Hiram-panahy handravàna ny fanahim-pidedahana?

2020-07-07 @ 18:15 in Ankapobeny

Folo taona mahery lasa izay, nisy hira malaza teto amin'ny firenena, nentina hitarihana tolona politika. Tadidinao ve ny lohateniny? 1492: Conquest of Paradise... Tamin'izany fotoana izany, alohan'ny "famakafakana" ataon'ireo mpanora-gazety dia injany ilay hira fa henonao. Hira mampamolovivoly. Dia misy hira malagasy iray hafa koa malaza niaraka taminy, hira zafindraony entina hanesoana ankolaka ny mpitondra tamin'izany fotoana izany. Lohateniny? "Iny lalana iny". (Misy tantarany koa ny nivoahan'izy ity teny an-kianja araka ny fiheverako azy fa mbola holazaina amin'ny manaraka angamba raha misy liana). Ireo hira ireo no nanavaka ny tolon'ny fanombohan'ny taona 2009.

Conquest of Paradise:

Ny hira (vahiny) voalohany, nalaina avy amin'ny filma mitondra ny lohateny hoe 1492, taona nahatongavan'i Columbus [Cristobal Colon] sy ny namany tao amin'ny vondro-nosy Bahamas ka ny nivantanany dia ilay nosy nomen-dry zareo anarana hoe San Salvador]. Nanomboka teo, norombahiny tokoa ny paradisan'ny olona. Norombahin-dry zareo ny tanin'ireo Natives. Io no Tontolo Vaovaon'ny Eoropeana. Nihanahazo vahana tsikelikely ny Eoropeana. Ireo tonga ireo no lohalaharana tamin'ny antsoina hoe "Conquistadores" izay nomena manokana ny lehiben'ny iraka na tafika moa. 

Eto aho dia te-hanamarika kely ilay tantara, ary izaho tsy mihevitra fa misy ny kisendrasendra fa mety ho efa ao anaty programa daholo ihany izany. Ny alin'ny 11 hifoha 12 oktobra 1492 no nanitsaka ny Tontolo Vaovao ry  Colomb. Daty manantantara ho azy ireo izany. Manahy dia manahy mafy aho fa manakaiky ny mety hitokanana ny Arena (Colisée), entina hankalazan'ny vahoaka ny fetim-pirenena amin'ny 14 oktobra io fotoana io. Iarahantsika mahalala fa nanokatra vanim-potoana vaovao ny nanitsahan'ny Eoropeana io kaontinanta vaovao io... ary etsy andanin'izany, tsy mihevitra aho fa miteniteny foana ny Filoham-pirenena amin'izao fotoana izao raha mamerimberina hatrany izy fa "hanoratra tantara vaovao isika". Ny hoavy ihany no hanamarina na handiso izay ahiahiko izay.

El Condor Pasa:

Fa raha nahatadidy ianareo, tsy nisy hira nahatohitra io hira io na dia niezaka ny nandefa hira klasika hafa aza ny tao amin'ny radio mada na ny radio fahazavana. Ataoko fa fahadisoana raha klasika eoropeana no entina hanoherana klasika eoropeana. Heveriko fa amin'ny fampiadiana angovon-kira dia izay hira avy amin'izay notafihana no tokony namaliana iny hira iray iny. Tsy haiko hoe efa tara loatra ve raha izao vao manoratra. Amin'ireo hiran'ny Natives notafihana dia maro ny azo raisina fa ny nosafidiako manokana dia ny El Condor Pasa. Inona ary no mety ho anton'izany?

Iretsy tonga avy any an-dranomasina, ny condor kosa milaza voromahery heveriko ho hita manokana ao Amerika sady mari-pamantarana amin'ny maro amin'ny Natives any. Ny Voromahery koa anefa no marika hita eo amin'ny Vavahadin'i Manjakamiadana izay vao nametrahana Arena na Colisée. Ary ny Voromahery dia afa-manidina.

Ity hira ity koa malaza manerantany, indrindra tamin'ny nitondran'i Leo Rojas azy nitety vazantany efatra. Samy hiram-panahy ireo roa lazaiko ireo, tsy mampaninona na dia efa misy mpanentana radio aza efa naka io hira faharoa io ho fanombohana sy famaranan'ny fandaharany. Sa hoe? Hamaranana dia revirevy fotsiny io fa aza atao be am-po an!

 

 

Taorian'ny fihibohana iray volana...

2020-04-22 @ 01:03 in Ankapobeny

Raha voasoratra fa mitohy fanintelony ny fotoan'ny hamehana ara-pahasalamana, dia saika nisalasala tamin'ilay hevitra tao anatiko tao aho. Hevitra fa tsy hanohy izany fihibohana izany intsony ny filoha. Efa manana izay nokendrena izy. Kanjo moa dia marina ihany ilay hevitro. Kisangisangy zary tenany no nanoratako ilay hoe "Deconfi...ture" tao amin'ny sata Facebook iny ny maraina mialoha ny kabary. Te-hanoratra aho hoe; "Deconfinement" nefa fandrao misy mihevitra hoe nahazo sopapa angaha aho. Tsy nanana sopapa ankoatra ny tsindrimandry aho, raha izay no ilazana azy.

Faly tokoa aho rehefa nandeha tsikelikely ilay kabary (mba nihaino indray aho... na dia tsorina fa tsy mpanaraka ilay fandaharana amin'ny iray folakandro intsony, tsy haiko ny antony fa tsy te-hanaraka fotsiny izao aho). Miresaka momba ilay artemisia annua ny filoha. Eo am-pihainoana aho dia efa mihevitra ao an-tsaiko hoe ka inona intsony moa ny ilàna fihibohana raha efa misy ary ny fanefitra? Tsy maintsy manohy ny fahamehana ny filoha ary mety tsara iny fanohizana iny ho fitandremana amin'ny tohin'ny tantara. Tsy maintsy tsinjovina ny filaminam-bahoaka.

Manaisotra tsikelikely ny fihibohana kosa indray anefa izy satria efa miharihary fa tsy ho zakan'ny olona intsony ny hanohizana izany, ary tsy mahazaka na tsy ho afaka hiantoka ny vahoaka iray manontolo izany ny firenena, indrindra fa hoe mahantra ara-toekarena izy. Mbola miaiky ny filoha (na/sy ny mpanolotsaina azy) amin'ny fomba hametrahana ny fandaminana ihany koa aho amin'ny fahaizany mametrapetraka ny zavatra rehetra. Ary mbola hiaiky amin'ny fahaizany mampiasa ny karatra eo am-pelantanany sy ny fahaizany mitady vola. Voaaisotra ihany koa ny eritreritra hihorakoraka an-dalambe raha hoe tapitra ny fihibohana.

Tsy mbola nahita mihitsy aho hatrizay ka hoe ao anaty kabary ofisialy no manolotra ampaham-pandaharana miresaka ilay artemisia ny filoham-pirenena. Hainy tsara ny resaka fifandraisana sy serasera, mipao-tsatroka amin'izany aho. Fandaharana vazaha (France24) nandeha tamin'ny taona 2017 momba ilay zavamaniry avy any Shina sy ny mitovy karazana aminy avy ao Afrika izany (Artemisia afra). Fandaharana momba ny tazo (malaria) sy ny fanefitra/fitsaboana amin'ny artemisia io fandaharana io fa somary mahavariana hoe nahoana no heverina sahady fa mety hanasitrana ny COvid-19 ilay zavatra (ny alin'ny 21 hifoha 22 avrily no nandeha feno tao amin'ny TVM io fandaharana io)?

Tao anatin'ny kabary ny filoha no nametraka fa hanomboka hiverina an-tsekoly ny ankizy mpianatra manala fanadinana ara-panjakana ka hampisotroana ilay fanafody izay hita, ary avy amin'ny tolokevitry ny filoha rahateo ny nanaovana ny fikarohana, ary nomena ny anarana hoe Covid Organics na CVO. Mbola sanganehana ihany ny ankamaroan'ny olona teo am-pendrenesana sy ny ampitson'io. Fa ny talata vao hita ho nafanavay ny fametrahana fisalasalana. Vao maika manko nampiteraka ahiahy ireo fiteny sasantsasany tao amin'ny kabary, ary tsy mbola hita na tsy mety miseho vatana ireo Manampahaizana Malagasy nahita tokoa ilay fanefitra/fitsaboana. Ny hany fototry ny olana dia ilay fanerena ny mpianatra hisotro ilay "tambavy". Tiana ampidirina ao anatin'ny fandraisana anjara ny IMRA saingy feno fiarovan-tena ny fomba fitenin'ny talen'io Orina Mpanasoa iray io. Dia ao anatin'izay savorovoron-tsaina izay aloha izao ny maro amin'ny mpiserasera fa dia ho hita eo ihany ny tohiny.


Mbola ilaina tokoa ve ilay fihibohana?

2020-04-11 @ 01:24 in Ankapobeny

Fanontaniana ho an'ny rehetra io raha mahita ny zava-mitranga hatramin'ny nanombohan'ny krizy ka hatramin'izao fotoana izao. Fanontaniana mametraka fisalasalana amin'izay tokony atao sy ny tsy tokony atao ary mampanontany ihany koa amin'izay ataon'ny eo amin'ny fitondrana.

Mariho sahady mba tsy handisoana ilay fampieritreretana etoana fa firenena maro no mampihatra ilay fihibohana sady tsy maintsy mihevitra izay hanampiana ny vahoakany hampihatra izany fihibohana izany ho mora kokoa. Tsy maintsy jerena ny sokajin'olona maro an'isa sy ny hatao hanampiana ireo sokajin'olona ireo farafahakeliny fa ny sokajin'olona rehetra no tokony ampiana avokoa. Mariho ihany koa fa mety mifampitohy amin'ireo hevitra efa navoakako bilaogy ihany koa ny soratra etoana.

Tamin'ny lahatsoratra tamin'ny 3 avrily 2020 mitondra ny lohateny hoe "Hanohy fihibohana sa tsia?" aho efa nanoratra ilay hoe fahadisoana voalohany nataon'ny mpitondra nametraka ny toekarena ho ambonin'ny aina, hoy aho tamin'izany, tamin'ny mbola nanomezana fotoana ireo avy any ivelany hiditra eto an-tanindrazana... ary notohizako toy izao: "Niezaka ny nanarina izy avy eo tamin'ny fanakatonana ny tanàna na ny faritra tamin'ny hafa... Dia azo atao ve ny mihevitra fa hiverina mankany amin'ny fahadisoana indray ny mpitondra rehefa nahazo lesona tamin'izay nitranga teo aloha sy raha mijery ny zavamisy manerantany?" Ny nahavariana dia nidirany tokoa ilay fahadisoana namela ny olona "hody any amin'ny misy azy avy" rehefa 82 ny isan'ny olona tratran'ny Covid-19 sady efa nisy ireo olona tsy nivoaka teto Madagasikara no efa tratrany (ity tranga ity no tena mampidi-doza kokoa satria efa tsy tambo ho fantatra intsony ireo olona hafa efa namindràny).

Lazaina fa mijery ny mahaolona izy tamin'izany fotoana izany fa be ireo tafahitsoka tao an-drenivohitra na tany amin'ny faritra hafa. Maro ireo nangataka mba tsy hotanterahana izany fampodiana izany saingy tsy noraharahiana izany fiangaviana izany. Nisinisy amin'izay ary ireo faritra nanapa-kevitra hiaro ny faritra misy azy izay tsy mbola nidiran'ity Covid-19 ity. Fepetra nokasaina hanokana-monina ao anatin'ny fotoana voafaritra ireo olona rehetra hiditra ao amin'ny faritra, saingy nodidian'ny taty amin'ny foibe fa tsy azo atao izany. Didy niteraka alahelo tamin'ireo nihevitra ny hiaro ny faritra sy ny mponina ao aminy. Tonga amin'izay ny fanontaniana hoe tena iniana aely mihitsy ve izany ilay aretina sa inona no tanjona amin'izany?

Ny tena sampona tamin'ilay zavatra dia ny fomba nanatanterahana izany fampodiana izany izay voafaritra ho telo andro. Nitakiana hameno taratasy fangatahana ireo olona. Tsy nampoizin-dry zareo anefa ny firohotan'ireo olona an-jatony, mety ho amana arivony akory aza, namonjy ireny toeram-piantsonana ireny. Difotra tanteraka ry zareo mpikarakara hany ka naverina tamin'ny fomba teo aloha ihany ny fakana ny mombamomba ireo mpandeha. Namory olona maro dia maro indray ry zareo tamin'io fotoana io. Ny sarandalana lafo dia lafo nefa tsy nampitoviana tamin'ireo mandeha voromby ny fepetra amin'ny fitiliana feno ireo mpandeha. Fitsapana hafanana ihany no natao tamin'ireo handeha fiara, ary ireo mikohaka dia najanona avy hatrany na nasaina tamin'ny toerana iray efa miandry azy ireo. Eo amin'ny politika anefa ny toe-javatra rehetra tsy misy izany kisendrasendra izany, ary tsy mikaonty ihany koa ny hoe tsi-fahaiza-mitantana fa fomba fitadiavam-bola no tena ao ambadika.

Efa nanoratra aho tao amin'ny lahatsoratra talohan'ity eto ity fa miova ny fomba fijery rehefa nandre ny fanazavan'ny FTA Marc Ravalomanana tao amin'ny Real TV, izay niharan'ny fisomparana moa taorian'io resadresaka io. Efa ao an-tsaina ny hoe hay azo atao tsara ny mitsinjara ny fanampiana ho an'ny rehetra ao amin'ny faritra rehetra (Analamanga sy Toamasina I sy II izany niampy an'i Fianarantsoa moa amin'izao fotoana izao) tratran'ny fihibohana noho ireo volabe avy any ivelany. Tsy nahita avaly tamin'izay nolazain'ny FTA ny tao amin'ny fitondrana, na tsy mbola nandre izany valiny aho aloha. Ny FTA Ratsiraka Didier Ignace ihany no hita nampitenenina hamaly ankolaka sady nanokana ny karama fandrainy amin'ny maha-FTA azy ho an'ireo sokajin'ny mpitandro ny filaminana sy mpitsabo miady amin'ity areti-mandringana ity. Ny setriny taty aoriana dia izay nataony indray ka tsy inona fa io famelana olona hiely any amin'ny faritra maro (raha tsy izy rehetra) eto Madagasikara io. Tahaka ny hoe sanatria atao izay hampisy viriosy an'i Madagasikara iray manontolo.

Dia avy koa ny zavatra iray izay nampalaza vetivety an'i Madagasikara indray. Tao amin'ny dinidinika iray ny Filoha Rajoelina no nilaza ny amin'ny hananganana ozinina hamokatra fanafody enti-miady amin'ity areti-mandringana ity. Toy ny mametraka tsy ankiteniteny ny hoe efa hita anie izany ny fanafodiny ka inona intsony ny mbola ihibohana fa vokarina betsaka ny fanafody itsaboana izay rehetra marary. Nefa taorian'io filazana io toa nikatso tampoka ny isan'ny sitrana tamin'ilay aretina. Io fampanantenana io sy ny famerimberenana hatrany fa voafehy ny aretina no mahatonga ny olona ho feno fiheverana fa toa efa tsy misy intsony ny antony ihibohana.

Mandritra izany fotoana izany koa ireo mpitondra sasany, mivoaka an-dalambe mizara arovava amin'ireo tsy manatontosa ny fihibohana - mbola ilay politikan'ny "spectacle" hatrany - nefa tsy hitan'ireo izay manao ny fihibohana. Mbola mampametraka ihany koa fa tsy maninona ny mivoaka ny trano rehefa manao ilay arovava sy orona. Politikan'ny mba ho hita hoe mizara ve? Ilay fizarana entana eny amin'ny tsenamora moa mbola mitohy soa aman-tsara ihany ary mahavory olona maro mifanety tokoa. Ireny fihetsika ireno no mahatonga ny maro ho tsy resy lahatra amin'ny tokony hanatanterahana ny fihibohana, izay tokony hotohizan'izay manao izany, rehefa mbola mifanohitra amin'izay tenenin'ny mpitondra hatrany no ataony. Tamin'ny fotoana nanoratana dia efa mihoatra ny zato ankehitriny ny isan'ny olona ofisialy tratran'ny Covid-19.

Zarao ho an'izay rehetra mihiboka ny vola tohan'ny fihibohana

2020-04-08 @ 14:25 in Ankapobeny

Manomboka izao dia lasa mipetraka amin'ny fanazavana ny mialoha sy ny aorian'ny antsafa nifanaovan'ny mpanora-gazetin'ny Real TV tamin'Atoa Ravalomanana Marc FTA tamin'ny 6 avrily 2020. Talohan'ny antsafa aho, raha nahatsikaritra ianareo mpamaky, tsy nanasa mihitsy ary tsy niangavy ny olona hanaraka ny fihibohana, fa tsy nanakana mihitsy ihany koa ny olona tsy hanao fihibohana. 


Tsy niteny mihitsy aho fa manao fihibohana izahay mianakavy kely ato an-trano, ary izaho irery ihany no miantsena any Sabotsy rehefa tsy maintsy atao izany. Indray alahady (tsy misy fiangonana tsinona!) aho no niakatra maraimbe hatrany Andravoahangy nividy legioma, dia izay ihany no niakarako tany Antananarivo. Rehefa tonga aty an-trano aho manao ny fomba fitandremana rehetra fantatra mba tsy hamindra amin'ny vady aman-janako sanatria. 


Talohan'ny antsafa aho nitaky hatrany ny ijerena ireo hafa toa tsy mety hitan'ny mpitondra fanjakana, ireo mpiahy tena, ary malahelo fa toa tsy raharahiana mihitsy ny mpiasan'ny tsy miankina voatery manaraka ny sitrapon'ny lehibeny. Azoko tsara fa tsy te-hiditra amin'ny fandoavana ny karaman'ny mpiasa tsy miankina ny fanjakana matoa manao izany, saingy mbola lasa ambanin-javatra hatrany ny ain'olombelona amin'ny sehatra tsy miankina ka mbola tanako ho fahadisoana hatrany izany. 


Tsy ankasitrahako velively ihany koa ny fanomezana "spectacle" lasa misy tanjona roa, voalohany handresen-dahatra ny olona ato anatiny hoe tena manao zavatra ilay fanjakana ka tena tia ny vahoakany sy tsy mitandro hasasarana ny amin'izany, dia eo ihany koa ilay hoe toa zary toerana natao hakana ilay aretina "coronavirus" ihany koa ireny toerana ireny noho ny famoriana olona. Faharoa indray handresen-dahatra ny any ivelany fa tena ampiasaina araka ny tokony ho izy tokoa ireo fanampiana-fampanjanaham-bola avy amin-dry zareo.


Fa eto amin'ny aorian'ny antsafa isika amin'izao fotoana izao. Azo lazaina hoe nampihiratra ny maso ihany ilay antsafa ka ahasahiana mitaky zavatra hafa noho ny teo aloha. Ahoana tokoa moa ny amin'ireo fampindramam-bola tsy hay isaina intsony raha amin'ny vola malagasy? Dia ohatrinona tokoa moa izany izao ny vola natokana hiatrehana ny krizy nateraky ny Covid-19 izao eto Madagasikara?


Raha tsy mbola nitondra firenena ilay olona nanontanian'ny mpanora-gazety dia mety azo sainina ny hoe tsy hainao ny hakelin'ity volabe kirakiraina ity ka tsy hahasahana ny vahoaka manontolo (izay tratran'ny fihibohana) na oviana na oviana. Fa efa nitondra ny firenena ilay olona sady mahasahy miteny fa mahay mitantam-bola ka dia tsy mahita avaly loatra amin'izay ikirakirana ny vola ka ny hany tsikera dia hoe "maso mahita vola ny an-drangahy ity"! Saingy izao, tsy nitaky ny hiarahana mitantana ny vola ilay rangahy fa mitaky ny mangarahara amin'ny ampiasana ny vola. Asa rahoviana no hanao izany tamberin'andraikitra izany ny mpitondra satria lasa miara-manontany aminy ihany koa ny hafa.


Raha heverina izany dia mahasahana ny olon-drehetra ihany ilay vola nomena-nindramina avy any ivelany, afaka miditra amin'ny "chômage technique" ireo orinasa tsy miankina fa afa-mandray fanampiana ihany koa ireo mpiasa ireo, raha ny tena ara-drariny. Amin'izay fotoana izay dia tsy misy ny fiangarana hoe ry zareo ary na ry zareo atsy ihany no mahazo fa tsy ny olon-drehetra. Saingy fantatra fa tsy hahavita izany ny ao amin'ny fitondrana fa izay raisin'ny mpikamban'ny LOHARANO lisitra ihany no omena. Tsy hahavita satria tsy ampy olo-marina hizara ara-drariny ireny fanampiana izay mbola averina ireny... satria trosa no hakana azy... ry zareo.


Mitady hanao ilay "spectacle" ny sasantsasany saingy tonga dia mahalikiliky ny hafa satria maneho avy hatrany ny fiangarana atao sy/na fomba hanodinam-bola ihany koa sanatrian'izany satria kapain-tsy hita fery iny. Koa azo heverina noho izany eo amin'ny sehatra sosialy fa rehefa hizara dia zarao ny rehetra fa tsy ny sasantsasany ihany fa efa betsaka io vola io.  Tsy niresaka ny fikarakarana ny marary aho eto aloha...

Sao dia ilaina ny hampandoavana volabe ireo mararin'ny Covid-19?

2020-04-07 @ 11:52 in Ankapobeny

Samy mahalala isika rehetra fa sahirana ny sarambabembahoaka. Maro ireo mitady ny haniny isan'andro, misy ireo efa tra-pahasahiranana lalina. Fa etsy ankilany ihany koa dia mahakivy ny toe-javamisy fahabetsahan'ny olona mifamezivezy sy mifamoivoiy manerana an'Antananarivo sy ny manodidina. Toa heverina ho adala ireo mba manaraka torohevitra hihibohana? Tsy voafehy intsony ilay vahoaka. Ahoana ny hamehezana ireo vahoaka tsy tan-dalàna manao izay tiany atao ireo? Dia avy amin'izay no mahatonga ity hevitro manaraka ity fa aza sainina zavatra hafa fa handiso zavatra maro! Satria koa manko efa nilaza mialoha ny fanjakana hoe raisin'ny fanjakana an-tanana iray manontolo ny fitsaboana dia lasa tsy miraharaha ny olona fa efa vonona ny hikarakara azy izany ny fanjakana raha marary izy, ataoko fa fahadisoana iray nataon'ny fanjakana ihany koa iny, raha jerena amin'ny toe-java-misy ankehitriny.

Hevitro manokana ny mba hitenenan'ny Filoha hoe "HEVERINA AMIN'IZAY NY HAMPANDOAVANA VOLABE AMIN'NY FITSABOANA COVID-19". TSy maintsy hitabataba amin'izay Ra-Malagasy Be-loha hoe ny fahasahiranana aza efa tsy anerany koa mbola ampandoavina volabe koa ny vahoaka? Maninona raha tonga dia vonoina fotsiny izao? Dia hovaliana amin'izay hoe tsy nanao masiaka mihitsy aho fa mba nandefitra amin'ny hoe mba misy ny mitady fivelomana fa tsy ho andeferana kosa ny fihetsika mihaika ny fandaminana napetraky ny fanjakana.

Raha tapabolana no mikotrika ny aretina dia raisina hoe manomboka amin'ny 14 avrily 2020 ho avy izao dia toy izao manaraka izao ny saram-pandoavana fitsaboana ny Covid-19:

1- Sazy aloa mialoha: 100.000 ariary noho ny tsy fitandremana
2- Sazy aloa mialoha hafa: 200.000 ariary noho ny mety ho efa namindrana tamin'olon-kafa sahady sy/na fandikana ny fepetra napetraky ny fanjakana tsy hivoaka ny trano.
3- 100.000 ariary tambin-karaman'ny mpitsabo miampy 50.000 ariary isaky ny mpanampy-mpitsabo mikarakara izay miisa roa farahafahakeliny
3- hofan'ny toeram-pandriana aloa isan'andro: 10.000 ariary, maninona moa no hoe toeram-pandriana? ho avy manko ny fotoana fa tsy ho ampy intsony io fandrianan'ny hopitaly io, ka afaka mitondra ny fandrianany ny marary fa tsy maintsy mandoa ny vola isan'andro ihany na izany aza.
5- manginy fotsiny tsy voatonona eto ny fanafody izay vidian'ny marary ihany koa. Azon'ny fanjakana koa anefa ny mametraka hoe ny fanafody ihany no iantohan'ny fanjakana satria efa nolazainy fa horaisina an-tanana. Ny marary kosa indray anefa no miantoka ny sakafo haniny isan'andro, fa raha avela ho ny hopitaly no manome sakafo dia 20.000 ariary isan'andro izany.

Raha mpiasan'ny tsy miankina mampiasa olona mandritra ny fihibohana kosa ilay tratran'ny Coronavirus dia ny orinasa no miantoka ilay marary ary mampitombo dimy amin'ireo voatonona etsy ambony no aloan'ny orinasa amin'ireo rehetra ireo.

Fa ny mpiasan'ny fahasalamana sy ireo mpanolotena mizara fanampiana ary ny mpitandro ny filaminana irery ihany sisa no iantohan'ny fanjakana manontolo ny fitsaboana. Tsy tafiditra amin'ny fiantohana kosa ny fianakavian'ireo voatonona farany ireo mba hifehezana hatrany ny fitandremana tsy hamindra amin'olon-kafa.

Mariho hatrany fa noho ny ditran'ny olona no mahatonga ity sosokevitro ity fa tsy fitiavana te-hahafaty olona. Amin'izay fotoana izay dia mba ho aretin-kenatra tsy miraharaha lalànam-panjakana hihiboka ity areti-mandringana iray ity. Afaka maka tahaka ihany koa ny firenena Afrikana hafa.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2020 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox