« | »

Faradoboky ny inona [an-tsary]?

2010-11-15 @ 13:33 in Politika

Mba afaka nijery ny zavamisy indray ny tena ny alahady teo ka nanararaotra ny naka sary ny fampielezan-kevitra nataon'ny komity mpanohana ny ENY teny amin'ny kianjan'Alarobia. Faradoboka io fotoana alahady io mandra-piandry ny alarobia 17 novambra 2010 kasain'ny mifehy ny fahefana amin'izao fotoana hitsapana ny hevi-bahoaka izay lazaiko ho sadasada manan-tsoratra ihany. Azo itarafana mialoha ny taham-pandraisana anjara sy ny isambato mety ho azon'ny ENY eto Antananarivo sy ny manodidina manko ny any na dia mety hamitaka ihany aza izay fijery izay.

Ny fotoana niaingana tao an-trano dia eo amin'ilay heverina ho fotoana mampafana indrindra ny fanentanana sy ny horakoraka teny an-kianja. Somary gaga ihany anefa raha vao teo am-piandrasana fiara fitaterana fa dia efa misy sahady ireo miakanjo ny ENY no tafody eny amin'ny faritra misy azy. Nanahy avy hatrany aho hoe rava sahady angaha ny any nefa vao amin'ny telo ora folakandro izao? Nandeha ihany anefa noho ny fitiavana hahalala sy hampitana aminareo ny hamaroan'ny olona tonga teny.

Teny an-dalana dia nahitana mandrakariva tapikan'olona mizotra mody tsimoramora miaraka amin'ny akanjo misy soratra ENY. Toa olona diso fanantenana sa mba reraka kosa satria efa hatry ny maraina kosa ny fanentanana. Teny Alarobia anefa dia hita ho betsaka tokoa ny olona mifanaretsaka eo ivelan'ny vavahady atsimo noho ny hamaroan'ny mpivarotra hani-masaka. Misy fiara am-polony an'olo-tsotra ihany koa mitandahatra, tsy afaka hilaza velively aloha aho hoe an-jatony ny fiara miantsona heverina fa an'ireo mpanotrona ity faradoboka ataon'ny ENY eto Antananarivo ity. Hay betsaka ihany ny olona hoy aho anankampo. Sady marina no diso anefa io fijeriko ny hamaroan'olona io.

Marina fa betsaka ny olona tonga teny an-kianjan'Alarobia io alahady 14 novambra 2010 io saingy raha izaho ny mpitarika sy mpanentana dia tsy araka ny nantenaiko ilay fahatongavan'ny mpanotrona satria latsaka ambany noho izay mety hanaitaitra ny hafa. Ireo tonga teny koa tahaka ny mangina hafahafa izany ankoatra ireo eny amin'ny lohalaharana akaikin'ny sehatra angaha izay mitora-jofo hatrany. Tsy afaka ny hihosina eny anefa ny tena fa matim-bovoka eny eo.

Nony teny na dia ambiansy aza no tadiavin'ny mpijery dia tsy diso anjara ihany koa ny gidragidra. Nisy nifanaritaka hafahafa izany matetika ao afovoan'ny mpijery ao. Ny olona koa moa taitaim-baombina ka raha vao misy ny tahaka izany dia efa fikoropahana izaitsizy no hitanao eny. Tsy hay noho izany izay tena anton'ny savoritaka fa dia variana ny olona mijery sy mitazan-davitra.

Angamba noho ny hamaroan'ny akanjo tsy voazara teny an-kianja fa misy ny sekolim-pinoana lehibe eto Madagasikara sy malaza ho akaikin'ny FAT no nizarana tee-shirt ENY avokoa ny mpianatra tao aminy. Mety mba ho solon'ny kit scolaire kosa angamba izany paika izany sady fanentanana ny ray aman-dreny rahateo hifidy handrotsaka ny ENY. Misy manko ny hafatra nifanomezana avy amin'ny mpitondra fivavahana tao aminy izay manentana ny olona handray anjara amin'ny fifidianana ary ny fanomezana alalana ny mpanao propagandy ENY hizara tee-shirt any an-tsekoly heverina ho tsy mbola sahaza ny politika noho ny taona tsy ampy dia toy ny marika hoe isika fiangonana dia tokony hiara-mientana hanohana ny ENY. Impiry anefa ry zareo ihany no mpilaza fa tsy tokony afangaro velively ny fivavahana (sekolim-pinoana eto) sy ny politika.

Dia tonga ihany koa ny kara-pifidiananay. Ny tsikaritray avy hatrany ary hita amin'ny boriborintany samihafa eto Antananarivo dia ny eo amin'ny daty sy toerana nahaterahana mitovy avokoa. "vers*Antsirabe" ohatra ny ahy satria teraka tany Antsirabe ny tena. Ny an'ny teraka teto Antananarivo dia "vers*Antananarivo" no hita eo, tsy ahitana ny daty nahaterahanao. Mazava loatra fa mampiteraka ahiahy izany toe-javatra izany mba hahafahan'ny tsy ampy taona mandrotsa-bato angamba fa dia maro no tratran'io tsy ilazako hoe tratra avokoa ny kara-pifidianan'ny olona.

Ny hitako hatreto no mandrisika ahy tsy hifidy amin'ny alarobia ho avy izao satria "vitsy" ireo nazoto teny an-kianja ny mpanohana ny ENY. Ny mpanohana ny TSIA moa karazan'ny tsy hita tabilao mihitsy hatreto ka tsy hita koa hoe aiza ry zareo ny alaina sary. Ny tena mampisalasala ny olona manko dia ny eo amin'ny fanaovana ny TSIA sy ny tsy handrotsa-bato. Tsy manakana ny safidin'ny tsirairay aho na hanao ENY izy na hanao TSIA na tsy handrotsa-bato fa izay amiko ny fahalalahana na dia enjehina aza ny mpampandany ny tsy hifidy ho mariky ny tsy fankasitrahana ny ataon'ireo mifehy ny fitondrana ankehitriny eto Madagasikara.

Jentilisa 15 novambra 2010 amin'ny 15:32

 

Hevitra

nisy artista sa tsy nisy? ^:^

Nampidirin'i simp @ 19:12, 2010-11-15 [Valio]

Artista malaza be sy maro dia maro tokoa no nahamaroan'isa ireo olona ireo ka! fa raha tsy izany dia asa fotsiny

Nampidirin'i jentilisa @ 19:26, 2010-11-15 [Valio]

ka mba piknika sy spektkla kosa ve kanou

Nampidirin'i simp @ 19:52, 2010-11-15 [Valio]

ENY ho'aho! tpt

Nampidirin'i jentilisa @ 19:59, 2010-11-15 [Valio]

Voaozona ve Madagascar ? Iza indray no ao ambadiky ny FAT ?

Tena mampalahelo hatrany ny zava-misy eto an-toerana. Mitanondrika lava ny tena hoe fa dia naninona loatra ity Madagascar ity. Ny mpanao politika dia mihamivaralila lava, mihamanalavitra ireo toetra sy fomba nampiavaka antsika malagasy dia ny fitiavana ny Fihavanana, ny fatahorana ilay Zanahary. Tsy tahotra tsy henatra fa dia ny Mpanao politika no mahasahy milaza fa tsy mila mihavana izany intsony, tsy ilaina intsony izany fihavanana izany, ary misy mihintsy ny mahasahy manambara fa tsy mivavaka izany izy, izany hoe tsy mino ny fisian'Andriamanitra akory. Koa dia ahoana moa no hampandroso firenena amin'izany. Ny mpanao politika raha ny tokony ho izy dia tokony hiaro ny tombontsoam-bahoaka, kanefa indrisy fa ny tombontsoany ihany no fatany ary ny ao am-pôsiny ihany no zava-dehibe aminy. Ary ny tena mampalahelo dia maro ny mitovy hevitra amiko kanefa dia mangina, mangina mangina ... Ao amin'ny Tafika moa dia betsaka tokoa izy ary efa tena hita hoe leo, kanefa dia indrisy fa "mangina". Toy izany koa ny any amin'ny sehatra samihafa, fa dia mangina daholo e ! Dia hoy aho hoe "ceux qui ne disent point, consentent" na "Izay mangina manaiky" dia samia miara mizaka izay vokany eto. Kanefa tsy toa ireo aho ka hangina na hanao kilalao ny fianam-pirenena, fa dia hijoro hatrany arak'izay tratrako ary manainga hatrany ny tsirairay mba hanao izay tandrify azy koa. Ny resaka faharoa dia ny momba ny FAT. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe maninona no toa mbola manambola foana ireo FAT ireo, avy aiza ny vola mbola omeny an'ireo miaramila EMMOREG ireo ? Tena marina avokoa izany fanontaniantsika izany. Raha ny vola eto an-toerana dia tsy manana firy intsony tokoa ry zareo. Saingy betsaka koa ireo mieritreritra ny mbola haka tombotsoa bebekokoa avy amin'io FAT io ka dia mamatsy vola hatrany azy ireo. Tsy ho ary voatanisa eto daholo ireo fa ao anatin'izany ireo KARANA mpanefoefo eto amintsika sy ny FRANTSAY. Tsy dia amin'ireo loatra no tiako ho tsindrina satria efa tsy misy tsy mahalala an'ireo. Fa ny tiako hampitaina eto dia ny fanampiana ara-bola izay misoko mangina izay ataon'ny Sinoa an'ny FAT. Fantaro ohatra fa raha ny fikarakarana io fifidianana io dia 100% sinoa no mamatsy vola azy. Banky sinoa maromaro amin'izao fotoana izao no manao tambazotra manampy azy ireo. Ary dia hevitra farany io no hiverenako amin'ilay fanontaniako hoe Voaozona ve ity Tanindrazako ity dia ny mpanao politika no lasa mihaadala tsy mahalala ny mahamalagasy azy intsony, ny vahoaka miafina ao amin'ny hoe "Majorité silencieuse" ka tsy vonona intsony hijoro hiaro ny tombotsoam-pirenena, ary no dia ny olona avy any ivelany foana no hanapatapaka ny ho avin'i Madagascar.
Nampidirin'i Razafinjatovo Justina @ 05:01, 2010-11-16 [Valio]

fa ahoana aho no tsy hifidy?

F'angaha za vendrana ka ho tarihin'ianareo tsy hifidy izaho tsy maintsy mifidy na tsy hifidy aza ianareo .Sady ianareo koa angaha moa man-jo hifidy fa ny zonareo any am-paosin-dRa8 sy Deba ary Zafy.

Nampidirin'i Rafatro @ 05:35, 2010-11-16 [Valio]

Soa dia isika aza no tena Foza e?

Mahakivy rngah le poltika tsikGasy,raha nisy ny tolona tena namaivay dia isany t@ 2002 ireny betsaka anie ny sacrifice natao t@reny e!ary iza no niadivantsika mafy t@reny? Tsy Deba a? nefa dezao rngah lasa meilleur ami du monde Ra8 & Deba,ko ba togavSaina Isik,Fsao dia isika ary no Foza marina
Nampidirin'i Raintkely @ 05:47, 2010-11-16 [Valio]

jentilisa

Rafatro alias Raintkely >> raha tsy nanoratra ilay voalohany ianao dia saiky tsy hamaly ny faharoa saingy efa nilaza ianao fa tsy maintsy hifidy ka tazony ho anao ilay fanontanianao hoe sao dia isika no... satria ianao ihany angamba izany sady ekenao rahateo moa ilay fanondroana ny tenanareo.

Faharoa, mba itadiavo hoe raha misy ny fombako ilay iraikalahy taloha araka ny fanoratantsika azy ato hoe. Manana ny safidiko aho dia izay. Ataoko fa efa mazava izany ary tsy nanompa aho hoe izay mifidy dia izatsy na izaroa. Ny safidiko tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany aza tsy noraharahiana koa ahoana no hieritreretako fa hisy hiraharaha izay safidiko rahampitso? misy ny toromarika dia arahiko izay. tsotra be ny anay.

Nampidirin'i jentilisa @ 09:18, 2010-11-16 [Valio]

A-T-ON BESOIN DE CELA?

LA QUESTION AURAIT DU ETRE: A-T-ON BESOIN DE CHANGER DE CONSTITUTION?
LES RESULTATS AURAIENT ETE:
- 40%: OUI
- 60%: NON

Nampidirin'i Deba @ 12:13, 2010-11-16 [Valio]

sali sali,

mba ataovy VETO direkta na twitter ny resultats Tana-ville raalina an... ra azo atao :-)

matoky anao ny firenena

merci

;-)

Nampidirin'i simp @ 08:49, 2010-11-17 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox