« | »

Ny sandam-bola malagasy

2010-12-02 @ 12:08 in Toekarena

Somary niato kely ny tena tao ho ao noho ny antony manokana. Hiverina vetivety indray anefa hametraka eto ny sandam-bola malagasy tao anatin'ny folo andro azo nalaina tamin'ny gazety teto an-toerana. Izany hoe somary ataoko mantamanta eo ilay tabilao noho ny hamehana. Ataoko fa ho azonareo ihany ny tiako lazaina avy eo na tsy hilaza zavatra betsaka aza aho satria tsikaritra fotsiny no aseho.


Dollar Euro

22 nov 1986,27 2715,57
23 nov 1982,34 2719,73
24 nov 1990,00 2703,43
25 nov 1997,84 2676,17
26 nov 1997,39 2675,31
29 nov 2006,00 2682,00
30 nov 2010,61 2691,95
01 des 2024,83 2703,69
02 des 2047,19 2730,24


Izany hoe ireo antontan'isa ireo dia amin'ny sandam-bola ariary avokoa. Napetraka ho tahiry ankoatra izay mety ho famoahanareo ny hevitrareo.


Jentilisa 02 desambra 2010 amin'ny 14:08



Hevitra

moyenne ireo ? mividy sa mivarotra ?

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 14:54, 2010-12-02 [Valio]

Tamin'ny andron'i Dada, 4 martsa 2008, 2768 Ariary ny Euro iray (niakatra be ny Euro tamin'izany fa ny dollar azo niainana). Nihatsara toerana ny ariary nanomboka teo. 23OO ar izy ny desambra 2008, izay tsy mbola mifankaiza firy amin'ny tahany ankehitriny.

Azo lazaina exploit ny vitan'ny fitondrana fat nitazona ny cours toy izao (na dia viruel ihany aza io cours io), fa raha sady vendrana no mpilaiso ny mpitondra efa tokony ho any ho any amin'ny 3500 ar any farafahakeliny ny euro noho ny tsy fisian'ny reconnaissance.

Aza dia manantena be an'io cours io hipoaka anefa fa miaka-midina tsikelikely eo io.

Nampidirin'i Dôty @ 15:22, 2010-12-02 [Valio]

Asa raha arakao ilay fifanarahana teo amin'ny mpitondra sy ny mpanafatra solika roa na telo volana lasa izay. Mividy 2000ar ny dolara iray ireo mpanafatra solika rehetra ireo ka ny takalony dia tsy ampiakarina ny vidin'ny solika mandrapahatapitry ny taona.

Matoa aho manoratra sy mamerina kely azy io dia mieritreritra hoe fa angaha tapitra sahady ny fifanarahana no nihaniakatra vetivety teo ny dolara satria raha nisy nandefa vola aho dia 1966 ariary no nanaovany ny dolara iray! nefa miankina amin'ny banky tsirairay ihany koa moa io.

Tsara homarinina ny andro efatra farany noho izany

Nampidirin'i jentilisa @ 16:30, 2010-12-02 [Valio]

miakatra ilay dôlara nefa midina ilay euro hi hi hi hi

Nampidirin'i ravola @ 22:40, 2010-12-02 [Valio]

Ny androany 3 des indray. 1€ = Ar2747 ary ny $1 = Ar2072

Nampidirin'i jentilisa @ 18:03, 2010-12-03 [Valio]

raha ohatra ka tsy miakatra ny fanjifana (consommation) eto antoerana noho ny hoe krizy sy hoe tsy misy zavatra miodina eto fa miha-mahantra ny olona... dia mazava hoazy fa tsy miova firy ary mety hihena mihintsy aza ny tinady @ vola vahiny... dia izay no mahatonga an'ilay hoe tsy midangana be ilay izy... surtt hoe ny hany tena mila vola vahiny dia ny fividianana solika izay hoe entana tsy maintsy hafarana kanefa io efa nomena taux fixe ( io no mba hoe tombotsoan'ilay tena tsisy reconnaissance satria dia afaka manao izay tiana hatao ny fanjakana -- normalement tsy ho heken'ny mpamatsy vola mihintsy ny fitazomana ny taux de change izany)...

Eo ihany koa ny hoe na dia tsy misy mpamatsivola be intsony aza isika dia betsaka ihany vola vahiny navelan'i ra8 tao no hoe mitohy tsy mitsahatra ny investissement minier eto amintsika ary ireo no tena anisan'ny hoe mamahana ny reserve antsika @ izao...

Ny mahatonga an'ny euro miaka-midina koa angamba dia noho ilay olana ara-trosa be an'ny Nosy Ireland... ny mpandraharaha, indrindraindrindra ireo mpikirakira ny resaka borsa/Forex dia tena mora taitra be @ resaka sihosihon-dresaka. Na marina na tsy marina izany dia tsy maintsy mamay foana aloha ny tsena mandritra ny fotoana hoe mandra-paha calme anazy... io Ireland io izany dia vao mia koa niampy trotraka @ le hoe i Portugal sy Spain mety tratra koa dia vao mia nikoropaka ny olona... dia @ izao indray hoe tapaka ny planina hamonjena an'i Ireland sy hoe rehefa nividy ampahany @ bonds ( trosa ) an'ny fanjakana portugal sy Spain ny Banky foibe eoropeana dia miverina miakatra indray ny vola Euro...

Dia izay... tsy hoe tena izay no tena mampiakatra azy aty amintsika alou fa en partie tsy maintsy mi-reagir @ fandehan'ny tsena iraisam-pirenena ihany ny antsika... ra tsy izany dia afaka misy manararaotra be mihitsy. Dia miverina @ equilibre wazy... Enfin, @ izao krizy izao angamba alou mety tsy poinsa satria dia ho angalarin'ny baroa hatr@ volanao angamba eee...

Sinon, afaka manao intervention ny Banky foibe raha ohatra ka hoe tena latsa-danja be ny ariary... zany hoe tsy maintsy fantarina ny anton'ilay aloha vao tokony manao an'zany izy fa satria ra zavatra hoe avy any ivelany dia mety ho lafo be ny cout an'le izy ary mety tsy handaitra akoriny aza...
Ra mihanahana ihany koa anefa dia lasa otran'ny t@ 2003 moa sa 2002 ilay niakatra 100% ny vola euro...

Nampidirin'i simp @ 18:17, 2010-12-03 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox