Marihina dieny mialoha fa raha miresaka ady an-trano aho eto dia tsy maniry ny hisian'izany mihitsy eto Madagasikara. Mitaratra kosa ny zavamisy eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao (izay firenena nisy fanonganam-panjakana) aho ka manahy dia manahy ny hisian'ny ady an-trano ambolen'ireo mahazo tombotsoa amin'izany.
Nampisaina lalina ahy hitodika tsara tany amin'ny 26 janoary 2009 (andron'ny fandrobana) indray ny toe-draharahan'i Ejipta sy Alzeria nandritra ny lalao baolina fandaka tamin'ny herinandro lasa iny.
Nadikako ho amin'ny teny malagasy mihitsy moa ny lahatsoratra mitantara izay tsy ambaran'ny haino aman-jery mahazatra loatra tamin'iny raharaha tsy baolina fandaka intsony iny. Hitako tao anatin'izany fitantarana izany fa nentina manokana tamin'ny fiaramanidina maromaro ny jiolahimboto Alzeriana tsy mpijery baolina mahazatra, handrava tsena, hampihorohoro ny tanàna, hamono izay Ejipsiana hitany fa tombony ho azy ireo fotsiny ny manatrika ilay lalao izay nandresen-dry zareo ihany koa. Mariho tsara ilay hoe fiaramanidina an'ny miaramila no nitatitra ireo jiolahimboto ireo. Manahy aza aho fa miaramila ihany ireo nampihorohoro ireo matoa miaramila Sodaney 15000 aza tsy nahafehy an-dry zareo. Moa tsy azo sainina ho nisy tahaka izany koa ve teto Madagasikara tamin'ireny 26 sy 27 janoary 2009 ireny? Hita any amin'ny gazety (Taratra sy Tia Tanindrazana) indray fa mbola mitaky ny valin-kasasarany ny "miaramila amperinasa teo aloha" na "rezervista tanora" nametraka ny tetezamita amin'ny toerany. Nojereko tsara indray mandeha fa nisy kamiao tsy an'ny miaramila (noho ny lokony fotsy ary heveriko ho nitondra ireo fitaovam-piseraserana azo nentina tao) nivoaka ny RNM sy ny TVM tamin'iny andron'ny 26 janoary iny rehefa nanomboka may ireo tranom-panjakana roa ireo.
Manaraka izany, efa hitahitantsika eny ihany koa ny adin'ny "mpanjaka" eo amin'ny samy Antakarana amin'izao fotoana izao. Navoakan'ny gazety iray indray koa fa bokon'hozatra maro dia maro no notaterina tamin'ny kamiao ka nanafika ny zomba sy ireo tao anatiny. Ny olana amin'ity raharaha iray ity dia noho ny fomba fanomanana ny tsanga-tsaigny nokasain'ny iray hotontosaina amin'ity herinandro ity fa izay mahatsangana ny saina amin'ny fomba rehetra manko no hekena ho mpanjaka. Efa tsy dia nahazatra loatra angamba ilay fifanafihana nisy noho ny marimaritra iraisana nahazatra ny mpiray foko nefa toa ao anatin'ny "fanao" ilay hoe amin'ny fomba rehetra. Karazana kilalao ratsy ihany izy ity ary ny tena manahirana dia ny nitsabahan'ny fitondrana foibe tamin'ity raharaha iray ity. Mety ho resaka politika no antony ambadik'ity raharaha ity nefa mety hisy ihany koa ny lafiny vola mety mandehandeha ao anatiny (fampanofana tany sy ny tombontsoa mifandraika amin'izany). Mariho tsara indray fa mbola tafiditra mpikarama an'ady ihany koa ity raharaha iray ity.
Mampanahy ihany ny ataon'ny mpitia baolina lavalava sasantsasany satria tsy mahazaka resy mihitsy ry zareo hany ka manapaka hatrany ny fizotry ny lalao. Soa aloha fa tsy tonga hatrany amin'ny gidragidra tambambe tamin'ity indray mitoraka ity. Ny manahirana aminy dia ny lonilony ao amin'izy ireo rehefa resy ka mora entim-po. Mora tarihina amin-javatra tsy azo visavisaina manko ny olona tahaka ireny, nefa ny tena tsy mifanalavitra amin'izy ireo ihany koa ka sao mipitika aty aminay ary ny rà hoy ny fomba fitenenana izay. Fa enga anie ny hamisavisana ny ratsy no hihavian'ny soa. Ny tena mahakamo manko dia enjehina am-pitenenana hatrany aloha ny mpanohana ny ankolafy ho sakana hatrany amin'ny fampandehanan-draharaha misy amin'izao fotoana izao. Ilay resaka manko tsy ilay olona mpitarika intsony no enjehin'izy ireo na haratsian'izy ireo sy melohin'izy ireo fa ireo mpanaraka ihany koa. Eto aho no miteny fa tsy mitondra mankaiza mihitsy ny fifandrahonana ambava mety hitondra mankamin'ny fifamonoana eo amin'ny samy mpanaraka ny andaniny syny ankilany satria tsy mipaka velively any amin'izay naniraka ny faharatram-po mety ho teraka avy amin'izany.
Mivadika indray ny resaka eto, manahirana ahy ny mbola andrenesana ireo minisitra teo aloha, miresaka ny amin'ny asany izay efa tokonyho fampandehanan-draharaha tsotra sisa. Ny tena tsy ankasitrahako dia ny mbola hakan'ny mpanao gazety resaka amin'ny maha-minisitra azy ireny hatrany. Karazany fanakorontanan-draharaha sy fampisavorovoroana ny fiaraha-monina amiko ny fanaon'ny mpanao gazety manontany azy ireo amin'ny mahaminisitra azy ireo izay. Maninona moa raha mampitandrina ny manao gazety rehetra hoe ireo izay mitonona ho minisitra rehetra dia efa tsy tokony ho minisitra intsony ary tsy mba manaja tena manao taratasy fialana na filazana ampahibemaso fa fampandehanan- draharaha sisa no atao mandra-piavin'ny tokony ho governemanta iraisana. Karazana etika no apetraka amin'ny mpanao gazety tsy hanontany ireo olona ireo amin'ny maha-minisitra azy intsony. Heverina ho fanakorontanam-bahoaka ny mbola finiavana manontany azy ireo amin'ny raharaham-panjakana izay tsy tokony hanaovan'izy ireo filankevitra na fanapahan-kevitra ao anatin'ny minisitera intsony.
jentilisa, 24 novambra 2009 amin'ny 13:45
Ireto sary anaraka ireto dia nofantenakoavy amin'ny gazety Tia Tanindrazana avokoa hanehoana amintsika fa azo ihomehezana tsara mihitsy ny raharaha politika misy eto Madagasikara. Sary diso fito no misy azy fa izaho kosa manao azy ho kisarisary na sariitatra politika. Raha maharabaovao ianao dia hitokelaka tokoa. Mety hisy anefa ny tsy hahazaka koa ialana tsiny mialoha.
marihiko hatrany fa an'ny gazety Tia Tanindrazana ireo fa mba nataoko hampihomehy anao mpamaky. Tsy leo politika velively izahay fa tozoinay hatrany izany.
Taranja iray mba mahafinaritra ahy ny Saikolojia (psychology) na dia tsy hitako aza indraindray izay atsimo sy avaratra aminy. Misy ihany anefa ny kaokany tafajanona tamin'izay boky maro sy seminera natrehina izay.Ny fifandraisana amin'ny olona moa no tena nifantohana haminavinana ihany koa ny toe-tsain'izay miresaka amin'ny tena. Tsy very anjara mihitsy ity Saikolojia ity amin'izao fotoanan'ny krizy izao. Toe-javatra mety ho bitika na tsy tsikaritsika akory no tiako isarihana ny sain'ny mpamaky eto amin'ity hoe mianatra mijoro ity.
Ifandroritana fatratra ny minisitera amin'izao fotoana izao indrindra fa ireo lazaina fa minisiteran'ny fiandrianam-pirenena. Misy ireo voazara fa ny tena ifampisintonana, ankoatra ireo minisitera heverina ho mpampidi-bola, dia ny minisiteran'ny fitsarana sy ny minisiteran'ny atitany. Ny minisiteran'ny fiarovana, ny filaminana anatiny moa dia noheverina tsy hokitihina mihitsy izay efa eo; araka ilay nolazaiko hoe ry zareo mpitandro ny filaminana ao ihany no manapa-kevitra amin'ny raharahan-dry zareo fa tsy hanaiky izay tolo-kevitra na fanendrena avy amin'ny sivily mihitsy ry zareo. Mbola tolona hafa no hatrehina amin'izy ireo ary ho lavitr'ezaka sy tsy mora velively.
Manaiky atao fitaovana fa tsy mahatsapa ny fahefany
Iadiana fatratra ny minisiteran'ny fitsarana, satria araka ny efa hitantsika dia fitaovana entina manakana ny mpifanandrina amin'ny tena tsy hirotsaka amin'ny fifidianana izy, indrindra araka ny hita amin'izao fotoana izao. Izay no nahatonga ny fifanarahan'ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Rajoelina hoe ifanarahan'ny roa tonta sy tsy avy amin-dry zareo (ary tsy mitongilana fahatany) no tsara mitantana io minisitera iray io. Mazava tsara aloha izany, hatreto, fa mbola mihevitena ho mpiasam-panjakana hatao fitaovana ny ankamaroan'ny mpitsara fa tsy manana eritreritra hoe fahefana afaka ny hahaleo tena tsy hobaikoan'ny fahefana hafa. Olana iray manimba io fitsarana io ihany koa ny fanjakazakan'ny kolikoly ao amin'io "fitaovam-panjakana mpanatanteraka" io. Nahavalaketraka ny olona toa anay ny nahita ny hamaivan'ny onitra ampandoavina ireo nanao fanondranana ny harena sarobidin'i Madagasikara (bolabola na bois de rose ho antsika efa mihorirana ho frantsay) izay kely noho ny tokony ho sara aloan-dry zareo. Ny filazana ny "fanafahana noho ny fisalasalana" moa dia toy ny fampirisihana ny hafa hangalatra mihitsy satria "efa ho lany ihany ny paiso an-kady".
Olana iray hafa ihany koa ireto lazaina ho mpahay lalàna eto amin'ny firenena sy mpampianatra amin'izay mihitsy nefa dia tsy menatra ny manao dika vilana, na manaiky ny fandikana vilana ataon'ny hafa te-hampanjaka ny heviny fotsiny. Tetika fanamarinan-tena sy fihatsaram-belatsihy no tena imasoana fa tsy ao mihitsy ilay fahasahiana mijoro milaza ny tsy mety, noho ny tahotra basy sa sao miantraika amin'ny vady aman-janaka ny fijoroana amin'ny marina? Sa matahotra no holazaina hoe mpanao didy jadona raha milaza tsy amin-tahotra izay tokony ho izy?
Misy lazaina ho fandeferana nefa tsy fahaizana mijoro
Iadiana ihany koa ny minisiteran'ny atitany, satria ity minisitera ity no kitro ifaharan'ny fifidianan-ko avy rehetra. Mbola ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Rajoelina ihany no nifandramatra tamin'ity minisitera iray ity. Nifanekena avy eo fa ny ankolafy Zafy no handray ny fitantanana io minisitera iray io. Izaho manokana dia nieritreritra fa tena fanapahan-kevitra mety tokoa ny nanolorana ity minisitera ity ho an'ny ankolafy Zafy Albert. Mba samy afaka mieritreritra avokoa ny roa tonta niady fo tamin'ity minisitera ity fa misy kazaram-pahamarinana tokony ho voatandro ihany ilay safidy, raha mahasahy sedra ny safidim-bahoaka tokoa ireo milaza fa manana ny maro an'isa eto amin'ny firenena.
Kanjo, rehefa tonga teto an-toerana indray dia mbola niady hahazo ity minisitera ity indray ny ankolafy Rajoelina. Miampanga tena ho tsy matoky ny hamaroan'ny hifidy azy izy araka ny fijeriko raha nitady handrapaka indray ity minisitera ity ankoatra ny vola mety ho katsahiny ao anatin'ny fanomanana ny fifidianana. Mikendry izy fa be fandeferana ny ankolafy Zafy Albert, ka niady varotra tany ry zareo. Mihevitra ihany koa ny mpanongam-panjakana fa lasa ny ankolafy Zafy Albert sy ny ankolafy Rajoelina no hifampiady varotra amin'ity minisitera ity ka tsy ao an-tsaina intsony fa manara-maso tsara izay fandehan'io minisitera io ny ankolafy Ravalomanana. Fahadisoana fa tsy fandeferana no nataon'ny ankolafy Zafy Albert raha nanaiky hamela ity minisitera ity hotantanin'ny mpanongam-panjakana. Eo no miditra ny lohateny satria tsy nahay nijoro ny ankolafy Zafy Albert. Lasa toy ny vatobe taingenam-borona ka rehefa tsy miteny dia angereny (tokony ho teny madio itony teny itony fa tsy teny maloto velively saingy noho ny fitaizana tandrefana moa...!)
Koa tena fampianarana ny rehetra hahay hijoro mihitsy ny nataon'ny ankolafy Ravalomanana raha nanambara fa misy ny minisitera efa voatendry tany Addis-Abbeba tsy mila iverenana intsony, na iadiana varotra indray. Tsy azo ekena velively ny fikasana na ny handraisan'ny ankolafy Rajoelina ny minisiteran'ny atitany. Tsy ny manana zo handefitra tsy handray ity minisitera ity velively ny ankolafy Zafy Albert fa tena adidiny tanteraka io. Tsy azony atao ny manilika azy amin'ny ankolafy hafa (indrindra fa ny ankolafy Ratsiraka) ity minisitera ity. Ny ankolafy Ravalomanana sy ny ankolafy Rajoelina manko no nifandrombaka ity minisitera ity ka ny itantanan'ny ankolafy Zafy Albert azy no antoka tsara indrindra amin'izao fotoana izao.
Hisy ve ny komity mahaleo tena?
Mety hisy ny hilaza hoe ka efa komity mahaleo tena anie no hitantana ny fifidianana. Izaho manokana mieritreritra fa mbola lavitry ny afo ny kitay amin'io komity mahaleo tena io. Heveriko fa ny fiaraha-monim-pirenena no tokony ho lohan'izany komity mahaleo tena izany saingy ilay fiaraha- monim- pirenena eto amintsika efa misy fironana mampieritreritra be ihany sady amin'ny ankapobeny dia avy amina fiangonana matanjaka iray no fiavian'ny ankamaroan'izy ireo. Nanana laza ratsy ho nandray anjara tamin'ny fanonganam- panjakana teo anefa ny lohandohan'io fiangonana io sy ny olobe tao aminy ka mbola mety hiteraka ahiahy hafa indray. Manana adidy mavesatra izy ireo noho izany hampiverina indray ny fifandraisana mody lazaiko hoe marefo dia marefo na dia efa tapaka tarangana mihitsy aza amin'izao fotoana izao.
Fehiny: Be loatra ny fanasana atidoha amin'ny tokony handeferana nefa tsy ampiharina ny fifandeferana (azonareo tsara ve ny tiako lazaina? ny rehetra ny mifandefitra fa tsy ny sasany no hoterena handefitra) ka lasa noadinoina fa misy ny zo tsy maintsy tandrovina satria adidy mampijoro ny fifandanjana sy fimirana lenta izany. Tsy mila manaratsy olona velively amin'izay fianarana mijoro izany (na maneho ny maha-izy ny tena izany) ary tsy mila manambany ny hafa ihany koa. Ireo mpanaratsy sy mpanambany olona dia manao fitaratra ny tenany ihany ka mody manilika ny kilemany amin'ny hafa.
jentilisa, alatsinainy 16 novambra 2009, amin'ny 18: 48
Mbola tsy mitsahatra tsy akory ny momba ity président sy coprésident ity. Mpanara-baovao ny tena ary mba manana hevitra ny amin'ireny kisangisangy mivoaka ireny ihany koa. Nahatsipalotra ny sariitatra (caricature ho antsika zatra kokoa ny teny frantsay) nivoaka tamin'ny gazety l'express de Madagascar nivoaka io talata 10 novembra 2009 io. Ny mpilaza moa dia niteny fa fanarabiana ny mpanohana sy ny mpanaraka ny firehana Ravalomanana indray izao no angadin'i Elisé Ranarivelo. Tsy maninona io fa samy manana ny heviny. Misy koa ny gazety tena mahay manao sariitatra fa mahatamana indrindra ny an'ny gazety Tia Tanindrazana. Mahafaninana tokoa ary mahay mihoatra noho ny gazety Hehy tamin'ny fotoan'andro nampalaza azy. Fa hiverina tamin'ny sariitatra lazaiko indray aho.
Tao amin'izany sariitatra izany na tsy misy endrika na tavan'olona asehony aza dia ahitana fiara mpanao fifaninanana iray. Tsy F1 io mazava loatra fa irony fiara mpandeha amin'ny lalantsarotra sy lalantany irony. Misy olona iray mibaiko hatrany ao hanadio na hanisaka ny fitaratra, hamafa ny seza, hikopakopaka...dia mba niteny ilay miaraka aminy saingy valin'eso no azony hoe "Izay anie no ananako Copilote e!", dia ompa, hono, sisa no nataon'ny iray. Dia nihomehy aho fa nihomehy tamin'ny lafiny ilany, nihomehy ny "tsy fahaizan'ilay mpanao sariitatra". Izaho koa aloha tsy dia maharaka io fifaninanana fiara io saingy mba manana fomba fihevitra manaraka lôjika kely ihany.
Voalohany, raha tena amin'ireny fiara mifaninana ka misy pilote sy copilote ireny dia voatsinjara tsara ny anjara asan'izy ireo. Ny Pilote no mitana ny fanamoriana, tena ekeko tokoa. Fa anjaran'ny copilote no mitazona ny famantaranandro ijerena ny ora sy ny faharetana, mitazona ny sarintany hilazany mialoha ny fiolahana hodiavina ary tsy maintsy manaraka izay lazainy ny pilote, izany hoe ny copilote no "mibaiko" ny pilote. Ny Copilote no miteny hoe ankavia kely, ankavanana be, ankavanana tanteraka sns... Izany hoe tena anjaran'ny copilote no tokony hampihatra raha eo amin'ny lafiny politika ny antsoina hoe amin'ny frantsay hoe: "Gouverner c'est prévoir" satria eo aminy ny sarintany ijereny ny lalana sy hanoroany ny pilote. Ny anjaran'ny pilote dia ny mijery tsara ny lalana sy ny mihaino tsara ny baiko omena azy. Noho izany, amiko mba mizesta ery ilay mpanao sariitatra nefa diso ny zotra ankapoben'ny tantara ataony. Fa na izany na tsy izany tsy fiarakodia tsy akory i Madagasikara fa firenena.
Hahazo vahana eto amintsika ve ny vondron'asa La sentinelle?
Vaovao fohy navoakan'ny vohikala Sobika ny andron'ny talata 10 novambra ihany koa no mbola nahitana hoe hiasa miaraka ny vondron'asa Sentinelle avy ao amin'ny nosy Maorisy sy ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo. Dia mitohy ny voalaza fa handray an-tanana ny famoahana ny gazetin'ny Kaominina io orinasa io. Mba tahaka ny ahoana moa no nahazoan'io orinasa io ny fandraisana an-tanana ny gazetin'ny Kaominina izany? Mba misy ve ny tolotr'asa ampahibemaso sa dia fifanarahana ambadika fotsiny no natao? Misy dia misy manko ny antony mahaserny ahy amin'ity zavatra iray loha ity, ankoatra ny maha-mponin'Antananarivo Renivohitra ahy. Fomba fiasa nentina nanenjehana ny filoha Ravalomanana ho manao kolikoly manko no atao ankehitriny rehefa tsy mazava tsara ny nahazoan'io orinasa io izany ampiandraiketana azy izany.
Tamin'ny volana oktobra 2009 teo dia namoaka gazetiboky tsy manan-daharana nampitondraina ny lohateny hoe "Regards sur une crise Madagascar" ny gazety l'express de Madagascar. Amin'ny ankapobeny dia fanatsatsoana an-dRavalomanana sy fanasohasoana an-dRajoelina ny votoatin-dresaka ao, na dia mody lazainy mialoha aza fa ny hevitra rehetra mivoaka ao dia an'ny mpanoratra tsirairay ihany. Sary moa no tena betsaka fa misy lafiny Saikolojia (Psychology) miasa dia miasa ao ambadiny. Dia aleo lazaina mialoha fa ny Caractère Ltée ao anatin'ny vondron'asa La Sentinelle no nanonta io gazetiboky io. Tsy maintsy tsara jerena kosa aloha ilay boky fa ny tao an-tsaina avy hatrany raha vao nahita ilay vaovao dia hoe fifanandrifian-javatra fotsiny ve ny namoahana ity gazetiboky nolazaiko io sy ny fandraisan'ilay mpanonta an-tanana ny famoahana ny gazetin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra? Mba lazao kosa ny tena antony fa mba betsaka ihany anie ny mpanonta boky eto amin'ny tanàna e! sa potika tamin'ilay 26 janoary 2009 iry daholo ireo orinasa nahavita zavatra tsara rehetra teto?
Tsikera momba ny gazetiboky "Regards sur une crise Madagascar"
Mba manankambara momba ity gazetiboky mipetraka ho tsangambaton'ny tantara ity sahady aho, na dia mbola tsy tapitra aza ny tetezamita ka mbola eo ampanangonam-baovao sy fandrafetana ny lahatsoratra izay mety ho mpanoratra tantara tsirairay. Sary no tena betsaka hoy aho nefa tena miasa ny saikolojia. Pejy fahadimy no misy sary sy fanazavana voalohany: Lohateny manao hoe "Arrêt sur images". Misy sary roa ampitahaina eo mazava ho azy. Ny sary voalohany, sarin'afisin'i TGV tamin'ny fifidianana asandratr'olona iray anivon'olona maromaro sady maro amin'izy ireo no manao ny marika V. Ny sary faharoa eo ambany kosa dia sarin'afisin-dRavalomanana tamin'ny fifidianana ihany amin'ny tany kosa sady efa naharovitana no ambanina vy may. Tsy ahitana olona mihitsy kosa. Hafatra ambara amin'izany: Manam-bahoaka i TGV ary lavo tanteraka sady tsy misy olona intsony manaraka ny filoha Ravalomanana. Fehiny: mivandravandra sahady nyfirehan'ny gazetiboky na dia mbola tsy tapitra akory aza ny tetezamita sady tsy mbola nisy ny fifidianana manaporofo izany.
Amin'ny ankapobeny ny gazetiboky dia tahaka ny maneho ny hamaroan'ny mpanaraka an'i TGV (izany hoe ny sary tamin'ny 24 janoary sy ny 26 janoary no faratampon'ny fahamaroan'ny olona indrindra) sy ny fahabangabangan'ny mpanaraka an-dRavalomanana nandritra ny tolona natao. Zavatra marina nosoratany dia ny filazana fa efa nihakely hery saiky levona tanteraka ny tolon'i TGV raha tsy teo ny miaramila mpioko. Avy eo moa lasa fiarovana ny miaramila nioko indray no natao lahasa avy eo.
Tsy aritra ihany koa ny ao amin'ny pejy 63 milaza ny nanomezan'ny filoha Ravalomanana ny fitaovan'ny MBS rehetra tsy tratran'ny fandrobana ho an'ny TVM sy ny RNM tamin'ny 5 febroary 2009. Nolazain'ny gazetiboky moa fa tsy nahafina ny ampihimamban-dRavalomanana teo amin'ny sehatry ny haino aman-jery izany fahalalaha-tanan'ny filoha Ravalomanana izany. Hoy kosa aho hoe: Raha nanome ny fitaovana ny filoha Ravalomanana dia mba hahenoana indray ny TVM sy ny RNM, tsy hampitaintaina ny any amin'ny faritra. Adidy ny azy mba hampandeha indray ny fanomezam-baovao. Tao anatin'ny paikan'ny fanonganam-panjakana manko ny "famotehana" ireo haino aman-jerim-panjakana ireo tsy hahafahan'ny filoha Ravalomanana miteny na aiza na aiza intsony. Tsy mahagaga raha tezitra ny mpanohitra satria nandeha indray ny RNM sy ny TVM nanomboka hatreo. Azo heverina manko fa nafenina tany ambadimbadika ihany (heveriko fa ny toby miaramilan'ny Capsat ihany) ireo fitaovana ireo, izay nananganana ilay TVM bis tamin'ny volana martsa 2009.
Fehiny, efa vonona amin'ny itantarantsika ny tantara ihany koa ve isika rehetra fa tsy ny hafa ihany no hitantara?
jentilisa, 11 novambra 2009 (11-11-2009) amin'ny 00:53
Eto ampiandrasana ny fivoahan'ny lisitry ny mpikambana eo amin'ny ambaratongam-pahefana isan-karazany isika amin'izao fotoana izao. Ao anatin'izany ny mpikambana ao amin'ny governemanta. Velona indray ny fifanadrohadroana sy ny fifanebahana eo amin'ny ankolafy samihafa. Ny fifanandrifian-javatra ihany koa dia nisy nipiraty tao anatin'ny ora vitsivitsy ny vohikala topmada nanomboka teo ho eo amin'ny 11 ora atoandro teo ny alatsinainy 09 novambra 2009 (ora Antananarivo) ka efa maty masoandro vao hitako niverina tamin'ny laoniny ilay vohikala. Raha navela kelikely ilay vohikala tamin'io fotoana io tonga dia nandevona ny nojerena rehetra vantany vao notapahina ny fiseraserana (conexion).
Tonga indray ny alina, Lasa nilòna indray ny fiseraserana rehetra. Nanjary nandany fotoana lava vao tafiditra amina vohikala iray. Angamba noho ny filazana ofisialy fa azo arahina mivantana amin'ny alalan'ny vavahadin-tserasera iray eto an-toerana ny vaovaon'ny rnm sy ny matv ka maro no indray nivoivoy no anton'io filonana fiseraserana io fa tsy zavatra hafa. Nisy mihitsy manko ny fotoana tsy nety tafiditra na taiza na taiza aho teo amin'ny fiseraserana io alin'ny alatsinainy hifoha talata io. Mitantara zava-misy vetivety fotsiny aho fa ho avy indray ny ventin-dresaka.
Raha ny mpiserasera manaraka politika ihany koa ataoko fa samy efa mahafantampantatra ny "Tovam-pifanarahan'ny satan'ny tetezamita malagasy" nosoniavina tany Addis-Abeba avokoa. Dia samy manao ny fandikana azy avokoa ny tsirairay, araka ny fireha-keviny, ilazana fa izy no tena nahazo tombony ka izy no nibata ny amboara tamin'ny fifanarahana. Ny Andininy voalohany, faharoa, fahatelo ary fahaefatra avokoa no androritana izany fandresen-dahatra ny tsirairay izany. Mahita aho fa niniana natao ny famadibadihana fomba filaza hoe and1:"... il est institué un Conseil présidentiel composé de deux postes de co-présidents de la Transition..." milaza fa naorina ny filan-kevitry ny filoham-pirenena izay misy <filoha mpiara-mitantana> ny tetezamita roa. Toy ny mampihomehy satria atao hoe filan-kevitry ny filoham-pirenena izy mirahalahy mianaka nefa antsoia hoe <miara-filoha>n'ny Tetezamita. Toy ny manao hoe mody antsoina hoe ianao no filoha fa izahay ihany koa dia <miara-filoha> aminao no iantsoana anay.
Eo amin'ny and.2 indray manamarika fa tsy miova fa araka izay voafaritry ny satan'ny tetezamita ihany ny andraikitry ny filoha fa nisy faingo nanaraka ny teny ka nitohy hoe:"...assisté par les deux co-présidents du Conseil présidentiel." izany hoe ampiana na atrehina na toroana na tarihin'ireo filoha mpiara-mitantan'ny Filan-kevitry ny filoham-pirenena. Ny ankolafy iray mety hiteny hoe assistant izany izy mirahalahy ireo izany hoe toy ny assistante de direction angamba no hiheverana azy ireo, ny ankolafy hafa indray mety hiteny hoe toy ny ray aman-dreny <izy mirahalahy miara-filoha> manatrika ny zavatra ataon-janany.
Ny andininy fahatelo dia lasa mamerina hatrany hoe: "Le Président de la Transition et les deux co-présidents de la Transition..." izany hoe noho ny hakamoana angaha dia tsy nosoratana hoe "Le Président de la Transition et les deux co-présidents du Conseil présidentiel" nefa amin'izao andron'ny solosaina izao dia azo atao tsara ny mandika sy mametaka (copier et coller) izay efa noasoratra teo amin'ny andininy faharoa saingy noho ny filiroliron'ny resaka lalàna dia mazava tsy misy hazavaina intsony angamba ny voasoratry ny Tovam-pifanarahana.
Ny andininy fahaefatra moa noho ny tsy dia fahaizako teny frantsay loatra angaha dia aleo ianareo ihany no hamaky azy amin'ny hoe: " Les actes du Président de la Transition, pris en Conseil des ministres, sont contresignés par les deux co-présidents de la Transition". Fa raha izay fiveriberenan-teny izay no heverina dia tsy tokony hanana alahelo loatra ny mpandala ny ara-dalàna. Raha misy ny mieritreritra hoe ka tsy tafala anie ilay mpanongam-panjakana dia hoy aho hoe manaovana tahaka ahy...tsy te-hahalala ilay mpanongam-panjakana aho fa manana filohan'ny tetezamita ihany koa izahay mandritra ity tetezamita ity. Tsy mieritreritra ilay mpanogam-panjakana ho filohako mihitsy aho ary afaka miteny soa aman-tsara amin'izay miresaka amiko sy miady hevitra amiko fa tsy filohako raha izay iny.
Averiko farany indray angamba fa ny tena tolona hafa, ankoatra ny famitana ity vanim-potoan'ny fihazohazoana ity, dia ireto miaramila mihevitra fa tsy hisy hahala azy amin'ny toerany ireto mihitsy fa ry zareo ihany no mifanendry fa ny mpitondra sivily dia manaiky fotsiny ihany. Anjaran'ny tsirairay ny mieritreritra satria efa masaka andohan'izy ireo fa tsy hanaiky hofehezin'ny fahefana sivily intsony ry zareo hatramin'ny nanafihany ny minisiteran'ny fiarovana tamin'ny volana martsa.
jentilisa, 10 novambra 2009, amin'ny 00:57