« | »

Wikileaks momba ny FPVM Antaninanandrano

2010-12-22 @ 23:19 in Finoana

Tsy re na hitan'ny olona tsy manana aterineto ny zavatra malaza aty amin'ny aterineto amin'izao fotoana izao. Nisalasala ihany vao tapa-kevitra ny hanoratra. Isika mpiserasera ihany aloha no maharaka ny fisian'ilay lahatsary izay notapatapahina sy mikorontana ny filaharany ka tsy fantatra intsony izay lohany ary tsy hita tsara izay farany. Fahadisoana voalohany nataon'izay namoaka ny lahatsary telo mifampitohy toy ny manao endrika mitohivakana na miverimberina ilay izy. Avy amin'izay tsy nandaharana araka izay fandehan'ny tantara izay no tsy dia ahafahana loatra mitsara haingana sy befahatany. Toa samy ahitana ny sombin'ny fizarana voalohany sy faharoa ary fahatelo mifangaro avokoa ireo lahatsary telo lazaina ho mifampitohy: manana ny rariny ihany noho izany izay miteny fa namboarina ilay lahatsary na dia mety ho zava-misy tao amin'ny FPVM Antaninanandrano tokoa aza ny sehatra. 


Manaraka izany, tsy fantatra tsara ny mahazo ireo "mpandray anjara fototra" nefa izy telo ireo no toy ny nasongadina tao amin'ilay lahatsary [video]. Ny iray tamin'ny mpaka sary moa dia niteny hoe "tsy tenenina intsony hoe tsy mety!" nandritra ny fotoana nibaikobakoan'i Rija ireo roa vavy nampijaliana sy nampanaovina zavatra tsy mifanaraka amin'ny maha-olombelona. Andeha atao hoe samy tsy ao anatin'ny fahasalamany loatra ilay mpibaikobaiko, tsy fantatra mazava raha izay ny ritoaly tsy maintsy notanterahina hanalana ny rofy sy ny aretina sy ny devoly na bibilava manjaka ao anatin'ilay marary [na nalàna fahalemena sy fahajambana mbamin'ny tsy fandrenesana]. Tsy nifanaraka loatra amin'izay heverina ho fampianarana momba ny finoana kristiana sy momba ny "Fifohazana" koa anefa ny zava-natao.


Amin'ny fandroahana ny devoly sy ny asany rehetra ary ny fombany rehetra dia alefa any amin'ny farihy mirehitra afo sy solifara ireo zavatra telo ireo, na ilay antsoina ao amin'ny Apokalypsy ihany koa hoe fahafatesana faharoa fa tsy averina velively any amin'ilay lazaina fa nanao azy [ny famosaviana, ambalavelona,sns...]. Tsy ny olona na oviana na oviana no tokony enjehina sy ampijaliana fa ny devoly mpamitaka izao tontolo izao. Averiko indray fa tsy azoko atao ny mitsaratsara fahatany, ao amin'ny lahatsary aloha dia tsy nanitsy ny teny tsy mety hoe "avereno aminay izay nanao azy" izay mety ho mpiandry tao nefa noho ny fanapatapahana ny lahatsary dia azo atao ihany koa ny manahy hoe sao dia natao hanalana baraka fotsiny ny tantara naseho nefa tsy araka izay filaharany tokoa.


Etsy ankilany indray raha ny fandehan'ny famotorana natao dia tsy fantatra mazava na "nitolo-batana" ireo olona ireo na "azo teo ampanaovan-dratsy"... toa tsy nandositra intsony anefa ry zareo. Tsipalotra tamin'ny alalan'ny resaka fa karazan'ny andro faharoa nanaovana ny famotorana ny nakana ny sary. Miteny hoe nakana ny sary moa dia tsy tokony ho nalaina sary velively ihany koa ny toe-javatra sahala amin'ireny. Betsaka ny olona mety tsy hahazaka ny fanalana ny devoly fotsiny na dia tsy nisy aza ireny fampijaliana ara-batana sy ara-tsaina nahazo ireo olona roa ireo. Asa na manao ahoana na manao ahoana ny tena fandehan'ny raharaha fa toa karazana valifaty no tena natao na naseho ho hitantsika mpiserasera fa tsy fanavotana fanahin'olona velively.


Farany, raha tsy misy azonao izay rehetra nolazaiko dia "soa ihany" izany satria aleo izay nahita ihany no hahazo tsara izay voasoratro, tsy nikendry ny hanazava loatra aho fa ny hilaza ny hevitro fotsiny ihany ho an'izay nahita tahaka ahy. Ho an'izay nametraka ny lahatsary dia miangavy azy ireo hamerina araka ny fandehan'ny tantara ny zavanisy tamin'io fotoana io hahafahana tena mamakafaka azy fa tsy hanaitaitra fotsiny ny olona. Ary ny fehiny ataoko dia hoe "Raha hoy isika: tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia Mahatoky sy Marina Andriamanitra [Izy] ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra." I Jaona 01: 08-09


Jentilisa 23 desambra 2010 amin'ny 01:18

Hevitra

Hitako ihany io resaka io tao amin'ny site -n'ny GTT, fa toa efa voafafa ilay nantsoin-dry zareo hoe "video". Sary iray eo amin' ny titre sisa tavela tao. Sarina somary maizimaizina mampiseho vehivavy anakiroa manainga zipo sy mifanolotra fitombenana, ary misy lehilahy mitsilany eo amboniny.

Nampidirin'i raprosy @ 06:01, 2010-12-23 [Valio]

Asa aloha na nisy na noforonina iny say iny fa ny azo ambara kosa dia hoe afa-baraka ny FPVM

Nampidirin'i lavalamosina @ 09:21, 2010-12-23 [Valio]

Wikileaks momba ny FPVM Antaninanandrano

Io ny lien ao @ GTT
http://collectif-gtt.org/content/21122010-fpvm-antaninanandrano-fanalana-devoly-miendrika-visa-vid-os

Nampidirin'i radama @ 11:46, 2010-12-24 [Valio]

Wikileaks momba ny FPVM Antaninanandrano

Misaotra an'i Jentilisa nitondra ny fomba fijeriny, na izaho koa aza dia mahita ireo fomba nandalinanao azy ireo saingy andrasako ho ny mpamaky ny gazety aloha no hamoaka izay heveriny momba ilay lahatsary misavoritaka. Efa azoko (telecharg├ęs) daholo ireo lahatsary 3 saingy tena tsy hitako izay handraisana sy handaminana azy. Mitoetra foana ny hoe 'Inona no tanjon'izay namokatra ny lahatsary, ary tratra ve?'

Nampidirin'i avylavitra @ 07:26, 2010-12-26 [Valio]

ankasitrahana ny teny Malagasy

Miandry ny fanazavana, sy ny hevitry ny olona rehetra mikasika ireo lahatsary ireo. Hahafahana mamakafaka ny "mety" ho marina.
Fankasitrahana MANOKANA ho an'i "jentilisa *" sy ireo mpandray anjara miezaka mampiasa TENY GASY MADIO.

(* Fanamarihana kely : Inona no foto-kevitra nifidiananao ilay hoe oe solonaranana h "jentilisa"?)

Nampidirin'i Mankasitrae @ 10:29, 2010-12-28 [Valio]

jentilisa

Fanontaniana efa zary mahazatra ka tsy maninona na valiana hatrany aza! Nifidy ny anarana jentilisa aho hilazana fa tsy ratsy ho azy amin'izao toy ny voambolana hoe devoly na demony tsy akory ny voambolana hoe "jentilisa" fa tratran'ny fanavakavahana fotsiny ihany. Isika Malagasy dia tsy jiosy fa jentilisa... na dia misy aza ny mpitandrina mpitory ny "Jiosy ve ny Malagasy?". Paoly Apostoly dia nanoratra na niteny hoe: ...manomboka izao dia hitodika amin'ny jentilisa kosa izahay... fa tsy niteny kosa izy hoe manomboka izao dia hitodika amin'ny devoly na hampianatra ny devoly. Asa raha manomboka azonao fa ny antony dia hoe ho any amin'ny jentilisa ihany koa ny fahasoavan'Andriamanitra raha lasa mampirona kokoa ho amin'ny fiavonavonana sy fireharehana mampieboebo ny filazana ny tena ho jentilisa. Ataoko fa efa ampy izay fanazavana izay!

Nampidirin'i jentilisa @ 21:18, 2010-12-28 [Valio]

jentilisa

ahitsio> raha lasa mampirona kokoa ho amin'ny fiavonavonana sy fireharehana mampieboebo ny filazana ny tena ho jiosy

Nampidirin'i jentilisa @ 21:22, 2010-12-28 [Valio]

Tsy mahagaga irney sary ireny fa ahoana moa no niforonan'ny FPVM ? Nahoana moa no voaroaka tao andravoahangy fivavahana i "pasitera" Randrianatoandro ? Fantaro ny tantaran'i "pasitera " Randrianatoandro dia hazava amin-tsika ireny zava-niseho ireny
Nampidirin'i Lukyluk @ 08:13, 2010-12-29 [Valio]

hafa

Raha ho ahy manokana dia eo anatrehan'i Jehovah no mahatsiravina izao toe-draraha izao satria ilay raharaha politika sy "ady" misy eo amin'ny antoko roa izay idiran'ny FPVM no tena misongadina eto. Ny loza anefa dia anaran'Andriamanitra, resaka fanalana devoly sns no tsapako voatonotonona sy voaosopotaka voalohany indrindra, izay manafintohina mafy ahy, ampiana an'ilay feonkira masina ao ambadika noho ilay RLM ao amin'ny site an'ny GTT.

Nampidirin'i papelika @ 22:22, 2010-12-30 [Valio]

MIKASIKA NY FILM NAREO NIVOAKA FARANY INY

Salama PASITERA mba saika hanontany momba ilay FILM izay nahatohina iny .Marina toko ve iny pasitera

Nampidirin'i TINAHY @ 14:16, 2011-04-05 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox