay Malagasy ihany no mitana ny toera-mpivarotana maro tao anatiny) fa tsy voakitika kosa ny an'ny Karana sy ny Frantsay.

Tahaka izay sy tahaka izany ilay tantara novakiako roa volana latsaka izay koa asa raha tamin'ity tantara noforonina ity tokoa no nanaovan-dry zalahy ity 26 janoary 2009 ity na sendra izay fifanandrifian-javatra nahavariana ihany ny mpanoratra. Mba ahoana kosa ny hevitrao? Raha hametraka hevitra ianao dia ataovy vakiraoka aloha izay tian-kampitaina dia ankotriho (actualiser) ny takelaka dia apetraho amin'izay ilay hevitrao fa tokony hety izy avy eo.



Jentilisa, 25 janoary 2010 amin'ny 23:44

Hevitra

mahaliana tokoa!

ary ho liana koa ao hahalala hoe iza marina (tsy ny solon'anarany an!) ary aiza moa izao ilay mpanoratra? mba hahaliana ny hamantatra ny fironany ara-politika sy ny heviny momba izay nitranga... ary mba iza moa ireo mpankafy ny boky tantara noforonina malagasy, dia iza amin'izy ireo no mety hahatakatra hanan-kevitra haka tahaka izay voalaza ao ho arahabaina fa maranitra? Tsy manam-pahaizana @ resaka toy itony aho nefa mino aho fa raha hijery eran-tany isika dia mety misy tetik'ady iombonana fampianatra ny mpanao politika sy ny mpanao fanoherana voasoratra any ho any (ohatra momba ny "manipulation de masse" - miaiky aho fa tsy voadikako @ teny gasy!!) ka mety ho samy namaky izany na ny mpanoratra ilay tantara noforonina (nahazo toky t@ hitany araka ny tantara efa niseho koa) na ireo nanomana ny rotaka. Ny tantaran-dRaolombelona mantsy ny eo foana ihany no miverina...

Nampidirin'i gasi @ 15:23, 2010-01-26 [Valio]

Salama Jentilisa
Ny hevitro dia tsy ireo mptiondra no naka tahaka ilay boky, tsotra ny antony, olona mba mamaky boky ve ireo raha ny fijerinao azy ???
Tsy tena fifandrifian-javatra koa, fa amiko ilay mapanoratra no maranitra, mandinika ary mahalala fa izany no mety ho fandehan-javatra rehefa jerena ilay « contexte ». Sa ahoana hoy ianao ?
Impiry ianao milaza eto ny zavatra kotrehin'ireo olona ireo???

Nampidirin'i Mmm @ 17:06, 2010-01-26 [Valio]

indrisy moa fa efa tamin'ny taona 1984 io mpanoratra io no nodimandry...

Nampidirin'i jentilisa @ 18:42, 2010-01-26 [Valio]

misaotra mamaly, Jentilisa

marina ihany koa ilay lazain'i Mmm, naranitra sy nandinika ilay Tompokolahy mpanoratra...

Nampidirin'i gasi @ 00:17, 2010-01-27 [Valio]

Misaotra jentilisa

Nampidirin'i akamasoa @ 08:56, 2010-01-27 [Valio]

akamasoa

Jentilisa:
Malahelo ianao fa tsy nisy fahatsiarovana ny 26 janvier. Kanefa aza adino fa ianao ihany koa no mpanindrahindra ity pacifisme lava ity. Tianao hivory ny vahoaka kanefa na filaharana an-dalambe aza tsy ankasitrahanao fa manao sorona ny vahoaka sy miantsy herisetra hoy ianareo.

Tsy sanatria mankahala anao aho fa ny hevitrao mihitsy no tsy voako.
Mandry fahagagana sy milaza ho pacifiste lava na efa ho faty aza. Tsy ho voahongana ny mpanao herisetra raha tsy amin'ny herisetra... Ary jereo fa na ny zazakely aza maneho fanoherana rehefa iharan'ny tsy mety. Ny anao dia izao foana: "Aza miady fa hery tsy mitovy"

Diniho fa aza tezitra.

Nampidirin'i akamasoa @ 09:03, 2010-01-27 [Valio]

Samihafa tokoa ny hevitsika aloha fa dia izay moa ny safidiko! momba ny fahatsiarovana indray dia anaty fefy no tena lazaiko. Eny Ankorondrano ohatra... ataoko fa tsy manan-jò handrava zavatra anaty fefy an'olona ny miaramila.

Samy manana ny andraikiny ny tsirairay ka amin'ny maha-olo-tsotra ahy dia tsy te-hampiditra famonoana olona amin'ny tsy antony izany aho ... na hoe handroboka ny olona ho amin'ny herissetra nefa tsy manana fitaovam-piadiana ho amin'izany akory.

Tsy mety ny mamonomono olona fahatany e!

Nampidirin'i jentilisa @ 12:59, 2010-01-27 [Valio]

Misaotra anao Jentilisa na dia tsy mitovy aza ny hevitra. Io teninao io mihitsy no tsara dinihantsika . Hoy ianao hoe "tsy te-hampiditra famonoana olona amin'ny tsy antony ianao"

1/amin'ny tsy antony ahoana moa? Fa dia tena zavatra tsy misy antony tokoa ve izany very hasina sy very zo, very asa sns.. izany. Tsy misy antony tokoa ve ny tolona ataontsika izao?

2/ Ny fiarovantena dia tsy famonoana olona mihitsy. Raha iharan'ny herisetra sy fandrobana ianao ka miaro tena dia rariny izany

Misaotra anao mifandresy lahatra eto sy mitatitra vaovao na tsy mitovy aza ny hevitra e.
Amim-panajana

Nampidirin'i akamasoa @ 13:20, 2010-01-27 [Valio]

Matoa aho mamaly anao noho ny fifanajana mandrakariva sy ny fifandresen-dahatra eo amintsika. Ny olana lehibe manko hatramin'izao fotoana izao dia eo amin'ny fomba itarihana ny tolona na mitovy ihany aza ny zava-kendrena dia ny hialan'ireto mpandroban'ny firenena ireto. Ny tanjona hahatrarana ny kinendry koa dia efa samihafa.

Izaho manokana dia amin'ny fomba mihaja no hanalana azy ireo raha mbola azo atao izany ary raha mbola tsy lany ny hevitra hanaovana izany. Izany hoe, amiko, tsy maika ny mamaly fanonganam-panjakana amin'ny fanonganam-panjakana raha mbola azo heverina ny hialana amin'izany satria ny hajan'ny firenena aorian'izany toe-javatra izany tsy maintsy tsinjovina ihany koa. Ny kendrena dia ny hisian'ny fifidianana tsy mitongilana araka izay tratra ary dia eo izy no esorina... paika be dia be amin'ny fiarovana ny safidin'ny maro an'isa no atao ao anatiny. Amin'izay fotoana izay dia ny safidin'ny maro an'isa tokoa no tokony ekena na dia sanatria tsy araka ny safidy nataoko aza izany.

Misy ihany koa ny mihevitra fa amin'ny alalan'ny fiarovan-tena no hanohizana ny tolona. Amin'ny ankapobeny dia ry zareo no efa nahavita mialoha ny fiarovan-tenany tamin'ny alalan'ireny mody mametraka baomba sandoka ireny mba ahafahany misambotra izay olona tsy azoazony na mitady hanana fitarihana. Ny tolona ihany koa dia tsy vitsy ireo mpitsikilo manara-maso ao anatiny na dia mody manao mpandray anjara aza izy. Amiko manokana ilay nirefotra tanaty taxi teny Ambohibao iny dia mpitsikilon'ny HAT no mody nitarika tamin'iny ka ireo mpitolona resiny lahatra no notarihiny; avy eo napoakany ireo olona ireo... mody hoe diso nomerao tokony antsoina. Izay toe-javatra izay no mahamailo sy miteraka fifampiahiahiana. Noho ry zareo efa manana fandaminana matotra nefa isika tsy manana izany mihitsy no mahatonga ahy hieritreritra fa tsy tsara mihitsy ny miditra amin'ity karazana fiarovan-tena lazainao ity. Olona mifankazatra tsara no mahay miaraka fa raha angonangonina fotsiny amin'izao dia mety hitera-doza ho antsika. Asa raha azonao ny tiako lazaina.

Ny olana lehibe misy eto amintsika amin'ny fanaovana ny hetsika "non violent" dia ny tsy fahasahian'ny mpitarika miatrika izay mpitandro ny filaminana ka tsy miala vehana na inon-kidona na inon-kihatra. Ny mpitarika no lohalaharana fa rehefa tsy mipoitra izy dia toy ny mamitaka ireo vahoaka miara-dia aminy izay vonona ihany koa hisedra ny sarotra. Ireny hetsika teny Tsimbazaza ireny anie ka tena kizo amandrihana ny mpitolona mihitsy e! vao nahafantatra ny toerana nisy ny mpitolona voatery ho eo anelanelan'ny mpitandro ny filaminana sy ny tobin'ny Capsat aho dia hoy ao hoe tsy milamina izany fa sambotsamborina fahatany any fotsiny. Samy tsy manaiky ho voasambotra rahateo ny mpitolona dia izay ilay lafiny somary mampihomehy ihany. Hita ihany koa fa leo sahady ny tanora mahatsiaro tena ho voapitapitaka lava dia tsy rototra amin'ilay tolona intsony fa dia ny olon-dehibe mahatsapa ny adidiny sisa no mbola vonona ny hijoro; aleon'ny tanora ny revy no tohizana satria tsy impiry ho tanora angamba hoy ny eritreriny.

Mijery ny lafy ratsiny eo amin'ny tolona roa karazana aho ireo dia mandanjalanja hoe ny aiza amin'ireo no mora tanterahina kokoa? Dia manana ny safidiko aho saingy amin'ny mpino moa dia hain'Andriamanitra hatrany ny manao ny zava-drehetra eny fa na mety ho tsy ampoizina aza rehefa amin'ny fotoany. Mety hisy angamba ny hanana hevitra hafa kokoa?

Nampidirin'i jentilisa @ 20:13, 2010-01-27 [Valio]

Tohiny

Jentilisa,
Miala tsiny raha manohy an'ity adi-hevitra ity. Amiko dia ny toetsain'ny Malagasy mihity no efa simba. Zatra manaiky lembenana lava ary mahari-pery tafahoatra. Na ny ohabolana hoe "Aleo mihinan kely toy izay mandry fotsy aza" dia mifono zavatra maro.
Nampian'ny fivavahana kristiana (religion) izay adikan'ny sasany ho vilana dia vao mainka koa tsy lasa lavitra. Ny zaza, na kely aza dia tokony ampianarina hahay hiaro tena fa ady ny fiainana fa tsy vita mora izany. Ny antsika Malagasy dia bonaika lalandava eny kanefa tsy lasa lavitra.
Ny Koreana, Japoney, Sinoa, Maleziana, sns... nanao ady goavana nandroahana ny mpanjanaka. Ny antsika dia hevitry ny kanosa hoe: aleo halamina ambony latabatra na efa ho faty aza ...
Na ho vita aza ity krizy ity dia mahakivy tanteraka ny hoavin'i Madagasikara noho io toetsaina io.

Nampidirin'i akamasoa @ 13:35, 2010-02-01 [Valio]

Ny tena olana dia ny desorganisation. Tsy mahay mivondrona tsinona fa raha nisy ny fivondronana dia mety ho hafahafa kokoa ny zavatra azo natao.

Nampidirin'i jentilisa @ 13:45, 2010-02-01 [Valio]

Hampiditra hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox