« | »

Resaka fombafomba miafina no nangalarana ny Satroboninahitra?

2011-12-06 @ 11:14 in Andavanandro

Na dia tsy te-hanoratra aza aho dia tery ihany hanoratra sy hamboraka ny hevitro adaladala. Atao hoe resaka politika toa misy zavatra ambadik'izay politika izay hatrany na misy ny fombafomba tsy miseho ampahibemaso atao hahazoana na hitazonana toerana.

 

alt


Tsy te-hino aho saingy mampieritreritra ihany ilay fangalarana ny satroboninahitra an-dRanavalona irery ihany tao amin'ny Lapan'Andafiavaratra. Araka ny eriteritro mandeha dia resaka saimbolika no nangalarana azy fa tsy noho ny sandany loatra. Tsy ho afaka hanameloka na iza na iza na izany ary ary tsy tery hanaiky ny valin'ny fanadihadiana rahateo izay tsy fantatra na efa miandoha na mbola tsy misy tokotaniny. Toy izao manaraka izao ny hevitro adaladala rehetra manodidina azy ity ka amerenana ny tantara vitsivitsy :

alt


Ny antony nanorenana dobo teo anoloan'ny Lapan'ny tanàna dia ho fanadiovana ny ra latsaka teo tamin'ny 1972 satria teo amin'io misy ny dobo io indrindra no nisian'ny olona maty voatifitra tamin'ny 13 mey 1972. Firariana mba ho voafafa ny heloka natao tamin'izany famonoana olona izany. Dia nofefena amin'izay mba tsy hisy intsony ny hetsi-bahoaka manongana ny fitondrana mijoro.

 

alt

alt


Fomba tsy fantatra antony loatra ny fametrahana faritra iray ao anatin'ny Lapan'ny tanana ho tsy azo itsahana ary tarafin'ny jiro lustre izay nataon'ny PHAT fanomezana ho an'ny Lapan'ny tanàna. Any ampiangonana misy faritra tsy dia fanitsaka loatra afa-tsy noho ny antony sarobidy fa ny ao kosa na inona na inona antony, matanjaka noho ny fivavahana na masina dia masina tokoa noho izany ilay faritra.

alt


Tsy nankasitrahako loatra ilay fomba nentina nankalazana ny faha-400 taona ny tanànan'Antananarivo sy ny nitokanana ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo ka nanaovana diabe nidinana avy teny amin'ny Rovan'i Manjakamiadana mizotra ho eny Analakely. Ny fanasongadinana  ny PHAT mivady no hitako navandravandra tamin'iny ho toy ny fanandratana azy. Ary aty aoriana ela dia tahaka ny nampisy eritreritra adala tanteraka fa tsy hoe izay no marina fa satroboninahitra sisa no tsy ampy. Fa izao: Efa nahita sarin'ny mpanjaka teto Imerina nitondra satroboninahitra ve ianareo? Toa ny mpanjakavavy ihany no nitondra e?

alt


Fa fombafomba fihantsiana na famonoan-kasina no heverin'ny hevitra adaladalako nanaovan-dRatsiraka ilay paompy teny Ivato, satria nisy koa ny paompy nataon'i Andry Rajoelina sy Camille Vital tao amin'ny Toby RTS Soanierana indray maka ary naseho tele. Fomba famonoan-kasina ilay Karaoke hira mivalana natao teny an-dalana ary hafatra manokana ho an'ny PHAT izay mpikarakara fety, nanana ny lazany ny LIVE fanao tao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena.


Ary dia nirona ho azy tany amin'ny hoe fombafomba no nisian'ny halatra satroboninahitra tao amin'ny Lapan'Andafiavaratra (Lapan'ny Hova fa tsy Lapan'Andriana) sy ny fangalarana bala arivo an'ny RFI tao amin'ny BANI ny eritreritro. Satroboninahitra iray sy bala arivo no nangalarina, resaka mifono misitery, ary ilay misitery dia mirona amin'ny hoe fombam-pivavahana miafina no nisian'ny halatra.  


Halatra saimbolika: Tsy izay tsaratsara rehetra no nangalarina tao Andafiavaratra fa ilay satroboninahitra fametrahana amin'ny fitoerany ho mpanjakavavy ny olona iray. Ny bala arivo tsy mihoatra tsy nanalana kosa isa manavaka ny tarigetran'Antananarivo hoe "Ny arivolahy tsy maty indray andro". Antananarivo dia tananan'ny Arivolahy no niavian'anarana, arivolahy izay miaramila. Fomba inona izany no natao? Fomba fampivondronana ho iray ny mpitondra iray sy ny miaramila? sa fomba hametrahana olona iray ho mpitondra ho eken'ny miaramila? Tombatombana tsy dia mitondra mankaiza loatra... 


Nahavariana ihany koa ny andron'ny 4 desambra, tsy mahalala ny tononandron'io loatra aho fa tsy kisendrasendra ny nahaverezan'ny satroboninahitra iray sy ny bala arivo ho samy alin'ny Asabotsy mifoha Alahady avokoa. Misy zavatra kendrena ao anatiny. Samy azo ahiahiana avokoa na ny eo amin'ny fitondrana na ny ivelan'ny fitondrana. Fa ny tsy tokony adinoina dia ny datin'ny 4 desambra 1984 no nanafihan'ny Kung-fu ny toby Pochard nisy ny TTS tamin'ny androny ka naharava io vondrona mpampihorohoro nokaramain'ny fanjakana hanindry ny vahoakan'Antananarivo. Be loatra ny kisendrasendra ka tsy mety hidify amin'ny hoe fihetsika "fombafomba" miafina no antony nangalarana ilay satroboninahitra iray sy ireo bala arivo.

Jentilisa 6 desambra 2011

Hevitra

tena mampalahelo be ra ohatra ka tena marina ny hevitr'i elah...
satria ra tsy olona tena nianatra na hoe nanadihady be, izany hoe nandany fotoana sy nampiasa saina @ izany tsy hahalala ireo voalazan'i toi ireo...
izany hoe tena mpankahala tanteraka...

satria nahoana anefa??
tsy inoako hoe mahasambatra izany... asa anefa

Nampidirin'i simp @ 13:40, 2011-12-06 [Valio]

ary sao dia omena atao cadeaux an'i sarkozy???Iza no mahalala!!!

Nampidirin'i bad lah @ 13:54, 2011-12-06 [Valio]

hita tokoa f hevitra politika le izy e saigy tsy hay izay tena tiany hatao aryiza no nanao azy
azo heverina ny hevitrao fa mety misy ambadika hafa tsy fantatra ihany koa
efa manomboka misambotra ry zareo saingy ny olona samborin d toa ny madinika ihany fa ny tena fositra tsy voakitika
ho hitantsika eo ny tohiny eeeeeeeeeeeeeeeee

Nampidirin'i nini @ 06:31, 2011-12-07 [Valio]

raha ny hevitro aloha dia misy azo raisina ny hevitrao, satria ny fomban'ireto phat ireto, indrindra fa ny mpiaramiaasa akaiky aminy dia ny fomban'i Rainilaiarivony, tsy misy tsy mahalala isika fa novadin'ilaihaka daholo ny mpanjaka vavy , mba ahazahoany laka, te ho andriana angamba ny tarank'i lery!, dia aza gaga ianarao raha hilazana fa irao taranaka ireo no nivarotra ny Malagasy tamin'ny frantsay ary tena voasoratra noir sur blanc izany. Saigy misy taranaka mananjina eto amintsika, tsy maintsy hipoitra ny marina fa tsy ny taranak'i rainilaiarivony sy ny forongony akory no afaka hampandroso ity madagasikara ity, satria efa voahozona hatrany amboalohany ireo.

Nampidirin'i bob @ 06:37, 2011-12-07 [Valio]

izaho aloha dia tsy manao politika na kely aza satria TSY TIAKO , ny hevitro mikasika izay voalazanao dia tena zava-miafina e! fa asakasak'izay manana sain-dratsy , fa "Samy mbola ho tsaraina isika " Hoy ny hiran'i Rija .

Nampidirin'i kala @ 08:05, 2011-12-07 [Valio]

Ny fangalarana ny satroboninahitra dia fanamporofoana ny tsy fankasitrahana sy ny tsy fanasiana hasina ny an-dRanavalona. Karazan'olona inona moa no mety mahavita an'izany? Iza no tena mpanao an'io fomba fanavakavahana io? Ary firenena iza no no tena mpampirisika izany fomba izany?
Nifanindry tamin'ny fahatongavan'i Ratsiraka antanindrazana ny sehon-javatra! Mety tetika koa izany rehetra zany mba hanamelohana an-dRatsiraka, satria izy manelingelina, ka ampifandraisina ny famaizan'ny Rova tamin'ny fotoana nitondran'ity farany, izay mbola alahelon'ny malagasy, indrindra fa ny eto andrenivohitra izay vahoaka atahorana indrindra amin'ny fahatakaran-javatra.

Nampidirin'i eddy @ 09:23, 2011-12-07 [Valio]

Dikany miafina no ilainao ?

Rano mitsitapitapy eo @ lapan'ny tanàna = Mba ho lasa rano hitsitapitapy daholo izay heverina ho atao eo (grève indrindraindrindra)
Satroka nisy nangalatra= aza adino fa irao mpanjaka vavy ireo dia olona sari-bakoly fotsiny, fa afa no tena nindra teto, ary olona iray ihany no nanambady azy telo vavy ireo, fony naha-mpanjka azireo no lasa zanatany i Madagasikara. Noho izany tsy misy tokony hanomezana hasina ny naha_mpanjaka azireo mihintsy, ireo no tena nanimba ny maha-Gasy antsika. Ka noho izany avelao ho ampiasin'izay mila azy any ny satrony fa tsy misy ilantsika azy eh ! Sady satroka tsy vita Gasy koa anie iny eh !

Nampidirin'i Gasikely @ 09:58, 2011-12-07 [Valio]

atsoy Johny English rangà a

Nampidirin'i robena @ 10:19, 2011-12-07 [Valio]

Heno tao am radio

Nisy radio iray nitantara omaly fa nisy mpanandro avy any atsimo niteny tamina mpanao politika vevavy eto fa rah misatroka io satro-boninahitra io izy dia mety ho lasa ho filoham-pirenena ...
Tsy zah ny namorona an!
Sao dia mba misy minomino foana ireo panao politika ireo

Nampidirin'i TANJAKA @ 11:18, 2011-12-07 [Valio]

NA ahoana na ahoana dia jereo ity hevitra iray ity ETO

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 13:06, 2011-12-07 [Valio]

misy devoly be eto mada..! ary efa manam-bady ny iray tampo aminy sy manolana ny ray aman-dreniny mihitsy..!

Nampidirin'i rakoto01 @ 13:36, 2011-12-07 [Valio]

Re:

siora mintsy amin ilay johny english an huhuhuu

Nampidirin'i tatl @ 07:39, 2011-12-08 [Valio]

Tsy misy mahalala afa-tsy izay nanao acte ihany fa ho antsika rehetra mahita ity dia tsotra ihany.
MIVAVAHA ary feno dia feno ny NOTRE PERE na Rainay any an-danitra.
Izy irery ihany, sinon vizaka fotsiny

Nampidirin'i L'aura @ 12:27, 2011-12-08 [Valio]

tena otran'ny marina mihintsy io voalazanao io ry Zo , misy resaka politika ny fahaverezan'ny satro-boninahitra. Enga anie mba hanangatra Ranavalona

Nampidirin'i Randria @ 11:41, 2011-12-10 [Valio]

tongava saina ry gasy, miova de mibanjina an le fiainana any ambony fa ra ze eto antany eto miha potika foana zani e...ra izay sampy izany indray kosa anefa dia tsy hahakasika an i Madagascar sy ny zananay mandrakizay na mpimasy io na mpanandro na mpitondra...tahian Jesosy daholo

Nampidirin'i mihaja @ 15:11, 2011-12-10 [Valio]

Satroboninahitra

Ny hasina maha Malagasy, ny lova navelan'ny Razana, ny hanatra nataon'ny Ray aman-dreny, ny soa-toavina amin'ny maha Malagasy, ny ohabolana navelan'ny Taolo, ny rà maha-Malagasy ary Madagasikara , ry tanindrazanay malala. Ireo rehetra ireo no efa nohitsakitsahintsika, tsy nasiantsika hasiny. Tadidio anefa fa ny famadihana izay fomba Malagasy dia noho ny finoanatsika fa mitahy ny Razana. Nodorana ny Rova, izao indray nisy naglatra ny satroboninahitry ny mpanjakavavy. Midika izany rehetra izany fa very hasiny ny Malagasy, tsy manana ny maha izy azy intsony ny Malagasy, very fanahy mbola velona ny Malagasy any ka na Andriamanitra na ny Razana dia manome tsorakazo mahamay antsika, izay hita izany @ ataon'ireto Mpanao politika. Fa dia nahoana loatra ré??? Mila manala fady isika mba hiverenan'ny Hasina sy ny fitahiana hoan'ireo taranaka fara-mandimby. Koa dia ambava homana ry havako isany fa efa haloalika ny ranom-bary.

Nampidirin'i Kiaka @ 15:31, 2011-12-10 [Valio]

Rohizo ny heviny VATOMASINA

Tamin'ny 2008 dia tsy hita ihany koa ny nanjavonan'ilay VATOMASINA teo Andohalo!!!!!
Natao hoe amboarina ny Kianjan'Andohalo kanefa tsy mbamin'ilay VATOMASINA. Famapahtsiahivana ho an'ny rehetra: teo amin'io Vatomasina io no nanehoana ampahibemaso voalohany izay handimby ny Fanjakana, teo ihany koa no nisehoan'ny Andriamanjaka vao teny Mahamasina. Anontanio ny Kaominina hoe nankaiza izy izay????
Ho hitanareo fa hisy fanamboarana ihany koa io Kianjan'ny Mahamasina io ary dia hanjavona ny Vatomasina eo!!!
Mbola mikasika ny Kianjan'Andohalo: misy trano roa eto Antananarivo eto mitovy endrika amin'io Kianja io ny ao anatiny.

Nampidirin'i Vatomasina @ 17:33, 2011-12-11 [Valio]

Re:

olona efa marary saina koa ity rangahy ity. izao ve no mba resany

Nampidirin'i toovs @ 21:51, 2011-12-11 [Valio]

Re:

slt!
eto an-tany raha sahala @ko mihitsy aloha dia tsy mba mino ny kisendrasendra izany aho e! ny zava-drehetra @ko dia efa voalahatra avokoa, izany hoe misy zavatra ao ambadik'iny fa tsy haiko fotsiny! misaotra anao mahasahy maneho hevitra! Farany: rehefa tsy ho tonga saina (@ lafiny rehetra mihitsy an!) @ ity krizy ity ny gasy dia mampamangy e!!!!

Nampidirin'i Hery @ 10:14, 2011-12-12 [Valio]

Mba te hanontany hoe ny hova ve manamasina toa ny andriana rehetra manamasina ao anaty trano manarany, ny hova mantsy toa tsy manana trano manara hanasinana razana?
no sady efa nivadika protestant sy katolika daholo fa tsy mandray roa toa ny taranaka andriana sady manamasina Andriamanitra sy razana?

Nampidirin'i macsi @ 12:09, 2012-01-03 [Valio]

..tena mampieritreritra tokoa izany resaka ataonao izany. Efa ela aho no tsy nanaraka ny blaogy-nao fa dia faly fia daly tokoa aho mahita fa mbola mitsangana foana. Mankasitraka! Vavolombelona tokoa ianao.

Nampidirin'i Niry @ 20:11, 2012-01-03 [Valio]

Re: Rohizo ny heviny VATOMASINA

aiza izany trano izany?mba tsara ho fantarina ihany!

Nampidirin'i gasy lavitra @ 16:08, 2012-01-04 [Valio]

Azafady fa tsy miteny gasy loatra. Mety vé ra misy traduction francaise fa interrésé par le sujet.
Miala tsiny aminao.
Je n'ai pu comprendre la totalité du propos.
Misoatra betsaka et Bonne année a tous

Nampidirin'i alain @ 16:17, 2012-01-04 [Valio]

Re: Re:

Aza mamaky ry alika refa tsy mahatanty a!

Nampidirin'i lee @ 15:34, 2012-01-06 [Valio]

Resaka franc-maconnerie sy illuminatis no mitranga ankehitriny.
Efa vonona hametraka ilay nouvel ordre mondial ny satanistes!!!

Nampidirin'i Sulawesi @ 17:07, 2012-01-07 [Valio]

1000

Très Interessant !!!, , car :
Théorie d’autant plus troublante que 1000 jours exactement avant la date du vol de la Couronne, Andry Rajoelina s’était réfugié à l’ambassade de France.

Le vol de la Couronne est -bien sûr et avant tout- un acte symbolique, dans la droite ligne de ce qu’évoque Jentilisa dans sa théorie.

Les 1000 guerriers du Nampoina, qui ne meurent pas en 1 jour, devise de Tananarive.

Les 1000 balles dérobées au Bani (pourquoi le Bani ???) le même jour que le vol de la couronne.

Enfin ces 1000 jours séparant la date du vol et la date de la fuite de Rajoelina à l'ambassade de France(C'était à ce moment que les français lui ont donné l'argent qui lui manquait pour financer les militaires).

Que signifie tout ceci ?
A étudier !!
Je ne suis pas de ceux qui croient au hasard… .

A ne pas négliger : avec le Couronne ont été volés la Bible et le sceptre de la Reine …

Nampidirin'i Kalachnikov @ 14:02, 2012-01-11 [Valio]

Izaho manokana aloha dia tsy mankasitraka ireny fisehosehona ataon'i Andry rajoelina mivady tahaka ny fitafiana lamban'Andriana isakin'ny mihetsika izao
Manana ny hasiny ireny lamba ireny ary tsy natao hitafian'zao karazan'ol rehetra izao eny fa na dia president aza tsy voavidimbola ny fiandrianana ka tokony hieritreritra ihany ingahy rainy io vô manao zavatra

Nampidirin'i tsinjo11 @ 08:08, 2012-01-25 [Valio]

1000

Marina tokoa izany : 09/03/2009 ka h@ 04/12/2012 dia arivo (1000) andro...d

Nampidirin'i kajio @ 15:45, 2012-01-26 [Valio]

FANABEAZANA FOTOTRA

Miala tsiny indrindra tompoko!!!izaho tsy tia politika fa voatera miteny...Isika Malagasy de mana-karena tokoa raha ny tena izy,fa ny tsy ampy(ratsy) dia ny fanabeazana sy ny fitondrana politika,izay matetika mitondra antsika any an-kady.Raha ny mponina:Mbola vitsy ihany koa anefa ireo izay mahalala fomba ka mijoro fa Malagasy mahay sy ambony toe-tsaina ka mora rebirebena amina paompy,na t-shirt orange,na bisikileta sy yaourt morabe,na aleo ho fidiana ho president satria bogosy be leiry.Porofo izany fa tsy mandeha amin ny laoniny mihitsy ny toe-politika antsika Malagasy,midika fa mahantra ara-toetsaina sy fahaizana mivoatra.Kanefa raha ny tokony ho izy dia izay mendrika sy tia tanindrazana no mitondra fa tsy misy idirana subjectivite(endrika ivelany,mahafinaritra,bokona be,mpivavaka be,mahay mistila,sns...)raha Malagasy ianao ranamana,tsara ny teny malagasy bedabe ny fomba hahaizanao azy ary tokony ho hainao ny tenindrazanao.Hoanao kely atidoha kosa atsarao ny toetsainao ranamana izay manalika ny namanao ihany anefa(ny Malagasy tsy mpanalika olona na vahiny aza)ary raha te hiteny frantsay izy dia zony izany eh... tenenina moramora fotsiny fa tsy manao kozna kofy boay kely manao fikana mapme.Aoka isika samy haka ny andraikitsika hanome tosika,sy hanandratra ilay Tanindrazantsika malalantsika fa tsy hoentina zebra be amin'ny fomban'ny razoukn be,zoel sy zanpol le firenena...

Nampidirin'i Andry @ 03:25, 2012-03-24 [Valio]

tena mananao fona mintsy rajoelina mivady an, andevo mitomany andrina, mba mihetse ry taraka andrina fa very asina ny haaja ntsika a

Nampidirin'i paraintse rakoto @ 06:31, 2013-01-19 [Valio]

Aza adinoina fa tsy vitsy@reo HAT reo anie no alevina eny @rova Ambohimanga rehefa maty e, zany oe taranaka andriana izy matoa milevina eny. Midika ko zany fa nareo andriana samy andriana ihany no mampivarina an-kady an'i Madagasikara ohatr'zao, ka amiko tsy manan-kasina izany ny andriana fa ny vahoaka maro an'isa ihany no tena manana ny hasina maha-Malagasy.

Nampidirin'i Rakoto kely @ 12:12, 2013-11-11 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox