« | »

Taratasy fifirana tsy levon'ny rano

2017-05-11 @ 20:40 in Andavanandro

Zavatra iainana saingy toa tsy misy mpiresaka nefa dia tena manimba ny tontolo iainana mihitsy, satria manentsina tsy araka ny tokony ho izy ny fantsona natokana izorany. Efa nahatsikaritra ihany aho fa tsy tonga saina loatra, lasa mivalombalona be tsy mety lasan'ny rano ny taratasy vao avy nifirana. Efa nametraka fanariana taratasy manokana mihitsy na dia ny orinasa aza, noheveriko ho an'ny taratasy tsy natokana ifirana saingy noho ny tsy fahatakarana na fahalaniany dia mampiasa taratasy hafa no anton'io fanariana taratasy io, hay diso tanteraka ny hevitro fa tena natao ho an'ny taratasy natokana ifirana mihitsy io fitaovana fanrariana taratasy eo anilan'ny toeram-pangerena mihaja io, mihaja amin'ny lafiny madio moa izany.

Ny mpivarotra mihitsy amin'izay no miteny hoe ireto taratasy fifirana ireto tsy levon'ny rano fa mora ny vidiny fa ity ihany no taratasy fifirana levon'ny rano saingy lafo dia lafo. Dia lasa ny saina, fa angaha tsy natao ho levon'ny rano ny taratasy fifirana no lasa maro dia maro karazana ireo tsy mety levon'ny rano ka lasa misy daba natokana ho azy mihitsy? Moa ve tsy lasa fitaka ho an'ny rehetra izany taratasy fifirana tsy levon'ny rano izany? Ary ny fanontaniana farany: Eto Madagasikara irery ve no misy ireto taratasy fifirana tsy levon'ny rano ireto sa be koa ireo firenena misy izany tranga izany? Ny Malagasy any am-pielezana ihany no afaka mamaly izany fanontaniako izany angamba...

Jentilisa 11 mey 2017

Hevitra

Misy karazana toko ireo taratasy ireo aty ary ny mahagaga indraindray dia ilay lafolafo no tsy voapotiky ny rano. Izaho tsy nahalala an, fa tsentsina tany lavitra be tany ny fantsona mpitondra ny rano maloto. Nony nalefan'ny mpanamboatra tany ilay fakan-tsary hijerena izay manentsina an'ilay izy dia ny taratasy fa tsy zavatra hafa mihitsy. Dia hoy ilay mpanamboatra hoe aza mividy an'ieny taratasy telo sosona ireny fa tsy voapotiky ny rano. Ireny anefa no lafo an.

Nampidirin'i Su @ 18:17, 2017-05-12 [Valio]

Eto izany no milaza fa tsy eto Madagasikara ihany ny olana fa farafahakeliny firenena roa no manana ity olana ity.

Nampidirin'i jentilisa @ 20:50, 2017-05-12 [Valio]

misy firenena tena manana regulations @ ireny hoe firy ny isan'ny ravina @ ilay "rouleau" anakiray iny ary na dia misy kalitao/vidiny samihafa aza dia tokony mitovy "consistence" @ ilay "kapa" ihany izy refa mando...

Misy koa anefa ny hoe mamela an'izany ho malala ary ny tsena no mitondra ny hoe fintaha kalitao sy vidiny... mazava hoazy fa ny tompon'ny trano no lasa mametraka fetra hoe tsy azo ampiasaina ato ny taratasy toy izao sy toy izao... kanefa kosa matetika dia mazava @ fonosana tsara ny hoe inona ny maritoetra an'ilay taratasy vidianao.

Ny eto amintsika dia tsy fantatra na misy lalana fa tsisy fanamarinana ny zavatra amidy na koa tena tsisy lalana tanteraka... ny mpitondra rahateo tsy ho ary antenaina na in na in @ zany :)

Nampidirin'i simp @ 18:43, 2017-05-13 [Valio]

rehefa atao ny safé dia mba tsy mandrovi-body aloha ilay taratasy ity zany tsy toy ny gazety... efa samy tsy maintsy dorana ihany :P

Nampidirin'i ikalamako @ 01:14, 2017-05-14 [Valio]

Lasa hitovy laharana ihany ny firenena andalam-pandrosoana sy ny efa mandroso raha tsy manana lalàna araka izay nolazain'i simp....

Tsy mandrovi-body aloha saingy mandrovitra ny tetibolam-panadiovana ny tanàna an! Lasa misy fitaka rehefa manentsina ny fantsona amiko an!

Nampidirin'i jentilisa @ 18:08, 2017-05-15 [Valio]

Hampiditra hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2017 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox