« | »

An'i Dada ihany, hono, itony!

2010-08-25 @ 09:57 in Andavanandro

Hiresaka zava-misy andavanandro kely indray aloha aho. Misy Yaourt tsaratsara izany amidy eny am-pivarotana eny saingy somary lafolafo dia misy mitsatsaingoka avy eo: "An'i dada ihany ange, hono, itony fa mody novaina ny anarany e!". Misy glace ihany koa amidy manerana ny mpivarotra maro saingy hafa ny endriky ny tavy hametrahana azy sady ahatsiarovana ihany koa ny tsiron'ny an'ny tiko fahiny, dia lasa indray ny resaka hoe: "An'ny dada koa, hono, itony fa tsy maintsy novaina ny anarany". Nihomehy anaty ihany aho mahita izany fomba firesaka izany satria rehefa tsaratsara tsiro ny vokatra dia lazaina fa an'i dada izy io fa novaina anarana.

Tranga efa elaela kokoa fa noadinoiko ny nanoratra azy fa variana tamin'ny tolona politika loatra ny tena. Feno dibera sy margarina avy any Afrika any, raha ny fonony no jerena, ny tsena. Maro ny mpivarotra no te-handafo dia nilaza hoe: "diberan'i dada itony fa tsy maintsy nosoloina ny fonony hahafahana mivarotra azy". Vao nanandrana anefa ny tena dia mangidy sira ilay izy... tsy ny dibera na ny margarinan'i dada ho'aho no mangidy tahaka izany... raha mijanona andro vitsy aoriana ilay izy dia tena tahaka ny fotaka avy eo ny tsirony ary tena mankandoa mihitsy. Izany hoe ny vokatr'i dada no hanaovana dokambarotra hahalafosana entana, satria manko malaza ho tsara ny vokatra avy amin'ilay "mpanao didy jadona" sy "mpangalatra tany" iny. Izany hoe raha nisy karazany kokoa angamba ny vokatr'i dada dia nohararaotina handafosana entana avokoa satria tsara ny zavatra novokariny. Tahaka ny hoe rehefa avy amin'i dada dia tsara ary mbola ankafizin'ny maro ny novokariny...

Voaozona ve ny malagasy raha ny vokatra malagasy tsara no potika ankehitriny? Soa fa nisy fotoana nianohana zavatra tsara tamin'ny vita malagasy fa raha tsy izany tsy mbola betsaka ny mahatsiaro azy mandrakariva.


Jentilisa 25 aogositra 2010 mitataovovonana
 
 
 
 
 

Hevitra

Salama Jentilisa
Mbola ho avy ny andro ahatsiarovan'ny malagasy amin'ny saina tsy miangatra fa nisy malagasy nahavita nampiseho hoe mahavita zavatra isika. Ary izany na inona adisoany na inona.
Mbola betsaka mantsy ny tezitra mafy tamin'ny "didy jadona". Zaka ihany io rehefa ny vahiny isan-karazany no manao azy nandritra ny taona maro fa tsy zaka mihitsy hoe malagasy ka hiseho handidy na hanan-kevitra.

Nampidirin'i Mmm @ 11:20, 2010-08-25 [Valio]

Mampalahelo isika Malagasy e!
Tsy misy tonga lafatra eto fa izay mba niezaka nitondra fiovana sy fandrosoana dia natao raoka alika

Nampidirin'i The Man @ 13:38, 2010-08-25 [Valio]

Ry dada malala
ry dada malala,
misento ny foko
misento fa lavitra anao
ry dada tsy foiko
tsy manan-tsahala
ny fanantenako
dia ny hiverenanao !

----> mbola hisy ny nenina ho avy @ ireo foza ireo e !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 20:04, 2010-08-25 [Valio]

ka zao le hoe maty vao ramalala ee

lainga lainga kosa alou fa tena matsiro ny vokatr'i dada eee

c'est la vie!!

Nampidirin'i simp @ 22:15, 2010-08-25 [Valio]

Tsy aleo ihany ve dada e!!! Zao anie mahatsiarotsiaro mht ry kely saina isany oe hafa ihany ny vitan'i dada e!!

Efa tara loatra e! nofinofy sisa

Nampidirin'i news2dago @ 07:32, 2010-08-26 [Valio]

Raha nisitaka kely any Iarivo ny tena dia nahita fa mbola hita mijoro hatrany ireny takelaka dokambarotra TIKO ireny any Atsimo(Makany Toliara) ary miakan-drefana (Makany Morondava),ary eny amin'ny mpivarotra sasany.Ary efa mafana ny andro dia mbola maro ireo mamembona ny Glace TIKO.

Nampidirin'i Mpakavato @ 08:56, 2010-08-26 [Valio]

okay

Tsy tafapetako tetsy ambony. Ity ilay tena norme :jereo ato

Nampidirin'i Ra-Tokinao ihany e @ 09:28, 2010-08-26 [Valio]

Miarahaba anao tonga soa Ra-Tokinao. Mahaliana ny zavatra soratanao...

Nampidirin'i jentilisa @ 09:32, 2010-08-26 [Valio]

Efa eto ihany :)

Mahatsikaiky koa ilay sigara good look sandoka a! sady @ zay baoritra maro.

Hoy moa ny maro hoe : mahery ny sinoa.

Zah kosa te-hilaza hoe : tena baranahany ny sivana ataontsika gasy.

Nampidirin'i Tokinao @ 09:32, 2010-08-26 [Valio]

okay

Msotra koa e

Nampidirin'i RaToky hatrany e @ 09:36, 2010-08-26 [Valio]

DADA O AIZA IANAO E MIJALY IRETO ZANAKAO MARO AN ISA FA MODIA E
Nampidirin'i ZANAK DADA @ 16:22, 2010-08-26 [Valio]

Ny tsara ihany ange no enjehina e. Hoy ny sasany hoe : aleo potehina any Radada ty fa mitady ho tsara loatra ny diberany, fa mitady ho tsara loatra ny fisainany amin'ity Malagasy sy Madagasikara ity, afa mitady hanampy loatra ny tantsaha izay maro an'isa sy mahantra izy, ary aleo potehina any mihintsy ity Madagasikara ity fa mitady handroso sy ho tsara loatra, aleo potehina any ny ala sy ny bois de rose fa mitady hiavaka sy ho tsara loatra ilay Gasikara.

Vokany : iarahantsika mahita zao.

Ory hava-manana ny mpanao politika gasy. Raha vao misy mitady ho tsara sy mandroso : sintomy haingana fa tsy mety, arondàny, aongàno, tsss. Voretra ry akama. De aza gaga ra mihemotra sy mi-tourne ôtrany fozaorana ny olona ao aminy.

Nampidirin'i Dadophile @ 21:02, 2010-08-26 [Valio]

Dadophile < EKENA !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 18:07, 2010-08-27 [Valio]

jere izao ny condamnation an'i dada nivoaka t@ world news, ny ankamaroan'ny gazety manerana ny tany kanefa ny accord politika d'Ivato tsisy afatsy ny RFI irery no nitantara anazy...

-> mety hoe i dada mintsy no malaza... sans le faire expres ^:^

sali sali Toky

Nampidirin'i simp @ 23:21, 2010-08-28 [Valio]

driiiiy!!!

nalahelo any DADA tokoa aho izany eh! mampalahelo isika gasy fa efa nomena fanambinana ny gasy fa i balita no tsy ambinina eh! tombotsoa teo antanana dia natsimpy izao itomanizantsika eh! lasa ny tateliko teo ! laniny vitsika sa laniny foza sy TGV sy ny forongony eh! veloma ry fiadanana t@ androny DADA Ravalomanana eh! indrisy veloma toko mantsy izany...... eh! rovina DADA! no hiverina eh! avareno ny DADANAYtompo oh! fa mijaly izay Malagasy eh! hafa ihany hoy aho DADA e!
Nampidirin'i volaniaina @ 19:48, 2010-09-03 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Desambra 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox