« | »

Manjakamiadana an-tsary

2010-11-06 @ 22:33 in Kolontsaina

Nitsidika ny Lapan'i Manjakamiadana ny tena ny andron'ny Asabotsy 6 novambra 2010 izay androm-pahatsiarovana azy rahateo. Maimaipoana ny fankanesana teny sy ny fahazoana naka sary ka dia nanararaotra ny tena. Indreto sary vitsivitsy no aseho anareo.

 

Ireo olona liana nijery fandaharana tamin'ny fanarenana ny rova araka ny ahafantarana azy. 

 

Ny eo an-tokonam-baravarana kosa. 

 

Endrika andohalambo eny

 

Varavarambe mivoaka miatsinanana

 

Ahitana an'i Mahitsielafanjaka

 

Avaratra kosa ny tranomanara 

 

Na ny Lapan'Andafiavaratra 

 

Nakisaka ho avaratra atsinanana ny Fitomiandalana raha atsinanan'ny Lapa taloha 

 

Aseho avy amin'ny Andohalambo indray 

 

Fa ny any atsimo manakory? 

 

Fanatazan-drano hatraty anatiny

 

Nasiana tohatra hatrao anatiny rihana voalohany

 

Lafiny atsinanana

 

Ary ny vavahady andrefan'i Mahitsielafanjaka 

Hevitra

Nikasa ny ho eny mihitsy aho fa dia tsy afaka e.
Tsara be ny voan-dalana fa dia mankasitraka :)

Nampidirin'i ariniaina @ 01:58, 2010-11-07 [Valio]

mankasitraka amin'ny fizarana e ... Asa na ho tafandalo eny ihany androany

Nampidirin'i saveoursmile @ 04:11, 2010-11-07 [Valio]

Misaotra Jentilisa a!...

Nampidirin'i Zokibe @ 04:17, 2010-11-07 [Valio]

Misaotra ra Jentisila ann, mankasitraka e! ohatran'ny mba nahita maso izahay @ ireto sary

Nampidirin'i sipagasy @ 08:26, 2010-11-07 [Valio]

misaotra Jentilisa,

Mankasitra lalandava e! manana masoivoho manana anao. Dia mba ilazao ny fandroson'ny asa koa... raha mandroso e :-)

Nampidirin'i gasi @ 12:13, 2010-11-07 [Valio]

Misaotra Jentilisa! Angaha moa Lapan'i Manjakamiadana fa tsy Lapa Manjakamiadana. Sa izaho no diso?

Nampidirin'i Su @ 12:36, 2010-11-07 [Valio]

misaotra fa tsara dia tsara ny voandalana e

Nampidirin'i ikalamako @ 15:13, 2010-11-07 [Valio]

tiako beuh ilay Andafiavaratra ravahan'ilay zakarandahy tazana avy eo ambaravarankely

Nampidirin'i ikalamako @ 15:16, 2010-11-07 [Valio]

Manja daholo ny sary jentl a, tena mankasitraka be o !

Nampidirin'i fahamarinana @ 15:25, 2010-11-07 [Valio]

Misaotra betsaka e JEntl a ! fa ny tiako ho fantantra : moa ve ho averina toy ny taloha ny efitra isan-karazany toy ny teo aloha sa dia atao lasa moderne daholo ny firafitra ? ohatra ve efa toy izao ireo tohatra 2 miakatra ny rihana @ ilay sary fahatelo avy aty afara ?

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 18:00, 2010-11-07 [Valio]

Su> tahaka ny anao no marina hoe Lapa Manjakamiadana fa tsy izay nosoratako.

Ankoatra izany tsy misy asa atao intsony eny fa mihantona ny asa e! tsy te-hanohy ny asan'ny olona taloha ny ankehitriny dia nanaovana zavatra hafa ny vola ka!

Nampidirin'i jentilisa @ 19:12, 2010-11-07 [Valio]

mankatelina e

misaotra betsaka jentilisa a!
za tena efa nnao pro mitsy fa tena tsy tafa, soa fa teo ianao

Nampidirin'i kitjo @ 19:20, 2010-11-07 [Valio]

oudryy, dia ravahana @ entana @ zao zany ny lapa raha tsy misy asa atao intsony ???
0_0
Fa angaha tsy ny Comité National pour le Patrimoine (sa ahoana tsara moa ilay anarana) no mitantana an'io ka na miova aza ny olana anaty birao dia tsy tokony hanova ny tetikasa zany ????
hmmmm

Nampidirin'i ikalamako @ 22:40, 2010-11-07 [Valio]

manja eee

Nampidirin'i simp @ 23:00, 2010-11-07 [Valio]

miandrisoa

misaotra amin'ny sary. Izahay aty an-dafindranomasina tsy mahita ny fizoron'ny asa ao. Misaotra indrindra.

Nampidirin'i miandrisoa @ 11:53, 2010-11-08 [Valio]

tohizo ny fakana sary fa milay be,mba hitanay koa hoe inona no misy any antanana any.Zahay mantsy aty Tamatave ka tsy mahafantatra mitsy izay an tana any.Merci lesy e.

Nampidirin'i Rahaja Dadanimendrika @ 08:32, 2011-07-10 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox