« | »

Diarin'ny fandalovan'ny Coronavirus eto Madagasikara (1)

2020-03-24 @ 23:48 in Ankapobeny

Handefa tsikelikely ny diarin'ny fiatrehan'ny olona ny fielezan'ny Covid-19 eto Madagasikara. Rehefa vita ny kabary nilazan'ny filoha ny fisian'ny tranga Covid-19 voalohany teto an-tanindrazana dia nikoropaka ny olona, indrindra ireo manambola afa-manao tahirin-tsakafo sy kojakoja ilaina andavanandro. 


Asabotsy 21 marsa 2020:

1- Hita tamin'ny tambajotra sosialy ny filaharana teny amin'ny farmasia, amin'ny alina sy amin'ny atoandro mazava loatra. Ifandrombahana ireo fanafody heverina ho manasitrana ny aretina sy ny mpitazona hery fiarovana. Vetivety dia lany ny Paracetamol sy ny Vitamine C tamin'ireo farmasia nisokatra. Ary nilaharana hatrany ireo farmasia mandraka ity andro nanoratana ity raha mbola misokatra ry zareo ka manana izay tadiavin'ny olona izay. Mariho fa ny zoma alina taorian'ny kabary no efa nivoahan'ny olona hividy fanafody.

2- Rehefa nivoaka ny trano ny manan-katao dia ny namonjy toeram-pivarotan-tsolika no nataony manaraka. Tsy nisy ny famerana dieny ety am-boalohany ka dia samy nameno araka ny takatry ny volany ireo izay afa-nanao izany. Tamin'io no nahitako fa kely ny fatra zakan'ny scooters. Nameno araka izay tratra ireo taxi hitako raha mampiditra tsikelikely no nahazatra azy ireo. Efa miomana sahady ny hisian'ny krizy mafimafy kokoa.

3- Nilaharana ihany koa ny teny amin'ny banky sy ny milina fisintonam-bola (ATM-GAB) hividianana "provision" mazava loatra. Nilaza ny mpilahatra iray teo fa ny alina dia efa nisy nipetrapetraka teo amin'ny manodidina ny banky, niandry vola ho tonga satria lany ny vola navoakan'ny GAB-ATM. Tsy nahagaga raha lava tsy tahaka ny mahazatra ihany koa ny filaharana tamin'ity fotoana ity.

4- Nifandrombahana sy nilaharana aoka izany ny teny amin'ny mpamongady. Vetivety dia tsy hita nanjavonana ny entana rehetra tao aminy. Ny vary no tsy hita voalohany. Mariho fa efa herinandro talohan'izao no efa tsy hita ny vary gasy sy ny mangamila (vary mena rehetra) ary tapabolana lasa kosa izay no tsy nivarotra vary gasy amin'ny gony intsony ireo mpamongady tao Sabotsy-Namehana ireo fa ny stock sisa no mameno tanàna. Amin'izao kosa dia ny vary rehetra mihitsy no tsy hita nanjavonana. Diso hevitra hatrany ireo nieritreritra toa anay fa talata ihany dia hiverina amin'ny laoniny io famatsiana vary io, eto am-panoratana aho vao mihevitra fa matoa efa tsy nisy mialoha ny vary gasy dia efa nisy goavana any ho any nanangona ny vary hakany tombombarotra mihoa-pampana.

5- Tamin'ity fotoana ity no nalaza dia nalaza ny fiakaran'ny vidin'ny voasary makirana izay nitombo avy folo heny. Raha ariary zato manko ny vidin'ny iray ny maraina dia nahatratra arivo ariary izany mandra-pahatapitra tanteraka izany voasary mahakirana izany.  


Nifanindran-dalana tamin'izany dia nifampihaona amin'izay tokony hatao ny Filoham-pirenena sy ny Filoha tsirairay avy amin'ny mpikambana ao amin'ny FFKM. Tsy hay izay fehinkevitry ny fihaonana fa ny tsikaritra dia nanao fanambarana tsirairay ireo Fiangonana efatra mpikamban'ny FFKM ireo. Ny an'ny FJKM sy ny FLM tamin'ny alalan'ny Filohany ary ny EKAR kosa tamin'ny alalan'ny Filankevitra Ekiomenika (Fivondronamben'ny eveka) eto Madagasikara. Ny itovizan'ny fanambarana dia ny fikatonan'ny Fiangonana amin'ny alahady 22 marsa 2020 sy ny fanafoanana ireo fivoriana rehetra miankina amin'ny fiangonana ao anatin'ny tapa-bolana. Nisy Fiangonana Zandriny mbola nikiry ny hanohy ny fotoanany, na ny asabotsy io na ny alahady, fa noravan'ny mpitandro ny filaminana izany ary nasainy namonjy fodiana ny mpiangona.


Alahady 22 marsa 2020:


Sambany tsy nisy fotoam-pivavahana ny fiangonana maro teto Madagasikara, ho fitsinjovana ny tsy isian'ny fielezan'ny aretina mazava loatra. An-tserasera kosa ny ankamaroan'ny fotoana raha toa tsy naharaka izay tamin'ny haino aman-jery tsy miankina ny olona. Nanao izay ho afany ireo mpitari-pivavahana manan-katao ny fiangonana ao amin'ny tamin'ny fanatontosana ny fotoana tamin'ny alalan'ny lahatsary mivantana, ary lohalaharana tamin'izany ny tamin'ny tambajotran-tserasera Facebook Live. Nisy aza moa ny niteny fa nanjary naharaka fotoana dimy aman'enina tao anatin'ny alahady iray. Tamin'ny marainan'ity Alahady ity no nanomboka tsy re intsony ny Radio Fahazavana 88.6 (Radion'ny FJKM) fa notazonin-dry zareo ho tsiambaratelo ny anton'izany tsy fandrenesana azy intsony izany.

Mariho fa misy ny vondrona manokana miady amin'ny fampiakaram-bidin'entana tsy ara-drariny ary misy ny antso manokana azo anaovana fitorohana saingy toa tsy hita ny fahombiazany amin'izao krizy izao hatramin'ny fotoana nanoratana. Misy ihany koa ny fanaovana antso maimaimpoana amin'ireo manahy fandrao tratran'ny aretina (910 na 913) saingy be dia be ny olona mitaraina fa toa tsy mandray antso akory ireo laharana maitso natao hiantsoana maimaipoana ireo, feonkira fotsiny no mamaly.

Nihazakazaka namonjy fodiana ireo olona avy any amin'ny faritany. Feno olona ny toeram-piantsonana. 

Tamin'ny fotoanan'ny misandratrandro dia nilaza ny blaogy iray fa efa betsaka no tratran'ny coronavirus (70-200), notsipahan'ny fitondrana ho lainga izany. Nilaza ihany koa io blaogy actutana io fa hanao fanambarana ny filoham-pirenena amin'ny fito ora hariva, naverimberin'ny TVM fa tsy misy izany fanambaràna ho ataon'ny filoham-pirenena izany fa ny filazana izay ataon-dry zareo ihany no ofisialy sy marina. Ny folakandro dia tsy azo nidirana avy eto Madagasikara intsony ny blaogy actutana. 

Rehefa nipaika anefa ny amin'ny fito ora mihoatra dia nandefa filazana antsoratra mikorisa eo ambany indray ny TVM fa hanao fanambaràna ny Filohampirenena amin'ny valo ora, nihemotra ho amin'ny sivy ora alina izany fa mbola eo am-pivoriana miaraka amin'ny praiminisitra sy ny minisitra vitsivitsy izy, mbola nihemotra hatrany ny ora ka efa hisasaka ny alina vao indro nipoitra ihany izy ka nanao kabary somary lavalava. Toy izao ny fintina:

Niampy sivy vaovao ny isan'ny voa ka 12 ny isany amin'izao. Saika avy amin'ny sidina AF934 avokoa izy rehetra ireo.
Mijanona avokoa ny fitaterana rehetra na an-drenivohitra na ireo mandeha any amin'ny faritra hafa.
Mihidy avokoa ny fivarotana rehetra afa-tsy ireo mpivarotra entana ilaina andavanandro, misokatra ny tsenambarotra lehibe.
Misokatra eny anivon'ny fokontany (eny amin'ny EPP ny tena marina) ny tsenamora.


Alatsinainy 23 marsa 2020


Mbola nisy fiara fitaterana vitsivitsy nanohy ihany ny asany, voasakana ireny rehefa manomboka ho mazavabe ny andro. Lasa mandeha an-tongotra ny ankamaroan'ny olona tsy manana fiara na kodiaran-droa. Feno miaramila sy mpitandro ny filaminana ny lalana. Manontany izay alehan'ireo ao anatin'ny fiara. Tsy manontany na mitady kosa ny antonta-taratasin'ny fiara. Mbola betsaka ireo mamonjy tsena hividianana ireo izay mety ho tavela saingy maro no diso fanantenana: tsy nety nipoitra loatra intsony ny vary. Nikatona avokoa ny mpamongady tao Sabnam afa-tsy tokana irery ihany.

Mitaratra izay misy ny sakana ataon'ny mpitandro ny filaminana ny fiara iraisana sasany ka miasa any amin'ireo izay tsy misy izany. Ny aty amin'ny faritra misy anay moa dia vahoaka be no niandry teo ampitan'ny sampanan'i Lazaina ka hotaterina mankany avaratra any, tsy haiko hoe hatraiza fa ny diako kosa tsy maintsy miakandrefana. Nampahatsiahy ahy ny andron'ny 26 janoary 2009 ity toe-javatra ity satria miloloha entana avokoa ireo olona mandeha an-tongotra. Fa tsy fandrobana kosa no nataon'ny olona tamin'ity fa fividianan-javatra izay zaka kosa. Betsaka ireo kivy tamin'ny tsy fahitana vary teny amin'ny fivarotana satria tsy afa-nanangona toy ny mpanankarena.

Niteraka fitarainana maro fa tsy araka ny fampanajana ny fihibohana ny tsenamora satria tangorona tsy misy tahaka izany no taratra. Vao maika io hampihanaka vetivety ny aretina, hoy ny mpandinika. Niteraka fahatezerana ihany koa ny fahitana fa mbola afa-manao ny sidina mahazatra azy ny fiaramanidina nefa ny fitaterana an-tanety noraràna tanteraka. Nanontany tena ny olona hoe fa dia fanomezana tombondahiny sy fitsinjovana ny mpanankarena hatrany ve no atao?


Talata 24 marsa 2020


Tsy nisy intsony ny fiara fitaterana, tsy maintsy mandeha an-tongotra 12-15 kilaometatra izany ny olona aty aminay raha te-hiakatra any Antananarivo noho ny tsy fisian'ny fiara fitaterana. Noraran'ny mpanao sakana ny fandehanan'olona roa amin'ny kodiaran-droa iray. Voatery miandry toerana lavidavitra ireo nitondra olona niandry ny namany. Olona roa ihany kosa no azo ekena ho entin'ny fiaran'olon-tsotra iray. 

Fiara tsy mataho-dalana roa an'ny Zandarimaria indray no lasa niandry teo amin'ny toeram-piantsonana vonjimaika an'ireo fiara fitaterana niasa an-tsokosoko voalazako ao amin'ny andron'ny Alatsinainy. Vao maika nihamafy ny sedra nahazo ny mpiantsena noho izany. Ny Mpamongady nisokatra dia mametra fatratra ny isan'ny entana amidiny amin'ny mpanjifany izay mpaninjara amin'ny ankapobeny, lasa toy ny mpividy tsotra ny mpivarotra mpaninjara fa tsy hoe mpaninjara. Somary reko tsipalotra fa toa efa najanona ny fitaterana an-habakabaka fa mbola mila fanamarinana aho.  Raha mbola somary betsaka ny fivezivezen'ny olona ny alatsinainy hariva dia toa tsy hita intsony kosa izany fivezivezena izany ny talata hariva, nangina tanteraka ny tanàna. Azonao atao ny manampy na manitsy azafady.

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox